Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra ve Ianao?

Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra ve Ianao?

Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra ve Ianao?

“Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—ROM. 12:10.

1. Inona no tsy fahita firy intsony any amin’ny tany maro?

FATRA-PANAJA ny ankizy any amin’ny tany sasany. Mandohalika, ohatra, izy rehefa eo anilan’ny olon-dehibe mipetraka, mba hanomezam-boninahitra azy. Amin’izay dia tsy hihoatra an’ilay olon-dehibe ny halavany. Tsy maneho fanajana kosa izy raha manome lamosina olon-dehibe. Samy manana ny fomba fanajany ny kolontsaina samihafa. Izany dia mampahatsiahy antsika izao didy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy izao: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao [ho fanajana azy], ary asio fiheverana ny zokiolona.” (Lev. 19:32) Mampalahelo anefa fa tsy fahita firy intsony ny fanomezam-boninahitra ny hafa any amin’ny tany maro. Ny tsy fanajana kosa no manjaka.

2. Iza avy no tokony homentsika voninahitra, araka ny lazain’ny Baiboly?

2 Asehon’ny Baiboly fa tena zava-dehibe ny fanomezam-boninahitra, ka asainy manome voninahitra an’i Jehovah sy Jesosy isika. (Jaona 5:23) Tokony hanome voninahitra sy hanaja ny mpianakavintsika sy ny mpiray finoana ary ny olona sasany tsy anisan’ny fiangonana koa isika. (Rom. 12:10; Efes. 6:1, 2; 1 Pet. 2:17) Ahoana no ampisehoantsika fa manome voninahitra an’i Jehovah isika? Ahoana no anomezantsika voninahitra, na anajantsika lalina, ny mpiara-manompo amintsika? Andeha hodinihintsika ireo sy ny fanontaniana hafa mifandray amin’ireo.

Omeo voninahitra i Jehovah sy ny anarany

3. Inona no fomba iray lehibe anomezantsika voninahitra an’i Jehovah?

3 Fomba iray lehibe anomezantsika voninahitra an’i Jehovah ny fanajana ny anarany. Olona nalainy “mba hitondra ny anarany” mantsy isika. (Asa. 15:14) Voninahitra tokoa ny mitondra ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra. Hoy i Mika mpaminany: “Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” (Mika 4:5) ‘Mandeha amin’ny anaran’i Jehovah’ isika rehefa miezaka manome voninahitra ny anarany, eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Nolazain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma mantsy fa manjary “tevatevaina”, na alam-baraka, ny anaran’Andriamanitra, raha tsy mifanaraka amin’ny vaovao tsara torintsika ny fomba fiainantsika.—Rom. 2:21-24.

4. Ahoana no fiheveranao ny tombontsoa mitory momba an’i Jehovah?

4 Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika rehefa mitory. Nasain’i Jehovah hijoro ho vavolombelony ny firenen’ny Israely, kanefa tsy nahatontosa izany andraikitra izany. (Isaia 43:1-12) Matetika izy ireo no nikomy tamin’i Jehovah ka “nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely.” (Sal. 78:40, 41) Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony ilay firenena tamin’ny farany. Velom-pisaorana isika noho ny tombontsoa mitory momba an’i Jehovah sy mampahafantatra ny anarany. Manao izany isika satria tia azy, ary maniry mafy ny hanamasinana ny anarany. Isika ve dia tsy hitory, nefa mahafantatra ny marina momba an’ilay Raintsika any an-danitra sy ny fikasany? Tsapantsika tokoa ny fihetseham-pon’i Paoly, izay nilaza hoe: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara aho. Lozako tokoa raha tsy manao izany aho!’—1 Kor. 9:16.

5. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mifandray ny finoana an’i Jehovah sy ny fanajana azy?

5 Hoy i Davida mpanao salamo: “Hatoky anao izay mahalala ny anaranao, satria ianao tsy hahafoy an’izay mitady anao, Jehovah ô!” (Sal. 9:10) Raha tena mahafantatra an’i Jehovah sy manaja ny anarany isika, dia hatoky azy, toy ny nataon’ny mpanompony tsy nivadika fahiny. Fomba hafa iray koa anomezam-boninahitra an’i Jehovah àry ny matoky sy mino azy. Mariho ny ampifandraisan’ny Baiboly ny fatokisana an’i Jehovah sy ny fanajana azy. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, rehefa tsy natoky azy ny Israely: “Mandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy sy tsy hino ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra nataoko teo aminy?” (Nom. 14:11) Asehontsika kosa fa manaja an’i Jehovah isika, raha matoky fa hiaro sy hanampy antsika izy na misy aza ny fitsapana.

6. Inona no manosika antsika hanaja lalina an’i Jehovah?

6 Nolazain’i Jesosy fa tokony ho vokatry ny fo ny fanajana an’i Jehovah. Nisy nanompo an’i Jehovah saingy tsy vokatry ny fo, ka ny tenin’i Jehovah ihany no naverin’i Jesosy tamin’izy ireny hoe: “Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy.” (Matio 15:8) Tena manaja an’i Jehovah kosa anefa ny olona iray, noho ny fitiavana lalina azy. (1 Jaona 5:3) Tadidintsika koa izao fampanantenany izao: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.”—1 Sam. 2:30.

Manaja ny hafa ny mpiandraikitra

7. a) Nahoana no tokony hanome voninahitra an’ireo eo ambany fiandraiketany ny mpiandraikitra? b) Ahoana no nanajan’i Paoly ny mpiray finoana taminy?

7 Nampirisika toy izao i Paoly: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Tokony ho modely, na “ho loha laharana” ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, amin’ny fanomezam-boninahitra an’izay eo ambany fiandraiketany. Tokony hanaraka ny modely navelan’i Paoly izy ireo, amin’io lafiny io. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.) Raha zavatra tsy tian’i Paoly hatao mantsy, dia tsy nampanaoviny ny hafa mihitsy. Fantatr’ireo rahalahy teo anivon’ny fiangonana notsidihiny izany. Nanaja ny mpiray finoana taminy i Paoly, ka nohajain’izy ireo koa. Rehefa nilaza izy hoe: “Miangavy anareo aho: Aoka hanahaka ahy ianareo”, dia azo antoka fa maro no nazoto nanao izany noho ny modely tsara nomeny.—1 Kor. 4:16.

8. a) Ahoana no nanajan’i Jesosy ny mpianany? b) Ahoana no anarahan’ny mpiandraikitra ankehitriny ny modelin’i Jesosy?

8 Manaja an’ireo eo ambany fiandraiketany koa ny mpiandraikitra, raha milaza ny antony angatahany azy ireo hanao zavatra na ny antony anomezany toromarika. Manahaka an’i Jesosy izy amin’izany. Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpianany, ohatra, ny antony tokony hangatahana mpiasa maro kokoa hijinja ny vokatra. Hoy izy: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Matio 9:37, 38) Nolazainy tamin’izy ireo koa ny antony tokony ‘hiambenana hatrany.’ Hoy izy: “Satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:42) Imbetsaka izy no nilaza tamin’izy ireo izay tokony hataon’izy ireo, sy ny anton’izany. Nanaja sy nanome voninahitra azy ireo izy tamin’izany. Modely tsara ho an’ny mpiandraikitra kristianina tokoa i Jesosy!

Hajao ny fandaminana ka araho ny toromarika omeny

9. Manome voninahitra an’iza isika raha manaja ny fandaminana maneran-tany sy ny solontenany? Hazavao.

9 Ilaintsika koa ny manome voninahitra ny fandaminana maneran-tany sy ny solontenany, raha tiantsika ny hanome voninahitra an’i Jehovah. Manaja ny fandaminan’i Jehovah isika, rehefa manaraka ny torohevitra ara-baiboly omen’ny mpanompo mendri-pitokisana. Tamin’ny taonjato voalohany, dia voatery niteny mafy an’ireo tsy nanaja ny mpiandraikitra voatendry ny apostoly Jaona. (Vakio ny 3 Jaona 9-11.) Tsy vitan’ny hoe tsy nohajaina ireo mpiandraikitra, fa tsy narahina koa ny fampianarany sy ny toromarika nomeny. Soa ihany fa tsy nanao toy izany ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’izany. Hita fa nanaja lalina an’ireo mpiandraikitra ny ankamaroan’ireo rahalahy, fony fahavelon’ireo apostoly.—Fil. 2:12.

10, 11. Milazà ohatra ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa ara-dalàna raha misy manana fahefana eo anivon’ny fiangonana.

10 Misy mihevitra fa tsy tokony hisy hanana fahefana eo anivon’ny fiangonana, satria nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Mpirahalahy avokoa ianareo.” (Matio 23:8) Maro anefa ny lehilahy nomen’Andriamanitra fahefana, araka ny voalazan’ny Soratra Hebreo sy Grika. Nisy loham-pianakaviana, mpitsara, ary mpanjaka teo amin’ny Hebreo fahiny. Nampiasain’i Jehovah ho solontenany izy ireny mba hanome tari-dalana. Nosazin’i Jehovah ny olona tsy nanome voninahitra an’izay voatendriny.—2 Mpanj. 1:2-17; 2:19, 23, 24.

11 Nanaiky ny fahefan’ny apostoly koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 2:42) Nanome tari-dalana ho azy ireo, ohatra, i Paoly. (1 Kor. 16:1; 1 Tes. 4:2) Nankatò an-tsitrapo an’ireo nanana fahefana teo aminy koa anefa i Paoly. (Asa. 15:22; Gal. 2:9, 10) Tena nanaja ny fahefana teo anivon’ny fiangonana kristianina izy.

12. Inona no lesona roa sosona momba ny fahefana resahin’ny Baiboly?

12 Roa sosona ny lesona azontsika avy amin’izany. Voalohany, miorina amin’ny Baiboly ny hoe manendry lehilahy hiantsoroka andraikitra ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, amin’ny alalan’ny Filan-kevi-pitantanany. Misy lehilahy sasany koa tendrena mba hanana fahefana amin’ny lehilahy hafa voatendry. (Matio 24:45-47; 1 Pet. 5:1-3) Faharoa, tokony hanome voninahitra an’ireo manana fahefana ny Kristianina rehetra sy ireo lehilahy voatendry. Ahoana àry no anomezantsika voninahitra an’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana maneran-tany?

Fanajana ny mpiandraikitra mpitety faritany

13. Ahoana no anajantsika ny solontenan’ny fandaminana amin’izao andro izao?

13 Hoy i Paoly: “Izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy: Mba asio fiheverana ireo miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin’ny asan’ny Tompo ary mananatra anareo. Angatahinay koa ianareo mba hanaja fatratra azy ireny amim-pitiavana, noho izay ataony. Aoka ianareo samy ho tia fihavanana.” (1 Tes. 5:12, 13) Tena anisan’ireo “miasa mafy” tokoa ny mpiandraikitra mpitety faritany. Aoka àry isika “hanaja fatratra” azy ireny, ka hanaraka amin’ny fo manontolo ny torohevitra sy fampirisihana omeny. Raha manana ny “fahendrena avy any ambony” isika, dia ho “vonona hankatò” rehefa omen’izy ireny tari-dalana avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana.—Jak. 3:17.

14. Ahoana no anajan’ny fiangonana ny mpiandraikitra mpitety faritany, ary inona no ho vokany?

14 Ahoana anefa raha hafa noho ny mahazatra antsika ny fomba fanaony, ka asainy manaraka izany isika? Ho fanajana, dia ilaintsika angamba indraindray ny mifehy tena mba tsy hanohitra avy hatrany hoe: “Tsy izany ny mahazatra anay eto”, na hoe “Any amin’ny fiangonana hafa angamba izany no mety fa tsy eto.” Hiezaka hankatò kosa isika. Tsara tadidina hatrany fa an’i Jehovah ny fiangonana, ary i Jesosy no Lohan’ny fiangonana. Maneho fanajana lalina ny fiangonana, raha ekeny amim-pifaliana ka arahiny ny tari-dalana omen’ireny mpiandraikitra ireny. Noderain’i Paoly ireo rahalahy tany Korinto satria nanaiky tamim-panajana ny toromarika nomen’i Titosy, izay anti-panahy nitsidika azy ireo. (2 Kor. 7:13-16) Afaka matoky koa isika fa ho faly tokoa rehefa manao fanompoana, raha manaraka an-tsitrapo ny tari-dalana omen’ny mpiandraikitra mpitety faritany.—Vakio ny 2 Korintianina 13:11.

“Hajao ny karazan’olona rehetra”

15. Ahoana avy no anajantsika ny mpiray finoana amintsika?

15 Hoy i Paoly: “Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona, fa iangavio toy ny ray kosa, ary ny tanora toy ny rahalahy, ny vehivavy zokiolona toy ny reny, ary ny tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka. Omeo voninahitra ny vehivavy mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.” (1 Tim. 5:1-3) Ampirisihin’ny Baiboly àry isika hanome voninahitra an’izay rehetra eo anivon’ny fiangonana. Ahoana anefa raha tsy mifanaraka ianao sy ny mpiara-manompo iray? Tsy hanaja azy intsony ve ianao? Sa hanitsy ny toe-tsainao kosa ianao ka hiaiky fa manana toetra tsara io mpanompon’Andriamanitra io? Ireo manana fahefana indrindra no tokony hanaja ny rahalahiny, fa ‘tsy hanjakazaka mihitsy amin’ny andian’ondry.’ (1 Pet. 5:3) Eo anivon’ny fiangonana no tena ahafahantsika rehetra mifanome voninahitra, satria ny fitiavana lalina no amantarana ny Kristianina.—Vakio ny Jaona 13:34, 35.

16, 17. a) Nahoana no zava-dehibe ny hanajana olona, tsy izay itoriantsika ihany fa ny mpanohitra koa? b) Ahoana no ‘anajantsika ny karazan’olona rehetra’?

16 Tsy ireo anisan’ny fiangonana ihany anefa no hajaintsika. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tamin’ny androny: “Dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra.” (Gal. 6:10) Marina fa sarotra ny manaraka izany raha ratsy fanahy amintsika ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra iray. Amin’izay indrindra anefa isika no mila mitadidy an’izao: “Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy.” (Sal. 37:1) Izany dia hanampy antsika hanaja ny hafa, eny fa na ny mpanohitra aza. Ho afaka hamaly “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina” koa isika eny am-pitoriana, raha manetry tena. (1 Pet. 3:15) Asehontsika amin’ny fitafiana sy taovolontsika koa fa manaja ny olona itoriantsika isika.

17 Na iza na iza ifandraisantsika, na mpiray finoana amintsika izany na ireo tsy anisan’ny fiangonana, dia irintsika ny hiezaka hampihatra izao torohevitra izao: “Hajao ny karazan’olona rehetra, tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana, matahora an’Andriamanitra, hajao ny mpanjaka.”—1 Pet. 2:17.

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no anajanao:

• an’i Jehovah?

• an’ireo anti-panahy sy mpiandraikitra mpitety faritany?

• ny olona tsirairay anisan’ny fiangonana?

• ny olona itorianao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nanaja ny filan-kevi-pitantanana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany

[Sary, pejy 24]

Omen’ny anti-panahy voninahitra ny mpiandraikitra mpitety faritany voatendrin’ny Filan-kevi-pitantanana