Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah

Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah

Aoka Ianao ho Mendrika mba ho Fanajana An’i Jehovah

“Heni-kaja amam-boninahitra ny zavatra [nataon’i Jehovah].”—SAL. 111:3, TV.

1, 2. a) Inona no dikan’ny hoe “mendrika”, araka ny hevitrao? b) Inona avy no fanontaniana hodinihina ato?

AZO lazaina hoe “mendrika” ny olona manao fitafiana mihaja. Milaza ny Baiboly fa ‘voninahitra no fitafian’i Jehovah.’ (Sal. 104:1) Mety ho hita taratra amin’ny fitafian’ny olona tokoa raha mendrika izy na tsia. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly fa iriny ny vehivavy kristianina mba “hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy.” (1 Tim. 2:9) Tsy ny fitafiana ihany anefa no tokony ho mendrika fa ny fitondran-tena koa, raha tiantsika ny ‘hanaja’ sy hanome ‘voninahitra’ an’i Jehovah.—Sal. 111:3, TV.

2 Ny teny hebreo midika hoe “mendrika”, ao amin’ny Baiboly, dia nadika koa hoe “be voninahitra”, “heni-kaja”, “mihaja.” Araka ny Rakibolana malagasy, ny hoe “mendrika” dia “manana fahamboniana” sy “mitandro ny hajan’ny tena.” I Jehovah no mendrika hohajaina indrindra. Mpanompo nanolo-tena ho azy isika, ka tokony ho mendrika ny fitenintsika sy ny zavatra ataontsika. Nahoana tokoa moa isika no afaka ny ho mendrika? Inona no mampiharihary ny haja amam-boninahitr’i Jehovah? Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? Inona no modely nomen’i Jesosy Kristy momba izany? Ahoana no hanehoantsika fa mendrika isika?

Nahoana isika no afaka ny ho mendrika?

3, 4. a) Koa satria manaja antsika Andriamanitra, inona no tokony hataontsika? b) Faminaniana momba an’iza no resahin’ny Salamo 8:5-9? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) d) Iza avy no nohajain’i Jehovah, tamin’ny lasa?

3 Afaka ny ho mendrika ny olona rehetra, satria natao tahaka ny endrik’Andriamanitra. Nanendry an’ilay lehilahy voalohany ho mpikarakara ny tany, ohatra, i Jehovah. Midika izany fa nanaja azy Izy, ka nihevitra azy ho mendrika. (Gen. 1:26, 27) Na taorian’ny nanotan’ny olona aza, dia mbola naverin’i Jehovah ny fanendreny azy ireo hikarakara ny tany. Hita amin’izany fa mbola manaja ny olona izy, ka ‘nosatrohany’ voninahitra izy ireo. (Vakio ny Salamo 8:5-9.) * Koa satria àry manaja antsika i Jehovah, dia mba tokony ho mendrika an’izany isika ka hanome voninahitra ny anarany.

4 Heverin’i Jehovah ho mendrika kokoa ireo manao fanompoana masina ho azy. Nanaja an’i Abela, ohatra, izy ka nanaiky ny fanatiny, fa ny an’i Kaina kosa nolaviny. (Gen. 4:4, 5) Nilazana koa i Mosesy hoe: “Anomezo [an’i Josoa] ny voninahitrao”, satria izy indray no hitarika ny Israelita. (Nom. 27:20) Hoy ny Baiboly momba an’i Solomona zanak’i Davida: “Jehovah nanandratra an’i Solomona indrindra teo imason’ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Isiraely.” (1 Tant. 29:25) Tena miavaka ny fanajan’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra natsangana tamin’ny maty, satria izy ireo nazoto nampahafantatra ‘ny haben’ny voninahitry ny fanjakany.’ (Sal. 145:11-13) Midera an’i Jehovah koa ny “ondry hafa” mihamaro hatrany, ka mahazo fitahiana sy andraikitra mendri-kaja.—Jaona 10:16.

Miharihary ny haja amam-boninahitr’i Jehovah

5. Hazavao fa i Jehovah no mendrika hohajaina indrindra.

5 Namorona hira i Davida mba hilazana fa tsinontsinona ny olona, raha jerena ny fahalehibeazan’Andriamanitra. Hoy izy: “Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao.” (Sal. 8:1) I Jehovah Andriamanitra no mendrika hohajaina indrindra eran’izao rehetra izao, hatramin’izay ka ho mandrakizay. Tsy misy toa azy mihitsy, na talohan’ny namoronana “ny lanitra sy ny tany”, na rehefa ho lasa paradisa ny tany ka ho lavorary ny olona, na aorian’izay.—Gen. 1:1; 1 Kor. 15:24-28; Apok. 21:1-5.

6. Nahoana ny mpanao salamo no nilaza fa mitafy voninahitra i Jehovah?

6 Toy ny voaravaka “vatosoa” mamirapiratra ny lanitra, noho ireo kintana maro be! Variana erỳ ilay mpanao salamo nahita fa ‘novelarin’Andriamanitra tahaka ny lay ny lanitra.’ Toy ny mitafy voninahitra tokoa i Jehovah, satria mahatalanjona ny fahaizany mamorona. (Vakio ny Salamo 104:1, 2.) Na tsy hita maso aza ilay Mpamorona mahery indrindra, dia mampiharihary ny haja amam-boninahiny ny zavatra noforoniny.

7, 8. Hazavao fa mampiharihary ny haja amam-boninahitr’i Jehovah ny kintana.

7 Diniho, ohatra, ny vahindanitra misy antsika. Maro be ny kintana sy planeta ao amin’izy io, ka tena bitika ny Tany raha oharina amin’ny habeny, toy ny voam-pasika iray eo amin’ny torapasika midadasika. Eritrereto fa misy kintana 100 000 tapitrisa mahery amin’io vahindanitra io! Raha mahavita manisa kintana iray isan-tsegondra ianao, ka tsy mijanona mihitsy na andro na alina, dia afaka 3 000 taona vao ho voaisanao izy rehetra!

8 Vao vahindanitra iray monja anefa izany. Milaza ny manam-pahaizana fa mety ho 50 000 tapitrisa ka hatramin’ny 125 000 tapitrisa ny isan’ny vahindanitra. Firy àry ny isan’ny kintana rehetra? Betsaka loatra izany, ka tsy ho voaisantsika. I Jehovah anefa ‘milaza ny isan’ny kintana; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.’ (Sal. 147:4) Mitafy haja amam-boninahitra tokoa izy! Tsy manosika anao hidera ny anarany lehibe ve izany?

9, 10. Nahoana no mampiharihary ny fahendren’ny Mpamorona, ny sakafo?

9 Andeha indray isika hiresaka zavatra tsotra toy ny sakafo. Tsy vitan’ny hoe “nanao ny lanitra sy ny tany” mantsy i Jehovah, fa “manome hanina ho an’ny noana” koa. (Sal. 146:6, 7) Mampiharihary ny haja amam-boninahiny ireo asa lehibe nataony, anisan’izany ny zavamaniry anamboarana sakafo. (Vakio ny Salamo 111:1-5.) Nasain’i Jesosy nivavaka toy izao ny mpianany: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.” (Matio 6:11) Mofo no foto-tsakafon’ny Israelita fahiny. Toa sakafo tsotra izy io, nefa mandalo fiovana be dia be ireo zavatra ampiasaina vao lasa mofo matsiro. Tsy tsotra mihitsy izany!

10 Lafarinina orza na varimbazaha no nanaovan’ny Israelita mofo. Nasiana rano ilay izy, ary indraindray nampiana lalivay na leviora. Rehefa afangaro ireo zavatra tsotra ireo, dia manome zavatra simika maro, izay miara-miasa avokoa. Tsy tena mazava anefa ny fizotran’izany. Mbola fahagagana hafa koa ny fomba andevonan’ny vatana ny mofo. Nihira toy izao àry ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra.” (Sal. 104:24) Voatosika hidera an’i Jehovah koa ve ianao?

Voatosika hidera an’Andriamanitra ve ianao?

11, 12. Inona no vokany rehefa misaintsaina ny zavatra noforonin’Andriamanitra isika?

11 Tsy voatery ho manam-pahaizana be isika vao ho tia mijery kintana na mihinana mofo. Mila manokana fotoana handinihana ny zavaboary anefa isika, raha te hahita ny halehiben’ny voninahitry ny Mpamorona. Handray soa isika raha misaintsaina ny zavatra noforoniny, toy ny rehefa misaintsaina ny asa nataony ho an’ny vahoakany.

12 Nanao asa lehibe maro ho an’ny olony i Jehovah. Hoy àry i Davida: “Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.” (Sal. 145:5) Misaintsaina an’ireny asa lehibe ireny isika, rehefa mianatra Baiboly sy mieritreritra izay vakintsika ao. Inona no vokatr’izany? Lasa tsapantsika kokoa ny haja amam-boninahitr’Andriamanitra. Ho voatosika hidera azy toa an’i Davida isika hoe: “Ny fahalehibiazanao no holazaiko.” (Sal. 145:6) Manjary mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina ireo asany mahatalanjona. Te hiresaka momba azy koa isika, sady mafana fo rehefa manao izany. Mazoto mitory ny vaovao tsara àry ve ianao, ka manampy ny olona hahatsapa ny halehiben’ny haja amam-boninahitr’i Jehovah Andriamanitra?

Nanome modely lavorary i Jesosy

13. a) Inona no nomen’i Jehovah ny Zanany, araka ny Daniela 7:13, 14? b) Mpitondra manao ahoana i Jesosy Mpanjaka?

13 Nazoto nitory ny vaovao tsara i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, ary nanome voninahitra an’ilay Rainy any an-danitra. Nanome ‘fanapahana sy fanjakana’ an’ilay Zanany lahitokana i Jehovah, ary tena fanajana manokana izany. (Vakio ny Daniela 7:13, 14.) Tsy nirehareha na nanambony tena anefa i Jesosy. Mpitondra mahay mangoraka kosa izy, ka manaja ny olony sady tsy mba sarotsarotiny. Andeha isika hijery ohatra iray amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona, indrindra ireo nailikiliky ny hafa.

14. Ahoana no niheverana ny boka, teo amin’ny Israely fahiny?

14 Tena mahonena ny boka. Mitatra tsikelikely manerana ny vatany ilay aretina, ka mihamaty tsikelikely ilay olona. Sarotra be ny nitsabo ny habokana taloha, ka toy ny manangana ny maty mihitsy. (Nom. 12:12; 2 Mpanj. 5:7, 14) Noheverina ho maloto ny boka, ka tsy tian’ny olona sady natoka-monina. Rehefa manatona olona izy ireo, dia tokony hiantsoantso hoe: “Maloto e! maloto e!” (Lev. 13:43-46) Toy ny efa maty no fiheveran’ny olona azy ireo. Araka ny bokin’ireo raby, dia tsy navela nanatona olona ny boka, fa tsy maintsy nijanona teny amin’ny roa metatra teo ho eo. Voalaza fa raha vao nahita boka ny mpitondra fivavahana iray, na mbola lavitra aza, dia nitora-bato mba handroahana azy.

15. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny boka iray?

15 Hafa anefa ny fihetsik’i Jesosy tamin’ilay boka nanatona azy, izay niangavy mba hositraniny. (Vakio ny Marka 1:40-42.) Tsy nandroaka azy izy, fa nangoraka sy nanaja ny fahamendrehan’ilay lehilahy nailikilika. Tsapany fa nampalahelo sy nila fanampiana izy. Hontsa ny fony, ka voatosika hanao zavatra izy. Natsotrany àry ny tanany ka nikasika ilay boka izy, ary nanasitrana azy.

16. Inona no ianaranao avy amin’ny modely nomen’i Jesosy?

16 Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy, izay nanahaka ny Rainy? Tokony hekentsika fa mendrika hohajaina ny olona rehetra, na mahantra na manankarena, na salama na marary, ary na kely na lehibe. (1 Pet. 2:17) Ireo manana andraikitra indrindra no tokony hihevitra an’ireo eo ambany fahefany ho mendrika, sy hanampy azy hanana ny hajan’ny tenany. Anisan’izany ny lehilahy manambady sy ny ray aman-dreny ary ny anti-panahy. Takina amin’ny Kristianina rehetra koa izany, satria hoy ny Baiboly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Rom. 12:10.

Aoka isika ho mendrika rehefa manompo an’i Jehovah

17. Tokony hanao ahoana isika rehefa manompo an’i Jehovah, raha jerena ny Soratra Masina?

17 Tokony ho mendrika kokoa isika, rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana. Hoy ny Mpitoriteny 4:17: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao.” Samy nasaina nanala ny kapany i Mosesy sy Josoa, rehefa nijoro teo amin’ny tany masina. (Eks. 3:5; Josoa 5:15) Fanehoana fanajana na fanomezam-boninahitra izany. Tsy maintsy nanao kalisaona na kilaoty lava vita amin’ny rongony fotsy koa ny mpisoron’ny Israely, mba “hanarona ny fitanjahany.” (Eks. 28:42, 43) Mendrika tsara àry ny fitafiany, rehefa nanompo teo amin’ny alitara izy ireo. Tokony ho mendrika koa ny fianakavian’ny mpisorona.

18. Ahoana no hahatonga antsika ho mendrika, rehefa manompo an’i Jehovah?

18 Mila maneho fanajana àry isika mba ho mendrika, rehefa manao fanompoana. Tsy maintsy manaja tena isika, raha te ho mendrika ny hohajaina. Tsy mety raha mihatsaravelatsihy isika, ka mody hoe mendrika etỳ ivelany fotsiny. Tokony ho avy ao am-po kosa ny fahamendrehantsika, ka ho araka ny fomba fijerin’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olona. (1 Sam. 16:7; Ohab. 21:2) Ny fomba fiainantsika manontolo mihitsy no tokony ho mendrika, izany hoe ny fihetsitsika, ny fisainantsika, ny fifandraisantsika amin’ny hafa, ary na dia ny fiheverantsika ny tenantsika aza. Tokony ho mendrika foana ny fitenintsika sy ny ataontsika, amin’ny fotoana rehetra. Toy izany koa ny fitondran-tena sy ny fihetsika, ary ny fitafiana sy taovolo. Hotadidintsika foana ny tenin’i Paoly hoe: “Tsy manao izay hampihemotra olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay. Fa amin’ny lafiny rehetra, dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay.” (2 Kor. 6:3, 4) Raha manao izany isika dia ‘mampamirapiratra ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra.’—Tit. 2:10.

Aoka isika ho mendrika foana

19, 20. a) Ahoana no azontsika anajana ny hafa? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

19 Hita fa mendrika ireo Kristianina voahosotra, “ambasadaoro solon’i Kristy.” (2 Kor. 5:20) Mendrika ihany koa ny “ondry hafa” naman’izy ireo tsy mivadika, izay irak’ilay Fanjakan’ny Mesia. Sahy miresaka momba ny fanjakany ny ambasadaoro na iraka. Tokony hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra àry isika, ka ho sahy hitory momba azy io, sy ho mendrika azy io. (Efes. 6:19, 20) Manaja ny hafa koa isika rehefa mitory “teny soa mahafaly” amin’izy ireo.—Isaia 52:7.

20 Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hitondra tena amim-pahamendrehana, mba ho voninahitr’Andriamanitra. (1 Pet. 2:12) Aoka isika hanaja lalina azy sy ny fivavahana marina ary ireo mpiara-manompo amintsika. Ary enga anie ny fanompoana ataontsika amim-pahamendrehana ka hankasitrahan’i Jehovah, ilay mitafy haja sy voninahitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Faminaniana momba an’i Jesosy Kristy, olombelona lavorary, no resahin’ny Salamo faha-8, nataon’i Davida.—Heb. 2:5-9.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no tokony ho vokany eo amintsika, rehefa tsapantsika ny haja amam-boninahitr’i Jehovah?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny boka iray?

• Ahoana no hahatonga antsika ho mendrika, mba ho fanajana an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Ahoana no nanajan’i Jehovah an’i Abela?

[Sary, pejy 14]

Mampiharihary ny asa lehibe nataon’i Jehovah, na dia ny mofo aza

[Sary, pejy 15]

Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny boka iray?

[Sary, pejy 16]

Tokony hanaja an’i Jehovah izay te ho mendrika hanompo azy