Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandinika Antsika Rehetra ny ‘Mason’i Jehovah’

Mandinika Antsika Rehetra ny ‘Mason’i Jehovah’

Mandinika Antsika Rehetra ny ‘Mason’i Jehovah’

‘Mandinika ny zanak’olombelona ny mason’i Jehovah.’—SAL. 11:4.

1. Olona manao ahoana no mahafinaritra anao?

AHOANA no fihetseham-ponao amin’ny olona tena miahy anao? Milaza ny heviny amim-pahatsorana izy rehefa anontanianao. Tena vonona hanampy izy raha mila fanampiana ianao. Ary manome torohevitra amim-pitiavana izy rehefa mila izany ianao. (Sal. 141:5; Gal. 6:1) Tsy mahafinaritra anao ve ny olona toy izany? Toy izany mihitsy i Jehovah sy ny Zanany. Tena miahy anao izy ireo, mihoatra noho ny olon-kafa rehetra, ary tsy tia tena fa te hanampy anao “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.”—1 Tim. 6:19; Apok. 3:19.

2. Inona no porofo fa tena miahy ny mpanompony i Jehovah?

2 Nolazain’i Davida mpanao salamo fa tena miahy antsika i Jehovah. Hoy izy: ‘Ny mason’i Jehovah mijery, eny, ny masony mandinika ny zanak’olombelona.’ (Sal. 11:4) Tsy mijery antsika fotsiny Andriamanitra, fa mandinika antsika koa. Hoy koa i Davida: “Ianao efa nandinika ny foko sy nanara-maso ahy nandritra ny alina. ... Ho hitanao fa tsy nisy teti-dratsy nataoko.” (Sal. 17:3) Fantany àry fa tena niahy azy i Jehovah. Fantany koa fa halahelo sy ho tezitra aminy i Jehovah, raha tsy esoriny ao am-pony sy ao an-tsainy ny eritreritra maloto sy ny teti-dratsy. Tena nisy i Jehovah tamin’i Davida. Ary ahoana ny aminao?

Mijery ny fo i Jehovah

3. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mahay mandanjalanja izy rehefa mifandray amin’olombelona tsy lavorary?

3 Izay ao am-pontsika lalina ao no tena ifantohan’i Jehovah. (Sal. 19:14; 26:2) Be fitiavana izy ka tsy mifantoka amin’ny fahadisoana madinika. Ireto misy ohatra: Tsy nilaza ny tena marina tamin’ny anjely iray nitafy vatan’olombelona i Saraha vadin’i Abrahama. Hitan’ilay anjely anefa fa natahotra sy menatra i Saraha, ka tsy noteneniny mafy. (Gen. 18:12-15) Nilaza i Joba fa “ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.” Notahin’i Jehovah ihany anefa izy, na izany aza, satria fantany fa nampijaly azy mafy i Satana. (Joba 32:2; 42:12) Notsorin’ilay mpitondratena tao Zarefata tamin’i Elia mpaminany koa izay tao am-pony. Tsy nahatezitra an’i Jehovah anefa izany, satria tsapany hoe nalahelo mafy ravehivavy fa maty ilay zanany lahitokana.—1 Mpanj. 17:8-24.

4, 5. Tsara fanahy tamin’i Abimeleka i Jehovah. Hazavao.

4 Mandinika ny fo i Jehovah ka miahy ny tsy mpino koa. Diniho izay nataony tamin’i Abimeleka, mpanjakan’i Gerara tany Filistia. Tsy fantatr’i Abimeleka hoe vadin’i Abrahama i Saraha, ka nalainy ho any aminy mba ho vadiny. Mbola tsy nanao firaisana tamin’i Saraha i Abimeleka, no nilazan’i Jehovah tao amin’ny nofy hoe: “Izaho koa mahafantatra fa tamin’ny fo madio no nanaovanao izao, ka nosakanako tsy hanota amiko ianao. Koa izany no tsy namelako anao hikasika azy. Avereno ny vadin-dralehilahy, satria mpaminany izy. Ary hitalaho ho anao izy, dia tsy ho faty ianao.”—Gen. 20:1-7.

5 Azon’i Jehovah natao ny nasiaka tamin’i Abimeleka, izay mpivavaka tamin’andriamani-diso. Hitan’i Jehovah anefa fa tamin’ny fo madio no nakany an’i Saraha. Koa nolazainy tamin’i Abimeleka izay tokony hataony mba ho voavela heloka izy ka “tsy ho faty.” Tsy Andriamanitra toy izany ve no tianao hivavahana?

6. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanahafan’i Jesosy ny Rainy?

6 Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy, ka nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny mpianany ary vonona ny hamela ny helok’izy ireo. (Marka 10:35-45; 14:66-72; Lioka 22:31, 32; Jaona 15:15) Nifanaraka tamin’izao teniny ao amin’ny Jaona 3:17 izao izany: “Tsy ny hanameloka an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy izao tontolo izao kosa amin’ny alalany.” Lalina sady tsy miovaova ny fitiavan’i Jehovah sy Jesosy antsika, ka tiany hahazo fiainana isika. (Joba 14:15) Izany fitiavana izany no mahatonga an’i Jehovah handinika antsika, sy hifantoka amin’ny toetra tsara ananantsika, ary hanao zavatra arakaraka izay hitany.—Vakio ny 1 Jaona 4:8, 19.

Mandinika antsika amim-pitiavana izy

7. Inona no mahatonga an’i Jehovah handinika antsika?

7 Tsy mety àry ny mihevitra an’i Jehovah ho toy ny polisy manara-maso avy any an-danitra mba hanatratra izay manota! I Satana no tsy matoky olona sy mpiampanga. (Apok. 12:10) Lazainy mihitsy aza fa noho ny fitiavan-tena no anompoan’ny olona an’Andriamanitra, nefa tsy izany akory! (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Hoy anefa ny mpanao salamo momba an’Andriamanitra: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?” (Sal. 130:3) Tsy misy, raha ny marina! (Mpito. 7:20) Hita fa mamindra fo sy tsara fanahy kosa i Jehovah rehefa mandinika antsika, toy ny ataon’ny ray be fitiavana, izay te hiaro ny zanany amin’ny loza. Matetika i Jehovah no mampitandrina antsika ny amin’ny loza vokatry ny tsy fahalavorariantsika sy ny fahalementsika.—Sal. 103:10-14; Matio 26:41.

8. Ahoana no anomezan’i Jehovah toromarika sy fananarana antsika?

8 Tia antsika Andriamanitra matoa manome toromarika sy fananarana amin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Matio 24:45; Heb. 12:5, 6) Ampiasain’i Jehovah hanampiana antsika koa ny fiangonana sy ireo “lehilahy ho fanomezana.” (Efes. 4:8) Dinihiny koa raha mandray tsara ny fampiofanana omeny isika, ka vonona hanampy bebe kokoa izy. Hoy ny Salamo 32:8: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” Tena mila mihaino an’i Jehovah foana àry isika! Mila manetry tena eo anatrehany foana koa isika, ka hanaiky fa Mpampianatra antsika sy Raintsika be fitiavana izy.—Vakio ny Matio 18:4.

9. Inona avy ny toetra tokony hohalavirintsika, ary nahoana?

9 Aoka kosa isika tsy ho lasa mafy fo noho ny fireharehana na ny tsy finoana na “ny hery mamitaky ny ota.” (Heb. 3:13; Jak. 4:6) Matetika no lasa manana ireo toetra ireo ny olona iray rehefa zava-dratsy foana no eritreretiny sy iriny. Mety handa ny torohevitra miorina amin’ny Baiboly mihitsy aza izy. Ary mety ho lasa raiki-tampisaka ilay toetra na fanao ratsy ka ho lasa fahavalon’Andriamanitra izy. Tena mampahatahotra tokoa izany! (Ohab. 1:22-31) Diniho izay nitranga tamin’i Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva.

Mahita ny zava-drehetra izy ka manao zavatra

10. Nahoana no tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitr’i Kaina, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Kaina?

10 Samy nitondra fanatitra ho an’i Jehovah i Kaina sy Abela. Tsy ilay fanatitra ihany anefa no nifantohan’i Jehovah fa izay nahatonga azy ireo hanao izany koa. Nankasitrahan’Andriamanitra àry ny fanatitr’i Abela noho izy nanam-pinoana, fa tsy nankasitrahany kosa ny an’i Kaina, noho izy tsy ampy finoana. (Gen. 4:4, 5 ; Heb. 11:4) Tsy nandray lesona avy tamin’izany i Kaina ary tsy niova. Tezitra be tamin’ny rahalahiny kosa aza izy.—Gen. 4:6.

11. Ahoana no ahitana fa namitaka an’i Kaina ny fony, ary inona no lesona ho antsika avy amin’izany?

11 Hitan’i Jehovah fa hitarika ho amin’ny loza izany toetran’i Kaina izany, ka nilazany izy fa hisandratra raha manao ny tsara. Mampalahelo anefa fa tsy niraharaha ilay torohevitra i Kaina ka namono ny rahalahiny. Hita koa fa ratsy ny toe-pony, tamin’ny fomba namaliany an’Andriamanitra. Nanontany azy i Jehovah hoe: “Fa aiza i Abela rahalahinao?”, nefa tsy misy fanajana akory izy namaly hoe: “Tsy fantatro. Fa angaha izaho mpiambina ny rahalahiko?” (Gen. 4:7-9) Tena mamitaka tokoa ny fo, satria mety hahatonga olona iray tsy hiraharaha ny torohevitr’Andriamanitra! (Jer. 17:9) Aoka àry isika handray lesona avy amin’izany ka hanaisotra avy hatrany ny sain-dratsy sy ny fanirian-dratsy. (Vakio ny Jakoba 1:14, 15.) Aoka isika hankasitraka ny torohevitra omena antsika avy ao amin’ny Baiboly, ka hihevitra izany ho porofon’ny fitiavan’i Jehovah.

Tsy misy fahotana azo afenina

12. Ataon’i Jehovah ahoana ny mpanao ratsy?

12 Misy mihevitra hoe tsy ho voasazy izy raha tsy misy mahita azy rehefa manao ratsy. (Sal. 19:12) Tsy misy fahotana azo afenina anefa. “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (Heb. 4:13) Mpitsara mandinika ny any am-pontsika lalina any i Jehovah, ka ara-drariny tanteraka ny ataony amin’ny mpanao ratsy. “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy [izy], tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.” Kanefa, “sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina”, dia ireo “minia manota”, na mamitaka sy manao teti-dratsy, nefa tsy mibebaka. (Eks. 34:6, 7; Heb. 10:26) Hitantsika izany tamin’izay nataony tamin’i Akana sy tamin’i Ananiasy sy Safira.

13. Nahatonga an’i Akana hanao inona ny fisainan-dratsy?

13 Nandika an-kitsirano ny didin’Andriamanitra i Akana satria nakany ny zavatra azo babo tao Jeriko, ka nafeniny tao an-tranolainy. Azo inoana fa niray tsikombakomba taminy ny mpianakaviny. Rehefa nabaribary ny fahotan’i Akana, dia takany fa tena ratsy ny nataony, satria hoy izy: “Izaho no nanota tamin’i Jehovah.” (Josoa 7:20) Nanjary nanana toe-po ratsy toa an’i Kaina koa i Akana. Fitiavan-karena no tena nahavoa azy, ka nahatonga azy hamitaka. An’i Jehovah ny zavatra azo babo tao Jeriko, ka nangalatra taminy i Akana, raha ny marina. Namoy ny ainy izy mianakavy, noho izany.—Josoa 7:25.

14, 15. Nahoana no tsy nankasitrahan’Andriamanitra i Ananiasy sy Safira, ary inona no lesona ho antsika avy amin’izany?

14 Anisan’ny fiangonana kristianina voalohany tao Jerosalema i Ananiasy sy Safira vadiny. Taorian’ny Pentekosta taona 33, dia nisy vola fanomezana an-tsitrapo natokana hikarakarana izay nilain’ireo vao tonga mpino, izay mbola tao Jerosalema. Avy lavitra mantsy izy ireny. Nivarotra ny taniny i Ananiasy, ary ampahany tamin’ny vidin’ilay tany no nomeny. Fantatr’i Safira vadiny tsara izany. Nilaza anefa i Ananiasy hoe ny vola rehetra no nomeny, satria te hahazo voninahitra teo anivon’ny fiangonana izy mivady. Namitaka anefa izy ireo. Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny apostoly Petera ilay fitaka. Koa nanontanian’i Petera momba izany i Ananiasy. Avy hatrany dia niankarapoka i Ananiasy ka tapitra ny ainy. Maty koa i Safira taoriana kelin’izay.—Asa. 5:1-11.

15 Tsy hoe sendra resin’ny fahalemena i Ananiasy sy Safira teo. Nanao tetika izy mivady ka nandainga mba hamitahana ny apostoly. Mbola ratsy noho izany aza no nataon’izy ireo satria ‘namitaka ny fanahy masina sy Andriamanitra’ izy ireo. Nasehon’i Jehovah mazava tsara anefa fa vonona hiaro ny fiangonana amin’ny mpihatsaravelatsihy izy. Eny tokoa, “zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona”!—Heb. 10:31.

Aza mivadika mihitsy

16. a) Ahoana no ataon’i Satana mba handravana ny finoantsika? b) Ahoana no anaovany izany ao amin’ny faritra misy anao?

16 Manao izay ho afany i Satana mba handravana ny finoantsika ka hahatonga antsika tsy hankasitrahan’i Jehovah intsony. (Apok. 12:12, 17) Izany teti-dratsin’ny Devoly izany dia hita miharihary eo amin’izao tontolo izao, izay tsy manan-tsaina afa-tsy firaisana sy herisetra. Tsy misahirana akory ny olona dia afaka mahita sary vetaveta amin’ny ordinatera na fitaovana hafa. Enga anie isika tsy hanaiky ho resin’i Satana mihitsy! Aoka kosa isika hitovy fihetseham-po amin’i Davida, izay nilaza hoe: “Ho malina sy handeha tsy misy tsiny aho. ... Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho ao an-tranoko.”—Sal. 101:2.

17. a) Nahoana no apoitran’i Jehovah ihany amin’ny farany ny fahotana afenina? b) Tapa-kevitra hanao inona àry isika?

17 Tsy ahariharin’i Jehovah amin’ny fomba mahagaga intsony ankehitriny ny fahotana lehibe sy ny famitahana. Mahita ny zava-drehetra anefa izy, ary hapoitrany amin’ny fotoana sy fomba mety aminy izay fahotana afenina. Hoy i Paoly: “Miharihary amin’ny rehetra ny fahotan’ny sasany, ka mitarika avy hatrany ho amin’ny fanamelohana, fa ny an’ny sasany kosa any aoriana vao miharihary.” (1 Tim. 5:24) Ny fitiavana no tena mahatonga an’i Jehovah hampiharihary izany. Tiany mantsy ny fiangonana ka tiany harovana mba hadio foana. Mamindra fo amin’izay nanota koa anefa izy, raha tena mibebaka ireny. (Ohab. 28:13) Aoka àry isika hiezaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ary hanohitra an’izay mety handrava ny finoantsika.

Manompoa azy amin’ny fo manontolo

18. Inona no tian’i Davida ho tsapan’ny zanany momba an’Andriamanitra?

18 Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona zanany: “Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy. Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.” (1 Tant. 28:9) Tsy tian’i Davida hino an’Andriamanitra fotsiny ilay zanany, fa tiany hahatsapa koa hoe tena miahy ny mpanompony Izy. Velom-pisaorana an’i Jehovah ve ianao noho izany toetrany izany?

19, 20. Araka ny Salamo 19:7-11, inona no nanampy an’i Davida hanatona an’Andriamanitra, ary ahoana no anahafantsika an’i Davida?

19 Fantatr’i Jehovah fa ho voasarika hanatona azy ny olona mitady azy, ary vao mainka ho tia azy rehefa mahafantatra ny toetrany mahatehotia. Koa tian’i Jehovah hahafantatra azy sy ny toetrany mahafinaritra àry isika. Amin’ny fomba ahoana? Mila mianatra ny Teniny isika, ary mila mahatsapa fa mitahy antsika izy.—Ohab. 10:22; Jaona 14:9.

20 Mamaky Baiboly isan’andro àry ve ianao? Mankasitraka azy io ve ianao, ary mivavaka rehefa hamaky azy? Tsapanao ve fa zava-dehibe ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly? (Vakio ny Salamo 19:7-11.) Raha izany no izy, dia hihamatanjaka ny finoanao an’i Jehovah ary hitombo ny fitiavanao azy. Ary izy kosa hanatona anao, toy ny hoe hitantana anao mihitsy aza. (Isaia 42:6; Jak. 4:8) Hoporofoiny fa tia anao izy ka hitahy sy hanampy anao hifandray aminy foana, raha mbola mandeha eo amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana ianao.—Sal. 91:1, 2; Matio 7:13, 14.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana i Jehovah no mandinika antsika?

• Nahoana no lasa fahavalon’Andriamanitra ny olona sasany?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tena misy i Jehovah amintsika?

• Ahoana no anompoantsika an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Nahoana no toy ny ray be fitiavana i Jehovah rehefa mandinika antsika?

[Sary, pejy 5]

Inona no lesona ho antsika avy tamin’izay nataon’i Ananiasy?

[Sary, pejy 6]

Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?