Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana eny An-tsena

Fitoriana eny An-tsena

Fitoriana eny An-tsena

NANKANY an-tsena isan’andro ny apostoly Paoly tany Atena, mba hitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (Asa. 17:17) Tany an-tsena izy no nitory, satria tany ireo Atenianina no nandany ny ankamaroan’ny fotoanany.

Efa ho 2 000 taona atỳ aoriana, dia mbola mankeny an-tsena ihany ny vahoakan’i Jehovah mba hitory ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana? Satria be olona eny. Mety ho trano lehibe misy fivarotana maromaro ny tsena ankehitriny. Misy Vavolombelona mamelatra latabatra na trano heva any amin’ireny toerana ireny, mba hametrahana boky sy gazety ara-baiboly. Nanao izany izy ireo rehefa avy nahazo alalana tamin’ny tompon’ilay toerana na ny mpiandraikitra azy io.

Izany, ohatra, no hita tao amin’ny trano lehibe iray misy fivarotana maromaro any New Jersey, Etazonia. Nasiana toerana kely nahafinaritra tao, nampirantiana boky sy gazety momba ny fomba ananana fiainam-pianakaviana sambatra. Inona no vokany? Boky 153, tamin’ny fiteny enina, no voazara tao anatin’ny iray andro.

Nisy ramatoa nanatona an’ilay trano heva. Nihaino tsara ny fanazavana nomen’ny Vavolombelona iray izy, ary niaiky fa zava-dehibe ny miankina amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana sy ao an-tokantrano. Naka ireto boky ireto izy: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, ary Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra.

Nisy rangahy nandalo teo amin’ilay toerana ny tolakandron’iny, talohan’ny nidirany tao amin’ilay fivarotana teo akaiky teo. Nahasarika ny masony ilay boky hoe Manontany ny Tanora. Voamarik’ilay anabavy nijoro teo fa nahaliana an’ilay rangahy ilay boky, ka nanontany izy hoe: “Misy boky mahaliana anao ve tompoko?” Nihatokatoka izy sady nanondro sy nanakatra an’ilay boky Manontany ny Tanora. Koa natolotr’ilay anabavy azy ilay boky. Nilaza ilay rangahy fa manan-janaka telo, ary miara-midinika amin’ireo izy isan-kerinandro. Efa zatovo mantsy ireo zanany roa voalohany. Rehefa navadibadiny ilay boky, dia nilaza izy fa tena ho mora aminy ny haka foto-kevitra avy ao mba hodinihin’izy mianakavy. Nasehon’ilay mpitory azy koa ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Ary nohazavainy tamin’ilay rangahy fa tena hanampy azy mivady io boky io rehefa handray fanapahan-kevitra momba ny fianakaviany izy ireo. Nankasitrahan’ilay rangahy ilay soso-kevitra, nanome fanomezana izy, ary nanaiky hotsidihina tany an-tranony.

Inona no tsapan’ireo Vavolombelona nitory tao amin’io trano lehibe misy fivarotana maromaro io? Hoy ny anabavy iray: “Tiako io fomba fitory io. Tena nahafinaritra ahy ilay izy!” Hoy koa ny anabavy iray hafa: “Nilaza i Jehovah fa hotorina hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ny vaovao tsara. Olona avy amin’ny firenen-tsamy hafa no nandre ny vaovao tsara androany, teto Paramus, [Etazonia]. Nahafinaritra be ilay fandaharana. Falifaly daholo izay nandray anjara tamin’ilay izy. Ny masoandro maty no nampalahelo!”

Afaka mitady fomba hafa hitoriana ny vaovao tsara ve ianao? Ny fitoriana isan-trano no tena fanaontsika. (Asa. 20:20) Kanefa, efa nieritreritra ny hitory eny an-tsena na any amin’ny trano lehibe misy fivarotana maromaro ve ianao?