Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo

Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo

Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo

“Handeha amin’ny fahamarinanao aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.”—SAL. 86:11, TV.

1, 2. a) Araka ny Salamo 86:2, 11, inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy, na dia misy fitsapana sy fakam-panahy aza? b) Manomboka rahoviana isika no tokony hiezaka tsy hivadika?

TSY nivadika nandritra ny taona maro ny Kristianina sasany na dia nenjehina sy nogadraina aza, kanefa resin’ny fitiavan-karena tatỳ aoriana. Fa nahoana? Misy ifandraisany amin’ny fo ny valin’izany, dia ny maha izy ny olona iray. Asehon’ny Salamo faha-86 fa misy ifandraisany ny tsy fivadihana sy ny fanompoana amin’ny fo manontolo. Nivavaka toy izao i Davida mpanao salamo: “Arovy aho satria tsy mivadika aminao. Andriamanitro ianao, ka mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao. Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô! Handeha amin’ny fahamarinanao aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.”—Sal. 86:2, 11, TV.

2 Raha tsy matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo isika, dia hanimba tsikelikely ny tsy fivadihantsika amin’ilay tena Andriamanitra ny fanahiana sy ny fitaoman’ny hafa ary ny zavatra tiantsika. Toy ny vanja milevina eo amin’ny lalantsika ny faniriana feno fitiavan-tena. Na dia tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy aza isika tao anatin’ny toe-javatra sarotra, dia mety ho voafandrik’i Satana raha tsy mitandrina. Tokony hiezaka tsy hivadika amin’i Jehovah àry isika dieny izao, dieny mbola tsy misy ny fitsapana sy ny fakam-panahy! Hoy ny Baiboly: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana.” (Ohab. 4:23) Handray lesona tena sarobidy momba izany isika, eo am-pandinihana ny zava-nitranga tamin’ilay mpaminany avy any Joda, izay nirahin’i Jehovah ho any amin’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely.

“Homeko zavatra hianao”

3. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jeroboama rehefa nandre ny didim-pitsarana nambaran’ilay mpaminany?

3 Nanambara didim-pitsarana mafonja tamin’i Jeroboama Mpanjaka ilay lehilahin’Andriamanitra, noho izy nanao zanak’omby ivavahana tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Tezitra be ny mpanjaka nandre izany, ka nasainy nosamborina ilay mpitondra hafatra. Nomba an’io mpanompony io anefa i Jehovah. Tonga dia maty ilay tanan’ny mpanjaka nanondro an’ilay mpaminany. Nitresaka koa ilay alitara nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso. Nisinda tampoka ny hatezeran’i Jeroboama, ka niangavy an’ilay mpaminany izy hoe: “Mba ifony amin’i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tànako.” Nivavaka ilay mpaminany, ka sitrana ilay tanana.—1 Mpanj. 13:1-6.

4. a) Nahoana ny fanasan’ny mpanjaka no nitsapa ny tsy fivadihan’ilay mpaminany? b) Ahoana no navalin’ilay mpaminany?

4 Avy eo, dia hoy i Jeroboama tamin’ilay mpaminany: “Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ... mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra hianao.” (1 Mpanj. 13:7) Ahoana no hataon’ilay mpaminany? Hanaiky ny fanasan’ilay mpanjaka ve izy, nefa vao avy nilaza hafatra nanameloka azy? (Sal. 119:113) Sa handa izy, na dia nanenina aza ny fijery an’ilay mpanjaka? Azo antoka fa afaka manome fanomezana lafo vidy ho an’ny namany i Jeroboama. Raha tia zavatra ara-nofo kely fotsiny ilay mpaminany, dia azo inoana fa tena fakam-panahy ho azy ilay fanasan’ny mpanjaka. Efa nilaza tamin’ilay mpaminany anefa i Jehovah hoe: “Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’izay làlana efa nalehanao.” Namaly avy hatrany àry ilay mpaminany hoe: “Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho.” Nandao an’i Betela ilay mpaminany ary lalana hafa no niverenany. (1 Mpanj. 13:8-10) Inona no ianarantsika momba ny tsy fivadihana, raha jerena ny fanapahan-kevitr’ilay mpaminany?—Rom. 15:4.

Mahaiza mianina

5. Nahoana ny faniriana te hanan-javatra no mety hahatonga antsika hivadika?

5 Mety hahatonga antsika hivadika ny faniriana te hanan-javatra. Moa ve ianao matoky ny fampanantenan’i Jehovah hoe homeny anao izay tena ilainao? (Matio 6:33; Heb. 13:5) Afaka mianina amin’izay anananao ve ianao, ka tsy hividy zavatra heverinao fa tsara raha mbola tsy takatry ny volanao ilay izy? (Vakio ny Filipianina 4:11-13.) Tsy te hampitombo ny fanompoanao eo anivon’ny fiangonana ve ianao mba hahazoana ny zavatra irinao ho azo izao? Loha laharana eo amin’ny fiainanao ve ny fanompoana an’i Jehovah? Ho hita amin’ny valin’ireo fanontaniana ireo raha manompo amin’ny fo manontolo ianao na tsia. Hoy ny apostoly Paoly: “Fomba hahazoan-tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka ho afa-po amin’izany.”—1 Tim. 6:6-8.

6. Inona avy ny “zavatra” mety homena antsika? Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra?

6 Mety homena asa tsara kokoa, ohatra, ianao ka hisondrotra ny karamanao ary hahazo tombontsoa hafa ianao. Mety hihevitra koa ianao hoe hahazo vola bebe kokoa raha mitady asa any andafy, na any an-toeran-kafa. Toy ny hoe fitahiana avy amin’i Jehovah ilay izy. Tsy tokony handinika ny antony manosika antsika ve anefa isika alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra? Ny zavatra tokony hahintsika voalohany dia ny hoe: “Inona no ho vokatry ny fanapahan-kevitro eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah?”

7. Nahoana isika no tokony hanala ao am-pontsika ny faniriana te hanan-karena?

7 Tsy mitsahatra mampirisika antsika ho tia harena ny tontolon’i Satana. (Vakio ny 1 Jaona 2:15, 16.) Ny hanimba ny fontsika no tanjon’ny Devoly. Mila fantarintsika àry sao efa misy faniriana te hanan-karena ao am-pontsika, ary mila manala izany isika. (Apok. 3:15-17) Tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nanda ny fanomezan’i Satana, dia ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. (Matio 4:8-10) Nampitandrina izy hoe: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Hiantehitra amin’i Jehovah isika raha tsy mivadika, fa tsy hatoky tena.

Namitaka azy ilay mpaminany zokiolona

8. Inona indray ny fitsapana natrehin’ilay mpaminanin’Andriamanitra?

8 Tsy ho nisy zavatra nanjo an’ilay mpaminany, raha nanohy ny diany nody izy. Niatrika fitsapana hafa anefa izy, raha vao niala kelikely tao Betela. Nilaza ny Baiboly fa “nisy mpaminany [zokiolona] anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy” ny zava-nitranga rehetra. Nony nandre izany ilay mpaminany zokiolona, dia nasainy nasiana lasely ny ampondrany mba hanatratrarany an’ilay mpaminanin’Andriamanitra. Hitany niala sasatra teo am-pototry ny hazobe ilay mpaminany, tsy ela taorian’izay, ary hoy izy: “Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.” Rehefa nanda ilay mpaminany dia hoy indray izy: “Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano.” Hoy anefa ny Soratra Masina: “Kanjo laingany izany.”—1 Mpanj. 13:11-18.

9. Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ny olona mamitaka? Iza avy no hizaka ny vokatr’izany?

9 Na inona na inona antony nanosika an’ilay mpaminany zokiolona, dia nandainga izy. Mpaminany tsy nivadika angamba izy taloha, kanefa namitaka izy tamin’io fotoana io. Manameloka izany toetra izany ny Soratra Masina. (Vakio ny Ohabolana 3:32.) Manimba ny fifandraisany amin’i Jehovah ny olona mamitaka, sady matetika no manimba ny hafa koa.

‘Niverina izy’

10. Ahoana no nataon’ilay mpaminanin’Andriamanitra, rehefa nasain’ilay zokiolona ho any an-tranony izy? Inona no vokatr’izany?

10 Tokony ho takatr’ilay mpaminany fa namitaka azy ilay mpaminany zokiolona. Afaka nanontany tena izy hoe: ‘Fa nahoana moa i Jehovah no naniraka anjely tany amin’olon-kafa mba hanomezana toromarika vaovao ho ahy?’ Afaka nanontany an’i Jehovah koa izy mba hanazava aminy izay tokony hataony. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe nanao izany izy. “Niverina niaraka [tamin’ilay zokiolona kosa] izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.” Tsy faly i Jehovah. Novonoin’ny liona ilay mpaminany rehefa nandeha nody. Tena ratsy fiafara ilay mpaminany!—1 Mpanj. 13:19-25. *

11. Inona no ohatra tsara navelan’i Ahia?

11 I Ahia mpaminany kosa tsy nivadika mihitsy na dia efa antitra aza. Izy ilay mpaminany nasaina nanendry an’i Jeroboama ho mpanjaka. Efa antitra sy tsy nahita intsony i Ahia, tamin’i Jeroboama naniraka ny vadiny hanontany momba an’izay hanjo ny zanany narary. Tsy natahotra mihitsy anefa i Ahia nilaza fa ho faty ilay zaza. (1 Mpanj. 14:1-18) Nahazo fitahiana maro izy satria tsy nivadika. Lasa anisan’ny Soratra Masina, ohatra, ny asa sorany. Nampiasain’i Ezra mpisorona mantsy izy ireny, rehefa nanoratra Baiboly izy.—2 Tant. 9:29.

12-14. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nanjo an’ilay mpaminany? b) Milazà ohatra mampiseho fa mila mivavaka sy mandinika ny torohevitra ara-baiboly omen’ny anti-panahy isika.

12 Tsy resahin’ny Baiboly hoe nahoana ilay mpaminany no tsy nanontany an’i Jehovah, talohan’ny handehanany hisakafo tany amin’ilay zokiolona. Ny zavatra efa tiany ho re angamba no nolazain’ilay zokiolona taminy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony ho resy lahatra isika fa ara-drariny ny zavatra takin’i Jehovah. Tokony ho tapa-kevitra ny hankatò azy ireny isika, na inon-kidona na inon-kihatra.

13 Rehefa omena torohevitra ny olona sasany, dia izay tiany ho re ihany no henoiny. Nahita asa, ohatra, ny mpitory iray ary mety hampihena ny fotoana iarahany amin’ny fianakaviany sy ny fotoana anaovany zavatra ara-panahy ilay izy. Mety haka torohevitra amin’ny anti-panahy iray izy. Mety hilaza ilay anti-panahy amin’ny voalohany fa tsy anjarany ny milaza ny fomba tokony hamelomany ny fianakaviany. Mety holazain’ilay anti-panahy anefa avy eo izay ho voka-dratsin’ny fanekeny an’ilay asa. Ny fampidiran-dresak’ilay anti-panahy ihany ve no hotsaroan’ilay rahalahy, sa handinika tsara ny teniny manaraka izy? Tokony hodinihiny tsara hoe inona no fanapahan-kevitra tsara indrindra mba hananany finoana matanjaka.

14 Mety hanontany anti-panahy koa, ohatra, ny anabavy iray manambady tsy Vavolombelona, raha azony atao ny misintaka amin’ny vadiny. Azo antoka fa hilaza ilay anti-panahy hoe anjaran’ilay anabavy ny manapa-kevitra momba izany. Mety horesahiny anefa avy eo ny torohevitry ny Baiboly. (1 Kor. 7:10-16) Handinika tsara ny tenin’ilay anti-panahy ve ilay anabavy? Sa efa masaka ao an-tsainy ny hoe hisintaka amin’ny vadiny? Rehefa hanapa-kevitra ilay anabavy, dia tokony hivavaka sy handinika ny torohevitry ny Baiboly.

Manetre tena

15. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahadisoan’ilay mpaminanin’Andriamanitra?

15 Inona koa no ianarantsika avy amin’ny fahadisoan’ilay mpaminany avy any Joda? Hoy ny Ohabolana 3:5: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” Niantehitra tamin’i Jehovah foana io mpaminany io taloha, kanefa niantehitra tamin’ny heviny manokana izy tamin’io fotoana io. Namoizany ny ainy izany ary namoizany ny laza tsarany teo anatrehan’Andriamanitra. Asehon’io zava-nitranga io fa tena mila manetry tena sy tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah.

16, 17. Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?

16 Mora tia tena isika ka mitady hamitaka antsika foana ny fontsika. “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jer. 17:9) Raha tsy te hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, dia tsy maintsy miezaka manaisotra ny toetrantsika taloha, anisan’izany ny fanambonian-tena sy ny fatokian-tena. Tsy maintsy tafintsika ny toetra vaovao “izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy [tsy fivadihana].”—Vakio ny Efesianina 4:22-24.

17 Hoy ny Ohabolana 11:2: “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” Tsy hanao fahadisoana lehibe isika raha manetry tena sy miantehitra amin’i Jehovah. Mety tsy hisaina tsara, ohatra, isika rehefa kivy. (Ohab. 24:10) Mety hankaleo antsika ny lafim-panompoana sasany ka hihevitra isika hoe efa ampy izay ny vitantsika, fa anjaran’ny hafa indray izao. Na mety haniry hanana fiainana “tsara kokoa” isika. Ho voaro ny fontsika raha ‘miezaka mafy’ isika sady “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”—Lioka 13:24; 1 Kor. 15:58.

18. Inona no azontsika atao raha tsy fantatsika izay fanapahan-kevitra horaisina?

18 Mety hisy fanapahan-kevitra sarotra tsy maintsy raisintsika indraindray, kanefa tsy misy toromarika mazava tokony harahina momba an’ilay izy. Halaim-panahy hanao izay saim-pantatsika fotsiny ve isika? Fahendrena foana ny mangataka fanampiana amin’i Jehovah. Hoy ny Jakoba 1:5: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy.” Hanome antsika ny fanahy masina ilay Raintsika any an-danitra, mba hahaizantsika handray fanapahan-kevitra tsara.—Vakio ny Lioka 11:9, 13.

Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hivadika

19, 20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

19 Niharam-pitsapana ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra, nandritra ireo taona feno zava-tsarotra taorian’ny nialan’i Solomona tamin’ny fivavahana marina. Marina aloha fa maro no nanaiky lembenana, kanefa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ny Israelita sasany.

20 Misy safidy sy fanapahan-kevitra mitsapa ny tsy fivadihantsika isan’andro. Afaka manaporofo koa isika hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Aoka isika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy sady hanompo azy amin’ny fo manontolo, ary hatoky tanteraka fa hitahy foana an’izay tsy mivadika aminy izy.—2 Sam. 22:26.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tsy resahin’ny Baiboly raha nomelohin’i Jehovah ho faty ilay mpaminany zokiolona na tsia.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony hanala ao am-pontsika ny faniriana te hanan-karena?

• Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah?

• Nahoana ny fanetren-tena no manampy antsika tsy hivadika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Sarotra aminao ve ny manohitra fakam-panahy?

[Sary, pejy 10]

Handinika ny torohevitra ara-baiboly omena anao ve ianao, sady hivavaka momba izany?