Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jesosy—Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fomba Ankasitrahany

Tahafo i Jesosy—Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fomba Ankasitrahany

Tahafo i Jesosy—Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fomba Ankasitrahany

Asain’Andriamanitra amim-pitiavana hanompo azy ny olona ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ (Apok. 7:9, 10; 15:3, 4) “Hahita ny hatsaran’i Jehovah” ireo manaiky izany fanasana izany. (Sal. 27:4; 90:17) Midera an’Andriamanitra toy ny ataon’ny mpanao salamo izy ireo, ka manao hoe: “Aoka isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany. Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.”—Sal. 95:6.

Fanompoana tena sarobidy

Zanak’Andriamanitra lahitokana i Jesosy, ka afaka nianatra tsara momba ny fisainan’ny Rainy, sy ny toro lalany, ary izay heveriny fa mety na tsy mety. Koa afaka nilaza ny fomba tokony hanompoana an’i Jehovah izy. Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 1:14; 14:6.

Nanetry tena sy nanaiky an-dRainy i Jesosy ka namela modely tonga lafatra. Hoy izy: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” Hoy koa izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:28, 29) Ahoana no nahazoan’i Jesosy sitraka tamin-dRainy?

Nahafoy tena tanteraka ho an-dRainy izy, ary izany no tena dikan’ny hoe manompo an’Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy fa niraiki-po tamin-dRainy izy, ka nankatò azy sy nanao ny sitrapony, na dia mafy taminy aza izany. (Fil. 2:7, 8) Lafiny iray lehibe tamin’ny fanompoan’i Jesosy ny fanaovana mpianatra. Nanao izany tsy tapaka izy, ka nantsoin’ny mpino sy ny tsy mpino hoe Mpampianatra. (Matio 22:23, 24; Jaona 3:2) Nahafoy tena ho an’ny hafa koa i Jesosy, ka tsy nanam-potoana firy ho an’ny tenany. Faly anefa izy nanompo ny hafa. (Matio 14:13, 14; 20:28) Be atao i Jesosy, nefa nanokana fotoana hivavahana tamin’ilay Rainy any an-danitra foana izy. (Lioka 6:12) Tena sarobidy tamin’Andriamanitra izany fanompoan’i Jesosy izany!

Ezaka mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra

Hitan’i Jehovah ny fitondran-tenan-janany ka nolazainy taminy ny fankasitrahany. (Matio 17:5) Hitan’i Satana Devoly koa anefa ny tsy fivadihan’i Jesosy, ka nataony lasibatra izy. Nahoana? Mbola tsy nisy mihitsy mantsy olona nahavita nankatò tanteraka an’Andriamanitra, ka nanompo azy tamin’ny fomba tonga lafatra. Te hisakana an’i Jesosy tsy hanao izany fanompoana mendrika an’i Jehovah izany ny Devoly.—Apok. 4:11.

Notambazan’i Satana zavatra mampitsiriritra i Jesosy mba hahatonga azy hivadika. Koa nentiny “nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo” i Jesosy, ary “nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Dia hoy izy: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” Inona no nataon’i Jesosy? Hoy izy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’ ” (Matio 4:8-10) Fantatr’i Jesosy fa fanompoan-tsampy ny fiankohofana teo anatrehan’i Satana, na inona na inona soa mety ho azo amin’izany. Tsy nety niankohoka teo anatrehan’iza na iza ankoatra an’i Jehovah i Jesosy, na dia indray mandeha monja aza.

Angamba isika tsy hotoloran’i Satana ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny, ho takalon’ny fiankohofana aminy. Mbola ataony foana anefa izay hahatonga ny Kristianina tso-po tsy hanompo intsony an’Andriamanitra, fa hanompo olona na zavatra hafa.—2 Kor. 4:4.

Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Kristy Jesosy, ka nankalaza an’i Jehovah. Ary mbola tsy nisy mihitsy olon-kafa nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny fomba toy izany. Miezaka ny tsy hivadika toa an’i Jesosy koa isika tena Kristianina, ka ny fanompoana ny Mpamorona no zava-dehibe indrindra amintsika. Ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra tokoa no fananantsika sarobidy indrindra.

Fitahiana azo

Maro ny fitahiana azo rehefa manaraka “fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra.” (Jak. 1:27) Mitombo isa izao ny olona ‘tia tena, sy tia vola, sy matin-kambo ary tsy tia ny tsara.’ (2 Tim. 3:1-5) Olona madio sy tsara fitondran-tena, izay miezaka hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra kosa anefa no azontsika ifaneraserana eo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra. Tsy mamelombelona ve izany?

Madio koa ny feon’ny fieritreretantsika rehefa tsy manaiky ho voaloton’ity tontolo ity isika. Te hanana feon’ny fieritreretana madio foana isika, ka manaiky ny toro lalana marin’Andriamanitra sy mankatò izay lalàn’i Kaisara tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra.—Marka 12:17; Asa. 5:27-29.

Mitondra fitahiana hafa koa ny fanompoana amin’ny fo manontolo. Manjary misy dikany sy mahafa-po ny fiainantsika, rehefa mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra isika fa tsy amin’ny antsika. Azo antoka ny fanantenantsika fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, ka tsy hilaza isika hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”—1 Kor. 15:32.

Lazain’ny bokin’ny Apokalypsy fa ho tafavoaka ‘amin’ny fahoriana lehibe’ ireo mitoetra ho madio eo imason’i Jehovah, ary ‘hamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.’ (Apok. 7:13-15) Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra, Ilay be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao. Alao sary an-tsaina ange ny fifalianao rehefa hekeny hivahiny ao an-tranolainy ianao e! Hokarakarainy sy harovany ianao amin’izay, ka tsy hisy na inona na inona hanjo anao! Ary azo lazaina hoe efa arovany sy karakarainy sahady isika dieny izao.

Voalaza koa fa hotarihina any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” izay rehetra manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Ny fandaharana rehetra nataon’i Jehovah mba hahazoantsika fiainana mandrakizay izany loharano mamelombelona izany. Noho ny vidim-panavotan’i Kristy, dia “hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” (Apok. 7:17) Ho lasa lavorary ny olombelona, ka ho ravoravo ireo afaka hiaina mandrakizay eto an-tany. Efa entanim-pifaliana sahady izao ny mpanompon’Andriamanitra, ka mankasitraka an’i Jehovah sy manompo azy miaraka amin’ireo mihira any an-danitra hoe: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika? Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”—Apok. 15:3, 4.

[Sary, pejy 27]

Inona no atolotr’i Satana antsika ho takalon’ny fiankohofantsika aminy?