Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Aoka Isika Hiezaka Hampisy Fihavanana’

‘Aoka Isika Hiezaka Hampisy Fihavanana’

‘Aoka Isika Hiezaka Hampisy Fihavanana’

TOY ny tsy ho simba mihitsy ny arabe iray vaovao. Mety hanjary ho triatra anefa ilay izy na hisy lavaka. Tokony hamboarina àry ilay arabe mba ho tsara foana ka tsy hampidi-doza.

Toy izany koa fa mety hisy disadisa eo amintsika sy ny hafa, na mety tsy hifandray aminy mihitsy isika. Niaiky ny apostoly Paoly fa tsy nitovy fomba fihevitra ny Kristianina tany Roma. Nanoro hevitra ny mpiray finoana taminy àry izy hoe: ‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.’ (Rom. 14:13, 19) Nahoana isika no tokony “hiezaka hampisy fihavanana”, ary ahoana no hahavitantsika izany?

Antony itandroana fihavanana

Mety hitatra ny triatra kely eny amin’ny arabe rehefa tsy amboarina, ka ho lasa lavaka be mampidi-doza. Mety ho tena ratsy koa ny vokany, rehefa tsy alamina ny tsy fifanarahana. Hoy ny apostoly Jaona: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20) Mety hahatonga ny Kristianina hankahala ny rahalahiny ny tsy fifanarahana, rehefa tsy alamina.

Tsy hankasitraka ny fanompoantsika azy i Jehovah, raha tsy mihavana amin’ny hafa isika. Hoy mantsy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.” (Matio 5:23, 24) Ny tena antony hitandroantsika fihavanana àry, dia mba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra. *

Manasongadina antony hafa itandroana fihavanana ny zava-nisy teo anivon’ny fiangonan’i Filipy. Nisy olana teo amin’ny anabavy kristianina roa, dia i Eodia sy Syntyke. Tsy fantatsika ilay olana, nefa nety ho nanakorontana ny fiangonana izany. (Fil. 4:2, 3) Vetivety dia ho fantatr’olona ny tsy fifanarahana rehefa tsy alamina. Mitandro fihavanana amin’ny mpiray finoana àry isika, satria te hiaro ny fifankatiavana sy ny firaisan-tsain’ny fiangonana.

“Sambatra ny mpampihavana”, hoy i Jesosy. (Matio 5:9) Mahita fifaliana sy afa-po ny olona tia fihavanana. Mihatsara koa ny fahasalamany, satria “mamelombelona ny vatana ny fo tony.” (Ohab. 14:30) Mety ho mora marary kosa ny mpanao an-dolompo.

Miaiky ny ankamaroan’ny Kristianina fa ilaina ny mitandro fihavanana. Ahoana àry no handaminana tsy fifanarahana? Andeha hojerentsika ny toro lalan’ny Baiboly.

Miresaha amim-pahatoniana

Matetika no tampenana ireo triatra kely eny amin’ny arabe. Toy ny hoe manampina na manarona ny fahadisoana madinika nataon’ny rahalahintsika koa isika, raha mamela izany. Tsy fifanarahana maro no ho voalamina, raha manao izany isika. Hoy mantsy ny apostoly Petera: “Manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Pet. 4:8.

Mety ho lehibe anefa ilay olana, ka tsy ho azo avela amin’izao fotsiny. Diniho izay nitranga taoriana kelin’ny nahazoan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. Nanorina ‘alitara lehibe ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase’, talohan’ny niampitany ny Reniranon’i Jordana. Nihevitra ireo foko hafa fa natao hanompoan-tsampy ilay alitara, ka tsy azo navela tamin’izao fotsiny. Niomana ny hanafika àry izy ireo.—Josoa 22:9-12.

Nihevitra angamba ny Israelita sasany fa ampy tsara ny porofo hoe tena tsy nety ny nataon’ireo Israelita namany, ary raha tafihina tampoka izy ireo dia ho vitsy ny haratra sy ho faty. Tsy nanao zavatra maimaika anefa ireo foko hafa. Naniraka solontena kosa izy ireo mba handamina an’ilay olana. Hoy ireo iraka ireo: “Ahoana izao fivadihanareo amin’ny Andriamanitry ny Israely izao? Nahoana ianareo ankehitriny no miala tsy manaraka an’i Jehovah?” Fanendrikendrehana izany satria tsy nivadika tamin’i Jehovah ireo foko nanorina an’ilay alitara. Inona no nasetrin’izy ireo izany? Nifamaly tamin’ireo iraka ve izy ireo, sa tsy nety hiresaka? Nohazavain’izy ireo tsara tamim-pahalemem-panahy, fa ny faniriany hanompo an’i Jehovah no nanorenany an’ilay alitara. Tsy simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra noho izany, ary aina maro no voatsimbina. Nilamina ilay olana ary niverina tamin’ny laoniny ny fihavanan’izy ireo, rehefa noresahina tamim-pahatoniana ilay raharaha.—Josoa 22:13-34.

Nifampidinika tamin’ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ireo foko hafa, talohan’ny hanaovany zavatra hentitra. Hoy ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpit. 7:9) Ampirisihin’ny Soratra Masina hiresaka amim-pahatoniana sy tsy an-kifonofono isika, rehefa mandamina tsy fifanarahana lehibe. Manantena hotahin’i Jehovah ve isika raha manana lolompo amin’izay heverintsika ho nanao fahadisoana tamintsika, ary tsy manatona azy?

Ahoana indray raha manatona antsika ny Kristianina iray ka milaza fa nanafintohina azy isika, ary angamba tsy marina akory ilay fiampangana? Hoy ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.” (Ohab. 15:1) Azo antoka fa nihenjan-droa ny tady, teo amin’ireo fokon’ny Israely. Nitony anefa ny fahatezerana rehefa nanazava tsara tamim-pahalemem-panahy ny antony nanorenany an’ilay alitara ireo Israelita voaendrikendrika. Na isika no hanatona ny rahalahintsika, na izy no hanatona antsika mba handamina olana, dia tsara ny hieritreretana hoe: ‘Inona no teny na fihetsika mety mba hitandroana fihavanana, ary tokony hanao ahoana ny feoko eo am-piresahana aminy?’

Ampiasao amim-pahendrena ny lela

Fantatr’i Jehovah fa ilaintsika ny mamboraka ny zavatra mampanahy antsika. Rehefa tsy voalamina anefa ny tsy fifanarahana, dia halaim-panahy hitantara izany amin’ny hafa isika. Mety hanakiana an’ilay olona isika noho ny lolompo. Hoy ny Ohabolana 11:11 momba ny tsy fahaizana mampiasa ny lela: ‘Rava ny tanàna noho ny tenin’ny ratsy fanahy.’ Mety hikorontana koa ny fiangonana, izay oharina amin’ny tanàna, raha milaza zavatra ratsy momba ny Kristianina iray isika.

Ny hoe mitandro fihavanana akory tsy midika hoe tsy mahazo miresaka momba an’ireo rahalahy sy anabavy mihitsy isika. Nanoro hevitra ny apostoly Paoly hoe: ‘Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino. Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka.’ (Efes. 4:29-32) Ahoana raha manatona anao ny rahalahy iray satria nanafintohina azy ny teninao na ny nataonao? Tsy ho mora kokoa aminao ve ny hangata-pamelana sy hamitram-pihavanana aminy, raha niresaka zavatra tsara momba anao izy? Toy izany koa fa raha zatra miresaka zavatra tsara momba ny mpiray finoana amintsika isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hihavana aminy rehefa misy olana.—Lioka 6:31.

Manompoa an’Andriamanitra “amim-piraisan-kina”

Mora mihatakataka amin’izay nanafintohina antsika isika, noho isika mpanota. Tsy fahendrena anefa izany. (Ohab. 18:1) Samy miantso ny anaran’i Jehovah isika vahoakany, ka tapa-kevitra ny ‘hanompo azy amim-piraisan-kina.’—Zef. 3:9.

Tsy tokony havelantsika hampihena ny zotom-pontsika amin’ny fivavahana madio, ny teny na zavatra tsy mety ataon’ny olona. Diniho izao: Andro vitsivitsy sisa tamin’izay dia hanao sorona ny ainy i Jesosy ka tsy hanan-kery intsony ny fanatitra tao amin’ny tempoly. Vao avy nanameloka ny mpanora-dalàna koa izy tamin’izay. Nisy mpitondratena mahantra iray hitany nandrotsaka “ny fivelomany rehetra” tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly. Nosakanany ve ilay vehivavy? Tsia. Noderainy kosa izy satria nanohana ny fiangonan’i Jehovah. (Lioka 21:1-4) Mbola nila nanohana ny fivavahana tamin’i Jehovah foana ilay vehivavy, na dia nanao ny tsy marina aza ny olona sasany.

Inona no hataontsika raha tsapantsika fa tsy nety, na tsy rariny mihitsy aza, ny nataon’ny rahalahy na anabavy iray? Tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo intsony ve isika, sa hisikina herim-po ka handamina izay tsy fifanarahana misy? Hitandro ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana isika raha manao izany. Tena sarobidy izany fihavanana izany.

Hoy ny Soratra Masina: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” (Rom. 12:18) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hanaraka izany torohevitra izany, ka tsy hiala eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Miresaka momba ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17 Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1999, pejy 17-22.

[Sary, pejy 17]

Nila nitandro fihavanana i Eodia sy Syntyke

[Sary, pejy 18]

Inona no teny na fihetsika mety mba hitandroana fihavanana, ary tokony hanao ahoana ny feoko eo am-piresahana aminy?