Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona no olana lehibe hitan’ny Kristianina sasany rehefa nivady izy ireo, ary inona no tokony hiezahan’izy ireo hatao?

Tsapan’ny Kristianina sasany fa zara raha mitovy hevitra izy sy ny vadiny. Fantatr’izy ireo anefa fa tsy mety ny misaraka raha tsy antony araka ny Soratra Masina ihany. Tokony hiezaka mafy hiaro ny tokantranony àry izy ireo.—15/4, pejy 17.

• Inona no olana mety ho hitan’ny Kristianina mipetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra?

Mety ho vaovao be aminy ny fiangonana ao amin’ilay tanàna misy ilay trano fitaizana. Tsy mitovy finoana aminy koa angamba ny ankamaroan’ny olona ao amin’ilay trano, ka mety hampirisika azy handray anjara amin’ny fanao ara-pivavahana tsy eken’ny Baiboly. Tokony ho fantatry ny fianakaviany sy ny fiangonana eo an-toerana izany, ary tokony hanampy sy hikarakara azy izy ireo.—15/4, pejy 25-27.

• Inona avy ireo fomba efatra mety hanampy ny mpivady hamaha olana?

Manokàna fotoana hiresahana ireo olana. (Mpit. 3:1, 7) Lazao amim-pahatsorana sy amim-panajana ny hevitrao. (Efes. 4:25) Mihainoa tsara, ary fantaro ny fihetseham-pon’ny vadinao. (Matio 7:12) Miaraha mitady vahaolana, ary ampiharo izany. (Mpit. 4:9, 10)—1/5, pejy 10-12.

• Inona avy ireo komity iasan’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana?

Komitin’ny Fampanontana, Komitin’ny Fampianarana, Komitin’ny Fanompoana, Komitin’ny Fanoratana, Komitin’ny Mpandrindra, ary Komitin’ny Mpiasa.—15/5, pejy 29.

• Nahoana no azontsika antoka fa tena naneran-tany ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa?

Nino i Jesosy fa nisy ny Safodrano ary naneran-tany izy io. Ampiasaina ho fampitandremana io Safodrano naneran-tany io ao amin’ny Baiboly. —1/6, pejy 8.

• Ny Jiosy sa ny hafa firenena no nanana an’ireo fitondran-tena resahin’ny Romanina 1:24-32?

Mety ho samy nanana an’ireo fitondran-tena ireo na ny Jiosy na ny hafa firenena. Ireo Israelita fahiny, izay tsy nankatò ny Lalàna nandritra ny taonjato maro anefa, no tena tian’ny apostoly Paoly horesahina. Nahalala ny didin’Andriamanitra ara-drariny izy ireo, saingy tsy niaina nifanaraka tamin’izany.—15/6, pejy 29.

• Aiza no misy an’i Tel Arad, ary inona no mampiavaka azy?

Any andrefan’ny Ranomasina Maty io tanàna an-tampon-kavoana io. Natao hoe Arada izy io teo amin’ny Israely fahiny. Maro ny vakin-tanimanga nisy soratra hitan’ireo mpikaroka tao. Nahitana anarana ao amin’ny Baiboly ny vakin-tanimanga sasany. Hita tamin’izy ireny koa fa nampiasa ny anarana manokan’Andriamanitra teo amin’ny fiainana andavanandro ny olona.—1/7, pejy 23-24.

• Nahoana no hitombo ny fifaliantsika raha mahay mandanjalanja isika?

Ho sorena be isika raha mbola mitady hanao zavatra efa hita fa tsy ho vita. Tsy tokony hitsitsy aina tafahoatra anefa isika, ka hoe zara raha manompo, satria hoe tsy mahavita be.—15/7, pejy 29.

• Inona no mety hisakana ny ray aman-dreny tsy hifampiresaka amin’ny zanany tanora?

Saro-kenatra angamba ilay tanora na te hahaleo tena sy hanao zavatra samirery. Azon’ny ray aman-dreny atao àry ny miezaka miresaka amin-janany rehefa miara-manao zavatra izy ireo, sy ny miezaka mahatakatra ny fihetseham-pon-janany rehefa miteny izy io.—1/8, pejy 10-11.