Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy toy “ny Tady Randran-telo” Foana ny Fanambadianao

Ataovy toy “ny Tady Randran-telo” Foana ny Fanambadianao

Ataovy toy “ny Tady Randran-telo” Foana ny Fanambadianao

“Ny tady randran-telo tsy mora tapahina.”—MPITO. 4:12.

1. Iza no nampiray ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany tao amin’ny fanambadiana?

NAMORONA an’i Adama, olombelona voalohany, i Jehovah Andriamanitra rehefa avy namorona ny zavamaniry sy ny biby. Nataony resin-tory i Adama tatỳ aoriana, mba hakana taolan-tehezana iray hanaovana mpanampy lavorary ho azy. Hoy i Adama, raha vao nahita an’io vehivavy io: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” (Gen. 1:27; 2:18, 21-23) Nahafaly an’i Jehovah izany, ary nampiraisiny tao amin’ny fanambadiana ilay lehilahy sy vehivavy voalohany, sady nomeny tso-drano.—Gen. 1:28; 2:24.

2. Inona no nataon’i Satana mba tsy hampifankahazo an’i Adama sy Eva?

2 Mampalahelo fa nisy nitady handrava ilay fanambadiana naorin’Andriamanitra, tsy ela taorian’izay. Ahoana no nisehoan’izany? Nofitahin’ny fanahy ratsy iray nanjary nantsoina hoe Satana i Eva, ka nihinana tamin’ny voan’ilay hazo tokana nandrarana azy mivady. Tsy ela taorian’izay, dia nanaraka ny vadiny koa i Adama, ka samy tsy nanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny tari-dalana tsara nomeny izy ireo. (Gen. 3:1-7) Rehefa nanontanian’i Jehovah izy mivady hoe inona no nataony, dia hita fa efa tsy nifankahazo tsara izy roa. Nanome tsiny ny vadiny mantsy i Adama hoe: “Ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.”—Gen. 3:11-13.

3. Inona no hevi-diso nananan’ny Jiosy sasany?

3 Nampiasa tetika isan-karazany i Satana hatramin’izay, mba hampisy disadisa eo amin’ny mpivady. Nampiasa ny mpitondra fivavahana izy indraindray, mba hampiely hevitra tsy araka ny Soratra Masina momba ny fanambadiana. Nisy mpitarika jiosy, ohatra, nanamaivana ny fitsipik’Andriamanitra, ka namela ny lehilahy hisaraka tamin’ny vadiny, noho ny antony tsy dia manao ahoana, toy ny fanaovana sakafo be sira. Hoy anefa i Jesosy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”—Matio 19:9.

4. Inona no porofo fa mbola ampirisihin’i Satana tsy hanaja ny fanambadiana ny olona?

4 Mbola ampirisihin’i Satana tsy hanaja ny fanambadiana ny olona. Inona no porofo hoe mahomby izy? Misy lehilahy manambady lehilahy na vehivavy manambady vehivavy. Ao koa ny manao tokantranomaso, ary mora ny misara-panambadiana. (Vakio ny Hebreo 13:4.) Inona no azontsika Kristianina atao, mba tsy ho voataonan’ny maro hanaraka hevi-diso momba ny fanambadiana? Andeha hodinihintsika ny lafiny sasany mampiavaka ny tokantrano sambatra.

Omeo toerana ao amin’ny fanambadianao foana i Jehovah

5. Inona no hevitry ny hoe “tady randran-telo”, raha ny fanambadiana no resahina?

5 Tokony hanana toerana ao amin’ny fanambadiana i Jehovah, raha tiana ny hahavanona azy io. Hoy ny Teniny: “Ny tady randran-telo tsy mora tapahina.” (Mpito. 4:12) Manana heviny an’ohatra eto ny hoe “tady randran-telo.” Raha ny fanambadiana no resahina, dia manondro ny lehilahy sy ny vadiny ny kofehy roa voalohany. Mifamatotra amin’ny kofehy iray hafa izy ireo, izany hoe amin’i Jehovah Andriamanitra. Manampy azy mivady hiatrika olana ny hery azony avy amin’io fifandraisana amin’Andriamanitra io. Io koa no tena ilaina mba hahasambatra ny tokantrano.

6, 7. a) Inona no azon’ny Kristianina atao mba ho azo antoka fa ao amin’ny fanambadiany Andriamanitra? b) Inona no nolazain’ny anabavy iray fa tena mahafinaritra azy amin’ny vadiny?

6 Inona anefa no azon’ny mpivady atao mba hahazoana antoka fa toy ny tady randran-telo ny fanambadiany? Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” (Sal. 40:8) Toa an’i Davida isika, ka manompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo, satria tia azy. Tokony hifandray akaiky amin’i Jehovah àry ny mpivady, sady ho faly manao ny sitrapony. Tokony hiezaka koa izy ireo mba hampitombo ny fitiavan’ny vadiny an’Andriamanitra.—Ohab. 27:17.

7 Hanjary hanana finoana sy fanantenana ary fitiavana ny mpivady, raha tena ao anatiny ny lalàn’Andriamanitra. Hanamafy ny fatoram-panambadiany ireo toetra ireo. (1 Kor. 13:13) Nilaza toy izao ny Kristianina iray atao hoe Sandra, izay 50 taona nanambadiana: “Ny tena mahafinaritra ahy amin’ny vadiko, dia ny fanomezany tari-dalana sy torohevitra ara-baiboly, ary ny fitiavany an’i Jehovah, izay mahery kokoa noho ny fitiavany ahy.” Ry lehilahy manambady, azo lazaina ho toy izany koa ve ianareo?

8. Inona no tokony hataon’ny mpivady raha te hahazo “valisoa lehibe”?

8 Ny fifandraisana amin’i Jehovah sy ny asa kristianina ve no zava-dehibe indrindra aminareo mivady? Tena mihevitra ny vadinao ho namanao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ianao? (Gen. 2:24) Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.” (Mpito. 4:9) Tsy maintsy manao ezaka mafy àry ny mpivady raha te hahazo “valisoa lehibe”, dia fanambadiana maharitra sy anjakan’ny fitiavana ary tahin’Andriamanitra.

9. a) Inona avy no andraikitry ny lehilahy manambady? b) Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny, araka ny Kolosianina 3:19?

9 Ny ezaka ataon’ny mpivady mba hanarahana izay takin’Andriamanitra no fomba iray ahalalana raha manana toerana ao amin’ny fanambadiany Andriamanitra, na tsia. Ny tena adidin’ny lehilahy manambady, dia ny manome izay ilain’ny ankohonany ara-batana sy ara-panahy. (1 Tim. 5:8) Ampirisihina koa izy ireo mba hihevitra ny fihetseham-pon’ny vadiny. Hoy ny Kolosianina 3:19: “Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nanazava fa ilay hoe “tezitra mafy”, dia midika hoe “manao teny mahery na mikapoka, tsy maneho fitiavana, tsy mikarakara, tsy manome izay ilaina, tsy miaro ary tsy manampy.” Tsy mety tokoa raha misy fihetsika toy izany eo anivon’ny tokantrano kristianina. Raha mampihatra ny fahefany amim-pitiavana ny lehilahy, dia ho mora kokoa amin’ny vadiny ny hanaiky azy.

10. Inona no toe-tsaina tokony hananan’ny vehivavy kristianina manambady?

10 Tsy maintsy manaraka izay takin’Andriamanitra koa ny vehivavy kristianina manambady, raha tiany ho ao amin’ny fanambadiany foana i Jehovah. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana.” (Efes. 5:22, 23) Namitaka an’i Eva i Satana, ka nampiely ilay lainga hoe sambatra mandrakizay ny olona, raha tsy manaiky ny fitarihan’Andriamanitra. Maro koa ankehitriny ny vehivavy tsy manaiky ny fitarihan’ny vadiny. Manaiky an’ilay loham-pianakaviany be fitiavana anefa ny vehivavy matahotra an’Andriamanitra, ary tsy mihevitra izany ho zavatra tsy mahafinaritra. Mitadidy izy ireo fa notendren’i Jehovah ho ‘famenon’ny’ vadiny i Eva. Miharihary fa mihevitra izany andraikitra izany ho mendri-kaja i Jehovah. (Gen. 2:18) “Satroboninahitry” ny vadiny tokoa ny vehivavy kristianina izay manaiky an-tsitrapo an’io andraikitra nomena azy io.—Ohab. 12:4.

11. Inona no nolazain’ny rahalahy iray fa nanamafy ny fatoram-panambadiany?

11 Ankoatra izany, dia tokony hiara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpivady, mba ho ao amin’ny fanambadiany foana i Jehovah. Hoy i Gerald, izay nanana tokantrano sambatra efa hatramin’ny 55 taona izao: “Ny fiaraha-mamaky Baiboly sy ny fianarana azy io no tena ilain’ny mpivady, mba hananany tokantrano sambatra.” Hoy koa izy: “Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah ny mpivady sady mifankatia kokoa, rehefa miara-manao zavatra, indrindra fa ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Hitadidy tsara ny fitsipik’i Jehovah sy hifandray akaiky kokoa aminy ary handroso tsara foana ny fianakaviana, rehefa miara-mianatra Baiboly.

12, 13. a) Nahoana ny mpivady no tena mila miara-mivavaka? b) Inona koa no manamafy ny fatoram-panambadiana?

12 Mpivady maro koa no sambatra, satria miara-mivavaka. Vao mainka mihamafy ny fatoram-panambadiana raha ‘mamboraka ny ao am-pony’ ny lehilahy rehefa mivavaka, ka milaza zavatra voafaritra tsara mifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy ireo. (Sal. 62:8) Azo antoka, ohatra, fa ho mora kokoa ny handravona ny tsy fifanarahana misy eo aminao sy ny vadinao, rehefa avy miara-mangataka tari-dalana sy torohevitra amin’ilay Mahery Indrindra ianareo! (Matio 6:14, 15) Mety raha samy manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka ny mpivady, ka tapa-kevitra hifanampy sy ‘hifampizaka’ foana ary ‘hifamela heloka tanteraka.’ (Kol. 3:13) Tadidio fa mampiseho ny fianteherantsika amin’Andriamanitra ny vavaka. Hoy i Davida Mpanjaka: “Ianao no andrandrain’ny mason’ny rehetra.” (Sal. 145:15) Ho vitsy kokoa ny zavatra mampanahy antsika rehefa miandrandra an’Andriamanitra amin’ny vavaka isika, satria fantatsika fa ‘miahy antsika izy.’—1 Pet. 5:7.

13 Tena ilain’ny mpivady koa ny miara-mivory sy miara-manompo, raha tiany ho ao amin’ny fanambadiany foana i Jehovah. Ianaran’ny mpivady any am-pivoriana ny fomba hanoherana ireo ‘teti-dratsy’ ampiasain’i Satana, mba hampisarahana ny fianakaviana. (Efes. 6:11) Mianatra ny “hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona” koa ny mpivady, rehefa miara-manompo tsy tapaka.—1 Kor. 15:58.

Rehefa misy olana

14. Inona avy no mety hiteraka olana eo amin’ny mpivady?

14 Marina fa mety tsy ho vaovao aminao ireo soso-kevitra ireo. Nahoana anefa izy ireo raha dinihina tsara miaraka amin’ny vadinao? Jereo sao misy lafiny sasany mbola tokony hahitsy amin’ny fanambadianao. Eken’ny Baiboly anefa fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony”, na dia ireo manana an’Andriamanitra ao amin’ny fanambadiany aza. (1 Kor. 7:28) Mety hisy olana lehibe, na dia ao amin’ny tokantranon’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika aza. Eo mantsy ny tsy fahalavorariana sy ny fitaoman-dratsin’ity tontolo mpandika lalàna ity ary ny fandriky ny Devoly. (2 Kor. 2:11) Manampy antsika hiatrika ireny olana ireny anefa i Jehovah, ary azo atao tsara mihitsy ny mandresy azy ireny. Diniho ny amin’i Joba lehilahy tsy nivadika. Tsy nisy niangana ny bibiny, nisy namono ny mpanompony, ary maty ny zanany. Hoy anefa ny Baiboly: “Tsy nanota i Joba tamin’izany rehetra izany, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy.”—Joba 1:13-22.

15. Mety hanao inona ny olona rehefa mikorontan-tsaina? Ahoana no tokony hataon’ny mpivady, raha mitranga izany?

15 Hoy kosa ny vadin’i Joba taminy: “Mbola tsy mivadika amin’Andriamanitra ihany ve ianao? Manozòna an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho faty!” (Joba 2:9) Mety hiteny na hanao zavatra amin-kadalana tokoa ny olona, rehefa mikorontan-tsaina noho ny loza na ny zava-tsarotra hafa. Hoy i Solomona: “Mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.” (Mpito. 7:7) Miezaha ho tony foana, raha lasa tezitra noho ny zava-tsarotra na ny “fampahoriana” ny vadinao, ka manao teny mandratra. Raha teny mandratra mantsy no havalinao azy, dia mety hilaza zavatra hanampy trotraka ny zava-mitranga ny iray aminareo, na ianareo roa mihitsy. (Vakio ny Salamo 37:8.) Aza raisina am-po àry ny ‘rediredy’ vokatry ny fahasosorana na ny fahakiviana.—Joba 6:3.

16. a) Nahoana ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:1-5 no mihatra koa amin’ny fanambadiana? b) Nahoana no tena ilain’ny mpivady ny mahay mandanjalanja?

16 Aza manantena hoe ho tonga lafatra ny vadinao. Mety hahamarika fahazarana hafahafa ananan’ny andaniny, ohatra, ny ankilany, ary hilaza hoe: ‘Afaka manova azy aho.’ Marina tokoa fa mety ho afaka hanampy ny vadinao hihatsara tsikelikely ianao, raha manana fitiavana sy faharetana. Aza hadinoina anefa izay nolazain’i Jesosy momba ny olona mitsingoloka ny fahadisoana kely ataon’ny namany. Nampitahainy tamin’ny olona mahita “sombin-kazo” eo amin’ny mason’ny rahalahiny, nefa tsy mahamarika ny “vatan-kazo” eo amin’ny masony, izy ireny. Hoy izy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” (Vakio ny Matio 7:1-5.) Tsy midika izany hoe odiana tsy hita ny kileman-toetra lehibe. Hoy i Robert, efa ho 40 taona nanambadiana: “Mety ho afaka hiova ny mpivady, raha sahy miteny tsy misy olakolaka, sady vonona handray ny fanamarihana mitombina ataon’ny ankilany.” Aoka àry ianao hahay handanjalanja. Aza sorena noho izay toetra tsy ananan’ny vadinao, fa mianara kosa mankasitraka sy mankafy ireo toetra tsara efa ananany.Mpito. 9:9.

17, 18. Aiza no ahazoantsika fanampiana rehefa mitombo ny olana?

17 Mety hitondra fitsapana ho an’ny mpivady ny fiovan’ny fiainana. Mety hisetra zava-tsarotra, ohatra, ny mpivady rehefa miteraka. Mety harary mafy koa ny vady na ny zanaka. Mety hila fikarakarana manokana ny ray aman-dreny be taona. Mety hifindra any lavitra ireo zanaka efa lehibe. Eo koa ny fiovana hafa, noho ny fiantsorohana andraikitra sy asa anendrena eo anivon’ny fandaminana. Mety hiteraka fanahiana sy disadisa eo amin’ny mpivady ireo fiovana rehetra ireo.

18 Inona no azonao atao, raha toa tsy ho zaka intsony ny disadisa ao an-tokantrano? (Ohab. 24:10) Aza kivy! Tsy misy tian’i Satana noho ny hoe miala amin’ny fivavahana madio ny mpanompon’Andriamanitra iray. Vao mainka faly aza izy raha mpivady no manao izany. Ataovy àry izay rehetra azonao atao, mba ho toy ny tady randran-telo foana ny fanambadianao. Maro ny olona resahin’ny Baiboly izay tsy nivadika mihitsy na dia tojo fitsapana mafy aza. Nilaza toy izao, ohatra, i Davida, indray mandeha, rehefa namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah: ‘Iantrao aho, Andriamanitra ô, fa mampahory ahy tsy misy farany ny olombelona mety maty.’ (Sal. 56:1) Efa nahatsiaro ho ‘nampahorina’ ve ianao? Na olona akaiky anao ihany no mahatonga anao hahatsiaro ho toy izany, na olon-kafa, dia tadidio izao: Nahazo hery hiaretana i Davida, ary afaka mahazo izany koa ianao. Hoy izy: “Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy, ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.”—Sal. 34:4.

Ny fitahiana ho azo

19. Ahoana no azontsika iarovan-tena amin’ny fanafihan’i Satana?

19 Mila ‘mifampionona sy mifampahery hatrany’ ny mpivady, amin’izao andro farany izao. (1 Tes. 5:11) Tadidio fa manantitrantitra i Satana hoe fitiavan-tena no mahatonga antsika tsy hivadika amin’i Jehovah. Ampiasainy avokoa izay rehetra azony ampiasaina, mba hitaomana antsika hivadika amin’Andriamanitra. Anisan’izany ny fanakorontanana ny fanambadiana. Mila matoky tanteraka an’i Jehovah isika, mba hiarovan-tena amin’ny fanafihany. (Ohab. 3:5, 6) Hoy i Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Fil. 4:13.

20. Inona no fitahiana ho azo, raha ao amin’ny fanambadiana foana Andriamanitra?

20 Maro ny fitahiana azo rehefa manana toerana ao amin’ny fanambadiana Andriamanitra. Afaka manaporofo an’izany ry Joel, izay nivady efa hatramin’ny 51 taona. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah foana aho, noho ny amin’ny vadiko, sy ny fiarahanay mahafinaritra. Namana mety tsara ho ahy izy.” Ahoana no nataon’izy mivady ireo? Hoy ihany izy: “Niezaka hifaneho hatsaram-panahy sy faharetana ary fitiavana foana izahay.” Tsy hahavita izany amin’ny fomba tonga lafatra isika, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Tapa-kevitra hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly anefa isika. Hanao izay rehetra azo atao koa isika, mba ho ao amin’ny fanambadiantsika foana i Jehovah. Raha manao izany isika, dia ho toy “ny tady randran-telo tsy mora tapahina” ny fanambadiantsika.—Mpito. 4:12.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no anomezan-toerana an’i Jehovah ao amin’ny fanambadiana?

• Inona no tokony hataon’ny mpivady rehefa misy olana?

• Ahoana no ahalalana hoe ao amin’ny fanambadiana Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Manampy ny mpivady hiatrika zava-tsarotra ny fiarahany mivavaka