Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’

Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’

Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’

‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’—JAK. 4:7.

1. Iza no efa fantatr’i Jesosy fa hanohitra azy etỳ an-tany, ary hanao ahoana no hiafaran’izany?

EFA fantatr’i Jesosy Kristy fa hanohitra azy ny Devoly. Izao tokoa mantsy no nolazain’Andriamanitra tamin’ilay anjely ratsy niteny tamin’ny alalan’ny menarana: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy [ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra], ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io [Jesosy Kristy], ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Gen. 3:14, 15; Apok. 12:9) Haratra àry ny voditongotr’i Jesosy. Midika izany fa hovonoina ho faty izy etỳ an-tany, nefa ho vetivety ihany ny hahafatesany, satria hanangana azy ho amin’ny voninahitra any an-danitra i Jehovah. Ho torotoro kosa ny lohan’ilay menarana, izany hoe, hovonoina ho faty ny Devoly ka ho vita hatreo ny aminy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:31, 32; Hebreo 2:14.

2. Nahoana i Jehovah no natoky fa hahatohitra ny Devoly i Jesosy?

2 Natoky tanteraka i Jehovah fa ho vitan’i Jesosy tsara ny asa nanirahana azy, ary hahatohitra ny Devoly izy etỳ an-tany. Nahoana? Satria efa ela be no namoronany an’i Jesosy tany an-danitra, ka nandinika azy izy ary nahalala fa hankatò sy tsy hivadika aminy io “mpiasa tena mahay” sy “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” io. (Ohab. 8:22-31; Kol. 1:15) Rehefa nirahina ho etỳ an-tany àry i Jesosy, dia natoky Andriamanitra fa hivoaka ho mpandresy io Zanany lahitokana io, na dia avela hitsapa azy hatramin’ny fahafatesana aza ny Devoly.—Jaona 3:16.

Miaro ny mpanompony i Jehovah

3. Inona no ataon’ny Devoly amin’ny mpanompon’i Jehovah?

3 Ny Devoly no “mpitondra an’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. Nampiomana ny mpianany àry izy fa henjehina toa azy koa izy ireo. (Jaona 12:31; 15:20) Eo ambany fahefan’i Satana Devoly izao tontolo izao. Ankahalaina àry ny tena Kristianina, satria manompo an’i Jehovah sy mitory ny fahamarinana. (Matio 24:9; 1 Jaona 5:19) Ny sisa voahosotra, izay hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, no tena ataon’ny Devoly lasibatra. Ataony lasibatra koa anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah maro be, izay manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”—1 Pet. 5:8.

4. Inona no porofo fa mahatohitra ny Devoly isika vahoakan’Andriamanitra?

4 Tahin’i Jehovah Andriamanitra ny fandaminany ka mahatohitra ny Devoly. Diniho izao: Niezaka namongotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’ireo mpitondra jadona indrindra teto an-tany, tao anatin’ny 100 taona lasa. Mitombo foana anefa ny isantsika ka efa ho fito tapitrisa isika izao, any amin’ireo fiangonana iray hetsy mahery eran-tany. Ireo mpitondra jadona nanenjika ny vahoakan’i Jehovah kosa no efa tsy eo intsony!

5. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 54:17 amin’ny mpanompon’i Jehovah?

5 Izao no fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny fiangonan’Israely fahiny, izay nantsoiny hoe “vehivavy”: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah, sy fahamarinany avy amiko.” (Isaia 54:11, 17) Tanteraka amin’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany io fampanantenana io, amin’izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1-5, 13) Toherintsika foana ny Devoly, ary tsy misy mahomby izay fiadiana ampiasainy hanafoanana antsika, satria momba antsika i Jehovah.—Sal. 118:6, 7.

6. Inona no hoavy miandry ny fanjakan’ny Devoly, araka ny faminanian’i Daniela?

6 Ho foana tanteraka ny zavatra rehetra nampiasain’i Satana mba hifehezana ny olona, rehefa hifarana ity tontolo ratsy ity. Mihamanatona haingana izany fotoana izany. Hoy i Daniela mpaminany, teo ambany herin’ny fanahy masina: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [ankehitriny] ireo, dia hanorina fanjakana [any an-danitra] tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra [ankehitriny] ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Dan. 2:44) Ho foana ny fitondran’i Satana sy ny an’ny olombelona tsy lavorary rehefa ho tanteraka izany. Tsy hisy intsony ny tontolon’ny Devoly. Ny Fanjakan’Andriamanitra kosa no hitondra ny tany manontolo, ary tsy hisy hanohitra intsony.—Vakio ny 2 Petera 3:7, 13.

7. Ahoana no ahalalantsika fa hahavita hanohitra ny Devoly isika isam-batan’olona?

7 Azo antoka fa ho voaro sy hiroborobo ny fandaminan’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 125:1, 2.) Ary isika? Milaza ny Baiboly fa hahavita hanohitra ny Devoly isika, toa an’i Jesosy. Asehon’ilay faminaniana nampitain’i Kristy tamin’ny alalan’ny apostoly Jaona, fa na eo aza ny fanoheran’i Satana, dia hisy “vahoaka be” ho tafavoaka velona rehefa hifarana ity tontolo ity. Manantena hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo, ary miantsoantso hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy].” (Apok. 7:9-14) Voalaza fa naharesy an’i Satana ny voahosotra, ary mahatohitra azy koa ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16; Apok. 12:10, 11) Mitaky ezaka mafy anefa izany, ary mila mivavaka mafy isika mba ‘hanafahana antsika amin’ilay ratsy.’—Matio 6:13.

Ilay Modely tonga lafatra

8. Inona no fakam-panahy voalohany namandrihan’ny Devoly an’i Jesosy, kanefa ahoana no nataony?

8 Nataon’ny Devoly izay hivadihan’i Jesosy. Naka fanahy an’i Jesosy i Satana tany an-tany efitra, mba hahatonga azy tsy hankatò an’i Jehovah. Nanohitra an’i Satana anefa i Jesosy ka nanome modely tonga lafatra ho antsika. Noana be i Jesosy rehefa avy nifady hanina 40 andro sy 40 alina, ka hoy i Satana: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Marina fa nanome hery an’i Jesosy i Jehovah, nefa tsy nety nampiasa izany ho tombontsoan’ny tenany izy. Hoy kosa izy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’ ”—Matio 4:1-4; Deot. 8:3.

9. Hararaotin’ny Devoly ny faniriana voajanahary ao amintsika. Nahoana isika no tsy maintsy manohitra izany?

9 Manana faniriana voajanahary ny mpanompon’i Jehovah, ary hararaotin’ny Devoly izany. Tsy maintsy tapa-kevitra hanohitra ny fakam-panahy haloto fitondran-tena àry isika, na dia tena fahita eo amin’ity tontolo ity aza izany. Manantitrantitra ny Baiboly hoe: “Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Kor. 6:9, 10) Tsy hahazo hiditra ao amin’ny tontolo vaovao àry ny olona maloto fitondran-tena nefa tsy miova.

10. Inona ny fakam-panahy hafa namandrihan’i Satana an’i Jesosy, araka ny Matio 4:5, 6?

10 Hoy ny Soratra Masina, momba ny iray tamin’ireo fakam-panahy namandrihana an’i Jesosy tany an-tany efitra: “Nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ... ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly, ary niteny taminy hoe: ‘Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any. Fa voasoratra hoe: “Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny, ka hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato mihitsy ny tongotrao.” ’ ” (Matio 4:5, 6) Nampirisihin’i Satana hanaitra ny sain’ny olona i Jesosy mba hampisehoana fa izy no Mesia. Tsy mety anefa izany sady midika ho fieboeboana, ka tsy hankasitraka na hanampy azy amin’izany Andriamanitra. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Jesosy teto, ka nilaza an’ity andinin-teny ity: “Voasoratra koa anefa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’ ”—Matio 4:7; Deot. 6:16.

11. Mety haka fanahy antsika amin’ny inona i Satana, ary inona no mety ho vokatr’izany?

11 Mety haka fanahy antsika hitady voninahitra i Satana. Mety hitaona antsika haka tahaka ny lamaodin’izao tontolo izao eo amin’ny fitafiana sy taovolo izy, na hitaona antsika ho amin’ny fialam-boly mampisalasala. Raha tsy miraharaha ny torohevitry ny Baiboly anefa isika ka manahaka an’izao tontolo izao, hanantena ve isika fa hiaro antsika amin’ny voka-dratsin’izany ny anjely? Tsy voaro tamin’ny vokatry ny fahotany i Davida Mpanjaka, na dia nibebaka aza taorian’ilay fahotan’izy sy Batseba. (2 Sam. 12:9-12) Aoka àry isika tsy hanao zavatra tsy mety mba hitsapana toetra an’i Jehovah, angamba amin’ny fisakaizana amin’izao tontolo izao.—Vakio ny Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:15-17.

12. Inona ilay fakam-panahy voalaza ao amin’ny Matio 4:8, 9, ary ahoana no nataon’i Jesosy?

12 Mbola naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly tany an-tany efitra, ka nanolotra azy fahefana ara-politika. Nasehon’i Satana azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny, ka hoy izy: “Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” (Matio 4:8, 9) Izy no tiany hivavahana fa tsy i Jehovah, ka notarihiny hivadika tamin’Andriamanitra i Jesosy. Anjely tsy nivadika izy io taloha, nefa nanonofinofy ny hotompoina ka lasa Satana Devoly, izay mpaka fanahy feno fahotana sy fitsiriritana ary faharatsiam-panahy. (Jak. 1:14, 15) Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy ka nilaza hoe: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’ ” Notoherin’i Jesosy indray ny Devoly teo, ary nazava sy nivantana ny teniny. Tsy te hahazo ampahany amin’ny tontolon’i Satana izy, ary tsy hanompo an’io anjely ratsy io mihitsy!—Matio 4:10; Deot. 6:13; 10:20.

‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy’

13, 14. a) Inona no natolotry ny Devoly an’i Jesosy rehefa nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao? b) Inona no ataon’i Satana mba handotoana ny fontsika?

13 Fahefana mbola tsy nisy nanana mihitsy no natolotry ny Devoly an’i Jesosy, rehefa nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Nanantena i Satana fa hanintona an’i Jesosy izay hitan’ny masony, ka ho resy lahatra izy mba ho lasa mpitondra mahery indrindra eto an-tany. Tsy manolotra fanjakana ho antsika ny Devoly ankehitriny, fa miezaka kosa handoto ny fontsika amin’ny alalan’ny maso sy ny sofina ary ny saintsika.

14 Ny Devoly no mifehy an’izao tontolo izao, ka eo am-pelatanany koa ny haino aman-jery. Tsy mahagaga àry raha feno fitondran-tena maloto sy herisetra ireo zavatra vakina sy jerena ary henoina eto amin’ity tontolo ity. Ataon’ny dokam-barotra izay haniriantsika hahazo zavatra be dia be tsy ilaina akory. Tsy mitsahatra maka fanahy antsika amin-javatra mety hanintona ny maso sy ny sofina ary ny saina ny Devoly. Rehefa mandà tsy hamaky na hijery na hihaino zavatra raran’ny Baiboly anefa isika, dia toy ny milaza hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!” Manahaka an’i Jesosy àry isika, ka hentitra amin’ny fandavana ny tontolo maloton’i Satana. Hita koa fa tsy anisan’ny tontolon’i Satana isika, rehefa sahy mampahafantatra ny tenantsika hoe Vavolombelon’i Jehovah sy mpanara-dia an’i Kristy, any am-piasana, any am-pianarana, eo amin’ny manodidina, na amin’ny havantsika.—Vakio ny Marka 8:38.

15. Nahoana no mila mailo foana isika raha te hanohitra an’i Satana?

15 “Nandao [an’i Jesosy] ny Devoly” rehefa tsy nahavita nampivadika azy fanintelony. (Matio 4:11) Tsy nieritreritra ny hijanona hatreo anefa i Satana, satria hoy ny Baiboly: “Rehefa avy naka fanahy azy [tany an-tany efitra] tamin’izany rehetra izany ny Devoly, dia nandao azy mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Tokony hisaotra an’i Jehovah isika rehefa mahatohitra ny Devoly. Mila mitady fanampiana amin’Andriamanitra foana anefa isika, satria hiverina haka fanahy antsika ny Devoly amin’ny fotoana mety aminy, izay mety tsy hampoizintsika. Tsy maintsy mailo foana àry isika, ka tsy hitsahatra hanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah, na inona na inona fitsapana mahazo antsika.

16. Inona ilay hery lehibe omen’i Jehovah antsika, ary nahoana isika no tokony hangataka azy io amin’ny vavaka?

16 Tokony hivavaka isika mba hahazoana an’ilay hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia ny fanahin’Andriamanitra. Hanampy antsika hanohitra ny Devoly izy io, ka hahavita zavatra tsy ho vitantsika amin’ny herintsika isika. Nanome toky an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy fa azo atao tsara ny mahazo ny fanahin’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha ianareo, na dia [tsy lavorary ka azo lazaina hoe] ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!” (Lioka 11:13) Aoka àry isika hivavaka mba hahazoana ny fanahy masin’i Jehovah. Hivoaka ho mpandresy isika, raha manana an’io hery lehibe indrindra io rehefa manohitra ny Devoly. Mila mivavaka mafy tsy tapaka isika, sady mitafy an’ireo fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra, mba “ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.”—Efes. 6:11-18.

17. Inona ilay fifaliana nanampy an’i Jesosy hanohitra ny Devoly?

17 Nisy zavatra hafa nanampy an’i Jesosy hanohitra ny Devoly, ary afaka manampy antsika koa izany. Hoy ny Baiboly: “Niaritra hazo fijaliana [i Jesosy] noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” (Heb. 12:2) Ho faly tahaka azy koa isika raha manohana ny zon’i Jehovah hitondra, sy manome voninahitra ny anarany masina, ary manao an-tsaina foana ilay valisoa, dia ny fiainana mandrakizay. Fifaliana tsy omby tratra ny antsika rehefa ho foana mandrakizay i Satana sy ny asany rehetra, ary ‘handova ny tany ny mpandefitra, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be’! (Sal. 37:11) Tahafo àry i Jesosy ka tohero foana ny Devoly.—Vakio ny Jakoba 4:7, 8.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no porofo fa miaro ny vahoakany i Jehovah?

• Inona no modely navelan’i Jesosy tamin’ny nanoherany an’i Satana?

• Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anoherana ny Devoly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao

[Sary, pejy 31]

Notoloran’i Satana ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao i Jesosy, nefa nolaviny izany