Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hahafoy An’izay Tsy Mivadika Aminy i Jehovah

Tsy Hahafoy An’izay Tsy Mivadika Aminy i Jehovah

Tsy Hahafoy An’izay Tsy Mivadika Aminy i Jehovah

“Tsy hahafoy [an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah]; harovana mandrakizay ireo.”—SAL. 37:28.

1, 2. a) Inona no fitsapana nanjo ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Jeroboama? b) Milazà toe-javatra telo niarovan’i Jehovah an’ireo tsy nivadika taminy.

FOTOANA tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra tamin’izay. Saika nipoaka ny ady an-trano raha tsy nomena fahaleovan-tena ireo fokon’ny Israely tany avaratra. Te hanamafy orina ny fahefany i Jeroboama mpanjakan’izy ireo vaovao, ka nanorina fivavaham-panjakana. Tiany hankatò azy tanteraka ny vahoakany. Ahoana no hataon’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika? Tsy hivadika amin’ilay Andriamanitra ivavahany ve izy ireo? An’arivony no tsy nivadika, ary niaro azy ireo i Jehovah.—1 Mpanj. 12:1-33; 2 Tant. 11:13, 14.

2 Iharam-pitsapana koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” Ho vitantsika ve ny ‘hanohitra ny Devoly, ka hanana finoana matanjaka’? (1 Pet. 5:8, 9) Andeha hodinihintsika izay nitranga taloha sy taorian’ny fotoana nandraisan’i Jeroboama Mpanjaka fahefana tamin’ny taona 997 T.K., sy ny lesona ianarantsika avy amin’izany. Nampahorina ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Teo koa ny fitaoman’ny mpivadi-pinoana sy ny asa sarotra nanendrena azy ireo. Tsy nahafoy an’ireo tsy nivadika taminy i Jehovah tamin’izany, ary mbola toy izany izy ankehitriny.—Sal. 37:28.

Fampahoriana

3. Nahoana no tsy nampahory ny fitondran’i Davida Mpanjaka?

3 Hojerentsika aloha ny zava-nitranga nahatonga an’i Jeroboama ho mpanjaka. Hoy ny Ohabolana 29:2: ‘Raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento ny vahoaka.’ Tsy nisento ny vahoaka tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Tsy lavorary izy kanefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra sady natoky azy. Tsy nampahory ny vahoaka àry ny fitondran’i Davida. Nanao fifanekena tamin’i Davida i Jehovah, ka nilaza hoe: “Ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.”—2 Sam. 7:16.

4. Inona ny fepetra notakina raha tiana hotahin’Andriamanitra ny fitondran’i Solomona?

4 Ary nanao ahoana ny fitondran’i Solomona, zanak’i Davida? Niadana sy nandry feizay ny vahoaka tamin’ny voalohany, ka mety tsara ny nilazana azy io hoe mampiseho ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy. (Sal. 72:1, 17) Tsy nanana antony hikomiana ireo foko 12 teo amin’ny Israely tamin’izany. Nisy fepetra tsy maintsy narahina anefa raha te hahazo fitahiana i Solomona sy ny vahoakany. Hoy i Jehovah tamin’i Solomona: “Raha handeha araka ny lalàko hianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’i Davida rainao; ary hitoetra ao amin’ny Zanak’Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.”—1 Mpanj. 6:11-13.

5, 6. Inona no vokany rehefa nivadika tamin’Andriamanitra i Solomona?

5 Nivadika tamin’i Jehovah i Solomona rehefa nihantitra, ary nanomboka nanaraka fivavahan-diso. (1 Mpanj. 11:4-6) Niala tsikelikely tamin’ny lalàn’i Jehovah izy, ary niharatsy toetra ka nampahory vahoaka. Tena mafy ilay fampahoriana, hany ka rehefa maty izy dia nitaraina ny vahoaka, ary nangataka fanamaivanana tamin’i Rehoboama, izay zanany nandimby azy. (1 Mpanj. 12:4) Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa nivadika i Solomona?

6 Hoy ny Baiboly: “Jehovah tezitra tamin’i Solomona noho ny nivilian’ny fony niala tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa.” Hoy izy tamin’i Solomona: “Satria ... tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.”—1 Mpanj. 11:9-11.

7. Na dia nolavin’i Jehovah aza i Solomona, ahoana no nikarakarany an’ireo tsy nivadika taminy?

7 Naniraka an’i Ahia mpaminany i Jehovah mba hanendry olona iray hanafaka ny Israelita. Tsy iza izany fa i Jeroboama, izay lehilahy mahay, niasa tao amin’ny fitondran’i Solomona. Na dia tsy nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’i Davida aza i Jehovah, dia nanaiky ny hizarana an’ireo foko 12. Homena an’i Jeroboama ny foko folo, fa ny roa kosa navela ho an’i Rehoboama Mpanjaka taranak’i Davida. (1 Mpanj. 11:29-37; 12:16, 17, 21) Hoy i Jehovah tamin’i Jeroboama: “Raha mihaino izay rehetra andidiako anao hianao ka mandeha amin’ny làlako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.” (1 Mpanj. 11:38) Niahy ny mpanompony i Jehovah, ary nanao izay hanafahana azy ireo tamin’ny fampahoriana.

8. Inona avy no fitsapana mampahory ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

8 Manjaka ny fampahoriana sy ny tsy rariny ankehitriny. Hoy ny Mpitoriteny 8:9: ‘Manapaka ny namany ny olona, ka mampiditra loza aminy.’ Mafy be ny fiainana, satria tia vola ny olona ary manao kolikoly ny mpitondra. Ratsy toetra sy ratsy fitondran-tena koa ny mpitondra fanjakana sy ny mpandraharaha ary ny mpitondra fivavahana. “Ory dia ory” toa an’i Lota olo-marina, ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, rehefa ‘mahita ireo mpandika lalàna manaram-po amin’ny fitondran-tena mahamenatra.’ (2 Pet. 2:7) Na dia miezaka mankatò ny fitsipik’Andriamanitra aza isika, dia matetika no manenjika antsika ireo mpitondra manambony tena.—2 Tim. 3:1-5, 12.

9. a) Inona no efa nataon’i Jehovah mba hanafahana ny vahoakany? b) Nahoana isika no mahazo antoka fa tsy hivadika mihitsy i Jesosy?

9 Azontsika antoka anefa fa tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah. Eritrereto fotsiny ny zavatra efa nataony mba hanoloana an’ireo mpitondra manao kolikoly ireo. Efa naorina any an-danitra izao ny Fanjakan’ny Mesia. Efa ho zato taona izao no nanjakan’i Jesosy Kristy. Tsy ho ela izy dia hanafaka an’ireo matahotra ny anaran’Andriamanitra. (Vakio ny Apokalypsy 11:15-18.) Efa noporofoin’i Jesosy tamin’izy teto an-tany fa tsy nivadika izy, eny fa na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Tsy handiso fanantenana ny vahoakany, toy ny nataon’i Solomona, mihitsy izy.—Heb. 7:26; 1 Pet. 2:6.

10. a) Ahoana no ampisehoantsika fa zava-dehibe amintsika ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no azontsika antoka rehefa iharam-pitsapana isika?

10 Tena fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanafoana ny fampahoriana rehetra. Tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany isika. Matoky tanteraka an’io Fanjakana io isika, ka mandà an’ireo zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary mazoto amin’ny asa tsara. (Tit. 2:12-14) Mitandrina mafy isika mba tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao. (2 Pet. 3:14) Na inona na inona fitsapana manjo antsika, dia matoky isika fa hiaro ny finoantsika tsy ho simba i Jehovah. (Vakio ny Salamo 97:10.) Manome toky antsika koa ny Salamo 116:15 hoe: “Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny [olony tsy mivadika].” Tena sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony ka tsy havelany ho faty avokoa.

Fitaoman’ny mpivadi-pinoana

11. Ahoana no nahatonga an’i Jeroboama hivadika?

11 Afaka nitondra fanamaivanana ny fitondran’i Jeroboama. Vao mainka anefa niharam-pitsapana ny vahoakan’Andriamanitra, noho ny zavatra nataony. Tsy afa-po tamin’ny voninahitra efa nomena azy izy, fa nanomboka nitady fomba hampaharitra azy teo amin’ny fitondrany. Hoy izy anakampo: “Raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ny tranon’i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin’ny tompony indray ny fony, dia amin-dRehoboama, mpanjakan’ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama.” Namorona fivavahana vaovao àry izy, ka nanao zanak’omby volamena roa mba hivavahana. “Ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana. Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaka teo anatrehan’ny anankiray amin’ireo hatrany Dana. Ary nanao trano teny amin’ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ny taranak’i Levy.” Namorona andro fety ho an’ny zanak’Israely mihitsy aza i Jeroboama, ary “nanatitra fanatitra teo ambonin’ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.”—1 Mpanj. 12:26-33.

12. Inona no nataon’ireo Israelita tsy nivadika, rehefa nanao zanak’omby ivavahana i Jeroboama?

12 Inona àry no hataon’ireo tsy nivadika tamin’Andriamanitra, izay nipetraka tao amin’ny fanjakana tany avaratra? Toa an’ireo razambeny tsy nivadika, dia nanao zavatra avy hatrany ireo Levita tany avaratra. (Eks. 32:26-28; Nom. 35:6-8; Deot. 33:8, 9) Nilaozany ny lovany, ka nifindra tany atsimo tany Joda izy sy ny fianakaviany, mba ho afaka hanompo an’i Jehovah tsy nisy fanelingelenana. (2 Tant. 11:13, 14) Ireo Israelita sendra tany Joda kosa tonga dia nijanona tany, fa tsy nody tany avaratra intsony. (2 Tant. 10:17) Vonona foana handray an’ireo naniry hiverina tamin’ny fivavahana marina i Jehovah. Noho izany, dia afaka niala tamin’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby ny olona sasany tany avaratra tatỳ aoriana, ary niverina tany Joda.—2 Tant. 15:9-15.

13. Inona no fitsapana manjo ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny noho ny fisian’ny mpivadi-pinoana?

13 Mitady hanimba ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra koa ny mpivadi-pinoana ankehitriny. Mamorona fivavaham-panjakana ny mpitondra sasany, ary manery ny vahoaka hanaraka izany. Mihambo ho ‘mpisorona sy mpanjaka’ ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana sy ireo olona hafa manambony tena. Eo amin’ireo tena Kristianina ihany anefa no ahitana an’ireo voahosotra, izay sady ho “mpisorona no mpanjaka.”—1 Pet. 2:9; Apok. 14:1-5.

14. Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny hevitry ny mpivadi-pinoana?

14 Toa an’ireo Levita tsy nivadika, dia tsy voafitaky ny mpivadi-pinoana koa ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika ankehitriny. Mandà avy hatrany ny hevitry ny mpivadi-pinoana ny Kristianina voahosotra sy ny namany. (Vakio ny Romanina 16:17.) Mankatò ny mpitondra fanjakana isika eo amin’ny raharaha tsy ara-pivavahana, ary tsy mandray anjara amin’ny adin’izao tontolo izao. Na izany aza, dia tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika. (Jaona 18:36; Rom. 13:1-8) Halavirintsika ireo olona mihambo ho manompo an’Andriamanitra nefa manala baraka azy amin’ny fitondran-tenany.—Tit. 1:16.

15. Nahoana isika no tsy tokony hivadika amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”?

15 Eritrereto koa izay nataon’i Jehovah. Nampiany hiala amin’ny tontolo ratsy ireo olona tso-po mba ho ao amin’ilay paradisa ara-panahy. (2 Kor. 12:1-4) Velom-pankasitrahana isika ka miara-miasa akaiky foana amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety.” Notendren’i Kristy hikarakara “ny fananany rehetra” io mpanompo io. (Matio 24:45-47) Na dia tsy takatsika tsara aza ny fanazavana sasany omen’io mpanompo io dia tsy tokony handa izany isika na hiverina any amin’ny tontolon’i Satana. Raha tsy mivadika isika dia hanetry tena, ary hiandry an’i Jehovah hanome fanazavana bebe kokoa.

Fanatontosana ny asa nanendrena

16. Inona no asa nanendrena an’ilay mpaminany avy any Joda?

16 Nanameloka an’i Jeroboama i Jehovah noho izy nivadi-pinoana. Naniraka mpaminany avy any Joda izy mba hankany Betela, ary hiseho eo anatrehan’i Jeroboama teo amin’ny alitara hanaovany fanatitra. Nasainy nilaza didim-pitsarana mafonja tamin’i Jeroboama izy. Tena tsy mora io asa nanendrena azy io.—1 Mpanj. 13:1-3.

17. Ahoana no niarovan’i Jehovah an’ilay mpitondra hafatra?

17 Tezitra be i Jeroboama rehefa nandre an’ilay fanamelohan’i Jehovah. Notondroiny ilay irak’Andriamanitra sady nikiakiaka izy hoe: “Hazòny ilehio.” Tampoka teo anefa dia ‘maty iny tànany nanondro iny, ka tsy azony noketrahina intsony. Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny.’ Voatery niangavy an’ilay mpaminany i Jeroboama, mba hitalaho amin’i Jehovah ka ho afaka hiforitra indray ny tanany. Nivavaka tokoa ilay mpaminany ka sitrana ilay tanana. Toy izany no niarovan’i Jehovah an’ilay mpitondra hafatra.—1 Mpanj. 13:4-6.

18. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika, raha manompo azy tsy amin-tahotra isika?

18 Mety hasiaka amintsika ny olona na hanohitra mihitsy aza, rehefa mitory sy mampianatra isika. (Matio 24:14; 28:19, 20) Tsy tokony hampihena ny zotom-pontsika mihitsy anefa ny tahotra sao holavin’ny olona. Toa an’ilay mpaminany tsy fantatra anarana, dia voninahitra ho antsika ny ‘manao fanompoana masina’ ho an’i Jehovah, ary ataontsika “tsy amin-tahotra” sy “amim-pahatokiana” izany. * (Lioka 1:74, 75) Na dia tsy manantena harovana amin’ny fomba mahagaga aza isika, dia miambina sy miaro antsika Vavolombelony i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny anjeliny. (Vakio ny Jaona 14:15-17; Apokalypsy 14:6.) Tsy handao mihitsy an’izay tsy matahotra mitory ny teniny Andriamanitra.—Fil. 1:14, 28.

Hiaro an’ireo tsy mivadika i Jehovah

19, 20. a) Nahoana isika no matoky fa tsy hahafoy antsika mihitsy i Jehovah? b) Inona no fanontaniana hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Andriamanitra tsy mivadika i Jehovah. (Apok. 15:4; 16:5) Tsy mivadika izy amin’izay rehetra ataony. (Sal. 145:17) Manome toky antsika ny Baiboly hoe: ‘Miambina ny lalan’ny olony [tsy mivadika] i Jehovah.’ (Ohab. 2:8) Rehefa misy fitsapana, na hevitra aelin’ny mpivadi-pinoana, na asa sarotra anendrena, dia matoky ireo tsy mivadika fa hanampy sy hitari-dalana azy ireo foana i Jehovah.

20 Mila mandini-tena toy izao àry isika tsirairay: Inona no hanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah, na inona na inona fitsapana na fakam-panahy mihatra amiko?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Hita ao amin’ny lahatsoratra manaraka raha nankatò an’i Jehovah foana ilay mpaminany na tsia. Resahina ao koa izay nitranga taminy.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsy mahafoy an’ireo tsy mivadika aminy izy, rehefa iharan’ny fampahoriana izy ireo?

• Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny hevitry ny mpivadi-pinoana?

• Ahoana no iarovan’i Jehovah an’ireo tsy mivadika aminy, rehefa manao fanompoana izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sarintany/Sary, pejy 5]

(Jereo ny gazety)

FANJAKANA TANY AVARATRA (Jeroboama)

Dana

SEKEMA

Betela

FANJAKANA TANY ATSIMO (Rehoboama)

JEROSALEMA

[Sary]

Tsy nahafoy an’ireo tsy nivadika i Jehovah, rehefa nanao an’ilay zanak’omby hivavahana i Jeroboama

[Sary, pejy 3]

Nisy fepetra tsy maintsy narahina raha te hahazo fitahiana i Solomona sy ny vahoakany