Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tena Ilaina ny Fitoriana Isan-trano Ankehitriny?

Nahoana no Tena Ilaina ny Fitoriana Isan-trano Ankehitriny?

Nahoana no Tena Ilaina ny Fitoriana Isan-trano Ankehitriny?

“Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.”—ASA. 5:42.

1, 2. a) Inona no fomba fitory tena ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?

INDRENY misy olona roa manao fitafiana maotina tsara, manatona trano iray. Miresaka hafatra fohy momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona hitany ao izy ireo. Raha liana ilay olona, dia mety homeny boky na gazety, ary manasa azy hianatra Baiboly izy. Mankao amin’ny trano manaraka indray izy ireo avy eo. Mahazatra ny mahita zavatra toy izany any amin’ny tany maro. Raha mandray anjara amin’io asa io ianao, dia azo inoana fa tonga dia hihevitra anao ho Vavolombelon’i Jehovah ny olona, na dia mbola tsy miteny aza ianao. Ny fitoriana isan-trano tokoa no tena ahafantaran’ny olona antsika.

2 Mampiasa fomba isan-karazany isika mba hanatontosana ny baikon’i Jesosy hitory sy hampianatra. (Matio 28:19, 20) Mitory eny an-tsena sy eny an-dalana ary any amin’ny toerana be olona isika. (Asa. 17:17) Mitory an-taratasy sy an-telefaonina koa isika. Mitory amin’izay olona hitantsika koa isika rehefa manao ny asantsika andavanandro. Manana adiresy ao amin’ny Internet mihitsy aza isika, izay misy fanazavana ara-baiboly amin’ny fiteny 300 mahery. * Ahazoana vokatra tsara izany rehetra izany. Amin’ny alalan’ny fitoriana isan-trano anefa no tena anelezantsika ny vaovao tsara. Ahoana no niandohan’io fomba fitory io? Ahoana no nahatonga azy io ho lasa fomba fiasantsika ankehitriny? Ary nahoana izy io no tena ilaina amin’izao andro izao?

Nitory isan-trano ny apostoly

3. Inona avy no toromarika nomena ny apostoly? Raha ireo toromarika ireo no jerena, ahoana no tokony hataon’izy ireo rehefa mitory?

3 Voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny antony itoriantsika isan-trano. Nilaza toy izao tamin’ny apostoly i Jesosy, rehefa naniraka azy ireo hitory: “Izay tanàna idiranareo, na kely na lehibe, dia tadiavo izay mendrika ao.” Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Nasain’i Jesosy nankany an-tranon’olona izy ireo. Hoy izy: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy ny fiadanana irinareo ho azony.” Miandry ny olona hanasa azy ho any an-tranony ve izy ireo vao hankany? Mariho ny tohin’ny tenin’i Jesosy: “Na aiza na aiza misy tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao amin’izany trano na tanàna izany ianareo.” (Matio 10:11-14) Hita avy amin’ireo toromarika ireo, fa rehefa ‘mandeha isan-tanàna mamakivaky ny faritany, mitory ny vaovao tsara’ ny apostoly, dia tokony hitsidika ny olona any an-tranony avy hatrany fa tsy hiandry hasaina.—Lioka 9:6.

4. Inona avy no andinin-teny miresaka momba ny fitoriana isan-trano?

4 Resahin’ny Baiboly mazava tsara fa nitory isan-trano ny apostoly. Izao, ohatra, no voalazan’ny Asan’ny Apostoly 5:42: “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.” Nampahatsiahy ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy toy izao ny apostoly Paoly, tokony ho 20 taona tatỳ aoriana: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” Efa Kristianina ve ireo anti-panahy ireo tamin’i Paoly nampianatra azy ireo isan-trano? Tsia, satria nampianatra azy ireo zavatra maro i Paoly, anisan’izany ny “momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.” (Asa. 20:20, 21) Hoy ny manam-pahaizana iray atao hoe Robertson, momba ny Asan’ny Apostoly 20:20: “Mahavariana fa nitory isan-trano ilay lehibe indrindra amin’ny mpitory.”

Valala manafika amin’izao andro izao

5. Ahoana no ilazalazan’ny faminanian’i Joela ny asa fitoriana?

5 Fiandohan’ny asa fitoriana lehibe atao amin’izao andro izao ny tamin’ny taonjato voalohany. Nampitahain’i Joela mpaminany tamin’ny fandravan’ny bibikely toy ny valala, ny asa fitoriana ataon’ny Kristianina voahosotra. (Joela 1:4) Toy ny tafika manafika ireo valala ireo, ka mandresy ny vato misakana rehetra, mitsofoka any an-trano, ary mihinana an’izay sendra azy. (Vakio ny Joela 2:2, 7-9.) Izany ka sary mampiseho ny asa fitoriana ataon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny! Be fikirizana izy ireo sady manatontosa an-tsakany sy an-davany an’io asa io. Manatanteraka an’io faminaniana io ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa”, ka ny fitoriana isan-trano no fomba lehibe indrindra ampiasainy amin’izany. (Jaona 10:16) Ahoana no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hampiasa an’io fomba fitory io?

6. Inona no fampirisihana natao tamin’ny 1922? Ahoana no nandraisan’ny mpitory sasany an’izany?

6 Nantitranterina nanomboka tamin’ny 1919 fa tokony hitory ny Kristianina tsirairay. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1922, ohatra, ny lahatsoratra hoe “Zava-dehibe ny Fanompoana.” Nampahatsiahy an’ireo Kristianina voahosotra izy io fa tena ilaina ny “mizara ny hafatra vita pirinty amin’ny olona, sy miresaka aminy eo am-baravarany, ary milaza fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Nosoratana tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Gazety (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) ny zavatra holazaina rehefa mitory. Vitsy anefa no nitory isan-trano tamin’ny voalohany. Tsy nety nanao ny sasany, fa nilaza an’izao fialan-tsiny rehetra izao. Raha ny marina anefa, dia nihevitra izy ireo fa nanambany azy ny mitory isan-trano. Maro no niala tsikelikely tamin’ny fandaminan’i Jehovah, arakaraka ny nanantitranterana ny fanompoana eny amin’ny saha.

7. Inona no nilain’ny mpitory taorian’ny 1950?

7 Nihamaro ny nandray anjara tamin’ny asa fitoriana, am-polony taona tatỳ aoriana. Hita anefa fa nila nampiofanina bebe kokoa hitory isan-trano ny mpitory. Diniho, ohatra, ny zava-nitranga tany Etazonia taloha kelin’ny 1953. Tsy nanao afa-tsy ny nizara taratasy fanasana na nanolotra gazety teny amin’ny arabe ny 28 isan-jaton’ny Vavolombelona. Maherin’ny 40 isan-jato no mpitory tapatapaka, ka tsy nitory mihitsy nandritra ny volana maromaro. Ahoana no nanampiana ny Kristianina vita fanoloran-tena rehetra, mba hitory isan-trano?

8, 9. Inona no fampiofanana natomboka tamin’ny 1953, ary inona no vokatr’izany?

8 Noresahina manokana ny fitoriana isan-trano, nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1953. Nilaza ny Rahalahy Nathan Knorr fa ny hanampy ny Vavolombelona tsirairay hitory isan-trano tsy tapaka, no asa lehibe indrindra ataon’ny mpiandraikitra kristianina. Hoy koa izy: “Tokony hahay hitory ny vaovao tsara isan-trano ny tsirairay.” Nisy ezaka manokana natao maneran-tany mba hanatontosana izany. Nampiofanina ireo mbola tsy nitory isan-trano, mba hahay hiresaka amin’olona eo am-baravarana sy hahay hampisaintsaina amin’ny alalan’ny Baiboly, ary hahay hamaly fanontaniana.

9 Tena tsara ny vokatra azo. Nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory, tao anatin’ny folo taona. Nitombo 126 isan-jato koa ny isan’ny fiverenana mitsidika, ary 150 isan-jato ny fampianarana Baiboly. Efa ho fito tapitrisa izao ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana maneran-tany. Manaporofo izany fitomboana izany, fa mitahy ny fitoriana isan-trano ataon’ny vahoakany i Jehovah.—Isaia 60:22.

Fanisiana marika

10, 11. a) Inona ilay fahitana voatantara ao amin’ny Ezekiela toko faha-9? b) Ahoana no ahatanterahan’izy io ankehitriny?

10 Asehon’ny fahitan’i Ezekiela mpaminany fa zava-dehibe ny mitory isan-trano. Nahita lehilahy fito izy tao amin’ilay fahitana. Ny enina nitondra fiadiana, fa ny iray kosa nanao akanjo rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra teo amin’ny andilany. Nasaina ‘nandeha namaky ny tanàna’ ilay lehilahy fahafito, ary ‘nanisy marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.’ Rehefa vita ilay fanisiana marika, dia nasaina nandringana an’izay rehetra tsy nisy marika ireo lehilahy enina nitondra fiadiana.—Vakio ny Ezekiela 9:1-6.

11 Sary mampiseho ny sisa voahosotra ilay lehilahy ‘mitafy rongony fotsy.’ Manisy marika an’ireo olona lasa anisan’ny ondry hafan’i Kristy izy ireo, amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy fampianarana. (Jaona 10:16) Tsy ara-bakiteny io marika io. Inona àry izy io? Tsy inona izy io fa ny porofo hoe nanolo-tena sy vita batisa ary manana toetra vaovao ny olona iray lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. Hita miharihary izany, ka toy ny hoe eo amin’ny handrina. (Efes. 4:20-24) Lasa andiany iray miaraka amin’ny Kristianina voahosotra ireo ondry ireo, ary manampy azy amin’ny fanisiana marika ny olon-kafa.—Apok. 22:17.

12. Araka ny fahitan’i Ezekiela, nahoana no zava-dehibe ny mikaroka foana an’ireo olona toy ny ondry?

12 Hita amin’ny fahitan’i Ezekiela ny antony iray ilazana fa tena ilaina maika ny mikaroka an’ireo “misento sy mitaraina.” Ain’olona maro no tandindomin-doza. Tsy ho ela ny tafik’anjely, izay oharina amin’ireo lehilahy enina mitondra fiadiana, dia handringana an’ireo olona tsy misy marika. Hoy ny apostoly Paoly momba an’io fotoana hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany io: ‘Hiaraka amin’ny anjeliny mahery i Jesosy Tompo, [ary] hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.’ (2 Tes. 1:7, 8) Arakaraka ny fomba andraisan’ny olona ny vaovao tsara no hitsarana azy. Noho izany, dia tokony hitohy foana ny asa fitoriana mandra-pahatongan’ny farany. (Apok. 14:6, 7) Manana andraikitra lehibe àry ny mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena rehetra.—Vakio ny Ezekiela 3:17-19.

13. a) Inona no tsapan’ny apostoly Paoly fa tokony hataony, ary nahoana? b) Inona no adidy tsapanao amin’ireo olona eny amin’ny faritanintsika?

13 Tsapan’ny apostoly Paoly fa manana adidy hitory ny vaovao tsara izy. Hoy izy: “Manan-trosa amiko ny Grika sy ny tsy Grika, ny hendry sy ny tsy hendry: Koa marisika hitory ny vaovao tsara aminareo izay any Roma koa aho.” (Rom. 1:14, 15) Tena nankasitraka ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra taminy i Paoly. Tapa-kevitra ny hanampy ny hafa àry izy mba handraisan’izy ireo soa koa. (1 Tim. 1:12-16) Toy ny hoe ananan’ny olona rehetra trosa izy, ary ny fitoriana ny vaovao tsara ihany no fomba hanefana izany. Ary ianao? Mahatsiaro ho ananan’ny olona ao amin’ny faritaninareo trosa koa ve ianao?—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:26, 27.

14. Inona no antony lehibe indrindra itoriantsika?

14 Zava-dehibe ny mamonjy aina, kanefa mbola misy antony lehibe kokoa mahatonga antsika hitory isan-trano. Hoy i Jehovah ao amin’ny Malakia 1:11: ‘Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa, ary any no hanaterana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako.’ Ahoana no ahatanterahan’io faminaniana io? Midera ny anaran’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra ireo mpanompony vita fanoloran-tena, noho izy ireo manatontosa amim-panetren-tena ny fanompoany. (Sal. 109:30; Matio 24:14) Ny hanao “sorona fiderana” ho an’i Jehovah, no antony lehibe indrindra itoriantsika eny amin’ny toerana be olona sy isan-trano.—Heb. 13:15.

Fisehoan-javatra lehibe hitranga tsy ho ela

15. a) Rehefa nihodidina an’i Jeriko ny Israelita, nahoana isika no milaza fa nitombo ny zavatra nasaina nataon’izy ireo tamin’ny andro fahafito? b) Inona no mifanitsy amin’izany eo amin’ny asa fitoriana?

15 Hanao ahoana ny asa fitoriana amin’ny hoavy? Manampy antsika hamaly izany ny fitantaran’i Josoa momba ny nanaovana fahirano an’i Jeriko. Nasain’Andriamanitra nihodidina an’i Jeriko indray mandeha isan’andro ny Israelita nandritra ny enina andro, taloha kelin’ny handravana an’ilay tanàna. Nampitomboina anefa ny zavatra nasaina nataon’izy ireo tamin’ny andro fahafito. Hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara. Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno ... dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’izay ny màndan’ny tanàna.” (Josoa 6:2-5) Mety hitombo be koa ny asa fitoriana amin’ny hoavy. Hanakoako noho ny hatramin’izay ny fitoriana momba ny anaran’Andriamanitra sy ilay Fanjakana, aloha kelin’ny handringanana an’ity tontolo ity.

16, 17. a) Inona no azo antoka fa ho vita alohan’ny hifaranan’ny “fahoriana lehibe”? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Ho toy ny hiakan’ady na ‘akora mafy’ ny asa fitoriana hataontsika, amin’ny hoavy. Ampitahain’ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny “havandra vaventy” milanja “tokony ho roapolo kilao avy”, ny hafatra mafonja momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Milaza ny Apokalypsy 16:21 hoe “lehibe loatra ilay loza.” Mbola tsy fantatsika hoe inona no ho anjara asan’ny fitoriana isan-trano amin’ny fanambarana ny didim-pitsarana farany avy amin’Andriamanitra. Azo antoka anefa fa hampahafantarina mbola tsy nisy toy izany ny anaran’Andriamanitra, alohan’ny hifaranan’ny “fahoriana lehibe.”—Apok. 7:14; Ezek. 38:23.

17 Enga anie isika hazoto hitory hatrany ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, eo am-piandrasana izany fisehoan-javatra lehibe izany. Miatrika zava-tsarotra maro anefa isika rehefa mitory isan-trano. Inona avy izany, ary ahoana no fomba handresena azy ireny? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 www.watchtower.org ilay adiresy.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no antony araka ny Soratra Masina mahatonga antsika hitory isan-trano?

• Ahoana no nanantitranterana ny fitoriana isan-trano tatỳ aoriana?

• Nahoana ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena no manana adidy hitory?

• Inona ny fisehoan-javatra lehibe hitranga tsy ho ela?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Toy ny apostoly Paoly, tsapanao ve fa manana adidy hitory ianao?

[Sary, pejy 5]

Rahalahy Knorr, 1953