Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamaly An’ilay Vavaka avy Amin’ny Fo i Jehovah

Mamaly An’ilay Vavaka avy Amin’ny Fo i Jehovah

Mamaly An’ilay Vavaka avy Amin’ny Fo i Jehovah

“Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—SAL. 83:18.

1, 2. Inona no nampihetsi-po olona maro? Inona avy no fanontaniana mipetraka?

VERY hevitra ny vehivavy katolika iray rehefa nisy loza nitranga tao an-tanànany, taona vitsivitsy lasa izay. Nangataka fanampiana tamin’ny pretra àry izy. Tsy nety niresaka taminy anefa io. Koa nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: ‘Fantatro fa misy ianao, na dia tsy fantatro aza ny momba anao. Mba ampio re aho hahalala anao e!’ Tonga nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah taoriana kelin’izay, ka nampionona azy sy nampahalala azy ny zavatra tiany ho fantatra. Anisan’ny nampianarin’izy ireo azy ny hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Nihetsi-po be ilay vehivavy, ka hoy izy: “Izy ilay Andriamanitra niriko ho fantatra hatramin’ny mbola kely!”

2 Maro no nihetsi-po toy izany rehefa nahalala ny anaran’Andriamanitra. Ao amin’ny Salamo 83:18 matetika no ahitan’izy ireo voalohany ilay anarana hoe Jehovah. Izao no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io andininy io: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Efa mba noeritreretinao ve ny antony nanoratana ny Salamo faha-83? Nahoana no voatery hiaiky ny rehetra fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra? Inona no ianarantsika avy amin’io salamo io? Izany no hodinihintsika ato. *

Tetika hamelezana ny vahoakan’i Jehovah

3, 4. Iza no nanoratra ny Salamo faha-83? Ary inona ilay zava-nitranga noresahiny?

3 “Hira fiderana nataon’i Asafa” ny Salamo faha-83, araka ny teny mampiditra azy io. Levita tena nahay mozika tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka i Asafa, ary azo inoana fa taranany ilay namorona an’io salamo io. Miangavy an’i Jehovah ilay mpanao salamo mba hanamarina ny zony hitondra sy hampahafantatra ny anarany. Azo antoka fa efa maty i Solomona vao nosoratana io salamo io. Mbola nihavana tsara tamin’ny Israely mantsy ny mpanjakan’i Tyro, tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida sy Solomona. Efa niady tamin’ny Israely anefa ny mponin’i Tyro sady niandany tamin’ny fahavalony, rehefa nosoratana ny Salamo faha-83.

4 Notanisain’ilay mpanao salamo ireo firenena folo nanodidina ny Israely, izay niray tetika handripaka ny vahoakan’Andriamanitra: “Ny tranolain’i Edoma sy ny Ismaelita sy ny Moabita sy ny Hagarita, sy Gebala sy Amona sy Amaleka, ary Filistia mbamin’ny mponin’i Tyro. Niaraka tamin’izy ireo koa i Asyria.” (Sal. 83:6-8) Inona no zava-nitranga resahin’ilay salamo eto? Misy milaza fa izany dia ny nanafihan’i Amona sy Moaba ary ny mponin’i Seira, ny Israely tamin’ny andron’i Josafata. (2 Tant. 20:1-26) Ny hafa indray mihevitra fa ny ady nisy hatramin’izay teo amin’ny Israely sy ny firenena manodidina azy no resahiny.

5. Inona no soa raisin’ny Kristianina avy amin’ny Salamo faha-83?

5 Na inona na inona tian’ilay mpanao salamo horesahina, dia azo inoana fa i Jehovah Andriamanitra no nampanoratra azy an’io vavaka io, rehefa notandindomin-doza ny fireneny. Mampahery ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa izy io. Manafika azy ireo foana mantsy ny fahavalony, izay tapa-kevitra ny handripaka azy. Hanatanjaka antsika koa izy io amin’ny hoavy tsy ho ela, satria mbola hanangona ny tafiny i Goga avy any Magoga, ka hiezaka farany handripaka an’izay rehetra mivavaka amin’Andriamanitra araka ny fanahy sy ny fahamarinana.—Vakio ny Ezekiela 38:2, 8, 9, 16.

Ny tena nampanahy azy

6, 7. a) Inona no nangatahin’ilay mpanao salamo, eo am-piandohan’ny Salamo faha-83? b) Inona no tena nampanahy an’ilay mpanao salamo?

6 Namboraka ny fihetseham-pony ilay mpanao salamo, ka nivavaka hoe: “Aza mangina fotsiny, Andriamanitra ô! Aza mangina tsy miteny, na mijery fotsiny, Andriamanitra ô! Fa mitabataba ny fahavalonao, ary mampitraka ny lohany ireo mankahala mafy anao. Miray tetika mangingina mba hamelezana ny vahoakanao izy ireo ... Fa hevi-dratsy no ao am-pony, ka niara-nikaon-doha izy ireo, ary nanao fifanekena hanoherana anao.”—Sal. 83:1-3, 5.

7 Inona no tena nampanahy an’ilay mpanao salamo? Tsy maintsy ho nanahy ny amin’ny tenany sy ny fianakaviany izy, kanefa ny fanalam-baraka ny anaran’i Jehovah, sy ny fandrahonana an’ilay firenena mitondra io anarana io, no tena noresahiny tao amin’ilay vavaka. Enga anie isika rehetra hahay handanjalanja toy izany koa, eo am-piaretana ny fotoan-tsarotra diavin’ity tontolo ity!—Vakio ny Matio 6:9, 10.

8. Inona no nokendren’ireo firenena nitetika hamely ny Israely?

8 Naverin’ilay mpanao salamo ny tenin’ireo fahavalon’ny Israely hoe: “Andao hofoanantsika tanteraka ny fireneny, mba tsy hotsarovana intsony ny anarana hoe Israely.” (Sal. 83:4) Tena halan’ireo firenena ireo tokoa ny vahoaka nofidin’Andriamanitra! Nisy antony hafa koa anefa nahatonga azy ireo hanao ilay teti-dratsy. Nitsiriritra ny tanin’ny Israely izy ireo, ka nirehareha hoe: “Andao halaintsika ho antsika ny fonenan’Andriamanitra.” (Sal. 83:12) Misy manao toy izany koa ankehitriny!

“Ny fonenanao masina”

9, 10. a) Inona no nantsoina hoe fonenana masin’Andriamanitra, taloha? b) Inona no fitahiana azon’ny sisa voahosotra sy ny “ondry hafa” ankehitriny?

9 Nantsoina hoe fonenana masin’Andriamanitra ny Tany Nampanantenaina, taloha. Nanao hiram-pandresena toy izao ny Israelita rehefa nafahana avy tany Ejipta: “Tamin-katsaram-panahy no nitondranao ny vahoaka navotanao. Ary amin’ny herinao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.” (Eks. 15:13) Nanjary nisy tempoly sy mpisorona tao amin’io ‘fonenana’ io. Tao koa no nisy an’i Jerosalema renivohitra sy ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Davida, izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah. (1 Tant. 29:23) Nety àry ny niantsoan’i Jesosy an’i Jerosalema hoe “tanànan’ny Mpanjaka lehibe.”—Matio 5:35.

10 Ahoana kosa ny amin’ny androntsika? Nisy firenena vaovao niforona tamin’ny taona 33, dia ny “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy Kristy. (Gal. 6:16) Notanterahin’izy ireo ilay asa tsy vitan’ny Israelita, dia ny ho vavolombelona manambara ny anaran’Andriamanitra. (Isaia 43:10; 1 Pet. 2:9) Toy ny efa nataon’i Jehovah tamin’ny Israely fahiny, dia nampanantena azy ireo koa izy hoe: “Ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.” (2 Kor. 6:16; Lev. 26:12) Nanjary nankasitrahan’i Jehovah ny sisa tamin’ny “Israelin’Andriamanitra”, tamin’ny 1919. Toy ny hoe nahazo “tany” izy ireo tamin’izay, izany hoe nanankinana asa kristianina. Miaina ao anatin’ny paradisa ara-panahy izy ireo ao. (Isaia 66:8) “Ondry hafa” an-tapitrisany no miara-dia amin’izy ireo, taorian’ny 1930. (Jaona 10:16) Sambatra sy mahazo fitahiana be dia be ireo Kristianina ireo. Porofo izany fa mahay mitondra tokoa i Jehovah. (Vakio ny Salamo 91:1, 2.) Tezitra mafy i Satana noho izany!

11. Inona no tena tanjon’ireo fahavalon’Andriamanitra?

11 Ampirisihin’i Satana ireo olona ampiasainy etỳ an-tany, amin’izao andro farany izao, mba hanohitra ny sisa voahosotra sy ny ondry hafa namany. Nitranga izany tany Eoropa Andrefana nandritra ny fitondrana nazia, sy tany Eoropa Atsinanana nandritra ny fitondrana kominista nampiharin’ny Firaisana Sovietika. Nitranga tany amin’ny tany maro koa izany ary mbola hitranga, indrindra fa mandritra ny fanafihana farany hataon’i Goga avy any Magoga. Mety haka an-keriny ny fananana sy ny tanin’ny vahoakan’i Jehovah ny mpanohitra, toy ny nataon’ny fahavalo fahiny. Ny tena tanjon’i Satana anefa dia ny hampisaratsaraka antsika, mba tsy hotsarovana intsony ny anarana nomen’Andriamanitra antsika. Inona no hataon’i Jehovah manoloana izany fanoherana ny zony hitondra izany? Diniho indray ny tenin’ilay mpanao salamo.

Efa nandresy i Jehovah ary mbola handresy

12-14. Inona ireo fandresena roa niavaka teo akaikin’ny tanànan’i Megido, noresahin’ny mpanao salamo?

12 Tena natoky ny mpanao salamo fa vitan’i Jehovah ny handrava ny tetiky ny firenena fahavalo. Noresahiny ny amin’ireo fandresena niavaka roa azon’ny Israely teo akaikin’ny tanànan’i Megido, izay nahatazanana an’ilay lohasaha terỳ ambany nantsoina koa hoe Megido. Rehefa vanin-taona mafana, dia ritra ny Renirano Kisona ka tazana mamakivaky an’ilay lohasaha ny fanambaniny. Dibo-drano kosa ilay lohasaha, rehefa mirotsaka ny orana amin’ny ririnina. Izany koa angamba no niantsoana an’ilay renirano hoe “ranon’i Megido.”—Mpits. 4:13; 5:19.

13 Eo amin’ny 15 kilaometatra eo ho eo avy eo Megido, eo ampitan’ilay lohasaha, no misy ny havoanan’i More. Teo no niady tamin’i Gideona Mpitsara ny Midianita sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana, izay nivondrona ho tafika iray. (Mpits. 7:1, 12) Telonjato sisa ny miaramilan’i Gideona, nefa nampian’i Jehovah izy ireo ka resiny ny fahavalo, izay tafika lehibe. Inona no nataon’izy ireo? Araka ny toromarik’Andriamanitra, dia nanodidina ny tobin’ny fahavalo izy ireo rehefa alina, sady nitondra fanilo nafeniny tao anaty siny lehibe. Nopotipotehin’izy ireo ny siny rehefa nanome baiko i Gideona, ka tazana tampoka ireo fanilo. Notsofin’izy ireo koa ny anjombony sady nihorakoraka izy ireo hoe: “Sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Nisahotaka ny fahavalo ka nifamono. Nandositra niampita ny Reniranon’i Jordana kosa izay sisa tsy maty. Nanampy tamin’ny fanenjehana azy ireo ny Israelita hafa, ka miaramila fahavalo 120 000 no maty.—Mpits. 7:19-25; 8:10.

14 Enina kilaometatra eo ho eo ao ambadiky ny havoanan’i More, ampitan’ilay lohasahan’i Megido, no misy ny Tendrombohitra Tabara. Teo i Baraka Mpitsara no nanangona Israelita 10 000 mba hiady tamin’ny tafik’i Jabina kananita mpanjakan’i Hazora. Zara raha nanana fitaovam-piadiana ny Israelita. Ny miaramila kananita notarihin’i Sisera kosa, nanana kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy lava be niara-nihodina tamin’ireo kodiarana. Nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Tabara ny Israely, ka voasarika hankeo amin’ilay lohasaha ny miaramilan’i Sisera. Ary “nataon’i Jehovah nifanaritaka i Sisera sy ny kalesin’adiny rehetra ary ny tobiny rehetra.” Avy be tampoka angamba ny orana, ka nilentika tao anaty fotaka ireo kalesy, satria tondraka ny Renirano Kisona. Matin’ny Israelita ilay tafika manontolo.—Mpits. 4:13-16; 5:19-21.

15. a) Niangavy an’i Jehovah hanao inona ilay mpanao salamo? b) Mampahatsiahy antsika inona ny anaran’ilay ady farany hataon’Andriamanitra?

15 Niangavy an’i Jehovah ilay mpanao salamo mba hanao toy izany koa amin’ireo firenena nitady handripaka ny Israely. Nivavaka izy hoe: “Ataovy toy ny nanaovanao ny Midianina sy Sisera izy ireo, sy toy ny nanaovanao an’i Jabina teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona. Ringana tany En-dora izy ireo, ka lasa zeziky ny tany.” (Sal. 83:9, 10) Mahaliana fa antsoina hoe Hara-magedona (izay midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”), ilay ady farany hataon’Andriamanitra amin’ny tontolon’i Satana. Mampahatsiahy antsika an’ireo ady tena niavaka teo akaikin’i Megido, izany anarana izany. Nandresy i Jehovah tamin’ireny ady ireny, ka tsy maintsy handresy koa izy amin’ny ady Hara-magedona.—Apok. 16:13-16.

Mivavaha mba ho voamarina ny zon’i Jehovah hitondra

16. Nahoana no “afa-baraka tanteraka” ny mpanohitra ankehitriny?

16 Ataon’i Jehovah tsy mahomby avokoa izay tetika handringanana ny vahoakany, mandritra izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1) Koa afa-baraka ireo mpanohitra. Efa nilaza ny Salamo 83:16 hoe: “Ataovy afa-baraka tanteraka izy ireo, mba hitadiavan’ny olona ny anaranao, Jehovah ô!” Tsy nahavita nampangina ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ireo mpanohitra, tany amin’ny firenena maro. Tsy nivadika sy niaritra foana ny mpivavaka amin’ilay tena Andriamanitra tany amin’ireny tany ireny. Nahasarika olona tso-po izany, ka maro no ‘nitady ny anaran’i Jehovah.’ An’aliny, eny, ana hetsiny mihitsy aza izao ny olona falifaly midera an’i Jehovah, any amin’ny tany maromaro izay nisy fanenjehana mafy teo aloha. Nandresy tokoa i Jehovah, ary afa-baraka ny fahavalony!—Vakio ny Jeremia 1:19.

17. Inona no tokony hataon’ny mpanohitra dieny izao? Ary inona no hotsaroantsika tsy ho ela?

17 Fantatsika anefa fa mbola tsy vita ny ady, ka mbola mitory ny vaovao tsara foana isika, na dia amin’ny mpanohitra aza. (Matio 24:14, 21) Mbola afaka mibebaka ireny mpanohitra ireny ankehitriny mba ho voavonjy, nefa kely sisa ny fotoana ananany. Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah mantsy no zava-dehibe kokoa noho ny famonjena ny olombelona. (Vakio ny Ezekiela 38:23.) Rehefa hivondrona ireo firenena eran-tany mba handringana ny vahoakan’Andriamanitra, dia hotsaroantsika ilay vavaky ny mpanao salamo hoe: “Ho menatra sy hitebiteby mandrakariva anie izy ireo ka hangaihay sy ho ringana.”—Sal. 83:17.

18, 19. a) Inona no hiafaran’ireo mikiry manohitra ny zon’i Jehovah hitondra? b) Tokony hanosika anao hanao inona ny fahafantarana fa ho voamarina tsy ho ela ny zon’i Jehovah hitondra?

18 Hietry tanteraka ireo tapa-kevitra ny hanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Milaza ny Baiboly fa ‘ho ringana mandrakizay’ ireo ho faty ao Hara-magedona, noho izy ireo “tsy mankatò ny vaovao tsara.” (2 Tes. 1:7-9) Ho voaporofo fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra, rehefa ringana izy ireo ary tafavoaka velona ireo manompo an’i Jehovah. Tsy hohadinoina mihitsy io fandresena lehibe io, ao amin’ny tontolo vaovao. Handre momba ny asa lehibe nataon’i Jehovah ireo hatsangana amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Hahita porofo miavaka izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao, fa fahendrena ny manaiky ny zon’i Jehovah hitondra. Ary vetivety dia ho resy lahatra ireo mpandefitra, fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra.

19 Hoavy tsara tokoa no omanin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ho an’ireo mpanompony tsy mivadika! Tsy ho ela i Jehovah dia hamaly ilay vavaky ny mpanao salamo hoe: “Ho menatra sy hitebiteby mandrakariva anie [ny fahavalonao] ka hangaihay sy ho ringana, mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo.” Moa ve ianao tsy voatosika hivavaka mba hahatanterahan’izany?—Sal. 83:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tsara raha vakinao ny Salamo faha-83, alohan’ny handinihana an’ity lahatsoratra ity, mba ho fantatrao tsara izay raketiny.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no nanjo ny firenen’ny Israely tamin’ny fotoana nanoratana ny Salamo faha-83?

• Inona no tena nampanahy ny mpanoratra ny Salamo faha-83?

• Iza no tena ankahalain’i Satana ankehitriny?

• Ahoana no hamalian’i Jehovah an’ilay vavaka ao amin’ny Salamo 83:18?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Inona no ifandraisan’ireo ady teo akaikin’i Megido sy ny hoavintsika?

Renirano Kisona

Haroseta

T. Karmela

Lohasahan’i Jezirela

Megido

Tanaka

T. Gilboa

Loharanon’i Haroda

More

En-dora

T. Tabara

Ranomasin’i Galilia

Reniranon’i Jordana

[Sary, pejy 12]

Inona no nahatonga ny mpanao salamo hanoratra tonom-bavaka avy amin’ny fo?