Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no “Mpanafaka” Antsika

Jehovah no “Mpanafaka” Antsika

Jehovah no “Mpanafaka” Antsika

“Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.”—SAL. 37:40.

1, 2. Inona no marina foana raha ny amin’i Jehovah, ka mampionona sy mampahery antsika?

TSY mijanona eo amin’izay misy azy ny aloky ny masoandro fa mifindra sy miovaova foana, arakaraka ny fihodinan’ny tany. Tsy miova kosa anefa ilay Mpamorona ny tany sy ny masoandro. (Mal. 3:6) “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy”, hoy ny Baiboly. (Jak. 1:17) Marina foana izany raha ny amin’i Jehovah, ary tena mampionona sy mampahery antsika ny mahafantatra izany, indrindra rehefa tojo fitsapana sy zava-tsarotra isika. Nahoana?

2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa “Mpanafaka” i Jehovah tamin’ny andro fahiny. (Sal. 70:5) Tsy miova izy sady tsy mivadika amin’ny teniny. Koa afaka matoky tanteraka ireo mpivavaka aminy ankehitriny, fa “hanampy sy hanafaka azy ireo” izy. (Sal. 37:40) Ahoana no anafahan’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny? Ahoana no anafahany antsika isam-batan’olona?

Novonjena teo an-tanan’ny mpanohitra

3. Nahoana isika no matoky fa tsy ho voasakan’ny mpanohitra tsy hitory ny vaovao tsara ny vahoakan’i Jehovah?

3 Na manohitra toy inona aza i Satana, dia tsy ho vitany mihitsy ny hanakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanompo an’i Jehovah, ilay hany mendrika ivavahana. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao.” (Isaia 54:17) Niezaka ihany ny mpanohitra, saingy tsy voasakan’izy ireo tsy hitory ny vahoakan’Andriamanitra. Diniho ireto ohatra roa ireto.

4, 5. Inona no fanoherana natrehin’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1918, ary nanao ahoana ny vokany?

4 Nenjehina ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1918, satria nikendry ny hampitsahatra ny fitorian’izy ireo ny mpitondra fivavahana. Tamin’ny 7 Mey 1918, dia namoaka didy ny fanjakana tany Etazonia mba hisamborana an’i J. Rutherford, mpiandraikitra ny asa fitoriana eran-tany tamin’izany, mbamin’ny mpikambana hafa tao amin’ny foibe. Tao anatin’ny roa volana dia nampangaina ho nikomy ny Rahalahy Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy, ka voaheloka higadra ela be. Vitan’ny mpanohitra ve anefa ny nampiasa ny fitsarana mba hampitsaharana tanteraka ny asa fitoriana? Mazava ho azy fa tsia!

5 Tadidio ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” Nivadika ny rasa, tamin’ny 26 Martsa 1919, sivy volana taorian’ny nanamelohana ny Rahalahy Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy, satria nafahana izy ireo rehefa nandoa onitra. Nofoanana ny fiampangana azy ireo, herintaona tatỳ aoriana, ny 5 Mey 1920. Notohizin’izy ireo indray ny fitoriana raha vao nafahana izy ireo. Inona no vokany? Nisy fitomboana niavaka nanomboka tamin’izay! Ilay “Mpanafaka” no omem-boninahitra amin’izany.—1 Kor. 3:7.

6, 7. a) Natao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, ary nanao ahoana ny niafaran’izany? b) Manaporofo inona ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao?

6 Diniho indray ity ohatra faharoa ity. Nivoady i Hitler tamin’ny 1934 fa haripany tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Tsy fandrahonana fotsiny izany, fa be dia be avy eo ny olona nosamborina sy nogadraina. An’arivony ny Vavolombelon’i Jehovah nampijalijalina, ary an-jatony no maty tany amin’ny toby fitanana. Vitan’i Hitler ve anefa ny nandripaka tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah? Vitany ve ny nampitsahatra tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara tany Alemaina? Tsia! Nitory foana ireo rahalahintsika nandritra ny fanenjehana, fa niafina izy ireo rehefa nanao izany. Mbola nanohy ny fitoriana ihany izy ireo, rehefa rava ny fitondrana nazia. Misy mpitory 165 000 mahery izao any Alemaina. Notanterahin’ilay “Mpanafaka” indray ilay fampanantenany hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.”

7 Porofoin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, fa tsy hamela ny vahoakany ho ripaka tanteraka mihitsy i Jehovah. (Sal. 116:15) Ahoana kosa ny amintsika isam-batan’olona? Ahoana no anafahan’i Jehovah antsika?

Voaro amin’ny loza ve isika?

8, 9. a) Nahoana isika no tsy afaka manantena ny ho voaro amin’ny loza? b) Inona no tokony hekentsika?

8 Fantatsika fa tsy afaka manantena ny ho voaro amin’ny loza isika isam-batan’olona. Mitovy fihetseham-po amin’ireo Hebreo telo lahy, izay tsy nety niankohoka teo anoloan’ilay sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka, isika. Tsy noeritreretin’ireo tanora natahotra an’Andriamanitra ireo hoe hanao fahagagana hiarovana azy i Jehovah. (Vakio ny Daniela 3:17, 18.) Namonjy azy ireo ihany anefa i Jehovah ka tsy kilan’ny afo tao anaty lafaoro izy ireo. (Dan. 3:21-27) Mahalana anefa ny famonjena mahagaga toy izany, na tamin’ny andro fahiny aza. Maro ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika no matin’ny mpanohitra.—Heb. 11:35-37.

9 Ahoana kosa ny amin’izao andro izao? “Mpanafaka” i Jehovah, ka vitany ny mamonjy antsika isam-batan’olona amin’ny toe-javatra mampidi-doza. Tena afaka milaza ve anefa isika hoe niaro i Jehovah na tsia, tamin’ny toe-javatra iray? Tsia. Mety hieritreritra anefa ny olona iray nieren-doza fa niaro azy i Jehovah. Tsy tokony hisy hitsara azy raha mieritreritra an’izany izy. Ekentsika koa anefa fa maro ny Kristianina tsy nivadika no maty vokatry ny fanenjehana, toy ny tamin’ny andron’ny Nazia, na koa vokatry ny loza hafa. (Mpito. 9:11) Mety hieritreritra isika hoe: ‘Tsy “Mpanafaka” an’ireny olona tsy nivadika ireny ve izany i Jehovah?’ Tsy tokony hieritreritra an’izany isika!

10, 11. Nahoana ny olona no tsy afa-manoatra manoloana ny fahafatesana? Inona anefa no azon’i Jehovah atao?

10 Tsy afa-manoatra manoloana ny fahafatesana ny olona, satria tsy misy olona “afa-mandositra tsy ho voagejan’ny Fasana.” (Sal. 89:48) Ary ahoana ny amin’i Jehovah? Vavolombelon’i Jehovah ny renin’ny anabavy iray tafavoaka velona tamin’ny zavatra nampihoron-koditra nataon’ny Nazia. Tsaroan’io anabavy io fa nampionona azy toy izao ny reniny, rehefa maty tany amin’ny toby fitanana ny havany: “Tsy mahery noho Andriamanitra ve ny fahafatesana, raha mahavita mangeja ny olona mandrakizay?” Tsy mahery noho ilay “Loharanon’aina” mahery indrindra anefa ny fahafatesana! (Sal. 36:9) Tadidin’i Jehovah daholo izay rehetra ao amin’ny Fasana, ary hanafaka ny tsirairay amin’izy ireo izy.—Lioka 20:37, 38; Apok. 20:11-14.

11 Mandra-pahatongan’izay anefa, dia tena manampy an’ireo mpanompony tsy mivadika i Jehovah. Andeha isika handinika lafiny telo mampiseho fa “Mpanafaka” antsika tokoa izy.

Voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah

12, 13. Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra. Nahoana? Ary inona no fanampiana omeny antsika mba hiarovana izany?

12 Arovan’i Jehovah ny fifandraisantsika aminy, ary izany no zava-dehibe indrindra. Tena Kristianina isika, ka fantatsika fa misy zava-dehibe kokoa noho ny fiainantsika ankehitriny. Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra amintsika. (Sal. 25:14; 63:3) Raha tsy eo mantsy izany, dia tsy misy dikany loatra ny fiainantsika ankehitriny ary tsy hanana fanantenana momba ny hoavy isika.

13 Soa ihany fa omen’i Jehovah antsika izay rehetra ilaina mba hifandraisana akaiky aminy foana. Manampy antsika ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fiangonana eran-tany. Ahoana no hanararaotantsika tsara izany? Tokony hazoto hianatra tsy tapaka ny Teniny isika, mba hahamafy orina ny finoantsika sy ny fanantenantsika. (Rom. 15:4) Tsy ho resin’ny fakam-panahy hanana fitondran-tena ratsy isika, raha mangataka amim-pahatsorana ny fanahiny amin’ny vavaka. (Lioka 11:13) Hahazo sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” isika raha manaraka ny tari-dalana omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana” amin’ny alalan’ny boky sy gazety ara-baiboly, sy ny fivoriana, ary ny fivoriambe. (Matio 24:45) Miaro ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izany, sady manampy antsika ho akaiky azy foana.—Jak. 4:8.

14. Milazà ohatra mampiseho fa arovan’i Jehovah ny fifandraisantsika aminy.

14 Mba hampisehoana fa miaro ny fifandraisantsika aminy i Jehovah, dia andeha hiverenantsika ny tantaran’ilay mpivady tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Naharay vaovao mampalahelo izy ireo, andro vitsivitsy taorian’ny nahafantarany hoe tsy hita ny zanany vavy: Nisy namono i Theresa. * Hoy ny rainy: ‘Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hiaro an’i Theresa. Rehefa hita fa novonoin’olona izy, dia nanontany tena aho tamin’ny voalohany hoe nahoana no tsy novaliana ny vavaka nataoko. Fantatro aloha fa tsy mampanantena hiaro ny mpanompony isam-batan’olona amin’ny fomba mahagaga i Jehovah. Nivavaka foana anefa aho mba hampahazava ny saiko. Nahazo hery aho rehefa nahafantatra fa ny fifandraisan’ny mpanompony aminy no arovan’i Jehovah, ary omeny antsika izay rehetra ilaintsika hiarovana izany. Tena zava-dehibe io fiarovana io, satria misy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika mandrakizay. Azo lazaina hoe tena niaro an’i Theresa àry i Jehovah. Mbola mpanompony tsy nivadika mantsy izy tamin’izy maty. Milamina ny saiko satria fantatro fa eo am-pelatanan’i Jehovah ny hoavin-janako.’

Rehefa marary isika

15. Inona avy no fomba anampian’i Jehovah antsika rehefa marary mafy isika?

15 Afaka manohana antsika ‘eo amin’ny fandriana aharariantsika’ i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Davida. (Sal. 41:3) Marina fa tsy manao fahagagana mba hanasitranana antsika i Jehovah amin’izao andro izao, nefa tena manafaka sy manampy antsika izy. Amin’ny fomba ahoana? Mety hanampy antsika hanao safidy tsara momba ny fitsaboana arahintsika na ny zavatra hafa, ny toro lalana ao amin’ny Teniny. (Ohab. 2:6) Mety hahitantsika fanazavana na soso-kevitra tsara momba ny aretintsika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mety homen’i Jehovah “hery fanampiny” amin’ny alalan’ny fanahiny koa isika mba hiatrehana izay manjo antsika, sy hanampiana antsika tsy hivadika, na inona na inona mitranga. (2 Kor. 4:7) Izany no manampy antsika tsy hifantoka loatra amin’ny aretina mahazo antsika ka hanao tsirambina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

16. Inona no nanampy ny rahalahy iray hahazaka ny aretiny?

16 Eritrereto ny nanjo an’ilay rahalahy tanora tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Fantatra, tamin’ny 1998, fa tratran’ny aretina tsy misy fanafany izy, ary nalemy tanteraka izy tatỳ aoriana. * Inona no nanampy azy hahazaka ny aretiny? Hoy izy: “Ory sy kivy aho indraindray, rehefa tsapako fa ny fahafatesana ihany no hanafaka ahy amin’ny fijaliako. Rehefa tena mafy amiko ilay izy, dia mivavaka amin’i Jehovah aho mba hanomezany ahy fo tony sy faharetana ary fiaretana. Tsapako fa novalian’i Jehovah izany. Ny fo tony no manampy ahy hieritreritra zavatra mampahery, toy ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa ho afaka handeha indray aho, sady hankafy sakafo matsiro sy hiresaka indray amin’ny fianakaviako. Ny faharetana no manampy ahy na eo aza ny zava-tsarotra atrehiko noho izaho malemy. Ny fiaretana no manampy ahy tsy hivadika sy tsy hanao ambanin-javatra ny fifandraisako amin’i Jehovah. Miombom-pihetseham-po amin’i Davida mpanao salamo aho, satria tsapako fa manohana ahy eo amin’ny fandriana aharariako i Jehovah.”—Isaia 35:5, 6.

Omena izay ilaintsika isika

17. Inona no nampantantenain’i Jehovah antsika? Inona no dikan’izany?

17 Mampanantena i Jehovah fa hanome izay zavatra ilaintsika. (Vakio ny Matio 6:33, 34 sy Hebreo 13:5, 6.) Tsy midika izany hoe ho tonga ho azy eo izay zavatra ilaintsika, na hoe handa tsy hiasa isika. (2 Tes. 3:10) Midika kosa izany fa raha ny Fanjakan’Andriamanitra no katsahintsika voalohany eo amin’ny fiainana, ary vonona hiasa isika, dia afaka miantehitra amin’i Jehovah isika mba hanampy antsika hahazo izay ilaina. (1 Tes. 4:11, 12; 1 Tim. 5:8) Afaka manome izay ilaintsika amin’ny fomba tsy ampoizintsika izy. Mety hampiasainy amin’izany ny mpiara-manompo izay mety hanampy antsika na hanome asa ho antsika.

18. Milazà tantara iray mampiseho fa omena izay ilaintsika isika rehefa sahirana.

18 Tadidio ilay reny tokan-tena tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Sarotra taminy ny nahita asa, tamin’izy sy ny zanany vao nifindra monina. Hoy izy: “Nandeha nanompo aho isa-maraina, ary nitady asa ny tolak’andro. Nividy ronono aho, indray andro, ka nahita legioma tao amin’ilay fivarotana, nefa tsy nanam-bola. Mbola tsy kivy hoatr’izany aho hatramin’izay! Rehefa nody anefa aho, dia nahita harona be dia be feno legioma isan-karazany teo am-baravarana. Ampy ho sakafonay volana maromaro ilay izy. Nitomany aho sady nisaotra an’i Jehovah.” Fantatr’io anabavy io taoriana kely, fa namboly legioma ny rahalahy iray teo anivon’ny fiangonana, ka izy io no nanatitra an’ireo. Nanoratra tany amin’io rahalahy io izy hoe: “Tena nisaotra anao aho tamin’iny andro iny, nefa koa nisaotra an’i Jehovah satria ny hatsaram-panahinao no nampahatsiahivany ahy hoe tiany aho.”—Ohab. 19:17.

19. Inona no toky hananan’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika ankehitriny?

19 Izay nataon’i Jehovah taloha sy ankehitriny, dia mahatonga antsika hatoky fa Mpanampy antsika izy. Vao mainka hila ny fanampiany isika tsy ho ela, rehefa tonga amin’ny tontolon’i Satana ny fahoriana lehibe. Ho afaka hitoky tanteraka amin’i Jehovah anefa ny mpanompony. Ho afaka hitraka sy hifaly izy ireo, satria fantany fa akaiky ny fanafahana azy. (Lioka 21:28) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia aoka isika ho tapa-kevitra hitoky amin’i Jehovah na inona na inona fitsapana manjo antsika. Matoky tanteraka mantsy isika fa ilay Andriamanitsika tsy miovaova no “Mpanafaka” antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fiatrehana Loza Nahatsiravina”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2001, pejy 19-23.

^ feh. 16 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Zakako ny Aretiko Noho ny Finoako”, ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2006, pejy 25-29.

Tadidinao Ve?

• Hazavao fa manafaka an’izay nindaosin’ny fahafatesana i Jehovah.

• Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra. Nahoana?

• Inona no dikan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hanome izay zavatra ilaintsika izy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Nosamborina ny Rahalahy Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny 1918, nefa nafahana tatỳ aoriana, ary nofoanana ny fiampangana azy

[Sary, pejy 10]

Manohana antsika ‘eo amin’ny fandriana aharariantsika’ i Jehovah