Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mandanjalanja, dia ho Faly Ianao

Mahaiza Mandanjalanja, dia ho Faly Ianao

Mahaiza Mandanjalanja, dia ho Faly Ianao

“TSY vitako indray ilay izy!” Efa imbetsaka angamba ianao no nilaza an’izany satria tsy nahavita izay noeritreretinao hatao. Mety hiteny an’ireo, ohatra, ny renim-pianakaviana tanora vao tera-bao. Tsy mahavita manompo firy na manomana fivoriana mantsy izy, satria reraka loatra mitaiza ny zanany. Tsy azo ilaozana koa ilay zazakely. Ny Kristianina hafa indray mety hahatsiaro hoe tsy dia mahay, satria tsy nety ny fomba nanabeazana azy. Mieritreritra àry izy hoe tsy mahavita zavatra tsara mihitsy eo anivon’ny fiangonana. Misy koa zokiolona kivy satria efa tsy dia matanjaka sy mavitrika intsony, ka tsy mahavita asa kristianina betsaka toy ny taloha. Te hanompo betsaka araka izay vitany, ohatra, i Christiane, nefa tsy afaka noho ny zava-misy ao an-tokantranony. Hoy izy: “Lahateny mampirisika antsika hanao mpisava lalana fotsiny indraindray, dia efa mampitomany ahy.”

Inona no azonao atao raha izany no mahazo anao? Inona no nanampy ny Kristianina sasany hijery ny zava-misy, ka tsy hanantena hoe tsy maintsy mahavita zavatra betsaka? Inona no soa ho azonao raha manahaka azy ireo ianao?

Mahaiza mandanjalanja

Misy zavatra asain’ny apostoly Paoly hataontsika raha te ho faly foana isika. Hoy izy: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia! Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Fil. 4:4, 5) Raha te ho faly eo amin’ny fanompoana àry isika, dia tokony hahay handanjalanja, ka tsy hanantena hoe tsy maintsy mahavita be. Miankina amin’ny fahaizantsika sy ny zavatra iainantsika mantsy ny zavatra mety ho vitantsika. Ho sorena be isika raha mbola mitady hanao zavatra efa hita fa tsy ho vita. Tsy midika koa anefa izany hoe tokony hitsitsy aina tafahoatra isika, ka zara raha manompo, satria hoe tsy mahavita be.

Na inona na inona zavatra iainantsika, dia asain’i Jehovah manome ny tsara indrindra isika, izany hoe manompo azy amin’ny fo manontolo. (Kol. 3:23, 24) Tsy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika, raha tsy avy amin’ny fo ny fanompoantsika. (Rom. 12:1) Tsy tena ho afa-po sy ho faly koa isika, ary tsy hahazo fitahiana maro hafa.—Ohab. 10:22.

“Mandefitra” no andikan’ny Baiboly sasany an’ilay hoe “mahay mandanjalanja.” (Jak. 3:17) Midika koa izy io hoe tsy sarotiny loatra. Tsy tokony ho sarotiny loatra amin’ny tenantsika àry isika, fa hahay handanjalanja. Sarotra ho an’ny olona sasany anefa izany. Sarotiny amin’ny tenany mantsy izy ireny, na dia tsy sarotiny amin’ny olon-kafa aza. Azo antoka, ohatra, fa ampirisihinao hanova ny zavatra sasany fanaony ny namanao, raha hitanao fa reraka be izy satria be atao loatra. Mila mandini-tena koa àry ianao, mba hahitana raha efa mitady hanao zavatra mihoatra noho izay vitanao.—Ohab. 11:17.

Vao mainka anefa sarotra amintsika izany, raha sarotiny loatra ny ray aman-drenintsika tamintsika mbola kely. Misy ankizy mahatsapa, ohatra, fa tsy maintsy miezaka manatsara ny zava-bitany foana izy, mba ho tian’ny ray aman-dreniny. Izany ve no nahazo anao taloha? Mety hihevitra àry ianao fa izany koa no tokony hataonao mba ho tian’i Jehovah. Izay manompo azy amin’ny fo manontolo anefa no tiany. Manome toky antsika izy fa “mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Sal. 103:14) Fantany ny zavatra tsy vitantsika, nefa tiany foana isika raha mazoto manompo azy. Tsy toy ny mpampiasa sarotiny izy. Raha mitadidy izany isika, dia hanetry tena, ka hanaiky fa voafetra ihany ny zavatra vitantsika, ary tsy hanantena hoe tsy maintsy mahavita be.—Mika 6:8.

Na izany aza, dia mbola sarotra amin’ny olona sasany ihany ny mandanjalanja. Izany ve no mahazo anao? Mangataha àry torohevitra amin’ny namana matotra mahafantatra tsara anao. (Ohab. 27:9) Te ho mpisava lalana ve, ohatra, ianao? Tanjona tena tsara izany! Tsy mety tratranao ve anefa ilay izy? Mila manatsotra ny fiainanao angamba ianao. Afaka manampy anao ilay namanao. Raha be andraikitra ianao ao an-trano, dia anontanio izy raha mety aminao ny manao mpisava lalana. Mety hampisaintsaina anao izy hoe maro ny zavatra tsy maintsy ataon’ny mpisava lalana, ka asa raha ho vitanao. Na mety hanoro hevitra anao izy hoe aleo aloha mampitombo ny fanompoana fotsiny, ary manao fanovana kely mba hahavitana izany. Raha vehivavy manambady ianao, dia ny vadinao no tsara manampy anao tsy hanao zavatra tsy araka ny ainao. Azony atao, ohatra, ny manoro hevitra anao mba hiala sasatra alohan’ny hanompoana bebe kokoa. Hatanjaka kokoa ianao amin’izay, ary ho faly eo amin’ny fanompoana.

Jereo izay mbola azonao atao

Efa be taona ve ianao na marary? Tsy dia mahavita manompo firy angamba ianao. Ray aman-dreny manan-janaka kely ve ianao? Mety hahatsapa ianao fa tsy mandray soa firy amin’ny fianarana samirery na fivoriana, satria lany amin’ny fikarakarana ny zanakao ny fotoananao sy ny herinao. Variana loatra mieritreritra ny zavatra tsy vitantsika anefa isika indraindray, ka tsy hitantsika fa mbola misy azontsika atao ihany.

Fahiny, dia nisy zavatra tena nirin’ny Levita iray nefa tsy azony. Efa nanana tombontsoa nanompo nandritra ny tapa-bolana tao amin’ny tempoly izy, isan-taona. Satriny anefa hijanona eo akaikin’ny alitara, izany hoe hanompo foana ao amin’ny tempoly. Tena tsara ilay faniriany. (Sal. 84:1-3) Inona anefa no nanampy azy hionona? Hitany fa efa tena tombontsoa sarobidy na dia ny manompo indray andro eo an-kianjan’ny tempoly aza. (Sal. 84:4, 5, 10) Tsy tokony ho variana mieritreritra ny zavatra tsy vitantsika koa isika, fa hijery izay mbola azontsika atao, ary hankasitraka izany.

Jereo, ohatra, ny nataon’i Nerlande, anabavy any Kanada. Mandeha amin’ny seza misy kodiarana izy. Nihevitra izy taloha fa tsy hahavita hanompo firy. Nitady zavatra azony natao anefa izy. Misy fivarotana lehibe eo akaikin’ny tranony, ka io no nataony faritaniny. Hoy izy: ‘Misy seza ao amin’ilay fivarotana, ka itoriako izay olona mipetrapetraka eo. Mahafinaritra ahy izany.’ Faly be i Nerlande manao an’io asa tena tsara io.

Manaova fanitsiana raha ilaina

Mandeha haingana ny sambolay rehefa tsofin’ny rivotra. Mila manitsy ny lain-tsambo anefa ny tantsambo, raha sendra misy oram-be sy rivotra mahery. Marina fa tsy azony ialana ilay oram-be, nefa azony sakanana tsy hivadika kosa ny sambony. Mila amboariny fotsiny ny lain-tsambo. Misy zava-tsarotra tsy azontsika ialana koa matetika eo amin’ny fiainana. Toy ny oram-be izy ireny. Mbola afaka manao ny zavatra sasany tiantsika hatao ihany anefa isika, raha manamboatra ny fiainantsika, mba tsy ho vizana loatra na ho rera-tsaina. Ho faly foana isika eo amin’ny fanompoana, raha manao fanitsiana mifanaraka amin’ilay zava-mitranga.—Ohab. 11:2.

Diniho ireto ohatra ireto. Tsy dia matanjaka ve ianao? Tsara angamba raha tsy manao zavatra mandreraka ianao ny maraina, sitrany ahay matanjaka kokoa ny hariva, ka afaka mivory. Afaka mifampahery tsara amin’ny mpiara-manompo ianao amin’izay. Renim-pianakaviana ve ianao, ary marary ny zanakao? Tsy afaka mitory isan-trano ve ianao noho izany? Nahoana raha asaina hoentin’ny anabavy iray any an-tranonao ny olona ampianariny, ka miara-mampianatra ianareo, rehefa matory ilay zaza?

Ahoana raha tsy afaka manomana ny zava-drehetra hodinihina any am-pivoriana ianao? Fantaro mialoha izay ho vitanao, ary omano tsara araka izay azonao atao izany. Mahaiza àry manitsy ny tanjonao. Ho faly sy hanan-javatra hatao foana ianao amin’izay.

Tsy tokony ho kivy anefa isika, rehefa manitsy ny tanjontsika. Ilana ezaka koa izany. Tsy maintsy nanova tanteraka ny tanjony, ohatra, i Serge sy Agnès, mpivady any Frantsa. Hoy i Serge: “Ny ho misionera no tanjonay taloha. Bevohoka anefa i Agnès, ka fantatray fa tsy ho tanteraka ilay nofinofinay.” Roa vavy izao ny zanak’izy ireo. Niezaka nanana tanjona vaovao anefa izy mivady. Hoy i Serge: “Mbola tapa-kevitra ny ho ‘misionera’ izahay, saingy ao amin’ny taninay ihany. Tsy ho afaka hanompo any an-tany hafa intsony tsinona izahay. Nifindra tany amin’ny fiangonana miteny vahiny izahay.” Inona no soa noraisiny rehefa nanao izany izy ireo? Hoy ihany i Serge: “Hitanay fa tena ilain’ny fiangonana izahay.”

Marary lohalika i Odile, anabavy 70 taona any Frantsa, ka tsy mahavita mitsangana ela. Nalahelo izy satria tsy afaka mitory isan-trano. Tsy kivy anefa izy fa nitady fomba hafa hitoriana. Nanao fitoriana an-telefaonina izy. Hoy i Odile: “Hay ilay izy mora sady mahafinaritra, tsy araka ny nieritreretako azy!” Lasa nazoto nanompo indray àry izy.

Ny soa azo

Tsy ho kivy na sorena isika raha mahay mandanjalanja, ka tsy manantena hoe tsy maintsy mahavita zavatra betsaka. Ho afa-po isika raha miezaka manana tanjona mora tratrarina, na dia voafetra aza ny zavatra vitantsika. Ho faly amin’izay nataontsika isika, na dia kely ihany aza izany.—Gal. 6:4.

Tsy ho sarotiny loatra amin’ny mpiara-manompo koa isika. Ho tsapantsika mantsy fa voafetra ny zavatra mety ho vitany, ka hankasitraka foana izay ataony ho antsika isika. Raha mankasitraka izay fanampiana omen’ny olona isika, dia ho mora kokoa aminy ny hanampy antsika, ary ho hitany fa mahay miara-miory isika. (1 Pet. 3:8) Tadidio fa Ray be fitiavana i Jehovah, ka tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. Mahaiza àry mandanjalanja, ary aza manantena hoe tsy maintsy mahavita zavatra betsaka ianao. Miezaha koa hanana tanjona mora tratrarina. Hahafaly antsika kokoa amin’izay ny manompo an’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Raha te ho faly eo amin’ny fanompoana isika, dia tokony hahay handanjalanja, ka tsy hanantena hoe tsy maintsy mahavita be. Miankina amin’ny fahaizantsika sy ny zavatra iainantsika mantsy ny zavatra mety ho vitantsika

[Sary, pejy 30]

Faly i Nerlande satria manao izay vitany eo amin’ny fanompoana

[Sary, pejy 31]

Mahaiza “manitsy ny lain-tsambo”

[Sary nahazoan-dalana]

© Wave Royalty Free/age fotostock

[Sary, pejy 32]

Nandray soa i Serge sy Agnès satria niezaka nanana tanjona vaovao