Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Horonam-boky Misy “Ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina”

Horonam-boky Misy “Ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina”

Horonam-boky Misy “Ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina”

NISY sombina horonam-boky amin’ny teny hebreo, nosoratana tamin’ny taonjato fahafito na fahavalo A.K., naseho tao amin’ny Tranombakok’i Israely, any Jerosalema, ny 22 Mey 2007. Ny Eksodosy 13:19–16:1 no ao anatiny, ary anisany ilay hira nataon’ny Israelita, taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny Ranomasina Mena. Antsoina hoe “Ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina” io hira io. Inona no mampiavaka ilay horonam-boky?

Ny daty nanoratana azy no mampiavaka azy. Nosoratana teo anelanelan’ny taonjato fahatelo T.K. sy ny taonjato voalohany A.K., ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Ampahany amin’ny Baiboly natao sora-tanana hebreo izy ireo, ary efa tranainy be. Talohan’ny nahitana azy, 60 taona lasa teo ho eo izay, dia ny Aleppo Codex no tranainy indrindra. Nosoratana tamin’ny taona 930 A.K. izy io. Tsy nisy sora-tanana hebreo amin’ny Baiboly hita intsony teo anelanelan’ireo taona ireo, afa-tsy sombiny vitsivitsy.

Tena tsara àry ny nahitana an’ilay sora-tanana misy an’ilay hira, araka ny tenin’i James Snyder, talen’ny Tranombakok’i Israely. Hita mantsy fa nosoratana teo anelanelan’ny fotoana nanoratana ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ny Aleppo Codex izy io. Nilaza koa izy fa ny sora-tanana toy ireny dia ‘porofo miavaka fa tsy novaovana mihitsy ny teny ao amin’ny Baiboly.’

Voalaza fa tao amin’ny synagoga iray any Le Caire, any Ejipta, no nahitana an’ilay sombina horonam-boky, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Tsy fantatr’ilay nahita azy anefa ny hasarobidiny, raha tsy nanontany manam-pahaizana izy, taloha kelin’ny 1980. Nofantarina àry ny daty nanoratana an’ilay horonam-boky, nefa tsy naseho izy io raha tsy tao amin’ilay tranombakoka.

Nanazava ny maha sarobidy azy io i Adolfo Roitman, anisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ilay tranombakoka. Nilaza izy fa azo inoana hoe ny Masoreta no nanao an’io horonam-boky io, tamin’ny taonjato faha-7 na faha-8. Mpanao kopia ny Baiboly nandritra ny taonjato maro izy ireo, nefa tsy novany mihitsy ny fomba nandikany azy io. Mahavariana fa mitovy tanteraka amin’ilay hira ao amin’ny Baiboly ankehitriny ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina.

Tenin’i Jehovah ny Baiboly, ka izy no tena nahatonga azy io tsy hiova. Nitandrina be koa ireo nanao kopia azy io. Tena azo itokisana àry ny Baiboly ampiasaintsika ankehitriny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Courtesy of Israel Museum, Jerusalem