Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hiaro ny Finoanao ve Ianao?

Vonona Hiaro ny Finoanao ve Ianao?

Vonona Hiaro ny Finoanao ve Ianao?

EFA nitranga taminao ve ny hoe tsy maintsy niaro ny finoanao ianao? Diniho izay nitranga tamin’i Susana, anabavy 16 taona, any Paragoay. Mianatra any amin’ny lise izy. Niresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-mianatra taminy, indray andro, nandritra ny taranja momba ny fitondran-tena. Nilaza ny ankizy iray fa tsy mino an’i Jesosy Kristy sy Maria ary ny “Testamenta Taloha” isika. Nolazainy koa fa olona mafana fo tafahoatra ny Vavolombelona, ka aleon’izy ireo maty toy izay hotsaboina. Inona no ho nataonao, raha ianao no sendra an’izany?

Nivavaka i Susana ary nanangan-tanana avy eo. Efa hirava tamin’izay, ka nangataka tamin’ny mpampianatra izy mba hanao famelabelarana momba ny finoany amin’ny fotoana manaraka. Nanaiky avy hatrany ilay madama. Nanomana an’ilay famelabelarana i Susana nandritra ny tapa-bolana, ary nampiasa an’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?

Tonga ny andro hanaovany an’ilay famelabelarana. Nohazavain’i Susana hoe nahoana isika no antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah? Nohazavainy koa ny fanantenantsika momba ny hoavy sy ny antony tsy anekentsika fampidiran-dra. Nasainy nametraka fanontaniana ny mpianatra avy eo, ka nanangan-tanana ny ankamaroany. Novaliany avy tao amin’ny Soratra Masina ireo fanontaniana ka gaga ilay mpampianatra.

Hoy ny mpianatra iray avy eo: “Tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, indray andro, ary tsy nahita sarivongana na iray aza.” Nahaliana an’ilay mpampianatra izany, ka nanontaniany ny antony. Novakin’i Susana ny Salamo 115:4-8 sy ny Eksodosy 20:4. Gaga ilay madama ka hoy izy: “Fa nahoana àry ny fiangonanay no feno sary, kanefa raran’ny Baiboly izany?”

Namaly ny fanontanian’ny ankizy i Susana nandritra ny 40 minitra. Nanontaniany izy ireo avy eo raha tiany ny hijery an’ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Nanaiky avokoa izy rehetra. Nasain’ilay mpampianatra natao ny ampitson’iny izany. Rehefa tapitra ilay video, dia nohazavain’i Susana ireo fitsaboana solon’ny fampidiran-dra, izay eken’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany. Hoy ilay madama avy eo: “Hay ve be dia be ny karazana fitsaboana tsy ampiasana ra e! Tsy fantatro koa hoe maro be toy izany ny soa azo rehefa tsy mampiasa ra. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ve no mahazo mampiasa izany?” Rehefa niteny i Susana hoe azon’ny olona rehetra ampiasaina izy ireny, dia nilaza ilay mpampianatra hoe: “Handray Vavolombelon’i Jehovah aho amin’ny manaraka, rehefa tonga ao aminay izy ireo.”

Famelabelarana maharitra 20 minitra no nomanin’i Susana, kanefa lasa naharitra adiny telo ilay izy rehefa natambatra. Nisy mpianatra hafa nanao famelabelarana koa ny herinandro nanaraka. Maro ny fanontaniana napetraky ny mpianatra rehefa vita ilay famelabelarana, kanefa tsy afaka niaro ny finoany izy ireo. Hoy ilay mpampianatra: “Fa nahoana ianareo no tsy afaka miaro ny finoanareo toy ny nataon’ilay namanareo Vavolombelon’i Jehovah?”

Hoy izy ireo: “Ry zareo tsinona tena mianatra Baiboly, fa izahay tsy mba manao an’izany.”

Nitodika tany amin’i Susana ilay mpampianatra, sady hoy izy: “Tena mianatra Baiboly ianao, sady miezaka mampihatra izay ianaranao. Tena mendri-piderana ianao.”

Azon’i Susana natao ny nangina, kanefa nanahaka an’ilay zazavavikely israelita tsy fantatra anarana izy. Nentin’ny Syrianina ho babo izy io ary nipetraka tao amin’i Namàna, jeneraly syrianina. Voan’ny aretin-koditra nahatsiravina i Namàna. Hitan’ilay zazavavy fa nila nitory momba an’ilay tena Andriamanitra izy, ka tsy nisalasala nilaza tamin’ny tompovaviny hoe: “Enga anie ka mba [ho any] amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy.” Nanjary nanompo an’i Jehovah i Namàna tompony noho izany.—2 Mpanj. 5:3, 17.

Hitan’i Susana koa fa nila nitory momba an’i Jehovah sy niresaka momba ny vahoakany izy. Nanao zavatra avy hatrany izy mba hiarovana ny finoany rehefa nisy nanakiana. Nankatò an’ity didy ao amin’ny Soratra Masina ity izy: ‘Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.’ (1 Pet. 3:15) Ary ianao? Vonona hiaro ny finoanao foana ve ianao?

[Sary, pejy 17]

Afaka manampy anao hiaro ny finoanao ireo fitaovana ireo