Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oharina Amin’ny Valala Ireo Misionera

Oharina Amin’ny Valala Ireo Misionera

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-124

Oharina Amin’ny Valala Ireo Misionera

MIZARA diplaoma ho an’ny misionera vaovao ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, isaky ny enim-bolana. Voasa amin’izany ny fianakavian’ny Betela any Etazonia. Tamin’ny 8 Martsa 2008, dia vahiny avy any amin’ny firenena 30 mahery no niaraka tamin’izy ireo, nanatrika ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-124. Niara-paly tamin’ireo mpianatra tamin’io andro manokana io ny mpanatrika 6 411.

I Stephen Lett anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no mpitari-draharaha, ary nanao ilay lahateny fanokafana hoe: “Mandehana Miaraka Amin’ireo Valala An’ohatra Irahin’i Jehovah.” Oharina amin’ny andiam-balala mirohotra ireo Kristianina voahosotra, ao amin’ny Apokalypsy 9:1-4. Narisika tamin’ny fanompoana an’i Jehovah indray mantsy izy ireo tamin’ny 1919. Nampahatsiahivina ireo mpianatra fa miaraka amin’io andiam-balala an’ohatra io izy ireo, satria anisan’ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

Izao no lohatenin’ny lahateny manaraka nataon’i Lon Schilling, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia: “Aoka Ianareo Hifanohana.” Niresaka momba an’i Akoila sy Prisila (na Priska), mpivady kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ilay lahateny. (Rom. 16:3, 4) Nisy mpivady 28 ilay kilasy. Nampahatsiahivina izy ireo fa mila mifankatia tsara foana mba hahombiazany amin’ny asa misionera. Miara-tononina foana i Prisila sy Akoila ao amin’ny Baiboly. Midika izany fa nihevitra azy ireo ho mpivady nifanohana foana ny apostoly Paoly sy ny fiangonana. Tokony ho toy izany koa ny mpivady misionera ankehitriny, ka hiara-miasa, hiara-manompo, ary hiara-miatrika ireo zava-tsarotra fahita rehefa manompo any an-tany hafa. Tena hifanohana izy ireo amin’izay.—Gen. 2:18.

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no nanao ny lahateny manaraka hoe: “Asehoy fa Mankasitraka ny Hatsaran-toetran’i Jehovah Ianareo.” Nohazavainy fa tsy hoe mifehy tena tsy hanao ratsy fotsiny ny olona tsara toetra, fa manao zavatra tsara koa mba hahasoa ny hafa. I Jehovah Andriamanitra no tsara toetra indrindra. (Zak. 9:16, 17) Afaka mandrisika antsika hanao soa ho an’ny hafa ny hatsaran-toetran’Andriamanitra sy ny fitiavany. Nidera an’ireo mpianatra ny Rahalahy Pierce, rehefa namarana ny lahateniny. Hoy izy: “Efa nanao ny tsara ianareo, sady mbola manao izany. Matoky izahay fa hankasitraka foana ny hatsaran-toetran’i Jehovah Andriamanitra ianareo ka hanao soa, na inona na inona asa mbola hanendreny anareo.”

Izao no lahateny manaraka: “Ataovy Fehy eo Ambonin’ny Handrinao Izany.” I Michael Burnett no nanao azy io. Misionera izy teo aloha, fa voatendry ho mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada, vao haingana. Inona no dikan’ny hoe nanao ‘fehy teo ambonin’ny handriny’ ny Israelita? Tsy maintsy nitadidy ny nanafahan’i Jehovah azy tamin’ny fomba mahagaga avy tany Ejipta izy ireo. (Eks. 13:16) Nampirisihina koa ireo mpianatra mba hitadidy ireo toromarika maro be azony tamin’ny Sekolin’i Gileada, ka toy ny hoe manao an’izany ho fehy eo ambonin’ny handriny izy ireo. Nantitranterin’ny Rahalahy Burnett fa ilaina ny manetry tena sy tsy mirehareha ary mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, rehefa mandamina tsy fifanarahana eo amin’ny samy misionera na amin’ny olon-kafa.—Matio 5:23, 24.

“Inona no Hira Hohiraina Momba Anao?” Izany no lahatenin’i Mark Noumair, mpampianatra efa ela tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Fanao ny nihira fahiny, rehefa nandresy tamin’ny ady. Nambara tao amin’ny hiram-pandresena iray, ohatra, fa tsy nahafoy tena ny fokon’i Robena sy Dana ary Asera. Noderaina noho ny fahafoizan-tenany kosa ny fokon’i Zebolona. (Mpits. 5:16-18) Lasa hain’ny olona, toy ny tononkira, ny zavatra ataon’ny Kristianina tsirairay, rehefa mandeha ny fotoana. Ho tsara laza eo anatrehan’i Jehovah sy ho modely ho an’ireo rahalahiny izy, raha mazoto amin’ny asan’Andriamanitra sy mankatò hatrany ny toromariky ny fandaminana. Ho toy ny hira hohenoin’ny hafa eo anivon’ny fiangonana ny zavatra tsara ataony, ka ho voatosika hanahaka izany ny hafa.

Nandritra ny fampiofanana, dia nitory nandritra ny 3 000 ora teo ho eo, raha atambatra, ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-124. Nitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana izy ireo, nandritra ilay lahateny hoe “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”, nataon’i Sam Roberson, miasa ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson. Natao fampisehoana ny sasany tamin’izy ireny. Taorian’izay, dia nanadinadina misionera manompo any amin’ny tany samihafa i Patrick LaFranca, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nankasitrahan’ny mpianatra ny torohevitra mahasoa nomen’izy ireo.

I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny farany hoe: “Tadidio fa Mihelina ny Zavatra Hita Maso.” Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba hifantoka amin’ireo fitahiana homen’i Jehovah amin’ny hoavy, fa tsy amin’ny fahoriantsika mihelina ankehitriny. (2 Kor. 4:16-18) Fahita ankehitriny ny fahantrana faraidiny, ny tsy rariny, ny fampahoriana, ary ny fahafatesana. Mety hanjo ny misionera ny sasany amin’ireo. Hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana foana anefa isika sady hanana fanantenana, raha mitadidy fa mihelina ihany ireo.

Nankeny ambony sehatra ny mpianatra rehetra rehefa hifarana ny fandaharana. Nihaino ny hafatra farany nomen’ny Rahalahy Lett izy ireo. Nampirisika azy ireo tsy hilavo lefona izy, ka nanao hoe: “Ho afaka hiaritra ny fitsapana rehetra isika ary tsy hivadika, raha eo anilantsika i Jehovah.” Nampirisihiny ireo misionera vaovao mba ho toy ireo valala, ka ho tapa-kevitra hanohy ny fanompoana an’i Jehovah, ho be zotom-po foana, tsy hivadika, ary hankatò mandrakizay.

[Efajoro, pejy 30]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 7

Tany nanendrena: 16

Mpianatra: 56

Salanisan-taona: 33,8

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 18,2

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,8

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-124 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Nicholson, T.; Main, H.; Senge, Y.; Snape, L.; Vanegas, C.; Pou, L. 2) Santana, S.; Oh, K.; Lemaitre, C.; Williams, N.; Alexander, L. 3) Woods, B.; Stainton, L.; Huntley, E.; Alvarez, G.; Cruz, J.; Bennett, J. 4) Williamson, A.; González, N.; Zuroski, J.; Degandt, I.; May, J.; Diemmi, C.; Tavener, L. 5) Lemaitre, W.; Harris, A.; Wells, C.; Rodgers, S.; Durrant, M.; Senge, J. 6) Huntley, T.; Vanegas, A.; Pou, A.; Santana, M.; Bennett, V.; Tavener, D.; Oh, M. 7) Zuroski, M.; Rodgers, G.; Diemmi, D.; Nicholson, L.; Alvarez, C.; Snape, J. 8) Harris, M.; González, P.; Main, S.; Woods, S.; Stainton, B.; Williamson, D.; Durrant, J. 9) Cruz, P.; Degandt, B.; Williams, D.; Wells, S.; Alexander, D.; May, M.

[Sary, pejy 32]

Ao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana no anaovana ny Sekolin’i Gileada