Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malemy Nefa Mahery

Malemy Nefa Mahery

Malemy Nefa Mahery

METY hahakivy anao ny fahalemenao. Miraikitra toy ny dinta mantsy izy ireny. Mety hihevitra ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny handresy ny fahalemenao, na mety hahatsapa tena ho tsy mendrika ianao satria toa tsara kokoa noho ianao ny hafa, na angamba manana aretina mikiky ny herinao ianao ka lasa tsy mahita fifaliana intsony. Na inona na inona antony mety hahakivy anao, dia mety hahatsiaro ho tsy afa-manoatra ianao. Mety hitovy fihetseham-po amin’i Joba ianao, izay nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy!”—Joba 14:13.

Ahoana àry no handresenao an’izany hakiviana izany? Tsara raha tsy mieritreritra vetivety an’ilay olana aloha ianao, na dia toa sarotra aza izany. Azonao atao, ohatra, ny misaintsaina an’ireo fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’i Joba, mpanompony mahatoky. Hoy izy: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?” (Joba 38:4, 5) Rehefa misaintsaina an’ireo fanontaniana ireo ianao, dia mety ho takatrao fa tena hendry sy mahery i Jehovah. Misy antony tsara matoa mbola avelany hitohy ny zava-mitranga eran-tany.

“Tsilo ao amin’ny nofo”

Nanana ‘tsilo tao amin’ny nofo’, na olana tsy nety voavaha ny apostoly Paoly. Niangavy an’Andriamanitra intelo io mpanompony mahatoky io mba hanala izany taminy. Na inona na inona ilay olana, dia azo antoka fa nanorisory azy ilay izy, ary nety ho nahatonga azy tsy hahita fifaliana teo amin’ny fanompoana. Toy ny hoe namely azy tsy an-kijanona ilay tsilo. Izao anefa no navalin’i Jehovah azy: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Tsy nanala an’ilay tsilo i Jehovah. Tsy maintsy niady tamin’izy io foana àry i Paoly, kanefa izao no nolazainy: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Kor. 12:7-10) Inona no tiany holazaina amin’izany?

Tsy nanao fahagagana i Jehovah mba hanesorana ny olana nanjo an’i Paoly, kanefa nahavita zavatra niavaka teo amin’ny fanompoana izy. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, ary nangataka fanampiana taminy foana. (Fil. 4:6, 7) Hoy izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.”—2 Tim. 4:7.

Mampiasa olona tsy lavorary i Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony, na dia eo aza ny fahalemen’izy ireo sy ny olana mianjady aminy. I Jehovah no omem-boninahitra noho izany. Omeny tari-dalana sy fahendrena ny mpanompony, mba hahafahany hiatrika zava-tsarotra sy hahita fifaliana foana eo amin’ny fanompoana. Afaka mampiasa olona manana fahalemena tokoa i Jehovah, mba hanatanteraka asa lehibe.

Tsy nesorin’i Jehovah ilay tsilo niaretan’i Paoly. Nahoana? Hoy izy: “Mba tsy hanandra-tena tafahoatra aho.” (2 Kor. 12:7) Ilay “tsilo” no nampahatsiahy azy fa voafetra ihany ny zavatra mety ho vitany, ary nanampy azy hanetry tena foana izany. Mitovy amin’izany ilay fampianaran’i Jesosy hoe: “Izay manandra-tena dia haetry, ary izay manetry tena dia hasandratra.” (Matio 23:12) Rehefa miatrika fitsapana ny mpanompon’Andriamanitra, dia lasa mianatra manetry tena. Lasa takany koa fa mila miantehitra amin’i Jehovah izy mba hahafahany hiaritra sy tsy hivadika. Ho toa an’i Paoly izy ireo amin’izay, ka i “Jehovah no ho reharehany.”—1 Kor. 1:31.

Fahalemena tsy fantatra

Mety tsy hahafantatra ny fahalemeny ny olona sasany, na tsy hiaiky hoe manana an’izany. Mety hatoky tena tafahoatra, ohatra, ny olona iray. (1 Kor. 10:12) Kilema fahita amin’ny olona tsy lavorary koa ny faniriana te hisongadina.

Lehilahy be herim-po sy mahay manapa-kevitra ary kinga saina i Joaba, jeneralin’ny tafik’i Davida Mpanjaka. Nanao fahadisoana lehibe anefa izy, ka hita fa sahisahy ratsy sy fatra-paniry laza. Namono jeneraly roa tamin’ny fomba nahatsiravina izy. Namono an’i Abnera izy mba hamaliana faty. Namono an’i Amasa, zanak’olo-mpiray tam-po aminy, koa izy tatỳ aoriana. Noraisiny tamin’ny tanany havanana ny volombavan’i Amasa, toy ny hoe hanoroka azy izy, kanefa ny tanany havia nanagorobaka sabatra tamin’ny kibony. (2 Sam. 17:25; 20:8-10) I Amasa mantsy no jeneraly nasolo azy, ka nihevitra azy ho fahavalony izy. Nohararaotin’i Joaba àry io fotoana io mba hamonoana an’i Amasa, sao mba ho tafaverina amin’ny toerany ihany izy. Hitantsika avy amin’izany fa tsy nahafehy ny fanirian-dratsiny i Joaba, anisan’izany ny fanirian-daza. Nanao zavatra tamin-kalozana izy kanefa tsy mba nanenina. Rehefa akaiky ho faty i Davida Mpanjaka, dia nanafatra an’i Solomona mba hamaly ny ratsy nataon’i Joaba.—1 Mpanj. 2:5, 6, 29-35.

Tsy tokony hanaiky ho resin’ny fanirian-dratsy isika. Azo atao tsara mantsy ny mandresy ny fahalemena. Tsy maintsy fantarintsika anefa aloha ny fahalementsika, ary miaiky isika avy eo fa tena manana an’ireo fahalemena ireo. Tokony hiezaka handresy azy ireny isika aorian’izay. Afaka mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah isika, ary mangataka fanampiana aminy mba handresena azy ireny. Ilaina koa ny mazoto mianatra ny Teniny, ka mikaroka ny fomba handresena ny fahalementsika. (Heb. 4:12) Mila miezaka foana anefa isika, fa tsy tokony ho kivy. Miady amin’ny fahalementsika foana isika raha mbola tsy lavorary koa. Niaiky an’izany i Paoly, rehefa nilaza hoe: “Tsy izay sitrako no ataoko fanao, fa izay halako no ataoko.” Fantatsika tsara anefa fa tsy nanaiky ho resy i Paoly. Niezaka nandresy ny fahalemeny foana izy, ary niantehitra tamin’ny fanampian’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Rom. 7:15-25) Hoy koa i Paoly: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.”—1 Kor. 9:27.

Mora manamarin-tena isika olombelona. Afaka mandresy an’io kileman-toetra io isika raha miezaka manana ny fomba fihevitr’i Jehovah, araka ny nampirisihan’i Paoly hoe: “Mankahalà ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.” (Rom. 12:9) Mila manana fahatsoram-po sy fikirizana ary mahay manitsy tena isika, raha te handresy fahalemena. Niangavy an’i Jehovah i Davida hoe: “Izahao toetra ny voako sy ny foko.” (Sal. 26:2) Fantany fa mahalala tsara ny zavatra tsy mety ao am-pontsika lalina i Jehovah, ary afaka manome izay fanampiana ilaintsika. Raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny fanahiny masina isika, dia ho afaka handresy tsikelikely ny fahalementsika.

Sahiran-tsaina ny olona sasany, satria mahatsapa izy ireo hoe tsy ho vitany ny hiatrika ny olana manjo azy. Azony atao ny manatona ny anti-panahy satria manome fampaherezana sy fanampiana feno fitiavana izy ireny. (Isaia 32:1, 2) Tsara anefa ny hitadidiana fa tsy fahendrena ny manantena zavatra tafahoatra. Tsy ho voavaha amin’izao andro izao mantsy ny olana sasany. Na izany aza, dia maro no nahavita niatrika ny olana nanjo azy, ary nahafa-po azy ny fiainany.

Matokia fa hanampy i Jehovah

Na inona na inona olana atrehintsika, dia afaka matoky isika fa hitari-dalana sy hanampy antsika i Jehovah. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”—1 Pet. 5:6, 7.

Betelita efa an-taonany maro i Kathy. Fony izy nandre voalohany hoe voan’ny aretin’i Alzheimer ny vadiny, dia tsapany fa tsy ho vitany mihitsy ny hiatrika izany. Nila nangataka fahendrena sy herim-po avy tamin’i Jehovah izy isan’andro. Rehefa niharatsy ny fahasalaman’ny vadiny, dia niezaka nanao fikarohana ireo rahalahy be fitiavana mba hahafantarana ny fomba hiatrehana an’io aretina io. Ireo anabavy be fiahiana kosa nanohana sy nampahery azy. Nampiasain’i Jehovah ireny Kristianina ireny mba hampaherezana an’i Kathy, hany ka afaka nikarakara ny vadiny izy mandra-pahafatin’izy io, 11 taona tatỳ aoriana. Hoy i Kathy: “Sady nitomany aho no nisaotra an’i Jehovah tamin’ny foko manontolo, noho ny fanampiana rehetra nataony tamiko. Nanampy ahy tsy hilavo lefona izy ireny. Tsy nampoiziko mihitsy hoe ho vitako ny hikarakara ny vadiko nandritra ireny fotoana lava be ireny, na dia reraka tanteraka aza aho!”

Fanampiana mba handresena fahalemena

Rehefa mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny olona iray, dia mety hieritreritra izy hoe tsy hihaino ny vavaka ataony i Jehovah rehefa ao anatin’ny sarotra izy. Tsara amin’izay fotoana izay ny misaintsaina ny tenin’i Davida, tamin’izy nanenina mafy noho ny fahotana nataon’izy sy Batseba. Hoy izy: “Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Sal. 51:17) Tena nibebaka i Davida, ary nivavaka tamin’Andriamanitra sady natoky fa hahazo famindram-po. Hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy fa be fiahiana toa an’i Jehovah izy. Nampiharin’i Matio tamin’i Jesosy ilay tenin’i Isaia hoe: “Tsy hanorotoro ny bararata folaka izy, na hamono ny lahin-jiro manetroka.” (Matio 12:20; Isaia 42:3) Nampitahaina tamin’ny lahin-jiro manetroka efa ho faty ireo mahantra sy ireo nampahorina. Nangoraka azy ireo i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Tsy mba nanampy trotraka ny fahorian’ireny olona ireny izy, fa namelombelona azy ireo kosa. Mino ve ianao fa mbola tsy niova ny toetran’i Jesosy, ary mahay mangoraka anao amin’ny fahalemenao izy? Mbola tsy niova izy rehefa jerena ny Hebreo 4:15.

Rehefa nanoratra momba ny “tsilo ao amin’ny nofo” i Paoly, dia nilaza fa “toy ny tranolay” nitoetra teo aminy ny herin’i Kristy. (2 Kor. 12:7-9) Tsapany fa niaro azy tamin’ny alalan’i Kristy Andriamanitra, toy ny olona voaro ao anaty tranolay rehefa ratsy ny andro. Tokony hanahaka an’i Paoly isika, ka tsy hanaiky ho resin’ny fahalemena ary tsy hilavo lefona rehefa tojo zava-tsarotra. Mila manararaotra an’ireo fandaharana rehetra ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminana isika, raha te hanana finoana matanjaka foana. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hamahana an’ilay olana. Avy eo dia miantehera amin’i Jehovah ary matokia fa hitari-dalana anao izy. Rehefa tsapanao fa manampy anao handresy ny fahalemenao ny herin’Andriamanitra, dia ho afaka hilaza toa an’i Paoly ianao hoe: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.”—2 Kor. 12:10.

[Sary, pejy 3]

Nangataka tari-dalana tamin’i Jehovah foana i Paoly mba hahafahany hanatontosa ny fanompoany

[Sary, pejy 5]

Nanendry an’i Joaba ho mpitari-tafika i Davida Mpanjaka

[Sary, pejy 5]

Novonoin’i Joaba i Amasa, ilay noheveriny ho fahavalony

[Sary, pejy 6]

Manome tari-dalana avy ao amin’ny Baiboly ny anti-panahy mba hahafahantsika hiatrika olana