Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Hevitra Izy Ireo

Nahita Hevitra Izy Ireo

Nahita Hevitra Izy Ireo

TE HANATRIKA ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ny tovolahy telo, tatsy Afrika Afovoany. Efa ho 90 kilaometatra anefa ny lalana, ary mikitoantoana sady be vovoka. Tsy misy fiara koa mankany. Inona àry no hevitra? Nieritreritra ny hindrana bisikileta telo izy ireo, fa tsy nahita mafy tsara.

Nisy anti-panahy nalahelo azy ireo, ka nampindrana bisikileta iray. Efa tranainy ilay izy, fa mbola nandeha tsara. Nohazavain’ilay anti-panahy izay nataony taloha, mba hanatrehana fivoriambe. Bisikileta iray ihany no nampiasain’izy sy ny namany. Nasainy nanao an’izany koa àry izy telo lahy. Tsotra ilay izy fa mila mifandamina tsara fotsiny. Ahoana àry no nataon’izy ireo?

Niainga vao maraina izy ireo, mba tsy ho tratran’ny hafanam-be. Nataony teo ambony bisikileta ny entany. Nitaingina aloha ny iray, fa ny roa nanao dia maika. Najanona teo ambany hazo ilay bisikileta rehefa afaka 500 metatra teo ho eo. Natao tazana tsara anefa ilay izy mba tsy hisy hangalatra. Mandeha an-tongotra indray ilay nitaingina voalohany avy eo.

Ilay faharoa izao no mitaingina, fa ilay farany mandeha ihany mandra-pahatongan’ny anjarany afaka 500 metatra. Tsy kivy izy ireo sady nahay nifandamina. Ny 60 kilaometatra ihany àry no nataony an-tongotra, fa tsy 90 kilaometatra. Tsy very maina ny ezaka nataon’izy ireo. Nifankahita tamin’ireo rahalahy sy anabavy izy ireo, ary faly nanatrika an’ilay fivoriambe. (Deot. 31:12) Hiezaka mafy araka izay azonao atao koa ve ianao, mba hanatrehana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity?