Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina

TENA nanahy momba ny fiangonan’i Korinto ny apostoly Paoly. Henony fa tsy nifanaraka ireo rahalahy tany. Noleferin’izy ireo ny fitondran-tena maloto. Nanoratra ho an’i Paoly koa ilay fiangonana, ary nanontany azy momba ny raharaha sasany. Nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina àry i Paoly, tamin’ny taona 55 tany ho any. Tany Efesosy izy tamin’izay, ary io no dia misionera fahatelo nataony.

Ilay taratasy faharoa kosa, toa nosoratana volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tohin’ilay voalohany. Misy itovizany be tamin’ny zava-nisy teo anivon’ny fiangonan’i Korinto sy ny fiainana tamin’izany, ny zava-misy ankehitriny. Tena ilaintsika koa àry ny hafatr’i Paoly ho an’ny Korintianina.—Heb. 4:12.

‘MIAMBENA HATRANY, AOKA HO MAFY ORINA, ARY HATANJAKA’

(1 Kor. 1:1–16:24)

Tokony “hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo”, hoy i Paoly. (1 Kor. 1:10) ‘Tsy misy fototra hafa ankoatra [an’i] Jesosy Kristy’, mba hananana toetra kristianina. (1 Kor. 3:11-13) Hoy i Paoly momba ilay mpijangajanga teo anivon’ny fiangonana: “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Kor. 5:13) “Ny vatana” mantsy “tsy natao ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo.”—1 Kor. 6:13.

Ho valin’ny “zavatra [nosoratan’izy ireo]”, dia nanome torohevitra tsara ho an’ny mpitovo sy ny manambady i Paoly. (1 Kor. 7:1) Niresaka momba ny fahefan’izay lohany, sy ny fomba handaminana ny fivoriana kristianina izy. Nilaza koa izy, fa azo antoka ny fitsanganan’ny maty. Nampirisika izy avy eo hoe: “Miambena hatrany, aoka ianareo ho mafy orina ao amin’ny finoana sy hitomban-dahy hatrany ary hatanjaka.”—1 Kor. 16:13.

Valin’ny Fanontaniana Ara-baiboly:

1:21—Amin’ny alalan’ny ‘hadalana’ tokoa ve no hamonjen’i Jehovah izay mino? Tsia. Hadalana amin’ity tontolo ity anefa ny zavatra nataony mba hamonjena ny olona, satria “ny fahendren’izao tontolo izao tsy nahatonga azy hahalala an’Andriamanitra.”—Jaona 17:25.

5:5—Inona no dikan’ny hoe ‘atolotra ho an’i Satana handringanana ny nofo ilay lehilahy [ratsy fanahy], mba ho voavonjy ny toe-tsain’ny fiangonana’? Lasa anisan’ny tontolon’i Satana indray ny olona voaroaka, satria nanao fahotana lehibe nefa tsy nibebaka. (1 Jaona 5:19) Toy ny hoe natolotra ho an’i Satana àry izy. Afaka tamin’ny fitaoman-dratsy ireo Kristianina rehefa voaroaka ilay olona, ka voaro ny toe-tsain’ilay fiangonana.—2 Tim. 4:22.

7:33, 34—Inona ireo zavatra “an’izao tontolo izao” mampanahy ny lehilahy sy vehivavy manambady? Ireo zavatra ilaina andavanandro, toy ny sakafo, fitafiana, trano, no tian’i Paoly horesahina. Tsy anisan’izany kosa ny zava-dratsy eto amin’ity tontolo ity, izay tsy maintsy halavirin’ny Kristianina.—1 Jaona 2:15-17.

11:26—“Isaky” ny inona no tokony hankalazaina ny nahafatesan’i Jesosy, ary mandra-pahoviana? Tsy nilaza i Paoly hoe tokony hankalazaina matetika ny nahafatesan’i Jesosy. Nilaza kosa izy hoe isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ny divay ireo Kristianina voahosotra, dia ‘manambara ny fahafatesan’ny Tompo.’ Indray mandeha isan-taona ihany izy io no atao, isaky ny 14 Nisana. Hataon’izy ireo ‘mandra-piavin’i Jesosy’ izany, mandra-pahatongan’ny fotoana hananganana azy ireo ho any an-danitra.—1 Tes. 4:14-17.

13:13—Nahoana ny fitiavana no lehibe noho ny finoana sy ny fanantenana? Tsy ilaina intsony ny finoana sy fanantenana, rehefa tanteraka ny ‘zavatra nantenaina’ sy ‘nandrasana tamin-toky.’ (Heb. 11:1) Lehibe noho ny finoana sy fanantenana àry ny fitiavana, satria maharitra mandrakizay.

15:29—Inona no dikan’ny hoe “atao batisa mba ho faty”? Misy mihevitra fa azo atao batisa ny olona velona, mba ho solon’ireo efa maty tsy vita batisa. Tsy izany anefa no tian’i Paoly holazaina, fa hoe manomboka fiainana vaovao ny voahosotra. Miady mafy mba tsy hivadika izy ireo amin’izany, mandra-pahatongan’ny fotoana hahafatesany sy hananganana azy ho any an-danitra.

Lesona ho antsika:

1:26-31; 3:3-9; 4:7. Tokony hanetry tena isika, ka i Jehovah no ho reharehantsika fa tsy ny tenantsika. Mampiray saina ny fiangonana izany.

2:3-5. Mety ho natahotra i Paoly rehefa nitory tany Korinto, sao tsy ho resiny lahatra ny mpihaino azy. Tany mantsy no nivorian’ireo filozofa grika, sy nisy ny sekoly ambony. Tsy navelany hisakana azy tsy hanao ny asa nanirahan’Andriamanitra azy anefa ny fahalemena na ny tahotra. Tsy tokony hisakana antsika tsy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa, ny toe-javatra tsy mahazatra. Afaka matoky ny fanampian’i Jehovah isika, toa an’i Paoly.

2:16. Manana “ny sain’i Kristy” isika rehefa mahafantatra tsara ny fomba fisainany sy ny toetrany, ka manahaka ny modely nomeny. (1 Pet. 2:21; 4:1) Tena ilaina àry ny mandinika tsara ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany!

3:10-15; 4:17. Tokony handinika sy hanatsara ny fahaizantsika mampianatra isika. (Matio 28:19, 20) Mety tsy hahatanty fitsapam-pinoana mantsy ny olona ampianarintsika, raha tsy mahay mampianatra tsara isika. Mety ho matiantoka sy halahelo mafy isika noho izany, ka toy ny hoe “avy amin’ny afo” isika rehefa hovonjena.

6:18. Tsy ampy ny manalavitra ny por·neiʹa raha te ‘handositra ny fijangajangana.’ Tsy tokony hijery boky sy sary vetaveta koa isika, na hilalao fitia, na hieritreritra firaisana maloto, na hanao fihetsika mamoafady, na izay mety hitarika antsika hijangajanga.—Matio 5:28; Jak. 3:17.

7:29. Tokony hitandrina ny olona manambady sao variana loatra amin’ny vadiny, ka tsy ho loha laharana intsony ilay Fanjakana.

10:8-11. Tena tezitra i Jehovah rehefa nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israely. Hendry isika raha mitandrina mba tsy ho lasa mpimonomonona.

16:2. Ho zatra manao fanomezana ara-bola mba hampandrosoana ny asa fitoriana eran-tany isika, raha faritantsika mialoha izany ary ataontsika tsy tapaka.

AOKA IANAREO ‘HANAIKY HAHITSY FOANA’

(2 Kor. 1:1–13:14)

Nasain’i Paoly ‘namela heloka tamin-katsaram-panahy sy nampionona’ an’ilay mpanota nanarina mafy ireo Korintianina, rehefa nibebaka izy io. Marina fa nampalahelo azy ireo ilay taratasy voalohany. Faly anefa i Paoly satria “nampalahelovina mba hibebaka” izy ireo.—2 Kor. 2:6, 7; 7:8, 9.

Nampirisika ny Korintianina toy izao i Paoly: ‘Tahaka ny anananareo be dia be amin’ny zava-drehetra, dia manomeza koa be.’ Rehefa avy namaly an’ireo mpanohitra izy, dia nanoro hevitra farany hoe: “Miezaha foana ianareo hifaly, hanaiky hahitsy, handray fampiononana, hifanara-tsaina, hiaina amim-pihavanana.”—2 Kor. 8:7; 13:11.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:15, 16—Nahoana isika no “hanitr’i Kristy”? Satria isika mankatò izay lazain’ny Baiboly, ary mitory ny hafatra raketiny. Toy ny fofona maharikoriko io hafatra io amin’ny ratsy fanahy. Manim-pofona kosa izy io amin’i Jehovah sy ny olona tso-po.

5:16—Nahoana no “tsy mahalala olona araka ny nofo” ireo Kristianina voahosotra? Tsy mijery ny olona araka ny harenany, na volon-kodiny, na foko niaviany izy ireo, ary tsy manavakavaka. Ny toro lalan’ny Baiboly kosa no mitari-dalana azy ireo, rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana.

11:1, 16; 12:11—Nanao hadalana tamin’ny Korintianina ve i Paoly? Tsia. Mety ho nihevitra azy ho adala sy nirehareha anefa ny sasany, noho izy voatery nanaporofo ny maha apostoly azy.

12:1-4—Iza no “nentina ho any amin’ny paradisa”? Tsy milaza ny Baiboly hoe nisy olon-kafa ankoatra an’i Paoly nahazo an’ilay fahitana. Azo inoana àry fa ny zavatra niainany ihany no noresahiny, rehefa avy nanaporofo ny maha apostoly azy izy. Ilay paradisa ara-panahy iainan’ny fiangonana kristianina mandritra ny “andro farany” no hitan’i Paoly.—Dan. 12:4.

Lesona ho antsika:

3:5. Ny hevitr’io andininy io dia hoe mampiasa ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fandaminany eto an-tany i Jehovah, mba hahatonga ny Kristianina ho ampy fahaizana hanompo azy. (Jaona 16:7; 2 Tim. 3:16, 17) Tokony hazoto hianatra ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly àry isika, sady hangataka ny fanahy masina hatrany, ary hivory tsy tapaka sy handray anjara amin’izany.—Sal. 1:1-3; Lioka 11:10-13; Heb. 10:24, 25.

4:16. Tokony handray tsy tapaka ireo fanampiana omen’i Jehovah isika, mba ‘havaoziny isan’andro ny tenantsika anaty.’ Tsy tokony hisy andro avelantsika handalo fotsiny, ka tsy hanaovantsika zavatra manatanjaka ny finoantsika.

4:17, 18. Tsy hivadika amin’i Jehovah isika rehefa tojo zava-tsarotra, raha mitadidy fa ‘mihelina sy maivana ny fahoriana.’

5:1-5. Hita tsara amin’ireo tenin’i Paoly ireo ny fihetseham-pon’ny Kristianina voahosotra, rehefa mieritreritra ny fanantenany ho any an-danitra!

10:13. Ny faritanin’ny fiangonana misy antsika ihany no tokony hitoriantsika, raha tsy hoe voatendry hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa angaha isika.

13:5. Mila mandinika isika raha mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ny fitondran-tenantsika. Izany no ahitantsika ‘raha ao amin’ny finoana isika na tsia.’ Ny hoe ‘mizaha toetra ny tenantsika’, dia mandinika raha mafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, sady miasa tsara ny ‘fahaizantsika misaina’, ary mazoto manao asa maneho finoana isika. (Heb. 5:14; Jak. 1:22-25) Handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana foana isika, raha mampihatra ny torohevitr’i Paoly.

[Sary, pejy 26, 27]

Inona no dikan’ny hoe “isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo”?—1 Kor. 11:26