Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Tokony Hiezahantsika Hananana

Toetra Tokony Hiezahantsika Hananana

Toetra Tokony Hiezahantsika Hananana

‘Katsaho ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.’—1 TIM. 6:11.

1. Inona no katsahin’ny olona eto amin’ity tontolo ity?

INONA no katsahin’ny olona eto amin’ity tontolo ity? Asehon’ny Baiboly fa maro no mikatsaka zavatra tsy tena misy vidiny. “Tia vola” ny olona sasany, satria mihevitra fa ny fananana harena no mahasambatra. Ny hafa indray “tia fahafinaretana”, ka ny fahafinaretana sy ny fialam-boly no ataony loha laharana eo amin’ny fiainany. (2 Tim. 3:2, 4) Miezaka mafy mikatsaka vola sy fahafinaretana ny olona. “Misambo-drivotra” fotsiny anefa izy ireny, raha ny marina.—Mpit. 1:14.

2. a) Inona no tanjona asain’Andriamanitra tratrarin’ny Kristianina voahosotra? b) Inona no ampanantenainy ny ankamaroan’ny Kristianina ankehitriny?

2 Diniho kosa ny toe-tsaina tsara nananan’ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho, mba hahazoako ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 3:14) Asehon’ny Baiboly fa Kristianina voahosotra 144 000 no mahazo izany lokan’ny fiainana any an-danitra izany, ary anisany i Paoly. Hitondra ny tany miaraka amin’i Jesosy Kristy izy ireo, amin’ny Fanjakana Arivo Taona. Tsara tokoa izany tanjona asain’Andriamanitra tratrarin’izy ireo izany! Hafa anefa ny fanantenana na ny tanjon’ny ankamaroan’ny tena Kristianina ankehitriny. Tian’i Jehovah hahazo ilay fiainana nafoin’i Adama sy Eva izy ireo, izany hoe hiaina mandrakizay sy ho salama tsara eto an-tany lasa paradisa.—Apok. 7:4, 9; 21:1-4.

3. Ahoana no ampisehoantsika fankasitrahana ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra?

3 Tsy ny fiezahan’ny olombelona mpanota hanao ny marina no hahazoany fiainana mandrakizay. (Isaia 64:5) Be fitiavana kosa Andriamanitra ka nampiasa an’i Jesosy Kristy mba hamonjena ny olona, ary ny fanehoana finoana an’io fandaharana io ihany no hahazoana fiainana mandrakizay. Ahoana no ampisehoantsika fankasitrahana an’izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra izany? Azontsika atao, ohatra, ny mankatò ity didy ity: ‘Katsaho ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.’ (1 Tim. 6:11) Ho tapa-kevitra hiezaka “bebe kokoa” hanana ireo toetra ireo isika, raha mianatra momba azy ireo.—1 Tes. 4:1.

Fahamarinana

4. Nahoana no zava-dehibe ny mitady ny “fahamarinana”, ary ahoana no hanaovana izany?

4 Nitanisa toetra maromaro tokony hiezahana hananana ny apostoly Paoly ao amin’ireo taratasiny roa ho an’i Timoty, ka notononiny aloha foana ny “fahamarinana.” (1 Tim. 6:11; 2 Tim. 2:22) Imbetsaka koa ny andinin-teny hafa no mampirisika antsika hitady ny fahamarinana. (Ohab. 15:9; 21:21; Isaia 51:1) Ahoana no hanaovana izany? Ilaina aloha ny ‘mianatra hahalala ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahiny.’ (Jaona 17:3) Handrisika ny olona iray hibebaka noho ny fahotany tamin’ny lasa sy ‘hiverina’ ka hanao ny sitrapon’Andriamanitra, ny fitadiavana ny fahamarinana.—Asa. 3:19.

5. Inona no tsy maintsy hataontsika raha te ho marina eo anatrehan’Andriamanitra foana isika?

5 Nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa ireo olona an-tapitrisany mitady ny fahamarinana. Raha Kristianina vita batisa ianao, efa noeritreretinao ve fa tokony ho hita eo amin’ny fiainanao hoe mitady hatrany ny fahamarinana ianao? Raha manao izany ianao, dia hamantatra izay lazain’ny Baiboly hoe ‘tsara sy ratsy’, rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe. (Vakio ny Hebreo 5:14.) Raha Kristianina mpitovo, ohatra, ianao ary efa ampy taona hanambady, tena tapa-kevitra hitandrina ve ianao mba tsy ho raiki-pitia amin’ny olona tsy vita batisa? Izany no hataonao raha tena mitady ny fahamarinana ianao.—1 Kor. 7:39.

6. Handrisika antsika hanao inona ny fontsika raha tena mitady ny fahamarinana isika?

6 Tsy mitovy ny hoe manao ny marina sy ny hoe mihevi-tena ho marina na “marina loatra.” (Mpit. 7:16) Nampitandrina i Jesosy fa tsy mety ny miseho ho marina, mba hisehoana ho tsara kokoa noho ny hafa. (Matio 6:1) Raha tena mitady ny fahamarinana isika, dia handrisika antsika ny fontsika mba hanitsy ny tsy mety amin’ny fisainantsika, ny toetrantsika, ny antony manosika antsika, ary ny faniriantsika. Azo inoana fa tsy hanao fahotana lehibe isika raha miezaka manao izany foana. (Vakio ny Ohabolana 4:23, ary ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.) Hitahy antsika koa i Jehovah, ary hanampy antsika hanana ireo toetra kristianina hafa tena ilaina.

“Fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”

7. Manao ahoana ny olona ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’?

7 Mafana fo sy tsy mivadika ny olona mahafoy tena. Milaza ny diksionera iray momba ny Baiboly, fa ny olona ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’, dia “tsara toetra ary tsy mamela na inona na inona hampihena ny fahatahorany an’Andriamanitra.” Mazàna ny Israelita no tsy nanana izany fahafoizan-tena izany. Tsy nankatò izy ireo, na dia taorian’ny nanafahan’Andriamanitra azy tany Ejipta aza.

8. a) Inona no fanontaniana nipoitra noho ny fahotan’i Adama? b) Ahoana no nampahafantarana ny valin’ilay “zava-miafina masina”?

8 “Misy olombelona afaka mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra ve?” Tsy nisy olona mpanota nahavita izany. Mbola tsy voavaly àry io fanontaniana io, an’arivony taona taorian’ny nanotan’i Adama, ilay lehilahy lavorary. Nahariharin’i Jehovah tamin’ny fotoana mety anefa io “zava-miafina masina” io. Nafindrany tao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany lahy tokana tany an-danitra, ka lavorary izy io rehefa teraka tetỳ an-tany. Nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, fa nafana fo sy tsy nivadika mihitsy tamin’ilay tena Andriamanitra izy, na dia rehefa novonoina tamin’ny fomba nanala baraka aza. Hita tamin’ny vavaka nataony, fa nanaja lalina ilay Rainy be fitiavana any an-danitra izy. (Matio 11:25; Jaona 12:27, 28) Notarihin’ny fanahy masin’i Jehovah àry i Paoly hilaza, fa hita tamin’ny fomba fiainan’i Jesosy ny “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.”—Vakio ny 1 Timoty 3:16.

9. Ahoana no iezahantsika hahafoy tena ho an’Andriamanitra?

9 Tsy afaka ny hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, raha mbola mpanota. Afaka miezaka anefa isika. Mila manaraka ny modelin’i Kristy, araka izay fara herintsika, isika. (1 Pet. 2:21) Tsy hitovy amin’ireo mpihatsaravelatsihy isika amin’izay. “Jerena toa mpivavaka be” mantsy izy ireo, “nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Tim. 3:5) Midika ve izany fa tsy tokony ho hita amin’ny fitafiana sy taovolontsika hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra isika? Tsy izany velively. Tokony hifanentana amin’ny olona “mpivavaka amin’Andriamanitra” foana ny akanjontsika, na akanjo mariazy izany na fitondra miantsena. (1 Tim. 2:9, 10) Mila miaina mifanaraka amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra amin’ny lafim-piainana rehetra àry ny olona miezaka mahafoy tena ho an’Andriamanitra.

Finoana

10. Inona no tsy maintsy hataontsika mba hananana finoana matanjaka foana?

10 Vakio ny Romanina 10:17. Tsy maintsy misaintsaina hatrany ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Kristianina, raha te hanana finoana matanjaka foana. Maro ny boky sy gazety omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Eo, ohatra, ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, ary “Andao Hanara-dia Ahy”, izay natao hanampiana antsika hahalala bebe kokoa an’i Kristy, ka ho afaka hanahaka azy. (Matio 24:45-47) Manasongadina ny “teny momba an’i Kristy” koa ny ankamaroan’ireo fivoriana sy fivoriambe samihafa, izay alamin’ny mpanompo mahatoky. Inona no azonao atao mba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ireo rehetra ireo, sady hitandremanao “mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay” izay rehetra lazain’Andriamanitra?—Heb. 2:1.

11. Nahoana no azo lazaina fa manatanjaka finoana ny vavaka sy ny fankatoavana?

11 Manatanjaka ny finoana koa ny vavaka. Nitalaho tamin’i Jesosy ny mpanara-dia azy indray mandeha hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” Afaka mangataka izany amim-panetren-tena amin’Andriamanitra koa isika. (Lioka 17:5) Tokony hivavaka mba hahazo ny fanampian’ny fanahiny masina isika raha te hitombo finoana, satria anisan’ny “vokatry ny fanahy” izy io. (Gal. 5:22) Manatanjaka ny finoantsika koa ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Mety hiezaka hitory bebe kokoa, ohatra, isika. Azo inoana fa tena hahasambatra antsika izany. Hitombo ny finoantsika rehefa saintsainintsika ny fitahiana azo, noho ny ‘fikatsahana hatrany ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany’ eo amin’ny toerana voalohany.—Matio 6:33.

Fitiavana

12, 13. a) Inona ilay didy vaovao nomen’i Jesosy? b) Ahoana no ampisehoantsika fa miezaka manana fitiavana toy ny an’i Kristy isika?

12 Vakio ny 1 Timoty 5:1, 2. Nanome torohevitra mahasoa mahakasika ny fomba ifanehoan’ny Kristianina fitiavana i Paoly. Anisan’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ny fankatoavana ilay didy vaovao nomen’i Jesosy, dia ny ‘mba hifankatiavantsika’ toy ny nitiavany antsika. (Jaona 13:34) Nilaza ny apostoly Jaona hoe: “Raha misy manam-pananana eto amin’ity tontolo ity, ka mahita ny fahantran’ny rahalahiny, nefa manamafy fo toy ny hoe manakatona ny varavaran’ny fangoraham-pony, ahoana moa no hitoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminy?” (1 Jaona 3:17) Efa mba naneho fitiavana tamin’ireo rahalahinao sahirana ve ianao?

13 Miezaka maneho fitiavana koa isika, raha mamela ny heloky ny rahalahintsika fa tsy mitana lolompo. (Vakio ny 1 Jaona 4:20.) Tiantsika ny hankatò ity torohevitra ity: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kol. 3:13) Misy olona tokony hampiharanao an’io torohevitra io ve eo anivon’ny fiangonana? Hamela ny helony ve ianao?

Fiaretana

14. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiangonan’i Filadelfia?

14 Tsy mitovy ny miezaka manatratra tanjona iray ao anatin’ny fotoana fohy, sy ny manatratra tanjona lehibe iray ao anatin’ny fotoana maharitra. Mitaky fiaretana àry ny fiezahana hahazo fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy Tompo tamin’ny fiangonan’i Filadelfia, tamin’ny taonjato voalohany: “Koa satria nitana ny teny momba ny fiaretako ianao, dia hiaro anao koa aho amin’ny ora fitsapan-toetra.” (Apok. 3:10) Nampianatra i Jesosy fa ilaina ny fiaretana. Manampy antsika tsy ho kivy izy io, rehefa tojo fitsapana sy fakam-panahy isika. Azo antoka fa tena niaritra ireo rahalahy tao amin’ny fiangonan’i Filadelfia, rehefa nandalo fitsapam-pinoana maro. Nanome toky azy ireo àry i Jesosy, fa hanampy azy bebe kokoa amin’ny fitsapana mafy kokoa ho avy.—Lioka 16:10.

15. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny fiaretana?

15 Fantatr’i Jesosy fa ho halan’ny havany sy izao tontolo izao ny mpanara-dia azy. Indroa àry izy, fara fahakeliny, no nampahery azy ireo hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 10:22; 24:13) Nasehony azy ireo koa ny fomba hahazoana hery hiaretana. Tao amin’ny fanoharana iray, dia nampitahainy tamin’ny tany be vato ireo olona ‘mandray ny teny amim-pifaliana’ nefa miala rehefa tojo fitsapam-pinoana. Nampitahainy tamin’ny tany tsara kosa ireo mpanara-dia azy tsy mivadika, satria “mitana” ny tenin’Andriamanitra ary “mamoa amin’ny fiaretana.”—Lioka 8:13, 15.

16. Inona no fitaovana manampy olona an-tapitrisany hiaritra?

16 Ahoana àry no hananana fiaretana? Tsy maintsy “mitana” ny Tenin’Andriamanitra isika, izany hoe mihazona azy io ho velona ao am-po sy ao an-tsaintsika. Azo atao tsara izany, satria mihamaro hatrany izao ny Baiboly Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voadika amin’ny fiteny samihafa, ary marina sy mora vakina ilay fandikan-teny. Hanampy antsika hanana ny hery ilaina mba hahitana vokatra sy ‘hiaretana’ foana, ny fisaintsainana ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.—Sal. 1:1, 2.

Fahalemem-panahy sy fihavanana

17. a) Nahoana no tena ilaina ny “fahalemem-panahy”? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fahalemem-panahy?

17 Tsy tiantsika ny hampangaina amin-javatra tsy nataontsika na tsy nolazaintsika. Matetika no mandà an-katezerana ny olona atao toy izany. Tsara lavitra anefa ny maneho “fahalemem-panahy.” (Vakio ny Ohabolana 15:1.) Ilana herim-po ny mamaly amim-pahalemem-panahy, rehefa misy olona manakiana antsika tsy ara-drariny. Namela modely tonga lafatra i Jesosy Kristy. “Rehefa notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy mba nandrahona, fa nanankina ny fiainany hatrany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” (1 Pet. 2:23) Marina fa tsy hahavita ny vitan’i Jesosy isika. Afaka miezaka ny halemy fanahy bebe kokoa anefa ve isika?

18. a) Inona no soa raisintsika raha malemy fanahy isika? b) Inona no toetra hafa ampirisihana hananantsika?

18 Enga anie isika hanahaka an’i Jesosy, ka ‘ho vonona foana hiaro’ ny finoantsika, “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.” (1 Pet. 3:15) Tsy ho lasa fifandirana be ny tsy fitovian-kevitra raha malemy fanahy isika, na eny amin’ny fanompoana izany na rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana. (2 Tim. 2:24, 25) Manampy antsika hihavana amin’ny hafa ny fahalemem-panahy. Izany angamba no nahatonga an’i Paoly hitanisa ny “fihavanana” ho anisan’ireo toetra tokony hananana, tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty. (2 Tim. 2:22; ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:11.) Mampirisika antsika hitady “fihavanana” àry ny Soratra Masina.—Sal. 34:14; Heb. 12:14.

19. Inona no fanapahan-kevitrao rehefa avy nandinika ireo toetra fito tokony hananan’ny Kristianina? Nahoana?

19 Nandinika toetra fito tokony hananan’ny Kristianina isika teo, dia ny fahamarinana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, fiaretana, fahalemem-panahy, ary fihavanana. Tena mahafinaritra raha miezaka maneho bebe kokoa an’ireo toetra sarobidy ireo, ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana! Hanome voninahitra an’i Jehovah izany, sady hamela azy hamolavola antsika tsirairay mba hidera azy.

Hevitra hosaintsainina

• Inona no tafiditra amin’ny hoe mitady ny fahamarinana sy ny hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra?

• Inona no hanampy antsika hanana finoana sy fiaretana foana?

• Nahoana no azo lazaina fa misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny fitiavana?

• Nahoana isika no tokony hiezaka halemy fanahy sy ho tia fihavanana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Nampitandrina i Jesosy fa tsy mety ny miseho ho marina mba hanintonana ny sain’ny hafa

[Sary, pejy 13]

Manatanjaka ny finoana ny fisaintsainana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

[Sary, pejy 15]

Afaka ny ho be fitiavana sy ho tsara fanahy isika