Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hainao Tsara ve ny Miteny ny “Fiteny Madio”?

Hainao Tsara ve ny Miteny ny “Fiteny Madio”?

Hainao Tsara ve ny Miteny ny “Fiteny Madio”?

“Hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah.”—ZEF. 3:9, TV.

1. Inona no fanomezana mahatalanjona nomen’i Jehovah antsika?

TSY avy amin’ny olombelona ny fahaiza-miteny, fa fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. (Eks. 4:11, 12) Tsy vitan’ny hoe nataony nahay niteny i Adama, ilay olombelona voalohany, fa afaka namorona teny vaovao koa sady afaka nampitombo ny voambolana hainy. (Gen. 2:19, 20, 23) Fanomezana mahatalanjona tokoa izany! Afaka miresaka amin’ilay Rainy any an-danitra ny olombelona noho izany, ary afaka midera ny anarany be voninahitra.

2. Nahoana no tsy nitovy intsony ny fitenin’ny olona?

2 Iray ihany ny fitenin’ny olona nandritra ny 1 700 taona teo ho eo, taorian’ny namoronana an’i Adama. (Gen. 11:1) Avy eo dia nisy fikomiana tamin’ny andron’i Nimroda. Tsy nankatò ny toromarik’i Jehovah ireo mpikomy, fa nanapa-kevitra ny hitangorona hipetraka tao amin’ny toerana iray. Nantsoina hoe Babela, tatỳ aoriana, ny toerana nipetrahan’izy ireo. Nanomboka nanorina tilikambo lehibe izy ireo, tsy hoe hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, fa mba ‘hampahalaza’ azy ireo. Nasafotofoton’i Jehovah àry ny fitenin’izy ireo, ka lasa samy hafa ny fiteniny. Niparitaka nanerana ny tany izy ireo noho izany.—Vakio ny Genesisy 11:4-8.

3. Inona no nitranga rehefa nasafotofoton’i Jehovah ny fitenin’ireo mpikomy tao Babela?

3 An’arivony ny fiteny maneran-tany ankehitriny. Misy aza milaza hoe 6 800 mahery. Samy manana ny fomba fisainany ny olona samy hafa fiteny. Rehefa nampisafotofoto ny fitenin’ireo mpikomy àry i Jehovah, dia toa nesoriny tao an-tsain’izy ireo ny fiteniny taloha, ary nampiditra voambolana sy fitsipi-pitenenana vaovao tao an-tsain’izy ireo izy, sady nanova ny fomba fisainany. Tsy mahagaga raha nantsoina hoe Babela, izay midika hoe fisafotofotoana, ny anaran’ilay toerana nisy an’ilay tilikambo. (Gen. 11:9) Mahaliana fa ny Baiboly ihany no manome fanazavana mahafa-po, momba ny antony mahatonga ny fiteny ho samy hafa.

Fiteny vaovao sy madio

4. Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga amin’ny androntsika?

4 Mahaliana ny fitantaran’ny Baiboly momba ny zavatra nataon’Andriamanitra tao Babela, kanefa mbola misy zavatra mahaliana kokoa noho izany ankehitriny. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Zefania mpaminany: “Hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.” (Zef. 3:9, TV ) Inona no atao hoe “fiteny madio”, ary ahoana no hahaizantsika miteny azy io tsara?

5. Inona no atao hoe fiteny madio, ary inona no vokatr’ilay ‘fanovana’ fiteny?

5 Ny fiteny madio dia ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany, izay hita ao amin’ny Baiboly. Ny olona mahay azy io, dia mahatakatra tsara ny marina momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny fomba hanamasinan’ io fanjakana io ny anaran’i Jehovah sy hanamarinan’izy io ny zony hitondra, ary hitondran’izy io fitahiana mandrakizay ho an’ireo tsy mivadika. Inona no vokatr’ilay ‘fanovana’ fiteny? Lazain’ilay andininy fa ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ ny olona, ary ‘hanompo azy amim-piraisan-kina.’ Tsy toa an’ilay nitranga tany Babela ilay fanovana fiteny, fa nahatonga ny vahoakan’i Jehovah hidera ny anarany sy hiray hina.

Fianarana ny fiteny madio

6, 7. a) Inona avy no ilaina hatao rehefa mianatra fiteny vahiny, ary inona no itovizan’izany amin’ny fianarana ny fiteny madio? b) Inona no hodinihintsika ato?

6 Tsy ampy fotsiny ny mitadidy voambolana vaovao rehefa te hianatra fiteny vahiny. Ilaina koa ny mianatra fomba fisainana vaovao satria mety ho hafa mihitsy ny fomba fanaporofoana hevitra sy ny zavatra mahatsikaiky an’ireo olona mampiasa an’ilay fiteny. Mety hiova koa ny fihetsiky ny lela, rehefa manonona an’ilay teny. Toy izany koa no mitranga rehefa manomboka mianatra ny fiteny madion’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy ampy ny mianatra an’ireo fampianarana fototra, fa ilaina koa ny manavao ny saina sy manova ny fomba fisainana.—Vakio ny Romanina 12:2; Efesianina 4:23.

7 Ahoana no hahaizantsika ny fiteny madio, ary inona no hanampy antsika hahay hiteny azy io tsara? Toy ny mianatra fiteny vahiny, dia misy dingana vitsivitsy mila arahina, mba hahaizana tsara miteny ny fiteny madion’ny fahamarinana. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo dingana ireo, sy ny fomba azontsika ampiharana azy ireny, rehefa mianatra ny fiteny madio.

Ahoana no hahaizanao tsara ny fiteny madio?

8, 9. Inona no tsy maintsy atao raha te hianatra ny fiteny madio? Nahoana izany no tena ilaina?

8 Mihainoa tsara. Mety ho hafahafa be aminao ny fiteny iray raha mbola tsy nandre azy io mihitsy ianao. (Isaia 33:19) Rehefa mifantoka tsara anefa ianao, dia lasa manomboka mahay manavaka teny sasantsasany, sy mahamarika an’ireo teny miaraka sy miverimberina. Toy izany koa, fa ampirisihina isika hoe: “Ilaintsika hotandremana mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay ny zavatra efa rentsika, mba tsy ho voatarika hiala mihitsy isika.” (Heb. 2:1) Imbetsaka i Jesosy no nampirisika ny mpanara-dia azy hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.” (Matio 11:15; 13:43; Marka 4:23; Lioka 14:35) Mila ‘mihaino’ sy ‘mamantatra ny hevitry’ ny zavatra rentsika isika, mba hahazoantsika kokoa ny hevitry ny fiteny madio.—Matio 15:10; Marka 7:14.

9 Mila miezaka mifantoka isika rehefa mihaino, kanefa tsy ho very maina ny ezaka ataontsika. (Lioka 8:18) Mifantoka ve ianao mandritra ny fivoriana sa varimbariana? Tena ilaina ny miezaka mafy mba hifantoka amin’ny fandaharana. Raha tsy izany mantsy, dia tsy hazoto hihaino intsony ianao amin’ny farany.—Heb. 5:11.

10, 11. a) Ankoatra ny fihainoana tsara, inona koa no tsy maintsy ataontsika? b) Inona koa no ilaintsika atao rehefa mampiasa ny fiteny madio?

10 Tahafo ireo mahay tsara. Tsy ampy ny mihaino tsara rehefa mianatra fiteny vahiny. Ilaina koa ny miezaka manahaka ny fomba fanonona sy ny fomba fitenin’ny olona mahay tsara an’ilay fiteny. Raha tsy izany mantsy dia tsy ho hainao tsara ny hanonona an’ilay teny ka tsy ho azon’ny olona izay lazainao. Toy izany koa, fa tokony hotahafinao ireo efa mahay tsara ny fiteny madio, dia ireo ‘mahay mampianatra’ azy io. (2 Tim. 4:2) Mangataha fanampiana. Maneke fanitsiana rehefa manao fahadisoana.—Vakio ny Hebreo 12:5, 6, 11.

11 Rehefa mampiasa ny fiteny madio ianao, dia tsy vitan’ny hoe mino ny fahamarinana sy mampianatra azy io fotsiny, fa ilaina koa ny manana fitondran-tena mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fitsipik’Andriamanitra. Mba hahavitana izany, dia mila manahaka ny modely omen’ny hafa isika, anisan’izany ny finoany sy ny zotom-pony. Ilaina koa ny manahaka ny fomba fiainan’i Jesosy. (1 Kor. 11:1; Heb. 12:2; 13:7) Raha miezaka manao an’izany foana isika, dia hiray saina ny vahoakan’Andriamanitra, ka ho toy ny hoe miteny amin’ny fiteny iray ihany isika rehetra.—1 Kor. 4:16, 17.

12. Nahoana no ilaina ny fitadidiana, rehefa mianatra fiteny vaovao?

12 Miezaha mitadidy. Mila mitadidy zava-baovao maro ianao rehefa mianatra fiteny vahiny. Anisan’izany ny voambolana sy ny fomba fiteny. Toy izany koa, fa hanampy ny Kristianina hahay tsara ny fiteny madio ny fitadidiana. Tena ilaina, ohatra, ny mitadidy ny filaharan’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Nataon’ny olona sasany tanjona ny hitadidy toko sy andininy ao amin’ny Baiboly, na hahay tsianjery andinin-teny. Hitan’ny hafa koa hoe tsara ny mitadidy ny hiran’ilay Fanjakana, ny anaran’ireo fokon’ny Israely, ny anaran’ny apostoly 12, ary ireo toetra anisan’ny vokatry ny fanahy. Maro ny Israelita nahatadidy tsianjery ny salamo. Ary ankehitriny? Nahatadidy andinin-teny 80 mahery ny ankizilahikely iray tamin’izy vao enin-taona. Ianao koa ve afaka miezaka mitadidy zavatra maro kokoa?

13. Nahoana no tena ilaina ny famerimberenana?

13 Manampy anao hitadidy ny famerimberenana. Anisan’ny fomba iray ampianarana antsika Kristianina ny fampahatsiahivana. Hoy ny apostoly Petera: ‘Vonona foana aho hampahatsiahy anareo izany zavatra izany, na dia efa fantatrareo aza, ary na dia efa miorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa ao aminareo aza ianareo.’ (2 Pet. 1:12) Nahoana isika no mila fampahatsiahivana? Ilaina izy io mba hanampy antsika hampitombo ny fahalalana sy ny traikefa ananantsika, hanatsara ny fahatakarantsika zavatra, ary hanampy antsika ho tapa-kevitra hankatò an’i Jehovah bebe kokoa. (Sal. 119:129) Mila mamerimberina mianatra an’ireo fitsipika sy toro lalan’Andriamanitra isika. Hanampy antsika handini-tena izany sady hanampy antsika tsy ho lasa “mpihaino manadino.” (Jak. 1:22-25) Raha tsy averimberintsika tadidina ny fahamarinana, dia zavatra hafa indray no hanan-kery amin’ny fontsika, ka tsy hahay hiteny tsara ny fiteny madio intsony isika.

14. Inona no hanampy antsika, rehefa mianatra ny fiteny madio?

14 Mamakia amin’ny feo avo. (Apok. 1:3) Mamaky teny an’eritreritra ny olona sasany rehefa mianatra fiteny vahiny. Tsy dia mahomby anefa izany. Toy izany koa, fa mila mamaky amin’ny feo avo ianao indraindray rehefa mianatra ny fiteny madio, mba hahafahanao hifantoka. (Vakio ny Salamo 1:1, 2.) Raha manao izany ianao, dia hilentika tsara ao an-tsainao ny zavatra vakinao. Ilay teny hebreo nadika hoe ‘mamaky moramora’ dia misy ifandraisany amin’ny hoe misaintsaina. Ilaina ny fandevonan-kanina, raha tsy izany dia tsy hahasoa antsika ny sakafo hanintsika. Raha tsy misaintsaina koa isika dia tsy hahasoa antsika izay vakintsika. Manokana fotoana hisaintsainana ve ianao rehefa mianatra? Tokony hieritreritra lalina momba an’izay vakintsika isika rehefa mamaky Baiboly.

15. Ahoana no ahaizantsika ny “fitsipi-pitenenan’ny” fiteny madio?

15 Mianara fitsipi-pitenenana. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsara ny mianatra ny fitsipi-pitenenan’ilay fiteny vahiny ianaranao. Hanampy anao handrafitra fehezanteny izany, ka hahay hiteny tsy misy diso ianao. Misy modely tokony harahina rehefa mandamina fehezanteny. Toy izany koa, fa tokony hanaraka ny “modelin’ny teny mahasoa” isika rehefa miteny ny fiteny madion’ny fahamarinana. (2 Tim. 1:13) Mila manaraka an’ireny ‘modely’ ireny isika.

16. Inona no olana mila resentsika? Ahoana no handresentsika azy io?

16 Manaova fandrosoana foana. Tsy manohy ny fianarany fiteny vahiny intsony ny olona sasany raha vao mahaihay kely. Manao toy izany koa ny olona sasany rehefa mianatra ny fiteny madio. (Vakio ny Hebreo 5:11-14.) Mora manjo antsika rehetra izany. Inona àry no azontsika atao mba handresena an’io olana io? Tokony ho vonona hampitombo ny fahaizantsika foana isika. “Efa nialantsika ny fampianarana fototra momba an’i Kristy, [ka] aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana, ka tsy hamerina hametraka fototra indray, dia fibebahana amin’ny asa maty, finoana an’Andriamanitra, fampianarana ny amin’ny batisa samihafa sy fametrahan-tanana sy fitsanganana amin’ny maty ary fitsarana mandrakizay.”—Heb. 6:1, 2.

17. Hazavao amin’ny ohatra fa tena ilaina ny mianatra tsy tapaka.

17 Manokàna fotoana ianarana. Tsara kokoa ny fianarana fohy nefa tsy tapatapaka, toy izay lava be nefa tsindraindray ihany. Amin’ny fotoana mampifantoka tsara sy mampisokatra ny saina ianao no tokony hianatra. Toy ny manamboatra lalan-kely any anaty ala ny mianatra fiteny vahiny. Mihamasaka ilay lalana rehefa andehanana foana. Rehefa tsy andehanana elaela anefa ilay izy, dia ho rakotra kirihitra indray. Mila manana fikirizana sy miezaka mandrakariva àry isika. (Dan. 6:17, 21; na Dan. 6:16, 20, TV ) Mila mivavaka mandrakariva sy “miambina hatrany” isika, raha te hahay hiteny ny fiteny madion’ny fahamarinana.—Efes. 6:18.

18. Nahoana isika no tokony hiteny ny fiteny madio isaky ny afaka manao izany?

18 Mitenena foana! Mety tsy ho sahy hiresaka amin’ny fiteny vahiny ny olona sasany mianatra azy io, satria menatra na matahotra hanao diso. Tsy hahay tsara an’ilay fiteny anefa izy, raha manao izany. Arakaraka ny ampiasana an’ilay fiteny vaovao no hahatonga ny olona iray tsy hatahotahotra. Toy izany koa, fa mila miteny ny fiteny madio foana isika isaky ny afaka manao izany. Hoy ny Baiboly: “Amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.” (Rom. 10:10) Tsy amin’ny fotoana anaovana batisa antsika ihany isika no manao “fanambarana ampahibemaso”, fa isaky ny miresaka momba an’i Jehovah koa, ohatra hoe isaky ny manao fanompoana. (Matio 28:19, 20; Heb. 13:15) Afaka miteny ny fiteny madio koa isika rehefa manatrika fivoriana kristianina.—Vakio ny Hebreo 10:23-25.

Aoka isika hiaraka hiteny ny fiteny madio mba hiderana an’i Jehovah

19, 20. a) Inona no zava-mahagaga vitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny? b) Tapa-kevitra hanao inona ianao?

19 Nampientanentana erỳ ny zava-nitranga, tamin’ny marainan’ny alahady 6 Sivana, taona 33! Nahagaga fa nanomboka “niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa” ireo mpianatra nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema, tamin’ny sivy ora latsaka teo ho eo. (Asa. 2:4) Tsy mahay fiteny samihafa amin’ny fomba mahagaga, ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. (1 Kor. 13:8) Na izany aza, dia mitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana amin’ny fiteny 430 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah.

20 Velom-pisaorana tokoa isika satria na inona na inona fitenintsika, dia miaraka miteny ny fiteny madion’ny fahamarinana isika rehetra! Azo lazaina hoe mifanohitra amin’izay nitranga tany Babela izany. Toy ny hoe miteny amin’ny fiteny iray ihany ny vahoakan’i Jehovah rehefa midera ny anarany. (1 Kor. 1:10) Eo am-piezahantsika hahay hiteny tsara ny fiteny madio, sy mba ho voninahitr’i Jehovah Raintsika any an-danitra, dia enga anie isika ho tapa-kevitra hanompo ‘amim-piraisan-kina’ miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika maneran-tany.—Vakio ny Salamo 150:1-6.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no atao hoe fiteny madio?

• Inona no ilaina atao rehefa mianatra ny fiteny madio?

• Inona no hanampy antsika hahay hiteny tsara ny fiteny madio?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 23]

Ahoana no Hanatsaranao ny Fahaizanao Miteny ny Fiteny Madio?

Mihainoa tsara.

Lioka 8:18; Heb. 2:1

Tahafo ireo mahay tsara.

1 Kor. 11:1; Heb. 13:7

Miezaha mitadidy sy mamerimberina.

Jak. 1:22-25; 2 Pet. 1:12

Mamakia amin’ny feo avo.

Sal. 1:1, 2; Apok. 1:3

Mianara “fitsipi-pitenenana.”

2 Tim. 1:13

Manaova fandrosoana foana.

Heb. 5:11-14; 6:1, 2

Manokàna fotoana ianarana.

Dan. 6:16, 20, TV; Efes. 6:18

Mitenena foana.

Rom. 10:10; Heb. 10:23-25

[Sary, pejy 24]

Miara-miteny ny fiteny madio ny vahoakan’i Jehovah