Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Natahotra Izahay Satria Nomba Anay i Jehovah

Tsy Natahotra Izahay Satria Nomba Anay i Jehovah

Tsy Natahotra Izahay Satria Nomba Anay i Jehovah

Notantarain’i Egyptia Petrides

Nivory tany Nicosie ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Chypre, tamin’ny 1972, mba hihaino lahateny manokana, nataon’i Nathan Knorr. Efa ela izy no niandraikitra ny asa fitoriana. Tadidiny avy hatrany aho, ka tonga izy dia nanontany hoe: “Manao ahoana izay ry zareo any Ejipta any?” Efa 20 taona talohan’io izahay no nihaona tany amin’ny tanàna niaviako, any Aleksandria, Ejipta.

TERAKA tany Aleksandria aho, tamin’ny 23 Janoary 1914. Izaho no vavimatoa ary telo ny zandriko. Teny amoron-dranomasina ny tranonay. Tsara tarehy i Aleksandria tamin’izany, ary nahitana olona avy any amin’ny tany maro. Nalaza be koa io tanàna io satria manan-tantara sy feno trano hafakely. Nifanerasera ny Eoropeanina sy ny Arabo tany Aleksandria, ka lasa nahay teny anglisy, arabo, frantsay, ary italianina izahay ankizy. Nahay teny grika koa izahay, satria io no nifampiresahanay tao an-trano.

Niasa tao amin’ny orinasa iray mpanjaitra lamaody frantsay aho, rehefa vita ny fianarako. Tiako ny asako satria nanjaitra akanjo fitondra mianjaika ho an’ny vehivavy mpanankarena aho. Izaho ihany no namorona ny didiny. Mpivavaka be koa aho, ka tia namaky Baiboly, na dia zara raha azoko aza izay novakiko.

Nihaona tamin’ny tovolahy iray mahafinaritra, avy eto Chypre aho, tamin’ny 1935 tany ho any. Theodotos Petrides no anarany. Mpanao tolona kalazalahy izy. Nahay nanao mofomamy koa izy, ka niasa tao amin’ny mpanao mofomamy malaza iray. Tia ahy i Theodotos, na dia pintsampintsana aza aho. Nikalokalo hiram-pitiavana amin’ny teny grika teo ambany varavarankeliko izy matetika. Nivady izahay ny 30 Jona 1940. Nahafinaritra ny fiainanay. Niara-nipetraka tamin’i Neny izahay, ka tao ambany rihana no nisy anay. Niteraka izahay tamin’ny 1941. John no anarany.

Nianatra Baiboly

Tsy tian’i Theodotos ny fivavahanay. Betsaka koa ny zavatra tsy azony tao amin’ny Baiboly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry izy, nefa tsy niteniteny tamiko. Nisy ramatoa tonga tao aminay indray andro, ary niangavy ahy hamaky karatra nisy hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Izahay sy John no tao an-trano. Namaky an’ilay karatra aho, mba ho fahalalam-pomba fotsiny. Nomeny boky maromaro aho avy eo. Gaga be aho fa efa nananan’i Theodotos ny boky nomeny ahy!

Hoy aho: “Efa manana an’ireo aho. Mandrosoa aloha e!” Eleni Nicolaou no anaran’ilay ramatoa. Tonga izy dia nametrahako fanontaniana be dia be, ary tsy namelako raha tsy voavaliny izy rehetra. Nanam-paharetana anefa izy, ary nampiasa Baiboly foana. Tiako ny nataony. Nanomboka azoko ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Niato kely izahay rehefa avy niresaka elaela. Nahita ny sarin’ny vadiko izy tamin’izay. Taitra be izy, ka niteny hoe: “Oay! Fantatro io rangahy io!” Teo vao tratrako ny nafenin’i Theodotos. Gaga be aho. Hay izy nivory, nefa tsy nentiny akory aho! Na ny nilaza tamiko aza tsy nataony! Vao tonga izy, dia nilazako hoe: “Tsy maintsy miaraka aminao any amin’ilay toerana nalehanao tamin’ny alahady aho, amin’ity herinandro ity!”

Folo teo ho eo izahay, tamin’izaho nivory voalohany. Ny bokin’i Mika no nianarana. Tena nahaliana ahy ilay izy! Tonga nampianatra anay i George sy Katerini Petraki, isaky ny zoma hariva. Tsy tian’ny raiko sy ny anadahiko hianatra Baiboly anefa izahay. Ny rahavaviko irery no tsy nanohitra anay, na dia tsy lasa Vavolombelona mihitsy aza izy. Nanaiky hianatra Baiboly kosa i Neny. Niara-natao batisa teo amin’ny ranomasin’i Aleksandria izahay sy Theodotos ary Neny tamin’ny 1942.

Lasa nikorontana ny fiainanay

Nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, ary tsy ela dia nihamafy. Taoriana kelin’ny 1940, dia tonga tany akaikin’i El-Alamein ny Jeneraly alemà Erwin Rommel sy ny tafiny, niaraka tamin’ny tanky maro be. Feno miaramila britanika koa tany Aleksandria. Tsy maintsy nanangona sakafo nohamainina àry izahay. Nanokatra toerana fanaovana mofomamy tany Port Taufiq, any akaikin’i Suez, ny mpampiasa an’i Theodotos tamin’izay. Nasainy nitantana azy io izy, ka nifindra tany izahay. Nisy mpivady Vavolombelona niteny grika nitady anay. Tsy fantany ny adiresinay, ka nitory isan-trano izy mandra-pahitany anay.

Nampianatra an’i Stavros sy Giula Kypraios izahay tany Port Taufiq. Nianatra koa i Totos sy Georgia zanak’izy ireo. Lasa namanay be ry zareo. Tena tia nianatra i Stavros, ka nataony tara adiny iray daholo ny famantaranandro tao aminy, sitrany ahay izahay tsy mahatratra ny lamasinina farany mankany aminay, ka tafajanona tany. Nitohy alina be ny fianaranay matetika.

Herintaona sy tapany izahay no tany Port Taufiq. Nody tany Aleksandria izahay avy eo, satria narary i Neny. Maty izy tamin’ny 1947. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy. Tsapanay indray tamin’izay fa nampahery anay i Jehovah. Nataony izay hiarahanay tamin’ny namana matotra sy mahay mampionona. Nampiantrano misionera koa izahay. Nijanona kely tany Aleksandria mantsy indraindray ny sambo nitondra azy ireo ho any amin’ny tany nanendrena azy.

Tantely amam-bahona ny fiainana

Niteraka an’i James aho tamin’ny 1952. Hitanay mivady fa mila mifanerasera amin’ny olona tia ny fivavahana marina ny zanakay, ka nekenay hivoriana ny tranonay. Matetika koa izahay no nampiantrano mpanompo manontolo andro. Nanjary tia ny fahamarinana àry i John, zanakay lahimatoa. Lasa mpisava lalana izy, na dia vao 15 taona teo ho eo aza. Nandeha nianatra isan-kariva izy mandra-pahavitan’ny fianarany.

Narary fo i Theodotos tsy ela taorian’izay, ka nilaza ny dokotera hoe tsy nety taminy intsony ilay asany. Vao efa-taona anefa i James. Niady saina àry izahay hoe inona no hataonay. Efa nampanantena anefa i Jehovah hoe: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho.” (Isaia 41:10) Sady gaga izahay no faly tamin’ny 1956, satria nasaina nanao mpisava lalana tany Ismaïlia, any akaikin’ny Lakandranon’i Suez! Nisy korontana foana tany Ejipta taorian’io, ka nila nampaherezina ireo Vavolombelona tany.

Tsy maintsy niala tany Ejipta izahay, tamin’ny 1960, ary tsy afaka nitondra afa-tsy valizy iray isan’olona. Nanketo Chypre izahay. Vao mainka narary be i Theodotos, ka tsy afa-niasa. Nisy mpivady kristianina tsara fanahy anefa nanome trano hipetrahanay. Nampalahelo fa maty ny vadiko, roa taona taorian’izay. Izaho sisa no nitaiza an’i James. Niaraka taminay nanketo ihany i John, saingy efa nanambady aman-janaka izy, ka tsy maintsy namelona azy ireo.

Voakarakara ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Nampiantrano anay i Stavros sy Dora Kairis taorian’izay. Nandohalika aho, ary nisaotra an’i Jehovah satria nikarakara anay indray izy. (Sal. 145:16) Namidin’i Stavros sy Dora ny tranony avy eo, ka nanorina vaovao izy, ary nataony Efitrano Fanjakana ny tao ambany rihana. Mbola tsara fanahy taminay indray ry zareo, satria nanamboarany efitra kely roa izahay sy James.

Nanambady i James tatỳ aoriana, ary nanao mpisava lalana izy mivady mandra-pananany zanaka. Efatra izao ny zanany. Nisy korontana politika teto Chypre tamin’ny 1974, roa taona taorian’ilay fitsidihana niavaka nataon’ny Anadahy Knorr. * Maro ny olona nandositra, ka nifindra monina. Vavolombelona ny sasany. Anisan’ireny i John. Nifindra nankany Kanada izy mivady sy ny zanany telo. Vao mainka anefa nitombo ny mpitory teto Chypre, na dia maro aza no lasa. Faly izahay nahita izany.

Nandray vola tsy tapaka aho tatỳ aoriana, ka afaka nanompo bebe kokoa. Tapaka lalan-dra anefa aho, tsy ela izay, ka tsy maintsy niara-nipetraka tamin’i James. Vao mainka narary aho tatỳ aoriana, ka niditra hopitaly herinandro maromaro. Nafindra tany amin’ny trano fitaizana ny be antitra aho avy eo. Mitory amin’ny mpitsabo sy ny marary ary ny mpitsidika aho, na dia manaintaina foana aza. Manokana fotoana betsaka hianarana samirery koa aho. Misy Vavolombelona tsara fanahy, ka mitondra ahy hanatrika ny Fianarana Boky eo akaiky eo.

Faly na dia efa zokiolona aza

Faly aho rehefa maharay vaovao momba an’ireo olona nampianarinay sy Theodotos. Manompo manontolo andro izao ny maro amin’ny zanak’izy ireo sy ny zafikeliny, ka any Angletera, Aostralia, Gresy, Kanada, ary Soisa ny sasany. Mbola any Kanada izao ry John. Mpisava lalana ny zanak’izy ireo vavimatoa sy ny vadiny. Anisan’ny kilasy faha-124 amin’ny Sekolin’i Gileada i Linda zanany faravavy sy Joshua Snape vadiny.

Any Alemaina kosa ry James. Mpisava lalana any ny zanak’izy ireo faralahy sy ny zanak’izy ireo vavy ary ny vadin’izy io. Betelita kosa ny zanany roa lahy hafa, ka ny iray any Selters, Alemaina, ary ny iray any Atena, Gresy.

Hanan-javatra be dia be hotantaraina amin’i Neny sy Theodotos malalako aho, rehefa hitsangana amin’ny maty izy ireo! Ho faly be izy ireo satria namela zava-tsarobidy ho an’ny taranany. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Oktobra 1974, pejy 12-15.

^ feh. 26 Nodimandry ny Anabavy Petrides tamin’izy 93 taona, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity.

[Teny notsongaina, pejy 24]

Tsapanay indray tamin’izay fa nampahery anay i Jehovah. Nataony izay hiarahanay tamin’ny namana matotra sy mahay mampionona

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

CHYPRE

NICOSIE

RANOMASINA MEDITERANE

EJIPTA

LE CAIRE

El-Alamein

Aleksandria

Ismaïlia

Suez

Port Taufiq

Lakandranon’i Suez

[Sary nahazoan-dalana]

Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 23]

Izahay sy Theodotos, 1938

[Sary, pejy 25]

James sy ny vadiny

[Sary, pejy 25]

John sy ny vadiny