Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’

‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’

‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’

Izany no nolazain’i Nicolas de Cues tao amin’ny toriteniny, tamin’ny 1430. * Nianatra zavatra maro izy. Anisan’izany ny teny grika sy hebreo, filozofia, teolojia, matematika, ary astronomia. Nahazo ny diplaoma ambony indrindra momba ny lalàn’ny Eglizy Katolika izy, tamin’izy 22 taona. Voatendry ho kardinaly izy, tamin’ny 1448.

Antsoina hoe Bernkastel-Kues ny tanànan’i Kues ankehitriny, ary 130 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Bonn any Alemaina no misy azy. Nanangana trano fitaizana ny be antitra tao Kues i Nicolas de Cues, 550 taona lasa teo ho eo izay. Ao amin’io trano io no misy ny fitehirizam-bokin’i Cues, izay ahitana sora-tanana 310 mahery. Anisan’ireo ny Codex Cusanus 220, izay ahitana an’ilay toritenin’i Cues tamin’ny 1430. Mitondra ny lohateny hoe In principio erat verbum (Tamin’ny Voalohany ny Teny) io toriteny io. * Nampiasa ny anarana latinina hoe Iehoua midika hoe Jehovah, i Nicolas de Cues. Hoy izy ao amin’ny pejy 56, momba azy io: ‘Andriamanitra mihitsy no nifidy an’io anarana io, dia ireo Litera Efatra. Io no anarany miavaka sy masina indrindra.’ Hita ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra, ary manamafy izany ilay tenin’i Nicolas de Cues.—Eks. 6:3.

Efa nisy hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-15 ilay kôdeksa. Izy io no anisan’ny sora-tanana tranainy indrindra ahitana ny hoe “Iehoua”, izay nadika avy amin’ireo Litera Hebreo Efatra. Vao mainka izy io manaporofo fa anarana mitovitovy amin’ny hoe “Jehovah” no tena nampiasaina nandritra ny taonjato maro, mba hanoratana ny anaran’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Antsoina koa hoe Nikolaus Cryfts (Krebs), Nicolaus Cusanus, ary Nikolaus von Kues i Nicolas de Cues. Teraka tao Kues, any Alemaina, izy.

^ feh. 3 Nanazava momba ny Andriamanitra tokana olona telo ilay toriteny.

[Sary, pejy 16]

Fitehirizam-bokin’i Cues