Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia sy Miahy ny Zokiolona Manompo Azy i Jehovah

Tia sy Miahy ny Zokiolona Manompo Azy i Jehovah

Tia sy Miahy ny Zokiolona Manompo Azy i Jehovah

‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’—HEB. 6:10.

1, 2. a) Inona no mety ho tsaroanao, rehefa mahita an’ireo zokiolona fotsy volo ianao? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo Kristianina zokiolona?

MISY tantara tsaroanao ve ao amin’ny bokin’i Daniela, rehefa mahita an’ireo zokiolona fotsy volo eo anivon’ny fiangonana ianao? Fotsy volo i Jehovah Andriamanitra, tao amin’ny fahitana iray. Hoy i Daniela: “Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio.”—Dan. 7:9.

2 Antsoina hoe “Fahagola” na “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” Andriamanitra, ary toy ny volonondry fotsy ny volony. Midika izany fa efa be taona izy ary tena hendry. Mendrika ny hohajaintsika izy noho izany. Ahoana àry no fiheveran’i Jehovah, ilay Fahagola, an’ireo zokiolona tsy mivadika? Milaza ny Teniny fa “satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohab. 16:31) Tsara tarehy amin’Andriamanitra àry ny Kristianina fotsy volo, raha tsy mivadika. Izany koa ve no fiheveranao an’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona?

Nahoana no sarobidy ny zokiolona?

3. Nahoana no sarobidy amintsika ny zokiolona?

3 Anisan’ny zokiolona tian’i Jehovah ireo rahalahy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana, mpiandraikitra mpitety faritany taloha sy ankehitriny, mpisava lalana be zotom-po, ary ireo rahalahy sy anabavy matotra eo anivon’ny fiangonana. Angamba ianao mahalala zokiolona mazoto mitory efa an-taonany maro. Nandrisika ny tanora hanana tanjona tsara ny modely nomeny. Niantsoroka andraikitra mavesatra ny sasany taminy, ary niaritra fanenjehana noho ny vaovao tsara. Tena ankasitrahan’i Jehovah sy ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny fanompoan’izy ireny, na taloha na ankehitriny, satria mampandroso ny asan’ilay Fanjakana.—Matio 24:45.

4. Nahoana isika no tokony hanaja ny Kristianina zokiolona sy hivavaka ho azy ireo?

4 Mendrika hohajaina sy hankasitrahana ireny zokiolona tsy mivadika ireny. Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa izay matahotra an’i Jehovah dia tokony hanaja sy hiahy ny zokiolona. (Lev. 19:32) Nivavaka ho an’ireo mpiara-manompo taminy ny apostoly Paoly, na tanora izy ireo na antitra. Tokony hivavaka ho an’ny zokiolona foana koa isika, ary hisaotra an’Andriamanitra noho ny asa mafy ataon’izy ireo amim-pitiavana.—Vakio ny 1 Tesalonianina 1:2, 3.

5. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny zokiolona?

5 Afaka mandray soa avy amin’ny zokiolona koa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Manana fahalalana sarobidy ireo zokiolona mpanompon’i Jehovah, satria efa ela niainana, ary nandinika sy niana-javatra maro. Nianatra naneho faharetana sy niara-niory tamin’ny hafa izy ireo. Faly sy afa-po koa izy ireo rehefa mampita amin’ny tanora ny zavatra nianarany. (Sal. 71:18) Ry tanora, aoka ianareo ho hendry ka hanovo fahalalana avy amin’ny zokiolona, toy ny manovo rano ao anaty lavadrano lalina!—Ohab. 20:5.

6. Ahoana no hanehoanao amin’ny zokiolona fa tena sarobidy aminao izy ireo?

6 Sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona. Ataonao tsapan’ny zokiolona koa ve fa sarobidy aminao izy ireo? Lazao, ohatra, hoe tena tianao izy ireo satria tsy mivadika, ary zava-dehibe aminao ny heviny. Araho ny toroheviny, mba ho hitany fa tena manaja azy ianao. Kristianina maro no mahatsiaro fa nisy zokiolona nanome torohevitra tsara azy taloha, ka nandray soa izy rehefa nampihatra izany teo amin’ny fiainany. *

Asehoy ny fitiavanao

7. Iza no tena asain’i Jehovah mikarakara ny zokiolona?

7 Ny tena asain’Andriamanitra mikarakara an’ireo zokiolona dia ny fianakaviany. (Vakio ny 1 Timoty 5:4, 8.) Faly i Jehovah rehefa manao ny adidiny amin’ny zokiolona ny fianakaviany. Manahaka an’i Jehovah izy ireo amin’izany, satria Izy koa mikarakara ny zokiolona. Ampiany sy tahiny ireny fianakaviana ireny, satria miezaka mafy sy mahafoy zavatra maro. *

8. Nahoana no tokony hanampy ny Kristianina zokiolona ny fiangonana?

8 Faly koa i Jehovah rehefa manampy ny zokiolona ny fiangonana. Mila fanampiana mantsy izy ireo, raha tsy Vavolombelona ny havany na tsy te hikarakara azy. (1 Tim. 5:3, 5, 9, 10) ‘Miara-ory’ sy ‘mifankatia tahaka ny mpirahalahy’ ary ‘mangoraka’ ny zokiolona ny fiangonana. (1 Pet. 3:8) Mahalaza tsara izany fiahiana izany ny tenin’i Paoly hoe: “Raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:26) Manaraka ity torohevitr’i Paoly ity koa isika, rehefa mangoraka sy manampy ny zokiolona: “Mifampitondrà foana izay mavesatra, ary tanteraho amin’izany ny lalàn’i Kristy.”—Gal. 6:2.

9. Inona no manavesatra ny zokiolona?

9 Inona no manavesatra na mampijaly ny zokiolona? Maro amin’izy ireny no mora vizana. Tsy vitany intsony na dia zavatra tsotra aza, toy ny mankany amin’ny dokotera, mikarakara taratasy, manadio trano, ary mahandro sakafo. Lasa tsy mazoto homana sy tsy tia misotro rano intsony izy ireo, nefa tena ilainy izany. Mety ho sarotra aminy koa ny mandray sakafo ara-panahy. Lasa tsy mahita tsara sy lalodalovana mantsy izy ireo, ka sarotra aminy ny mamaky teny sy mihaino an’ireo fandaharana any am-pivoriana. Efa manahirana azy na dia ny miomana handeha hivory aza. Inona àry no azontsika anampiana azy ireo?

Inona no azonao atao?

10. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba hikarakarana ny zokiolona?

10 Voakarakara tsara ireo zokiolona eo anivon’ny fiangonana maro. Be fitiavana, ohatra, ireo rahalahy sy anabavy, ka manampy azy miantsena, mahandro sakafo, ary manadio. Manampy ny zokiolona hianatra Baiboly, na hiomana handeha hivory, na hanompo tsy tapaka izy ireo. Mitondra azy ireo mandeha mivory koa ireo tanora. Ampitaina an-telefaonina, na raisina feo ny fivoriana, mba hohenoin’ny zokiolona tsy afaka mivory. Tokony hanao fandaharana tsy tapaka ny anti-panahy, mba hikarakarana tsara ny zokiolona. *

11. Tantarao ny fomba nanampian’ny fianakaviana iray ny rahalahy zokiolona iray.

11 Afaka manampy koa ny Kristianina tsirairay, ka miezaka ho tia mandray vahiny sy malala-tanana. Rehefa maty ny vadin’ny rahalahy zokiolona iray, dia tsy nahaloa hofan-trano intsony izy. Tsy nahazo ny vola fisotroan-drononon’ny vadiny intsony mantsy izy. Nisy mpivady iray manan-janaka roa vavy, nampianarin’izy mivady Baiboly taloha. Lehibe ny tranon’izy ireo, ka nomeny efitra roa ilay rahalahy mba hipetrahany. Nifankatia tsara izy ireo sady niara-nanao zavatra nahafinaritra. Tena nampahery an’ireo tanora ny finoan’ilay rahalahy sy ny zavatra niainany. Faly koa ilay rahalahy niaraka tamin’izy ireo. Niara-nipetraka foana izy ireo nandritra ny 15 taona, mandra-pahafatin’io rahalahy zokiolona io tamin’izy 89 taona. Misaotra an’Andriamanitra ilay fianakaviana, noho ny fitahiana maro be azony niaraka tamin’ilay rahalahy. ‘Tsy very ny [valisoan’izy ireo]’, noho izy nanampy ny mpianatr’i Jesosy Kristy.—Matio 10:42. *

12. Inona no azonao atao mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona?

12 Mety tsy ho afaka hanao toa an’io fianakaviana io ianao, mba hikarakarana an’ireo rahalahy sy anabavy zokiolona. Azonao ampiana anefa izy ireo, mba handeha hivory na hanompo. Afaka manasa azy ho any an-tranonao koa ianao, na mitsangantsangana miaraka aminy. Tsidiho izy, indrindra rehefa marary na tsy afaka mivoaka ny trano. Ankoatra izany, dia raiso ho toy ny olon-dehibe matotra foana izy. Anontanio ny heviny rehefa misy fanapahan-kevitra mahakasika azy, raha mbola afaka misaina tsara izy. Ary na tsy afaka mampiasa tsara ny sainy intsony aza izy, dia fantany ihany hoe hajaina tsara izy na efa tsy raharahaina intsony.

Tsy hanadino izay ataonao i Jehovah

13. Nahoana no tena ilaina ny miahy ny fihetseham-pon’ny Kristianina zokiolona?

13 Tena ilaina ny miahy ny fihetseham-pon’ny zokiolona. Matetika mantsy izy ireo no sorena, satria tsy vitany intsony ny zava-drehetra fanaony tamin’izy mbola tanora sy salama. Efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny 50 taona ny anabavy iray, ary nanao mpisava lalana maharitra. Lasa mora reraka anefa izy, ka miezaka be vao afaka mivory. Nitomany izy rehefa nampitaha ny fanompoana vitany taloha sy ankehitriny. Niondrika izy ary niteny hoe: “Inona intsony moa no ilana ahy?”

14. Inona no fampaherezana hita ao amin’ny salamo, ka manampy ny zokiolona mpanompon’i Jehovah?

14 Raha zokiolona ianao, moa ve ianao mahatsapa ho tsy ilaina intsony? Mieritreritra ve ianao indraindray hoe nahafoy anao i Jehovah? Mety ho nahatsapa toy izany ny mpanao salamo rehefa antitra, ka niangavy an’i Jehovah hoe: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko. ... Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô.” (Sal. 71:9, 18) Mazava ho azy fa tsy nandao an’ilay mpanao salamo i Jehovah, ary tsy handao anao mihitsy koa izy. Any amin’ny salamo hafa, dia nilaza i Davida fa natoky ny fanampian’Andriamanitra izy. (Vakio ny Salamo 68:19.) Matokia àry fa tia anao i Jehovah ary hikarakara anao isan’andro, raha tsy mivadika aminy ianao.

15. Inona no manampy ny zokiolona tsy ho mora kivy?

15 Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ny zava-drehetra nataonareo zokiolona sy mbola ataonareo hanomezam-boninahitra azy. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’ (Heb. 6:10) Aza mieritreritra àry hoe tsy ilain’i Jehovah intsony ianao satria efa antitra. Aza mora kivy fa miezaha kosa hijery lafy tsaran-javatra. Mifalia noho ireo fitahiana efa azonao sy ny fanantenanao amin’ny hoavy! Tena azo antoka fa manana “fanantenana” ny amin’ny “hoavy” isika, ary ilay Mpamorona no mampanantena an’izany. (Jer. 29:11, 12; Asa. 17:31; 1 Tim. 6:19) Saintsaino ny fanantenanao, ary miezaha ho tanora ao am-po sy ao an-tsaina. Tadidio fa tena ilaina ianao eo anivon’ny fiangonana! *

16. Nahoana ny rahalahy zokiolona iray no nieritreritra fa tsy tokony ho anti-panahy intsony izy? Ahoana no nampaherezan’ny anti-panahy hafa azy?

16 Diniho, ohatra, i Johan. * Efa 80 taona izy, ary tsy maintsy mikarakara isan’andro an’i Sannie vady malalany, izay kilemaina. Mifandimby miandry an’i Sannie ireo anabavy, amin’izay i Johan mba afaka mivory sy mitory. Kivy anefa i Johan tato ho ato, ka lasa nieritreritra fa angamba izy tsy tokony ho anti-panahy intsony. Sady nitomany izy no nilaza hoe: “Inona moa izao no maha anti-panahy ahy e? Efa tsy mahavita na inona na inona intsony aho eo anivon’ny fiangonana.” Nanome toky azy ny anti-panahy hafa hoe tena ilaina ny traikefany sy ny heviny. Nampirisihin’izy ireo hanohy ny andraikiny izy, na dia voafetra ihany aza ny vitany. Nahazo fampaherezana i Johan ka mbola anti-panahy foana, ary mahazo fitahiana ny fiangonana.

Tena mikarakara i Jehovah

17. Inona no toky omen’ny Baiboly an’ireo Kristianina zokiolona?

17 Milaza mazava ny Soratra Masina fa mbola mahita vokatra eo amin’ny fanompoana ny zokiolona, na eo aza ny olana noho ny fahanterana. Hoy ny mpanao salamo: “Nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy ... mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy.” (Sal. 92:13, 14) Mety ho nampijaly mafy an’i Paoly, ohatra, ny aretina nahazo azy. ‘Tsy kivy [anefa] izy, na nihaosa aza ny tenany ivelany.’—Vakio ny 2 Korintianina 4:16-18.

18. Nahoana no mila fanampiana ireo zokiolona sy ny mpikarakara azy?

18 Tantaran’olona maro amin’ny andro ankehitriny no manaporofo fa “mbola manorobona” ihany ny zokiolona. Mety ho kivy anefa izy ireo noho ny aretina sy ny fahanterana, na dia mikarakara sy manampy azy aza ny fianakaviany. Mety ho vizana koa ireo mikarakara. Tombontsoa sy andraikitry ny fiangonana àry ny maneho fitiavana amin’ny zokiolona sy ny mpikarakara azy. (Gal. 6:10) Izany dia ahitana fa tena manampy azy ireo isika fa tsy miteny fotsiny hoe mirary soa, ary “enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!”—Jak. 2:15-17.

19. Nahoana no afaka manantena hoavy tsara ireo Kristianina zokiolona tsy mivadika?

19 Mety tsy ho afaka hanompo firy an’i Jehovah intsony ny Kristianina iray rehefa mihantitra. Tsy mampiova ny fitiavan’i Jehovah azy anefa izany. Sarobidy aminy kosa ireny Kristianina tsy mivadika ireny, ary tsy hafoiny mihitsy. (Sal. 37:28; Isaia 46:4) Hikarakara sy hitari-dalana azy ireo i Jehovah mandritra ny fahanterany.—Sal. 48:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2004, pejy 15-16.

^ feh. 10 Any amin’ny tany sasany, dia misy fanampiana omen’ny fanjakana an’ireo zokiolona. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Miahy ny Zokiolona Andriamanitra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2006.

^ feh. 16 Novana ireo anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no sarobidy aminao ireo Kristianina zokiolona tsy mivadika?

• Inona no azontsika atao mba hanehoana ny fitiavantsika an’ireo zokiolona?

• Inona no manampy ny zokiolona mpanompon’i Jehovah tsy ho mora kivy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Sarobidy amin’ny mpiara-manompo ireo zokiolona eo anivon’ny fiangonana