Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Iatrehana Zava-tsarotra Amin’ny Fitoriana Isan-trano

Fomba Iatrehana Zava-tsarotra Amin’ny Fitoriana Isan-trano

Fomba Iatrehana Zava-tsarotra Amin’ny Fitoriana Isan-trano

‘Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika izahay mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.’—1 TES. 2:2.

1. Inona no zava-tsarotra natrehin’i Jeremia, ary ahoana no niatrehany izany?

NANANA fihetseham-po toa antsika i Jeremia. Rehefa nanendry azy ho “mpaminany ho an’ny firenena” i Jehovah, dia nilaza izy hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Nitoky tamin’i Jehovah anefa izy, ka nanaiky an’ilay fanendrena. (Jer. 1:4-10) Nitory nandritra ny 40 taona mahery izy, kanefa tsy niraharaha sy naneso azy ny olona, ary nampihatra herisetra mihitsy aza. (Jer. 20:1, 2) Saika hilavo lefona izy indraindray. Nitory foana an’ilay hafatra tsy tiam-bahoaka anefa izy. Nomen’Andriamanitra hery i Jeremia, ka vitany ny asa nanendrena azy.—Vakio ny Jeremia 20:7-9.

2, 3. Nahoana isika no milaza fa miatrika olana toa an’i Jeremia ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?

2 Mahatakatra tsara ny fihetseham-pon’i Jeremia ny mpanompon’Andriamanitra maro. Mety ho efa nilaza toy izao ny sasany tamintsika taloha, raha vao nieritreritra momba ny fitoriana isan-trano: ‘Tena tsy ho vitako mihitsy izany!’ Rehefa tsapantsika anefa hoe sitrapon’i Jehovah ny hitoriantsika ny vaovao tsara, dia lasa tsy natahotra intsony isika, fa tena nazoto nitory. Na izany aza, dia sarotra amin’ny mpitory maro ny mitory isan-trano tsy tapaka, noho ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany. Sarotra tokoa ny mitory isan-trano amin’ny voalohany, ary tsy mora ny manohy an’io asa io hatramin’ny fotoana hamaranana an’ity tontolo ity.—Matio 24:13.

3 Ary ahoana raha efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, ary efa nanatrika fivoriana nandritra ny fotoana elaela, kanefa mbola tsy sahy mandeha mitory isan-trano? Ary ahoana indray raha Vavolombelona vita batisa ianao, ary tsy kilemaina na farofy, kanefa sarotra aminao ny mitory isan-trano? Nahavita niatrika izany ny olona avy amin’ny fiaviana rehetra, ka matokia fa hahavita izany koa ianao noho ny fanampian’i Jehovah.

Misikìna herim-po

4. Inona no nanampy an’i Paoly hitory amim-pahasahiana?

4 Azo antoka fa takatrao hoe tsy noho ny hery na ny fahendren’olombelona no ahavitana ny asa fitoriana maneran-tany, fa noho ny fanahin’Andriamanitra. (Zak. 4:6) Mila azy io koa isika tsirairay mba hahavitana ny fanompoantsika. (2 Kor. 4:7) Diniho, ohatra, ny apostoly Paoly. Nanoratra toy izao izy rehefa nahatsiaro ny nanjo azy sy ny namany, tamin’ny nanao dia misionera: “Fantatrareo koa fa rehefa avy nijaly sy nalam-baraka tany Filipy aloha izahay ... dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.” (1 Tes. 2:2; Asa. 16:22-24) Tsy noeritreretintsika mihitsy angamba ny hoe mpitory be zotom-po toa an-dry Paoly ve dia mba hiady mafy vao hahavita hitory. Toa antsika ihany anefa izy, ka nila niantehitra tamin’i Jehovah mba hahafahany hitory amim-pahasahiana. (Vakio ny Efesianina 6:18-20.) Ahoana no hanahafantsika azy?

5. Inona no hanampy antsika hanana herim-po rehefa mitory?

5 Fomba iray manampy antsika hanana herim-po ny vavaka. Hoy ny mpisava lalana iray: “Mivavaka aho mba hatoky tena rehefa mitory. Mivavaka aho mba ho afaka hanohina ny fon’ny olona. Mivavaka aho mba hahita fifaliana eny amin’ny fanompoana. Asan’i Jehovah io fa tsy antsika, ka tsy hahavita na inona na inona isika raha tsy eo ny fanampiany.” (1 Tes. 5:17) Mila mangataka ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra foana isika rehetra, mba hahafahantsika hitory amim-pahasahiana.—Lioka 11:9-13.

6, 7. a) Inona ny fahitana azon’i Ezekiela, ary inona no dikan’izy io? b) Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?

6 Manampy antsika hitory amim-pahasahiana koa ny bokin’i Ezekiela. Nanome azy horonan-taratasy i Jehovah tao amin’ny fahitana iray. Nisy soratra momba ny “fitomaniana sy fidradradradrana sy loza”, tao amin’ny ambadika sy ambadik’ilay horonana. Nilaza i Jehovah avy eo hoe: “Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao.” Inona no dikan’io fahitana io? Tokony ho vonton’ilay hafatra hotoriny ny fo sy ny sain’i Ezekiela, ka hisy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-pony lalina izany. Hoy ilay mpaminany: “Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.” Nahafinaritra an’i Ezekiela ny nanambara ny hafatr’Andriamanitra, toy ny hoe nihinana tantely izy. Marina fa nila nitory hafatra mafonja tamin’ny olona tsy niraika i Ezekiela. Tsapany anefa fa tombontsoa lehibe ho azy ny nisolo tena an’i Jehovah, sy nanao ny asa nanendrena azy.—Vakio ny Ezekiela 2:8–3:4, 7-9.

7 Misy lesona sarobidy ao amin’io fahitana io. Mitory hafatra mafonja koa isika ankehitriny, ary matetika no tsy mankasitraka ny ezaka ataontsika ny olona. Tokony hazoto hamaky sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika, raha tiantsika ny hihevitra ny fanompoantsika ho tombontsoa. Tsy ho vonton’ny Tenin’Andriamanitra ny fo sy ny saintsika, raha zara fa mianatra isika na mianatra tsindraindray fotsiny. Azonao hatsaraina sy atao tsy tapaka ve ny fianarana samirery sy ny famakiana Baiboly fanaonao? Afaka manokana fotoana hisaintsainana imbetsaka kokoa ve ianao, rehefa mamaky teny?—Sal. 1:2, 3.

Fomba hanombohan-dresaka

8. Inona no nataon’ny mpitory sasany mba hanombohan-dresaka?

8 Sarotra ny manombo-dresaka amin’ny faritany sasany. Ny teny holazaina voalohany no tena manahirana ny mpitory maro. Tian’ny mpitory sasany ny milaza teny vitsivitsy voafantina tsara, rehefa miresaka amin’ny olona eo am-baravarana, ary avy eo manolotra taratasy mivalona, araka ny resahina eo amin’ny efajoro. Mety hisarika ny sain’ilay olona ny lohatenin’ilay taratasy mivalona na ireo sary miloko mahafinaritra. Mety ho afaka hilaza ny anton-diantsika isika amin’izay, ary ho afaka hametraka fanontaniana. Azo atao koa ny mampiseho taratasy mivalona telo na efatra, ary manasa an’ilay olona hifidy izay mahaliana azy. Tsy ny hametraka taratasy mivalona isan-trano fotsiny anefa no tanjontsika, fa ny hanomboka dinidinika ara-baiboly, ka ho lasa fampianarana Baiboly amin’ny farany.

9. Nahoana no zava-dehibe ny manomana tsara?

9 Na inona na inona fampidiran-dresaka ampiasainao, dia tena mila manomana tsara ianao mba ho tony sy hanana risi-po. Hoy ny mpisava lalana iray: “Mahita fifaliana kokoa aho rehefa manomana tsara. Lasa tsy andriko mihitsy izay hiresahana an’ilay izy.” Nilaza toy izao ny mpisava lalana hafa iray: “Rehefa fantatro tsara izay resahin’ny boky na gazety hatolotro, dia mafana fo erỳ aho mametraka azy ireny.” Tsara ny manao famerenana ao an-tsaina ny zavatra holazaina eny am-pitoriana, kanefa hitan’ny mpitory maro fa tsara kokoa ny manao famerenana amin’ny feo avo. Manampy azy ireo hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah izany.—Kol. 3:23; 2 Tim. 2:15.

10. Inona no azo atao raha tiana handray torohevitra mahasoa sy azo ampiharina ny mpitory, mandritra ny fivoriana alohan’ny fanompoana?

10 Manampy antsika hahita vokatra sy fifaliana ny fivoriana alohan’ny fanompoana misy torohevitra azo ampiharina. Raha miresaka momba ny asa fitoriana ny teny hodinihina isan’andro, dia mety hovakina sy horesahina vetivety izany amin’io fivoriana io. Tokony hanokana fotoana ampy tsara anefa ilay rahalahy mitarika, mba hanaovana fampisehoana na handinihana fomba fitory tsotra mifanentana amin’ny faritany. Na mety hiresaka hevitra azo ampiharina amin’io andro io koa izy. Hanampy ny mpitory hahita vokatra izany. Ho tratra izany tanjona izany ary ho vita ara-potoana ilay fivoriana, raha manomana tsara ny anti-panahy na ny olon-kafa mitarika azy io.—Rom. 12:8.

Tena ilaina ny mihaino

11, 12. Nahoana isika no mila mihaino sy mangoraka rehefa mitory? Milazà ohatra vitsivitsy.

11 Ankoatra ny fanomanana tsara, dia ilaina koa ny miahy ny olona itoriantsika, mba hahafahantsika hanomboka dinidinika ara-baiboly sy hanohina ny fony. Hita amin’ny fomba ihainoantsika ny olona, ohatra, raha tena miahy azy isika. Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Te hiresaka aminao ny olona, rehefa asehonao fa vonona hihaino azy ianao. Ho hita avy amin’izany koa fa tena miahy an’ilay olona ianao.” Rehefa mihaino sy mangoraka ianao, dia ho vonona kokoa hihaino ny hafatra torinao ny olona. Indro misy ohatra.

12 Nivoaka tao amin’ny gazety Fandrosoana (frantsay), any Saint-Étienne, any Frantsa, ny taratasy nosoratan’ny vehivavy iray. Nolazainy tao fa nisy olona roa nandondòna tao aminy, tsy ela taorian’ny nahafatesan’ny zanany vavikely telo volana. Hoy izy: “Fantatro avy hatrany hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Efa nivonona handroaka azy ireo tamim-panajana aho, saingy voamariko ilay bokikely natolony. Niresaka momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ilay izy. Nanapa-kevitra ny hampandroso azy ireo indray aho, mba hanaporofoako hoe diso ny hevitra arosony. ... Adiny iray mahery kely no nijanonan’ireo Vavolombelona tao amiko. Tena nangoraka izy ireo nihaino ahy. Azoazoko ny aiko rehefa handeha izy ireo, hany ka nanaiky ny hotsidihiny indray aho.” (Rom. 12:15) Nanaiky hianatra Baiboly io vehivavy io tatỳ aoriana. Hita avy amin’izany, fa tsy ny teny nolazain’ireo Vavolombelona no tsaroan’ilay vehivavy tamin’ilay fitsidihana voalohany, fa ny hoe nihaino azy tsara izy ireo.

13. Inona no azontsika atao mba hifanaraka amin’ny olona hitantsika ny fomba fitorintsika?

13 Rehefa mihaino sy mangoraka isika, dia holazain’ny olona amintsika izay manjo azy. Ho takatsika avy amin’izay lazainy hoe nahoana izy no mila an’ilay Fanjakana, ary ho haintsika kokoa ny hitory aminy ny vaovao tsara. Efa voamarikao angamba fa ireo mpitory mahay mihaino mazàna, no mahita vokatra. (Ohab. 20:5) Tena miahy ny olona hitany izy ireo. Tsy ny anarana sy ny adiresin’ilay olona ihany no raisiny an-tsoratra, fa izay mahaliana an’ilay olona sy ny zavatra ilainy koa. Rehefa miresaka ny zavatra mampanahy azy ilay olona, dia manao fikarohana izy, ary miverina any haingana mba hilaza ny vokatry ny fikarohana nataony. Manahaka ny apostoly Paoly izy ireo, ka ataony mifanaraka amin’ny olona hitany ny fomba fitoriny. (Vakio ny 1 Korintianina 9:19-23.) Raha tena miahy ny olona isika, dia ho liana amin’ny vaovao tsara izy ireo, ary ho hita taratra ny “halehiben’ny fangoraham-pon’Andriamanitsika.”—Lioka 1:78.

Mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra

14. Ahoana no anahafantsika ny toetran’i Jehovah rehefa mitory?

14 Manaja antsika i Jehovah, ka omeny safidy malalaka isika. Na dia izy aza no Andriamanitra Mahery Indrindra, dia tsy manery na iza na iza hanompo azy izy, fa miangavy azy ireo amim-pitiavana kosa. Mitahy an’izay manaiky hanao ny sitrapony izy. (Rom. 2:4) Mpanompon’Andriamanitra isika, ka tokony ho hita taratra amin’ny fomba itoriantsika ny vaovao tsara ny famindram-pon’Andriamanitra. (2 Kor. 5:20, 21; 6:3-6) Tokony hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra isika, rehefa mitory. Tsy mora anefa izany. Inona àry no hanampy antsika hanao izany?

15. a) Inona no nampirisihan’i Jesosy hataon’ny apostoly, raha tsy mandray ny hafatra toriny ny olona? b) Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny fikarohana an’ireo mendrika?

15 Nilaza i Jesosy fa tsy tokony halahelo be ny mpianany raha tsy mandray ny hafatra torin’izy ireo ny olona. Nampirisihiny kosa izy ireo mba hifantoka amin’ny fikarohana an’ireo mendrika. (Vakio ny Matio 10:11-15.) Afaka manao izany isika raha manana tanjona azo tratrarina. Mampitaha ny tenany amin’ny mpitrandraka volamena ny mpitory iray. Izao no teny filamatr’io rahalahy io: “Manantena hahita volamena aho androany.” Ny tanjon’ny rahalahy iray hafa kosa, dia “ny hahita olona liana iray isan-kerinandro, sy ny hiverina hitsidika azy afaka andro vitsivitsy.” Ny mpitory hafa indray miezaka mamaky andinin-teny iray, fara fahakeliny, amin’ny olona itoriany. Ary inona no tanjona azonao tratrarina?

16. Nahoana isika no tokony hitory foana?

16 Tsy rehefa mandray ny hafatra torintsika ihany ny olona vao lazaina hoe mahita fahombiazana isika. Marina fa tena ilaina ny asa fitoriana mba hamonjena an’ireo olona tso-po, kanefa misy antony lehibe hafa koa tokony hanaovantsika azy io. Afaka manaporofo ny fitiavantsika an’i Jehovah isika rehefa manao fanompoana. (1 Jaona 5:3) Tsy mivesatra trosan-dra isika rehefa manao azy io. (Asa. 20:26, 27) Mampitandrina ny olona tsy tia an’Andriamanitra isika hoe ‘tonga ny ora fitsaran’Andriamanitra.’ (Apok. 14:6, 7) Ny tena antony lehibe indrindra anefa, dia ny hoe deraina maneran-tany ny anaran’i Jehovah noho ny asa fitoriana. (Sal. 113:3) Tsy maintsy mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana foana àry isika, na mihaino ny olona na tsia. Mahafaly an’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hitoriana ny vaovao tsara.—Rom. 10:13-15.

17. Inona no zavatra tsy maintsy heken’ny olona atsy ho atsy?

17 Tsy miraharaha ny fitoriantsika ny olona maro ankehitriny. Hiova anefa ny fiheveran’izy ireo ny asa fitoriana atsy ho atsy. (Matio 24:37-39) Nanome toky an’i Ezekiela i Jehovah fa rehefa ho tanteraka ny didim-pitsarana nasaina nambarany, dia ho fantatry ny Israelita mpikomy fa “efa nisy mpaminany teo aminy.” (Ezek. 2:5) Toy izany koa, fa rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ity Andriamanitra, dia tsy maintsy hiaiky ny olona fa avy amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ny hafatra notorin’ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny toerana be olona sy isan-trano. Hiaiky koa izy ireo fa solontenan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Tombontsoa tokoa ny mampita ny hafatr’Andriamanitra sy mitondra ny anarany, amin’izao vanim-potoana miavaka izao! Enga anie isika ka hahavita handresy an’ireo zava-tsarotra fahita amin’ny fitoriana isan-trano, noho ny fanampian’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no azontsika atao mba hananana herim-po rehefa mitory?

• Inona no hanampy antsika hanombo-dresaka rehefa mitory isan-trano?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tena miahy ny olona isika?

• Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra rehefa mitory?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Fomba Azo Anombohan-dresaka

Zavatra lazaina voalohany:

▪ Rehefa avy miarahaba an’ilay olona ianao, dia afaka manolotra taratasy mivalona sady milaza hoe: “Mitsidika anao aho androany, mba hiresaka zavatra mampahery momba ny loha hevitr’ity taratasy mivalona ity.”

▪ Na manolotra taratasy mivalona ianao sady miteny hoe: “Mitsidika anao vetivety aho androany, satria mba tiako ho fantatra ny hevitrao momba an’ity loha hevitra ity.”

Raha raisiny ilay taratasy mivalona:

Aza miandry ela fa anontanio avy hatrany ny heviny momba ny lohatenin’ilay taratasy mivalona.

▪ Henoy tsara izy mba hahafantaranao ny heviny. Ankasitraho izay valin-teny omeny ary ampifanaraho amin’izany ny resakao.

Fomba hanohizana ny resaka:

▪ Mamakia andinin-teny iray na mihoatra. Iaraho midinika izany ary ampifanaraho amin’ny zavatra mahaliana an’ilay olona sy izay ilainy, ny resakao.

▪ Raha liana izy dia omeo boky na gazety. Atoroy azy ny fomba fianarana Baiboly, raha azo atao. Mifanaova fotoana aminy mba hanohizana an’ilay resaka.