Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mazotoa’ Mampitombo ny Fahalalanao Marina Tsara

‘Mazotoa’ Mampitombo ny Fahalalanao Marina Tsara

‘Mazotoa’ Mampitombo ny Fahalalanao Marina Tsara

TE HAHAZO sitraka amin’i Jehovah ny mpanompony rehetra. Koa izany no mahatonga antsika haniry hanatanjaka ny finoantsika, sy hazoto hanao fanompoana masina. Misy loza nampitandreman’ny apostoly Paoly anefa, dia izay nitranga tamin’ny Jiosy sasany tamin’ny androny. Hoy izy: “Mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.” (Rom. 10:2) Tsy tokony ho fihetseham-po fotsiny àry no mahatonga antsika hino an’i Jehovah sy hanompo azy. Ilaintsika ny fahalalana marina tsara an’ilay Mpamorona sy ny sitrapony.

Noresahin’i Paoly any amin’ny bokiny hafa fa manao zavatra ankasitrahan’Andriamanitra ny olona mazoto mandray fahalalana. Nivavaka izy mba “hofenoina fahalalana marina tsara” ny sitrapon’Andriamanitra ireo mpanara-dia an’i Kristy. ‘Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah izy ireo, mba hankasitrahany tanteraka, raha mbola mahavokatra hatrany koa eo amin’ny asa tsara rehetra, ary raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny fahalalany marina tsara an’Andriamanitra.’ (Kol. 1:9, 10) Nahoana isika no tena mila “fahalalana marina tsara”? Ary nahoana no tokony hampitomboina izany?

Fototry ny finoana

Ny fahalalana marina tsara an’Andriamanitra sy ny sitrapony voalazan’ny Baiboly no fototry ny finoantsika. Ho mora maty toy ny afon-dabozia tsofin’ny rivotra ny finoantsika, raha tsy manana izany fahalalana izany isika. Nampirisika antsika i Paoly mba hanolotra fanompoana masina ‘ampiasantsika ny saintsika’, sy mba ‘hanavao ny saintsika.’ (Rom. 12:1, 2) Ilaintsika àry ny mianatra tsy tapaka ny Baiboly.

Hoy i Ewa, mpisava lalana maharitra any Polonina: “Raha tsindraindray ihany aho vao nianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy ho nitombo ny fahalalako marina tsara an’i Jehovah. Vetivety dia tsy ho hita teo amin’ny fomba fiainako intsony hoe Kristianina aho, ho nihena ny finoako an’i Jehovah Andriamanitra, ka ho tapaka ny fifandraisako aminy.” Enga anie tsy hitranga amintsika mihitsy izany! Andao hijery ny modely navelan’ny lehilahy iray nampitombo ny fahalalany marina tsara an’i Jehovah, ka nahazo sitraka taminy.

“Tiako erỳ ny lalànao”

Hita ao amin’ilay hira kanto ao amin’ny Salamo 119 ny fihetseham-pon’ilay mpanao salamo momba ny lalàn’i Jehovah, ny fampahatsiahivany, ny didiny, ary ny didim-pitsarany. Hoy izy: “Ny lalànao no ho mamin’ny foko. ... Mamin’ny foko ny fampahatsiahivanao.” Hoy koa izy: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!”— Sal. 119:16, 24, 47, 48, 77, 97.

Asehon’ny teny hoe “mamin’ny foko” sy hoe “saintsainiko” fa nandinika lalina ny Tenin’Andriamanitra ilay mpanao salamo, ary tena nankamamy izany. Tena tiany ny nianatra ny lalàn’Andriamanitra. Tsy fihetseham-po niserana fotsiny izany. Niriny mafy kosa ny ‘hisaintsaina’ ny lalàn’i Jehovah sy hahazo ny hevitry ny teniny. Te hahalala marina tsara an’Andriamanitra sy ny sitrapony araka izay azo atao izy.

Hitantsika àry fa tena lalina ny fitiavan’ilay mpanao salamo ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manontany tena isika hoe: ‘Ary izaho? Tiako ve ny mamaky sy mamakafaka andinin-teny ao amin’ny Baiboly isan’andro? Mazoto mamaky Baiboly ve aho, ary mivavaka rehefa hanao izany?’ Raha afaka mamaly hoe eny isika amin’ireo fanontaniana ireo, dia azo inoana fa ‘tsy mitsaha-mitombo ny fahalalantsika marina tsara an’Andriamanitra.’

Hoy i Ewa: “Miezaka manatsara ny fianarako samirery foana aho. Hatramin’ny nahazoako ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’, dia mahalana aho vao tsy mampiasa azy io. Miezaka koa aho mampiasa bebe kokoa ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina sy ny loharanon-kevitra hafa, rehefa ilaina izany.”

Diniho koa i Wojciech sy Małgorzata, mpivady manana andraikitra ara-pianakaviana maro. Ahoana no ahitan’izy ireo fotoana ianarana samirery? “Samy mianatra samirery avy izahay roa. Avy eo dia miresaka momba ny hevitra mahaliana sy mampahery hitanay tao amin’ilay fianarana izahay, rehefa manao fianaram-pianakaviana sy rehefa mifampiresaka andavanandro.” Tena mahafaly azy mivady ny fianarana samirery, ary manampy azy hampitombo ‘ny fahalalany marina tsara.’

Aoka ianao hanana saina vonona hianatra

Inoantsika Kristianina fa sitrapon’Andriamanitra “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Tena zava-dehibe àry ny mamaky Baiboly sy ny miezaka mafy ‘hamantatra ny heviny.’ (Matio 15:10) Tokony hanana saina vonona hianatra isika. Toy izany ny toe-tsain’ny Berianina fahiny izay nitorian’i Paoly ny vaovao tsara: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asa. 17:11.

Manahaka ny Berianina ve ianao, ka mazoto mianatra ny Baiboly, ary tsy avelanao hiriorio ny sainao eo am-panaovana izany? Afaka miezaka hanahaka ny Berianina ianao, na dia tsy tia nianatra loatra aza taloha. Tsy dia mazoto mamaky teny sy mianatra intsony koa ny olona sasany rehefa mandroso taona. Tsy voatery ho toy izany anefa isika Kristianina. Afaka miezaka mampifantoka ny saintsika isika, na firy taona na firy taona. Aoka koa ianao ho mailaka hitady izay fanazavana azonao resahina amin’ny hafa. Maninona, ohatra, raha atao tanjona ny hiresaka amin’ny vadinao na amin’ny namana kristianina momba izay novakinao na nianaranao? Amin’izay dia hilentika tsara ao an-tsainao sy ao am-ponao izany, sady hahasoa ny hafa koa.

Tahafo i Ezra rehefa mianatra ianao. ‘Nanomana ny fony mba handinika ny lalàn’i Jehovah’ mantsy io mpanompon’Andriamanitra fahiny io. (Ezra 7:10) Ahoana no anaovanao toy izany? Alamino izay zavatra manodidina anao mba hahafahanao hifantoka tsara amin’ilay fianarana. Avy eo dia mipetraha, ary mivavaha amin’i Jehovah mba homeny tari-dalana sy fahendrena. (Jak. 1:5) Manontania tena hoe: ‘Inona indray no hianarako androany?’ Tadiavo ireo hevi-dehibe. Tianao angamba ny hanoratra izany. Azonao marihina koa ireo hevitra tianao hotadidina tsara. Eritrereto ny fomba hampiasanao ilay zavatra nianaranao, rehefa hitory ianao, na hanapa-kevitra, na hampahery mpiray finoana. Manaova famerenana fohy, rehefa hifarana ilay fianarana. Hanampy anao hitadidy ny zavatra nianaranao izany.

Hoy i Ewa: “Rehefa mamaky Baiboly aho, dia jereko koa ireo andininy hafa tondroina ao, ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM. Marihiko koa ireo hevitra tiako hampiasaina eny amin’ny fanompoana.”

Efa an-taonany maro ny sasany no manao fianarana lalina ny Baiboly, ka mifantoka amin’izany. (Ohab. 2:1-5) Manana adidy aman’andraikitra maro anefa izy ireo, ary sarotra aminy ny mahita fotoana ianarana samirery. Toy izany koa ve ny aminao? Ahoana àry no azonao anamboarana ny fandaharam-potoananao mba hianarana samirery?

Ahoana no ahitako fotoana?

Ekenao angamba fa mora kokoa aminao ny mahita fotoana hanaovana zavatra tianao. Olona maro no nanjary mifantoka amin’ny fianarana samirery rehefa manana tanjona azo tratrarina, toy ny hoe hamaky ny Baiboly manontolo. Mety ho toa sarotra ny hamaky tetirazana lava be, na tsipiriany momba ilay tempoly fahiny, na faminaniana sarotra toa tsy misy ifandraisany amin’ny fiainana andavanandro. Mitadiava àry fomba mety hanampy anao hanatratra ilay tanjona. Alohan’ny hamakiana boky iray toa sarotra be ao amin’ny Baiboly, ohatra, dia vakio aloha ny mombamomba ilay boky, na ny fampiharana an’ireo andininy. Hita ao amin’ilay boky hoe “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, izany fanazavana izany. Misy amin’ny fiteny efa ho 50 io boky io.

Tsara ny maka sary an-tsaina an’izay vakinao ao amin’ny Baiboly, mba ho toy ny hoe hitanao mihitsy ireo olona tantaraina sy ny zava-nitranga tamin’izany. Hahafinaritra sy hitondra soa kokoa ny fianaranao, raha arahinao ireo soso-kevitra vitsivitsy ireo. Hazoto kokoa hitady fotoana hianarana samirery ianao amin’izay. Ary ho lasa fahazaranao mora foana ny mamaky Baiboly isan’andro.

Mety hanampy antsika tsirairay ny soso-kevitra voalaza teo, fa ahoana kosa ny amin’ny fianakaviana? Raha be atao ianareo mianakavy, maninona raha maka fotoana kely iresahana momba ny soa ho azonareo amin’ny fianaram-pianakaviana? Mety hahita hevitra ianareo, toy ny hoe mifoha aloha kokoa isan’andro, na amin’ny andro sasany, mba hiara-midinika Baiboly. Na ho tsapanareo angamba fa tokony hamboarinareo ny fandaharam-potoananareo. Miaraka mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro na mamaky Baiboly, ohatra, ny fianakaviana sasany, rehefa avy misakafo. Manokana 10 na 15 minitra izy mianakavy anaovana izany, alohan’ny hangoronana ny vilia na hialana eo. Mety ho sarotra izany amin’ny voalohany, kanefa tsy ho ela dia ho zatra hanao izany ny fianakavianareo, ary tena ho finaritra tokoa.

Hoy i Wojciech sy Małgorzata momba izay nanampy azy mianakavy: “Lanilany foana tamin-javatra tsy misy dikany ny fotoananay taloha. Nanapa-kevitra àry izahay fa hampihena ny fotoana andefasanay e-mail. Nahenanay koa ny fotoana ialana voly, ka nanokana andro sy fotoana hentitra hanaovana fianarana lalina izahay.” Tsy manenina mihitsy izy mianakavy nanao izany fanitsiana izany, ary tsy hanenina koa ny fianakavianao raha manao toy izany.

Tena mahasoa ny fampitomboana ny fahalalana marina tsara!

‘Mahavokatra eo amin’ny asa tsara rehetra’ ianao, rehefa manao fianarana lalina ny Baiboly. (Kol. 1:10) Koa ho hitan’ny rehetra ny fandrosoanao. Ho matotra ara-panahy ianao, ary ho azonao tsara kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ho voalanjalanja kokoa ny fanapahan-kevitrao, ary ho hainao kokoa ny hanampy ny hafa, fa tsy hanao zavatra tafahoatra toy ny olona tsy ampy fahalalana ianao. Ary ny tena zava-dehibe indrindra, dia ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao. Hankasitraka bebe kokoa ny toetrany ianao, ka ho hita taratra izany rehefa miresaka momba azy ianao.—1 Tim. 4:15; Jak. 4:8.

Na firy taona ianao na firy taona, na manao ahoana na manao ahoana ny zavatra efa fantatrao, dia miezaha hankamamy hatrany ny Tenin’Andriamanitra sy hanana saina vonona hianatra zava-dalina. Matokia fa tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny ezaka ataonao. (Heb. 6:10) Handrotsaka fitahiana be dia be ho anao izy.

[Efajoro, pejy 13]

REHEFA ‘TSY MITSAHA-MITOMBO NY FAHALALANTSIKA MARINA TSARA’, DIA...

Manatanjaka ny finoantsika isika ary mandeha mendrika an’i Jehovah.—Kol. 1:9, 10

Lasa lalin-tsaina isika, ka mahay manavaka sy mahay manapa-kevitra tsara.—Sal. 119:99

Faly kokoa isika manampy ny hafa hanatona an’i Jehovah.—Matio 28:19, 20

[Sary, pejy 14]

Sarotra nefa tena ilaina ny mahita toerana ahafahana mifantoka tsara amin’ny fianarana

[Sary, pejy 15]

Miara-mamaky Baiboly ny fianakaviana sasany rehefa avy misakafo