Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Manao Ahoana no Tianao Hananana?

Toetra Manao Ahoana no Tianao Hananana?

Toetra Manao Ahoana no Tianao Hananana?

MAMO lava sy nahery setra ny lehilahy iray any Philippines, ka nanahirana olona foana. Niova be anefa izy, ka hoy ny lehiben’ny polisy tamin’ny mpisava lalana iray: “Ahoana no nataonao mba hampiova an’io lehilahy io?” Nanondro antontan-taratasy be dia be teo ambony latabany ilay polisy, ary nilaza hoe: “Ireo izao fitarainana momba azy daholo! Misaotra anao fa nihena iray ny mpanakorontana eto an-tanàna.” Inona tokoa no nampiova an’ilay lehilahy? Ny Tenin’Andriamanitra.

Maro koa no manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny, ka tafio ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra.’ (Efes. 4:22-24) Mila mitafy ny toetra vaovao tokoa izay rehetra te ho Kristianina, na be na kely ny fiovana tokony hataony.

Marina fa efa niova sy niezaka mafy ny olona iray, matoa mahafeno fepetra hatao batisa. Vao fanombohana ihany anefa izany. Ity misy ohatra: Rehefa manao sary sokitra ny mpanao asa tanana, dia amboariny aloha ny endriny amin’ny ankapobeny. Eo dia efa hitahita hoe sarin’inona ilay izy, saingy mbola misy tsipiriany maro mila atao mba hahatonga azy ho tsara tarehy. Toy izany koa fa mbola ny toetra kristianina amin’ny ankapobeny ihany no ananan’ny olona, rehefa atao batisa izy. Mila miezaka hatrany àry izy, mba tena hitafy ny toetra vaovao.

Nanaiky an’izany na dia i Paoly aza. Hoy izy: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Rom. 7:21) Midika izany fa niaiky izy hoe nila nanatsara ny toetrany. Azo antoka fa fantany ny tena toetrany sy ny toetra tiany hananana. Izany koa no tokony hataontsika. Mila mandini-tena isika hoe: ‘Hoatran’ny ahoana ny toetrako izao? Hoatran’ny ahoana anefa no tena tiako ho toetrako?’

Hoatran’ny ahoana ny toetrako?

Raha te hanavao trano efa antitra isika, dia tsy mety raha lokoana fotsiny ny ivelany, nefa efa boboka ny hazo ao anatiny. Hampidi-doza mantsy izany. Tsy mety koa àry raha mody tsara toetra etỳ ivelany fotsiny isika. Raha izany mantsy, dia mbola hipoitra ireo toetrantsika taloha. Ilaina kosa ny mandinika ny tena toetrantsika, ka manitsy izay tsy mety. (2 Kor. 13:5) Manampy antsika hanao izany i Jehovah. Amin’ny alalan’ny inona?

Hoy i Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Heb. 4:12) Tena afaka manova ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra. Manindrona hatrany anatintsika lalina izy io, toy ny hoe hatrany amin’ny tsoka, izay ao anatiny indrindra amin’ny taolana. Ahariharin’izy io ny eritreritsika sy ny antony anaovantsika zavatra. Mety hiseho ho tsara etỳ ivelany isika, na hihevitra hoe tsara ny toetrantsika. Ny Tenin’Andriamanitra anefa no tena mampiseho hoe hoatran’ny ahoana marina ny toetrantsika. Manampy antsika hahita ny fahalementsika tokoa izy io!

Rehefa manavao trano isika, dia tsy ampy koa ny manolo ny simba. Mila fantarina ny antony nahasimba an’ilay izy, mba tsy hiverenan’izany intsony. Toy izany koa fa tsy ampy ny mamantatra ny toetra ratsintsika. Mila fantarina kosa ny antony na ny mety ho nahatonga izany, mba handresena an’ilay izy. Maro, ohatra, ny zavatra mamolavola ny toetrantsika. Anisan’izany ny ray aman-dreny, namana, saranga, fari-piainana, kolontsaina, ary ny fivavahana. Mety handray anjara koa ny fandaharana sy filma jerentsika ao amin’ny tele, ary ny fialam-boly hafa. Raha fantatsika àry hoe inona no manimba ny toetrantsika, dia ho mora kokoa amintsika ny hiala amin’ilay izy.

Mety hilaza toy izao isika, rehefa avy nandini-tena: ‘Efa izany mihitsy anie aho e!’ Afaka miova anefa ianao. Nisy olona mpijangajanga, mpimamo, lehilahy miray amin’ny lehilahy, sy ny toy izany, ohatra, tany Korinto, nefa lasa Kristianina. Hoy i Paoly momba azy ireo: ‘Efa toy izany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.’ (1 Kor. 6:9-11) Afaka miova koa àry isika, rehefa ampian’ny fanahy masin’i Jehovah.

Diniho ny tantaran’i Marcos, * any Philippines. Hoy izy: “Niady foana ny ray aman-dreniko. Izany no nahatonga ahy hikomy, tamin’izaho 19 taona.” Lasa mpiloka sy mpangalatra ary anisan’ny andian-jiolahy nitam-piadiana izy. Efa saika hanodinkodina fiaramanidina mihitsy aza izy sy ny namany. Mbola tsy niova ihany i Marcos, taorian’ny nanambadiany. Laniny tamin’ny loka ny fananany rehetra. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, tamin’izany. Nianatra koa àry izy. Nihevitra izy tamin’ny voalohany fa tsy mendrika ny ho Vavolombelon’i Jehovah. Nampihatra izay nianarany sy nivory anefa izy, ka afaka tamin’ny fahazaran-dratsiny. Efa vita batisa izy izao. Mazoto mampianatra ny hafa izy mba hampiova azy ireny koa.

Hoatran’ny ahoana no tianao ho toetranao?

Inona no ilaina hatao mba hanatsarana ny toetrantsika? Manoro hevitra i Paoly hoe: “Esory aminareo ... ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo. Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy.” Hoy koa izy: “Tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.”—Kol. 3:8-10.

Ny tokony hataontsika voalohany àry dia ny manala ny toetra taloha ary mitafy ny toetra vaovao. Ahoana no hahavitantsika izany? Hoy i Paoly: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po ... Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kol. 3:12-14) ‘Vao mainka hahatehotia eo imason’i Jehovah sy eo imason’ny olona’ isika, raha miezaka mafy hanana an’ireo toetra ireo. (1 Sam. 2:26) Tena naneho ny toetran’Andriamanitra i Jesosy, tetỳ an-tany. Raha mandinika ny toetrany sy manahaka azy isika, dia “hanahaka an’Andriamanitra” koa.—Efes. 5:1, 2.

Ilaina koa ny mianatra ny tantaran’ireo olona ao amin’ny Baiboly, sy mandinika ny toetra tsarany sy ny toetra ratsiny. Diniho, ohatra, i Josefa, zanak’i Jakoba. Niezaka ny ho tsara toetra sy tsy ho mora kivy izy, na dia niharan’ny tsy rariny aza. Tsara tarehy teo imason’i Jehovah izy, noho izany. (Gen. 45:1-15) Tsy toy izany kosa i Absaloma, zanak’i Davida Mpanjaka. Tsara tarehy izy ka nodokafan’ny olona, ary mody niahy ny vahoaka. Mpamadika sy mpamono olona anefa izy, raha ny marina. (2 Sam. 13:28, 29; 14:25; 15:1-12) Tsy manintona àry ny olona iray na dia tsara tarehy aza, raha mihatsaravelatsihy.

Afaka ny ho tsara toetra isika

Mila mandinika ny tena ao anatintsika isika, raha te hanova ny toetrantsika sy ho tsara tarehy eo imason’Andriamanitra. (1 Pet. 3:3, 4) Tokony hofantarintsika ny toetra ratsintsika, sy ny antony na ny mety ho nahatonga izany. Mila miezaka manahaka ny toetran’Andriamanitra koa isika. Azo antoka ve fa ho vitantsika izany?

Eny tokoa, satria manampy antsika i Jehovah. Azontsika atao ny mivavaka toy ny mpanao salamo hoe: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.” (Sal. 51:10) Afaka mangataka ny fanahin’Andriamanitra isika mba hanampy antsika hampifanaraka kokoa ny fiainantsika amin’ny sitrapony. Tena afaka ny ho tsara toetra àry isika, ka ho tsara tarehy eo imason’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tsy tena anarany.

[Sary, pejy 4]

Ampy ve raha lokoana fotsiny ity trano efa simba be ity?

[Sary, pejy 5]

Manahaka ny toetran’i Kristy ve ianao?