Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Tesalonianina sy ho An’i Timoty

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Tesalonianina sy ho An’i Timoty

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Tesalonianina sy ho An’i Timoty

NANJARY nisy fiangonana tany Tesalonika, rehefa nitsidika tany ny apostoly Paoly. Niatrika fanoherana anefa ilay fiangonana hatramin’ny niforonany. Niverina avy tany i Timoty, izay 20 taona teo ho eo angamba, ary nanao tatitra tsara. Koa nanoratra ho an’ny Tesalonianina i Paoly, mba hiderana sy hampaherezana azy ireo. Azo inoana fa tany amin’ny faramparan’ny taona 50 no nanoratany an’io taratasiny voalohany io. Nanoratra taratasy faharoa ho azy ireo izy taoriana kelin’izay, mba hanitsiana ny hevi-dison’ny sasany ary hampirisihana ny rahalahy ho mafy orina ao amin’ny finoana.

Tany Makedonia i Paoly, folo taona teo ho eo taorian’izay, fa i Timoty kosa tany Efesosy. Nanoratra ho an’i Timoty izy, ka nampirisika azy hijanona tany Efesosy sy hanampy ny rahalahy mba hiady mafy ka tsy ho voataonan’ireo mpampianatra sandoka teo anivon’ny fiangonana. Nanoratra taratasy faharoa ho an’i Timoty i Paoly, rehefa nenjehina mafy ny Kristianina, taorian’ilay afo nandrava an’i Roma tamin’ny taona 64. Izay no taratasy farany nosoratany. Mahasoa antsika ny fampaherezana sy torohevitra ao amin’ireo taratasiny efatra ireo.—Heb. 4:12.

‘AOKA ISIKA HIFOHA HATRANY’

(1 Tes. 1:1–5:28)

Noderain’i Paoly ny Tesalonianina noho ‘izay nataon’izy ireo noho ny finoany, sy ny asa mafy nataony tamim-pitiavana, ary ny fiaretany.’ Izy ireo, hoy izy, no ‘fanantenany sy fifaliany ary satroboninahitra iravoravoany.’—1 Tes. 1:3; 2:19.

Nampirisika azy ireo izy mba hifampionona amin’ny alalan’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Hoy izy, avy eo: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.” Nasainy ‘nifoha hatrany’ sy nisaina tsara foana àry izy ireo.—1 Tes. 4:16-18; 5:2, 6.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

4:15-17—Iza no “hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra”, ary amin’ny fomba ahoana? Izany dia ny Kristianina voahosotra velona mandritra ny fanatrehan’i Kristy Mpanjaka. ‘Mihaona amin’i Jesosy Tompo’ any an-danitra izy ireo. Tsy maintsy maty anefa izy ireo vao hatsangana ho zavaboary ara-panahy. (Rom. 6:3-5; 1 Kor. 15:35, 44) Efa manatrika i Kristy izao, ka ‘entina’, na atsangana avy hatrany ny Kristianina voahosotra maty ankehitriny.—1 Kor. 15:51, 52.

5:23—Inona no dikan’ilay vavak’i Paoly hoe: “ ‘Hotehirizina anie ilay toe-tsaina sy aina ary vatana iraisan’ireo’ rahalahy!”? Ny tiany holazaina dia ilay toe-tsaina sy aina ary vatan’ny fiangonana amin’ny fitambarany, anisan’izany ireo Kristianina voahosotra tany Tesalonika. Tsy ny fiangonana ihany no nangatahiny mba hotehirizina, na harovana, fa ny ‘toe-tsain’ny’ fiangonana koa, sy ny ‘ainy’ na ny fisiany, ary ny ‘vatany’ na ny Kristianina voahosotra rehetra. (1 Kor. 12:12, 13) Hita amin’io vavak’i Paoly io fa tena niahy ny fiangonana izy.

Lesona ho antsika:

1:3, 7; 2:13; 4:1-12; 5:15. Mahomby ny torohevitra raha arahina teny fiderana vokatry ny fo ny fampirisihana hanao tsara kokoa.

4:1, 9, 10. Tokony hiezaka handroso foana ny mpanompon’i Jehovah.

5:1-3, 8, 20, 21. Tokony ‘hisaina tsara foana sy hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra isika, ary hitafy ny fanantenana famonjena ho fiarovan-doha’, satria efa akaiky ny andron’i Jehovah. Tokony handinika tsara ny Baiboly koa isika.

“AOKA HO MAFY ORINA”

(2 Tes. 1:1–3:18)

Nisy Kristianina nanolana ny tenin’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany, ka nanambara fa antomotra ‘ny fanatrehan’ny Tompo.’ Nanitsy izany i Paoly ka nilaza fa misy zavatra tsy maintsy ho “tonga” alohan’izany.—2 Tes. 2:1-3.

Hoy i Paoly: ‘Aoka ho mafy orina ianareo, ary hazòny ny fampianarana nampitaina taminareo.’ Nasainy ‘niala tamin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina’ izy ireo.—2 Tes. 2:15; 3:6.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:3, 8—Iza “ilay lehilahy mpandika lalàna”, ary ahoana no handringanana azy? Io “lehilahy” io dia ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana. “Ny Teny”, na i Jesosy Kristy, izay Mpitondra Teny Lehibe Indrindra, no mahazo manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy mandidy ny hampiharana izany amin’ny ratsy fanahy. (Jaona 1:1) Azo atao àry ny milaza fa haringan’i Jesosy “amin’ny fofonain’ny vavany”, na amin’ilay hery ampiasainy, ilay lehilahy mpandika lalàna.

2:13, 14—Nofidina “hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena” ny Kristianina voahosotra. Tamin’ny fomba ahoana? Nanambara mialoha ny hisian’ny Kristianina voahosotra i Jehovah rehefa nilaza fa ny taranaky ny vehivavy no hanorotoro ny lohan’i Satana. (Gen. 3:15) Efa nolazainy koa izay hotakina amin’izy ireo sy ny asa hataon’izy ireo ary ny fitsapana hanjo azy. “Ho amin’izany” tokoa no niantsoany azy ireo.

Lesona ho antsika:

1:6-9. Izay tokony haringana ihany no haringan’i Jehovah.

3:8-12. Marina fa akaiky ny andron’i Jehovah, nefa tokony hiasa isika mba hamelon-tena. Lasa kamo isika raha tsy manan-katao, ka mora ‘mitsabaka amin’ny raharahan’olona.’—1 Pet. 4:15.

“TANO IZAY NANKININA TAMINAO”

(1 Tim. 1:1–6:21)

Nilazan’i Paoly i Timoty mba ‘hanohy ny ady tsara, ka hitana finoana sy feon’ny fieritreretana madio.’ Notanisainy ireo toetra takina amin’ny lehilahy voatendry eo anivon’ny fiangonana. Nilazany koa i Timoty mba ‘handa ny tantara tsy marina izay manazimbazimba zava-masina.’—1 Tim. 1:18, 19; 3:1-10, 12, 13; 4:7.

“Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona”, hoy i Paoly. Hoy koa izy tamin’i Timoty: “Tano izay nankinina taminao, ka ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka.”—1 Tim. 5:1; 6:20.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:18; 4:14—Inona ireo “faminaniana” momba an’i Timoty? Rehefa nitsidika an’i Lystra i Paoly tamin’ny dia misionera faharoa nataony, dia nety ho nisy faminaniana momba izay ho anjara asan’i Timoty teo anivon’ny fiangonana. (Asa. 16:1, 2) Koa “nametra-tanana” taminy ireo anti-panahy, araka ireny “faminaniana” ireny, mba hanokanana azy hanao fanompoana manokana.

2:15—Nahoana no ‘voaro noho ny fiterahana’ ny vehivavy? ‘Miaro’ azy tsy ho lasa ‘mpifosafosa na hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona’ ny fiterahana sy ny fitaizana ary ny fikarakarana tokantrano, satria ho be atao izy.—1 Tim. 5:11-15.

3:16—Inona ilay zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra? Zava-miafina hatry ny ela ny hoe: Hahavita hankatò tanteraka an’i Jehovah ve ny olombelona? Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny i Jesosy, ka voavaly ilay fanontaniana.

6:15, 16—I Jehovah Andriamanitra sa Jesosy Kristy no resahina eo? I Jesosy Kristy, satria ny fisehoany no resahina eo. (1 Tim. 6:14) Raha ampitahaina amin’ny mpitondra na tompo olombelona i Jesosy, dia izy ihany no “Tompom-pahefana” ary izy ihany no tsy mety maty. (Dan. 7:14; Rom. 6:9) Tsy misy olona afaka “mahita” azy, taorian’ny niakarany tany an-danitra.

Lesona ho antsika:

4:15. Tokony hiezaka mafy handroso foana isika, ary hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, na vao haingana na efa ela isika no lasa Kristianina.

6:2. Raha mpiray finoana amintsika no mampiasa antsika, dia tsy hanararaotra azy isika, fa tokony ho vonona kosa hanompo azy bebe kokoa noho ny olona tsy anisan’ny fiangonana.

“TORIO NY TENY, ARY ATAOVY  TSY MISY HATAKA ANDRO IZANY”

(2 Tim. 1:1–4:22)

Te hanomana an’i Timoty ho amin’ny fotoan-tsarotra i Paoly, ka hoy izy: “Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.” Notoroany hevitra i Timoty hoe: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra.”—2 Tim. 1:7; 2:24.

“Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao”, hoy i Paoly taminy. Niely ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana, ka nanoro hevitra an’ilay anti-panahy tanora izy hoe: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany ..., mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra.”—2 Tim. 3:14; 4:2.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:13—Inona ilay “modelin’ny teny mahasoa”? Ny “teny mahasoa” dia “ny tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika” na ny fampianarana kristianina marina. (1 Tim. 6:3) Azo lazaina koa hoe ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly izy io, satria nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianaran’i Jesosy sy izay nataony. Manampy antsika hahalala izay takin’i Jehovah amintsika ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly. Mihazona an’ilay modely isika raha mampihatra an’izay ianarantsika ao amin’ny Baiboly.

4:13—Inona ireo “horonam-boky hoditra”? Hodi-biby natao hanoratana izany. Nety ho ampahany tamin’ny Soratra Hebreo no nasain’i Paoly nentina, mba hianarany tamin’izy nigadra tany Roma. Nety ho vita tamin’ny karazan-jozoro ny horonam-boky sasany, fa tamin’ny hoditra kosa ny sasany.

Lesona ho antsika:

1:5; 3:15. Mbola kely i Timoty dia efa nampianarina ny Soratra Masina, tao an-tranony. Izany no tena nahatonga azy hino an’i Kristy Jesosy, ka hita tamin’izay rehetra nataony izany finoany izany. Adidin’izay niteraka àry ny mampianatra ny zanany. Tena zava-dehibe ny hanatanterahany izany adidiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny zanany izany!

1:16-18. Aoka isika hivavaka ho an’ny mpiray finoana iharam-pitsapana sy enjehina ary migadra, ka hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana azy ireny.—Ohab. 3:27; 1 Tes. 5:25.

2:22. Tsy tokony ho variana loatra manao bokona hozatra, manao fanatanjahan-tena, mozika, fialam-boly, dia lavitra, resaka tsy misy dikany, sy ny toy izany, ny Kristianina, indrindra fa ny tanora, ka tsy hanam-potoana hanaovan-javatra ankasitrahan’Andriamanitra.

[Sary, pejy 31]

Iza amin’ireo taratasin’i Paoly no nosoratany farany?