Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hanome Inona Ianao mba Hiainana Mandrakizay?

Vonona Hanome Inona Ianao mba Hiainana Mandrakizay?

Vonona Hanome Inona Ianao mba Hiainana Mandrakizay?

“Inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?”—MATIO 16:26.

1. Nahoana i Jesosy no nanda ny tenin’i Petera?

TSY nampino an’i Petera ny tenin’ilay Mpitarika tsy foiny! “Tsy niolakolaka” mantsy i Jesosy Kristy nilaza fa hijaly sy ho faty tsy ho ela izy. Niteny mafy azy i Petera hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” Azo antoka fa fitiavana no nahatonga an’i Petera hiteny izany. Nanome lamosina azy anefa i Jesosy ka nijery an’ireo mpianatra, izay diso hevitra toa an’i Petera koa angamba. Ary hoy izy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”—Marka 8:32, 33; Matio 16:21-23.

2. Inona no takina amin’ny tena mpianatra, araka ny tenin’i Jesosy?

2 Azon’i Petera ihany angamba ny anton’ilay valin-teny henjana, rehefa nanohy ny teniny i Jesosy. “Nantsoiny nankeo aminy ny vahoaka sy ny mpianany”, ka hoy izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva. Fa izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa dia hamonjy azy.” (Marka 8:34, 35) Mazava àry fa nadiva hanao sorona ny ainy i Jesosy, sady nanantena fa izay manara-dia azy koa dia tokony ho vonona hanao sorona ny ainy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hahazo valisoa be dia be izay manao izany.—Vakio ny Matio 16:27.

3. a) Inona avy no fanontaniana napetrak’i Jesosy tamin’ny mpihaino azy? b) Mety ho nampahatsiahy inona ilay fanontaniana faharoa?

3 Nametraka fanontaniana roa mampisaintsaina i Jesosy: “Inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy? Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” (Marka 8:36, 37) Mazava ny valin’ilay fanontaniana voalohany. Tsy misy soa azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy, satria tsy afaka mifaly amin’ny fananany izy raha tsy velona. Rehefa nipetraka ilay fanontaniana faharoa hoe: “Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?”, dia angamba tsaroan’ny mpihaino ilay fiampangan’i Satana tamin’ny andron’i Joba hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Mety ho marina izany ho an’ny tsy mpanompon’i Jehovah. Mahavita manao ny tsy tokony hatao mihitsy ny olona mba hahavelona azy. Tsy toy izany kosa ny Kristianina.

4. Nahoana no misy heviny lalina ho an’ny Kristianina ireo fanontanian’i Jesosy?

4 Fantatsika tsara ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany: Tsy hoe mba hahatonga antsika ho salama sy hanan-karena ary ho ela velona amin’izao fiainana izao, fa mba hiainantsika mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Ny fanantenana izany fiainana izany no sarobidy amintsika. (Jaona 3:16) Mety ho izao àry no fahazoan’ny Kristianina an’ilay fanontanian’i Jesosy voalohany: “Inona no soa azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa afoiny ny fanantenany hiaina mandrakizay?” Tsy misy soa azony mihitsy raha izany. (1 Jaona 2:15-17) Hanampy antsika hamaly an’ilay fanontaniana faharoa ny fieritreretana hoe: ‘Vonona hamoy inona aho ankehitriny, mba ho azo antoka ny hiainako ao amin’ny tontolo vaovao?’ Ny valin’io fanontaniana io no ahitana eo amin’ny fiainantsika, raha latsa-paka ao am-pontsika ilay fanantenana.—Ampitahao amin’ny Jaona 12:25.

5. Ahoana no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay?

5 Tsy te hilaza i Jesosy hoe homena ho tambin’izay ataontsika ny fiainana mandrakizay. Fanomezana ny fiainana, eny fa na dia izao fiainana fohy ananantsika izao aza. Tsy voavidy vola izany, sady tsy misy azontsika atao mba hahatonga antsika ho mendrika an’izany. Fanomezana ny fiainana mandrakizay, ka ny hany fomba hahazoantsika azy, dia ny “finoana an’i Kristy Jesosy” sy Jehovah ilay “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Gal. 2:16; Heb. 11:6) Tsy maintsy aseho amin’ny atao anefa ny finoana, satria ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jak. 2:26) Rehefa misaintsaina ny fanontanian’i Jesosy àry isika, dia tsara ny hieritreretana hoe vonona hamoy inona avy isika eto amin’ity tontolo ity, ary vonona hanao inona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, mba hampisehoana fa velona tokoa ny finoantsika?

‘Tsy nanao izay nahafaly ny tenany i Kristy’

6. Inona no nifantohan’i Jesosy?

6 Tsy nijery ireo zavatra teo amin’ilay tontolo tamin’ny androny i Jesosy, fa nifantoka tamin’izay zava-dehibe kokoa. Koa nanohitra ny fakam-panahy ho lasa mpanankarena izy. Nahafoy tena sy nankatò an’Andriamanitra foana izy. Tsy izay nahafinaritra ny tenany no nataony, fa hoy izy: ‘Manao izay sitrak’Andriamanitra foana aho.’ (Jaona 8:29) Vonona hamoy inona anefa i Jesosy mba hampifaliana an’Andriamanitra?

7, 8. a) Inona no nafoin’i Jesosy, ary inona no valisoa azony? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

7 Nilazany ny mpianany hoe ‘ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Talohan’izay, rehefa nampiomana ny mpanara-dia azy izy hoe “hanome ny ainy”, dia nampirisika azy mba ho tsara fanahy tamin’ny tenany i Petera. Tsy nampiova hevitra azy anefa izany. Nafoiny an-tsitrapo ho an’ny olombelona ny ainy lavorary. Tsy tia tena i Jesosy, ka azo antoka ny hoaviny. Natsangana tamin’ny maty izy, ary “nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra.” (Asa. 2:32, 33) Ohatra tsara ho antsika àry izy.

8 Nampirisihin’ny apostoly Paoly ny Kristianina tany Roma mba “tsy hanao izay mahafaly” ny tenan’izy ireo, ary nampahatsiahiviny fa ‘na i Kristy aza tsy nanao izay nahafaly ny tenany.’ (Rom. 15:1-3) Vonona hanao inona isika mba hampiharana an’io torohevitra io, ary vonona hamoy inona avy ho fanahafana an’i Kristy?

Ny tsara indrindra no tian’i Jehovah

9. Inona no dikan’ny hoe manolo-tena ho an’Andriamanitra?

9 Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tokony hafahana ny mpanompo hebreo amin’ny taona fahafito nanompoany, na amin’ny taon-jobily. Raha tiany anefa ny tompony, dia afaka mifidy ny ho mpanompo mandritra ny androm-piainany izy. (Vakio ny Deoteronomia 15:12, 16, 17.) Toy izany koa isika rehefa mifidy ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Manaiky an-tsitrapo isika hoe hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy izay tiantsika. Asehontsika amin’izany fa tena tia an’i Jehovah isika ary maniry hanompo azy mandrakizay.

10. Rahoviana isika no lasa fananan’Andriamanitra? Ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny faniriantsika sy ny ataontsika?

10 Deraina ianao raha efa miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy efa mitory ary mivory. Antenainay fa haniry hanolo-tena ho an’i Jehovah ianao tsy ho ela, ka hiteny toa an’ilay Etiopianina nanontany an’i Filipo hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” (Asa. 8:35, 36) Amin’izay ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia ho toy ny an’ireo Kristianina nanoratan’i Paoly hoe: “Tsy anareo intsony koa ny tenanareo, fa voavidy ianareo.” (1 Kor. 6:19, 20) An’i Jehovah isika rehefa nanolo-tena ho azy, na ho any an-danitra na ho eto an-tany ny fanantenantsika. Tena ilaintsika resena àry ny faniriana feno fitiavan-tena, ary tsy tokony hanaiky “ho lasa mpanompon’olona intsony” isika! (1 Kor. 7:23) Voninahitra ny hoe mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, ka azony ampiasaina araka izay tiany!

11. Inona no sorona asaina atolotry ny Kristianina? Ary inona no dikan’izany raha dinihina ny sorona natolotra teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy?

11 Hoy i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Miangavy anareo aho mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Rom. 12:1) Angamba izany nampahatsiahy an’ireo Kristianina jiosy momba ny sorona biby nataony tamin’izy mbola tsy nanara-dia an’i Jesosy. Fantatr’izy ireo fa teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy dia izay biby tsara indrindra no tsy maintsy natolotra ho an’i Jehovah teo amin’ny alitara. Tsy nankasitrahana izay nisy kilema. (Mal. 1:8, 13) Mihatra koa izany rehefa manolotra ny tenantsika ho “sorona velona” isika. Ny tsara indrindra no omentsika an’i Jehovah, fa tsy izay ambinambiny tsy lany nanaovana ny sitrapontsika. Rehefa manolo-tena ho an’Andriamanitra isika, dia omentsika azy manontolo ny fiainantsika, anisan’izany ny herintsika sy ny fananantsika ary ny fahaizantsika. (Kol. 3:23) Ahoana no isehoan’izany eo amin’ny fiainantsika?

Ampiasao amim-pahendrena ny fotoananao

12, 13. Ahoana no anomezantsika an’i Jehovah ny tsara indrindra?

12 Manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah isika rehefa mampiasa ny fotoanantsika amim-pahendrena. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Mitaky fifehezan-tena izany. Noho ny fitaoman’ity tontolo ity sy noho isika tsy lavorary mantsy, dia mirona handany fotoana amin’izay mahafinaritra antsika sy ho tombontsoantsika fotsiny isika. Marina fa “ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy”, anisan’izany ny fialam-boly, sy ny asa fivelomana izay ahafahantsika manatontosa ny adidintsika Kristianina. (Mpito. 3:1) Mila mahay mandanjalanja anefa ny Kristianina vita fanoloran-tena, ka hampiasa ny fotoanany amim-pahendrena.

13 Voamarik’i Paoly, tamin’izy tany Atena, fa ‘ny firesahana na fihainoana zava-baovao no fandanian’andron’ny Atenianina sy ny vahiny rehetra nandalo tao.’ (Asa. 17:21) Lany fotoana amin-javatra toy izany koa ny olona maro ankehitriny. Anisan’ny fialam-boly ankehitriny ny tele, ny lalao video, ary ny Internet. Mihabetsaka foana koa ny fialam-boly mandany fotoana. Mety hanao tsirambina ny fianarana momba an’i Jehovah isika, raha lany fotoana amin’ireny fialam-boly ireny. Mety hihevitra mihitsy aza isika fa tsy manam-potoana hanaovana izay “zava-dehibe kokoa”, dia ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Fil. 1:9, 10.

14. Inona avy no fanontaniana mila dinihina tsara?

14 Raha mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena àry ianao, dia manontania tena hoe: ‘Ao anatin’ny fandaharam-potoanako isan’andro ve ny famakiana Baiboly sy ny fisaintsainana ary ny vavaka?’ (Sal. 77:12; 119:97; 1 Tes. 5:17) ‘Manokana fotoana hanomanana fivoriana kristianina ve aho? Manome valin-teny any am-pivoriana ve aho, ka mampahery ny hafa?’ (Sal. 122:1; Heb. 2:12) Lazain’ny Baiboly fa i Paoly sy Barnabasy, dia ‘nitory ela ary nanao izany tamim-pahasahiana araka ny fahefana nomen’i Jehovah.’ (Asa. 14:3) Misy fanovana azonao atao ve mba handaniana fotoana “ela” izany hoe fotoana betsaka kokoa, amin’ny fitoriana, na hanaovana mpisava lalana mihitsy aza.—Vakio ny Hebreo 13:15.

15. Inona no ataon’ny anti-panahy mba hampiasana ny fotoanany amim-pahendrena?

15 “Nijanona elaela niaraka tamin’ny mpianatra” ny apostoly Paoly sy Barnabasy, rehefa nitsidika ny fiangonana kristianina tany Antiokia, mba hampaherezana azy ireo. (Asa. 14:28) Mandany fotoana betsaka mba hampaherezana ny hafa toy izany koa ny anti-panahy be fitiavana ankehitriny. Manompo eny amin’ny saha izy ireo sady miasa mafy ho an’ny andian’ondry, mitady ny ondry very, manampy ny marary, ankoatra ny andraikiny maro eo anivon’ny fiangonana. Ry rahalahy vita batisa, afaka miezaka hahazo an’ireny tombontsoam-panompoana ireny ve ianao, rehefa jerena ny toe-javatra misy anao?

16. Inona avy no azo atao mba ‘hanaovan-tsoa amin’ny mpiray finoana’?

16 Betsaka no faly manampy an’ireo niharan-doza na tra-boina vokatry ny nataon’ny olona na noho ny loza voajanahary. Imbetsaka, ohatra, ny anabavy iray 60 taona mahery no nirotsaka an-tsitrapo hanao dia lavitra mba hanampy tra-boina. Mpiasan’ny Betela izy, ary nolaniny tamin’izany ny andro tsy iasana nananany. Nahoana? Hoy izy: “Tsy manana fahaizana manokana aho, nefa tena nahafinaritra ahy ny nanao izay nampanaovina ahy. Tena nampahery ahy ny nahita ny finoana matanjak’ireo anadahiko sy rahavaviko izay namoy fananana be dia be.” Maro be koa eran-tany no manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe. ‘Manao soa amin’ny mpiray finoana amintsika’ isika rehefa manao toy izany.—Gal. 6:10.

“Homba anareo foana aho”

17. Vonona hamoy inona ianao mba hahazoana fiainana mandrakizay?

17 Hanjavona tsy ho ela izao tontolo izao lavitra an’Andriamanitra. Tsy fantatsika hoe rahoviana marina izany no hitranga. Fantatsika kosa fa “efa kely sisa ny fotoana tavela” ary “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” (Vakio ny 1 Korintianina 7:29-31.) Tena mitombina àry ilay fanontanian’i Jesosy hoe: “Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” Na inona na inona asain’i Jehovah afointsika, dia vonona hanao izany isika mba hahazoana ny “tena fiainana.” (1 Tim. 6:19) Tsy maintsy arahintsika àry ny fampirisihan’i Jesosy mba ‘hanaraka azy mandrakariva’ sy ‘hikatsaka aloha ny fanjakana.’—Matio 6:31-33; 24:13.

18. Matoky ny amin’ny inona isika, ary nahoana?

18 Marina fa tsy mora indraindray ny manara-dia an’i Jesosy, ary nisy mihitsy aza namoy ny ainy, araka ny efa voalaza mialoha. Toa an’i Jesosy anefa, dia mitandrina isika mba tsy halaim-panahy ho ‘tsara fanahy amin’ny tenantsika.’ Inoantsika kosa ny toky nomeny an’ireo mpianany voahosotra tamin’ny taonjato voalohany hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Aoka àry isika hampiasa, araka izay farany azontsika atao, ny fotoanantsika sy ny fahaizantsika amin’ny fanompoana masina. Asehontsika amin’izany fa matoky isika hoe hiaro antsika i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe, na hanangana antsika amin’ny maty izy ao amin’ny tontolo vaovao. (Heb. 6:10) Ho voaporofontsika amin’izay fa tena sarobidy amintsika ilay fanomezana azontsika, dia ny fiainana.

Ahoana no Havalinao?

• Niavaka ny fahavononan’i Jesosy hanompo an’Andriamanitra sy ny olona. Ahoana no nampisehoany izany?

• Nahoana no ilaina ny mandà tena, ary ahoana no hanaovana izany?

• Sorona nanao ahoana ihany no nankasitrahan’i Jehovah teo amin’ny Israely? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

• Ahoana no ampiasantsika ny fotoanantsika amim-pahendrena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Nanao izay sitrak’Andriamanitra foana i Jesosy

[Sary, pejy 28]

Nanome ny tsara indrindra hanohanana ny fivavahana marina ireo Israelita nahay nankasitraka

[Sary, pejy 29]

Mampifaly an’Andriamanitra isika rehefa mampiasa ny fotoanantsika amim-pahendrena