Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandinika Antsika i Jehovah mba Hahasoa Antsika

Mandinika Antsika i Jehovah mba Hahasoa Antsika

Mandinika Antsika i Jehovah mba Hahasoa Antsika

“Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 TANT. 16:9.

1. Inona no antony andinihan’i Jehovah antsika?

RAY tonga lafatra i Jehovah. Fantany loatra isika, ka tsy misy miafina aminy na ‘ny eritreritsika sy ny faniriantsika’ aza. (1 Tant. 28:9) Tsy hitsingoloka ny fahadisoantsika anefa no antony andinihany antsika. (Sal. 11:4; 130:3) Tiany isika ka arovany amin’izay mety hanimba ny fifandraisantsika aminy na hanakana antsika tsy hahazo fiainana mandrakizay.—Sal. 25:8-10, 12, 13.

2. Maneho ny heriny hamonjena an’iza i Jehovah?

2 Mahery indrindra i Jehovah, ary mahita ny zava-drehetra. Koa afaka manampy an’ireo tsy mivadika aminy izy, na rahoviana na rahoviana izy ireny no miantso azy. Manampy koa izy rehefa iharam-pitsapana izy ireny. “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo”, hoy ny 2 Tantara 16:9. Mariho fa mampiasa ny heriny izy mba hanampiana an’ireo manompo azy amin’ny fo manontolo, na amin’ny fo madio. Tsy manao toy izany kosa izy amin’ireo mpamitaka na mpihatsaravelatsihy.—Josoa 7:1, 20, 21, 25; Ohab. 1:23-33.

Miaraha mandeha amin’Andriamanitra

3, 4. Inona no dikan’ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’? Manomeza ohatra.

3 Sarotra amin’ny maro ny mino hoe avelan’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao hiara-mandeha aminy ny olombelona. Izany indrindra anefa no tian’i Jehovah hataontsika. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Enoka sy Noa, fahiny. (Gen. 5:24; 6:9) “Tsy azo nohozongozonina mihitsy” i Mosesy, “toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Heb. 11:27) Niara-nandeha tamin’ilay Rainy tany an-danitra tamim-panetren-tena i Davida Mpanjaka. Hoy izy: “Tsy hangozohozo aho satria [i Jehovah] eo ankavanako.”—Sal. 16:8.

4 Mazava ho azy fa tsy afaka mandray ara-bakiteny ny tanan’i Jehovah mba hiara-mandeha aminy isika. Ahoana àry no anaovantsika izany? Hoy i Asafa, mpanao salamo: ‘Eo aminao mandrakariva aho. Ary nandray ny tanako ankavanana ianao. Ny torohevitrao no hitarihanao ahy.’ (Sal. 73:23, 24) Raha tsorina, dia miara-mandeha amin’i Jehovah isika rehefa manaraka akaiky ny toroheviny, izay azontsika amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”—Matio 24:45; 2 Tim. 3:16.

5. Ahoana no anarahan’i Jehovah maso an’ireo tsy mivadika aminy? Ahoana no tokony hiheverantsika an’i Jehovah?

5 Tian’i Jehovah ireo miara-mandeha aminy. Manara-maso azy ireo toy ny ataon’ny ray be fitiavana àry izy, ka miahy sy miaro ary mampianatra azy ireo. Hoy izy: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” (Sal. 32:8) Aoka àry ianao hanontany tena hoe: ‘Tsapako ve fa miara-mandeha amin’i Jehovah aho ary toy ny hoe tantanany, ka mihaino ny fahendreny ary mahalala fa mitsinjo ahy ny masony? Misy vokany eo amin’izay eritreretiko sy lazaiko ary ataoko ve ny fahatsapako hoe eo akaikiko izy? Andriamanitra masiaka ve no fahitako an’i Jehovah rehefa manao ny tsy mety aho, sa Ray be fitiavana sy mamindra fo, izay te hanampy olona mibebaka mba ho akaiky azy indray?’—Sal. 51:17.

6. Inona no tombony ananan’i Jehovah raha oharina amin’ny ray olombelona?

6 Vao mitady hanao ny tsy mety aza isika indraindray dia efa manampy antsika i Jehovah. Hitany angamba hoe manomboka tia zava-dratsy ny fontsika mora mamitaka. (Jer. 17:9) Mahita ny ao am-pontsika sy ny eritreritsika lalina indrindra ny masony, ka afaka manao zavatra haingana noho ny ray aman-dreny olombelona izy. (Sal. 11:4; 139:4; Jer. 17:10) Jereo ange izay nataony tamin’i Baroka e! Mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany sady namany akaiky izy io.

Ray be fitiavana ho an’i Baroka

7, 8. a) Iza moa i Baroka, ary inona avy ny faniriana nitsiry tao am-pony? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa niahy an’i Baroka toy ny ray izy?

7 Mpitan-tsoratra niara-nanompo tamin’i Jeremia i Baroka, ary tsy nivadika rehefa voatendry hanao asa sarotra, dia ny hanambara tamin’i Joda ny fanamelohan’i Jehovah. (Jer. 1:18, 19) Mety ho olona ambony ny fianakaviany, ary nisy fotoana nanombohany nikatsaka “zavatra lehibe” ho an’ny tenany. Angamba izy naniry laza na harena. Hitan’i Jehovah fa nanana izany fanirian-dratsy izany i Baroka tao am-pony. Nanao zavatra avy hatrany àry i Jehovah ka nampiasa an’i Jeremia mba hilaza tamin’i Baroka hoe: “Hoy ianao: ‘Idiran-doza aho ity, fa nampian’i Jehovah alahelo ny fijaliako! Sasatry ny misento aho ary tsy mahita fiadanam-po.’ ” Hoy Andriamanitra avy eo: ‘Ianao mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony.’—Jer. 45:1-5.

8 Hentitra i Jehovah nefa tsy tezitra, fa niahy azy toy ny ray. Azo inoana fa hitany hoe tsy nanana toe-po ratsy na fetsifetsy i Baroka. Fantatr’i Jehovah koa fa andro farany ho an’i Jerosalema sy Joda tamin’izay, ka tsy tiany ho lavo i Baroka. Tiany hahita ny tena zava-misy io mpanompony io, ka nampahatsiahiviny fa “hahatonga loza amin’ny nofo rehetra” Izy, ary tsy ho faty i Baroka raha maneho fahendrena. (Jer. 45:5) Toy ny nilaza Andriamanitra hoe: ‘Baroka a, jereo ny zava-misy. Aza hadinoina izay hanjo an’i Joda sy Jerosalema tsy ho ela. Aza mivadika mihitsy, dia tsy ho faty ianao! Hiaro anao aho.’ Azo inoana fa nanohina ny fon’i Baroka ny tenin’i Jehovah, satria nanova ny fomba fisainany izy ka tsy maty rehefa noravana i Jerosalema, 17 taona taorian’izay.

9. Ahoana no havalinao an’ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra?

9 Saintsaino iny tantara iny, ary eritrereto ireto fanontaniana sy andinin-teny ireto: Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy ny fitiavany ny mpanompony, rehefa jerena izay nataony tamin’i Baroka? (Vakio ny Hebreo 12:9.) Sarotra ny fiainantsika izao, ka inona no ianarantsika avy amin’ny torohevitr’i Jehovah ho an’i Baroka sy ny fihetsik’i Baroka? (Vakio ny Lioka 21:34-36.) Ahoana no anahafan’ny anti-panahy ny fiahian’i Jehovah, ka anaovan’izy ireo toa an’i Jeremia?—Vakio ny Galatianina 6:1.

Notahafin’ny Zanaka ny fitiavan’ny Ray

10. Nahoana no mety tsara raha i Jesosy no Lohan’ny fiangonana?

10 Tamin’ny alalan’ny mpaminanin’i Jehovah sy ny mpanompony tsy nivadika no nanehoan’i Jehovah ny fitiavany ny vahoakany, taloha. Ankehitriny dia i Jesosy Kristy, Lohan’ny fiangonana, no maneho izany. (Efes. 1:22, 23) Aseho ho toy ny zanak’ondry manana “maso fito” i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy. “Tsy inona ireo maso ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra irahina maneran-tany.” (Apok. 5:6) Tonga lafatra ny fahaiza-manavaka ananan’i Jesosy, noho ny herin’ny fanahy masina. Hitany koa ny maha isika antsika, ary tsy misy miafina aminy.

11. Inona no anjara asan’i Kristy, ary ahoana no anahafany ny Rainy?

11 Toa an’i Jehovah, dia tsy toy ny polisy manara-maso avy any an-danitra i Jesosy. Mandinika antsika amim-pitiavana izy. Anaram-boninahitra iantsoana azy ny hoe “Ray Mandrakizay”, ary mampahatsiahy antsika izany fa ny hanome fiainana mandrakizay ho an’izay mino azy no anjara asany. (Isaia 9:6) Lohan’ny fiangonana koa izy ka afaka mandrisika Kristianina vonon-kanampy sy matotra, indrindra fa ny anti-panahy, mba hampahery sy hanoro hevitra.—1 Tes. 5:14; 2 Tim. 4:1, 2.

12. a) Inona no fantatsika momba an’i Jesosy, avy amin’ny taratasy ho an’ireo fiangonana fito? b) Ahoana no anahafan’ireo anti-panahy an’i Kristy?

12 Hita ao amin’ireo taratasy ho an’ny anti-panahin’ny fiangonana fito tany Azia Minora fa tena miahy ny andian’ondry i Kristy. (Apok. 2:1–3:22) Nasehony tao fa fantany izay nitranga tao amin’ny fiangonana tsirairay, ary tena miahy ny mpanara-dia azy izy. Izany koa no izy ankehitriny, ary mihoatra noho izany aza, satria tanteraka mandritra ny “andron’ny Tompo” * ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy. (Apok. 1:10) Amin’ny alalan’ireo anti-panahy, izay miandry ny andian’ondry, matetika no ahatsapantsika ny fitiavan’i Kristy. Afaka mandrisika an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny izy mba hampionona sy hampahery na hanoro hevitra. (Efes. 4:8; Asa. 20:28; vakio ny Isaia 32:1, 2.) Raisinao ho fiahian’i Kristy anao ve ny ezaka ataon’ireo anti-panahy?

Fanampiana amin’ny fotoana mety

13-15. Ahoana no mety hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika? Manomeza ohatra.

13 Efa nivavaka mafy mba hahazo fanampiana ve ianao ary nahazo valim-bavaka, rehefa nisy Kristianina matotra nitsidika sy nampahery anao? (Jak. 5:14-16) Sa lahateny tany am-pivoriana na fanazavana tao amin’ny boky na gazetintsika no nanampy anao? Toy izany matetika no amalian’i Jehovah vavaka. Taorian’ny lahateny nataon’ny anti-panahy iray, ohatra, dia nanatona azy ny anabavy iray vao avy niharan’ny tsy rariny. Tsy nitaraina momba izay nanjo azy izy, fa nankasitraka lalina kosa ireo hevitra tao amin’ilay lahateny, satria nahakasika azy sady tena nampahery azy ilay izy. Soa ihany fa nivory izy tamin’izay!

14 Tena manampy ny vavaka. Mampiseho izany ity tantara ity: Nisy voafonja telo lahy nianatra Baiboly ary lasa mpitory tsy vita batisa. Nanao herisetra ny voafonja hafa, ka nisy tombontsoa maromaro nesorina tamin’izy rehetra. Tsy faly izy ireo, ary tapa-kevitra hikomy ka tsy hamerina ny vilia avy nihinanany, ny ampitso maraina. Sahiran-tsaina àry izy telo lahy. Raha mandray anjara amin’ilay fikomiana mantsy izy ireo, dia handika ilay torohevitr’i Jehovah ao amin’ny Romanina 13:1. Ho tezitra anefa ireo voafonja ka hamaly faty, raha tsy miray hina aminy izy ireo.

15 Tsy afaka nifampiresaka izy telo lahy, ary nivavaka mba hahazoana fahendrena. Hitan’izy ireo ny ampitso fa, hay, nitovy tanteraka ny fanapahan-keviny: Samy tsy hisakafo maraina izy ireo. Tsy nanana haverina izy telo lahy rehefa nanangona ny vilia ny mpiambina. Faly be izy ireo, satria akaiky ilay “Mpihaino vavaka”!—Sal. 65:2.

Miatrika ny hoavy amin-toky isika

16. Hita amin’ny asa fitoriana fa miahy ny olona liana i Jehovah. Hazavao.

16 Ny fitoriana maneran-tany no porofo iray hafa fa miahy ny olona tso-po i Jehovah, na aiza na aiza misy azy ireny. (Gen. 18:25) Matetika i Jehovah no mampiasa anjely mba hitarihana ny mpanompony ho any amin’ny olona liana, na dia mipetraka any amin’izay mbola tsy misy mpitory aza izy ireny. (Apok. 14:6, 7) Nisy anjely, ohatra, nirahiny nankany amin’i Filipo, mpitory tamin’ny taonjato voalohany. Naniraka an’i Filipo tany amin’ny manamboninahitra etiopianina iray ilay anjely, mba hanazava taminy ny Soratra Masina. Nandray ny vaovao tsara ilay manamboninahitra ary natao batisa ka lasa mpanara-dia an’i Jesosy. *Jaona 10:14; Asa. 8:26-39.

17. Nahoana isika no tsy tokony hanahy be loatra momba ny hoavy?

17 Mbola hitohy ny “fahoriana” nambara mialoha, arakaraka ny anatonan’ny farany. (Matio 24:8) Miakatra, ohatra, ny vidin-tsakafo satria mitombo ny isan’ny mponina, tsy ara-dalàna ny toetrandro, ary mikorontana ny toe-karena. Mihasarotra ny mahita asa, ary mety hoterena hiasa be ny manana asa. Na ahoana na ahoana, dia tsy tokony hanahy be loatra ny olona manao loha laharana ny fanompoany an’i Jehovah sy miezaka hanana ‘maso tsotra.’ Fantany mantsy fa tia azy Andriamanitra ka hiahy azy. (Matio 6:22-34) Diniho ny nikarakaran’i Jehovah an’i Jeremia, nandritra ny andro farany tany Jerosalema, tamin’ny taona 607 T.K.

18. Inona no porofo fa tia an’i Jeremia i Jehovah, nandritra ilay fahirano tao Jerosalema?

18 Nigadra tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina i Jeremia, rehefa hifarana ny fahirano nataon’ny Babylonianina tamin’i Jerosalema. Ahoana no hahazoany sakafo? Nigadra izy ka tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’ireo nanodidina azy. Nankahala azy anefa ny ankamaroan’ireo! Na izany aza, dia tsy nitoky tamin’olombelona i Jeremia, fa tamin’i Jehovah izay nampanantena fa hiahy azy. Nitana ny teniny ve i Jehovah? Izany tokoa! Nataony izay nahazoan’i Jeremia “mofo iray isan’andro ... mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.” (Jer. 37:21) Tsy maty i Jeremia sy Baroka sy Ebeda-meleka ary ny hafa, na teo aza ny mosary sy ny aretina ary ny zavatra hafa.—Jer. 38:2; 39:15-18.

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika eo am-piatrehana ny hoavy?

19 Marina tokoa fa “ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.” (1 Pet. 3:12) Faly ve ianao fa mandinika anao ilay Rainao any an-danitra? Mahatsiaro ho voaro sy milamin-tsaina ve ianao mahalala fa mijery anao izy mba hahasoa anao? Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hiara-mandeha amin’Andriamanitra foana, na inona na inona havoaky ny ampitso. Matokia fa hanara-maso akaiky an’ireo mpanompony tsy mivadika rehetra i Jehovah, toy ny ataon’ny ray be fitiavana.—Sal. 32:8; vakio ny Isaia 41:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Marina fa ny Kristianina voahosotra no tena voakasik’ireo taratasy ireo, nefa voakasika koa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra.

^ feh. 16 Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6-10 koa fa mitarika ny fitoriana i Jehovah. Voalaza ao fa “tsy navelan’ny fanahy masina” hitory tany Azia sy Bitynia i Paoly sy ny namany. Nasaina nankany Makedonia kosa izy ireo, ary nahita olona maro nandray tsara ny fitoriany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no ampisehoantsika fa ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’ isika?

• Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tia an’i Baroka izy?

• Ahoana no anahafan’i Jesosy, Lohan’ny fiangonana, ny Rainy?

• Ahoana no ampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika amin’izao fotoan-tsarotra izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nanahaka ny fiahian’i Jehovah i Jeremia, ary manao toy izany koa ny anti-panahy

[Sary, pejy 10]

Ahoana no anomezan’i Jehovah fanampiana amin’ny fotoana mety?