Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miray Fo sy Saina’ eo Am-panompoana An’Andriamanitra

‘Miray Fo sy Saina’ eo Am-panompoana An’Andriamanitra

‘Miray Fo sy Saina’ eo Am-panompoana An’Andriamanitra

FETIN’NY Pentekosta taona 33 tamin’izay, tao Jerosalema. Nitangorona teo amin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy ny Jiosy sy ireo olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy. Ny sasany avy tany Roma, any andrefan’i Jerosalema, ary ny hafa avy tany Partia, any atsinanana. Nandre ny mpianatr’i Jesosy niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo. Galilianina anefa ny mpianatr’i Jesosy. Gaga ireo vahiny, ka hoy ny sasany: “Ahoana no andrenesantsika azy miteny amin’ny fitenin-drazantsika avy?”—Asa. 2:8.

Nitsangana ny apostoly Petera ka nanazava ny anton’ilay fahagagana. Resy lahatra avy hatrany ilay vahoaka, ka an’arivony no natao batisa! (Asa. 2:41) Nitombo haingana ny fiangonana, nefa niray saina hatrany. Hoy i Lioka, mpanoratra Baiboly: “Iray fo sy iray saina ny olona maro be tonga mpino.”—Asa. 4:32.

Naniry hijanona elaela tao Jerosalema ireo olona an’arivony vita batisa, satria te handalina bebe kokoa momba ny finoany vaovao. Tsy nanomana vatsy ampy ho amin’izany anefa izy ireo. Nisy fanangonam-bola natao àry. Nivarotra an-tsitrapo ny fananany ny mpino sasany, ary nitondra ny vidin’izany tany amin’ny apostoly, mba hozaraina amin’ireo tsy manana. (Asa. 2:42-47) Be fitiavana sy nalala-tanana tokoa izy ireo!

Manana toetra tsara toy izany foana ny tena Kristianina. Mbola ‘miray fo sy saina’ hatrany ny fiangonana kristianina ankehitriny, eo am-panompoana an’i Jehovah. Malala-tanana ny Kristianina tsirairay ka mahafoy fotoana sy vola ary mandany hery, mba hitoriana ny vaovao tsara sy hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Jereo ilay efajoro hoe “Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Anaovana Fanomezana.”

[Efajoro, pejy 6, 7]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana vola harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ny vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireny.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, raha mbola velona izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana ara-pivavahana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37

B.P. 116

105 Ivato