Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—JAONA 14:6.

1, 2. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra?

OLONA maro hatramin’izay no niezaka mafy mba hiavaka amin’ny hafa. Tsy nahomby anefa ny ankamaroany. Vitsy no afaka nilaza hoe tena niavaka ny tenany. Miavaka amin’ny lafiny maro kosa i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra.

2 Nahoana isika no tokony ho liana amin’ireo anjara asa miavaka tanan’i Jesosy? Satria misy akony eo amin’ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra izany. Hoy i Jesosy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6; 17:3) Andeha isika handinika lafiny sasany mampiavaka an’i Jesosy. Hanampy antsika hahafantatra tsara ny anjara asany eo amin’ny fikasan’Andriamanitra izany.

‘Ilay Zanaka Lahitokana’

3, 4. a) Nahoana i Jesosy no atao hoe Zanaka lahitokana? b) Nahoana no miavaka ny anjara asan’i Jesosy tamin’ny famoronana?

3 Tsy hoe “Zanak’Andriamanitra” tsotra fotsiny i Jesosy, fa “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” mihitsy. (Jaona 3:16, 18) Midika hoe “tsy misy toa azy”, “tsy manan-tsahala”, na “miavaka”, ilay teny grika nadika hoe ‘tokana.’ Manana zanaka ara-panahy an-jatony tapitrisa i Jehovah any an-danitra. Nahoana anefa i Jesosy no lazaina fa “tsy manan-tsahala”?

4 Miavaka i Jesosy satria izy irery no noforonin’ny Rainy mivantana. Zanak’Andriamanitra lahimatoa izy, ary “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” mihitsy. (Kol. 1:15) Izy no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Apok. 3:14) Miavaka koa ny anjara asan’ilay Zanaka lahitokana tamin’ny famoronana. Tsy izy akory no Mpamorona. Nampiasa azy kosa i Jehovah rehefa namorona ny zavatra hafa rehetra. (Vakio ny Jaona 1:3.) Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra, ary ho azy isika. Ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy. Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra sady nanaovana antsika koa.”—1 Kor. 8:6.

5. Ahoana no anasongadinan’ny Soratra Masina ireo lafiny mampiavaka an’i Jesosy?

5 Tsy izay ihany anefa no mampiavaka an’i Jesosy. Omena anaram-boninahitra maro izy ao amin’ny Soratra Masina. Manasongadina ny anjara asany eo amin’ny fikasan’Andriamanitra izy ireny. Andeha isika handinika anaram-boninahitra dimy iantsoana azy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. *

“Ny Teny”

6. Nahoana no mety ny iantsoana an’i Jesosy hoe “ny Teny”?

6 Vakio ny Jaona 1:14. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ny Teny”? Manondro ny asa nataony taorian’ny namoronana ny zavaboary manan-tsaina hafa, io anarana io. Nampiasa an’io Zanany io i Jehovah mba hampita fanazavana sy toromarika ho an’ny anjely sy ny olombelona. I Jesosy tokoa no Teny, na Mpitondra Tenin’Andriamanitra, satria nilaza toy izao tamin’ireo Jiosy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy. Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho fantatr’izany olona izany raha avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny araka ny nahim-poko fotsiny aho.” (Jaona 7:16, 17) Mbola nantsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” izy, na dia taorian’ny niakarany tany an-danitra aza.—Apok. 19:11, 13, 16.

7. Ahoana no anahafantsika ny fanetren-tenan’i Jesosy, ilay antsoina hoe “ny Teny”?

7 Eritrereto ange ny hevitra fonosin’io anarana io e! Tsy niantehitra tamin’ny fahendreny i Jesosy, na dia izy aza no hendry indrindra amin’ny zavaboary rehetra. Izay nasain’ny Rainy nolazainy ihany no nolazainy. Nisarika ny sain’ny olona ho amin’i Jehovah foana izy fa tsy ho amin’ny tenany. (Jaona 12:50) Tena modely ho antsika izy! Nanankinana asa faran’izay tsara isika, dia ny ‘fitoriana ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa.’ (Rom. 10:15) Tsy ny hevitsika manokana koa no hotorintsika, raha manetry tena toa an’i Jesosy isika. Hafatra mamonjy aina avy ao amin’ny Soratra Masina no ampitaintsika, ka tsy ‘hihoatra noho izay voasoratra’ isika.—1 Kor. 4:6.

“Ny Amena”

8, 9. a) Inona no dikan’ilay teny hoe “amena”, ary nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ny Amena”? b) Ahoana no nataony mba hanatanterahana an’io anjara asany io?

8 Vakio ny Apokalypsy 3:14. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ny Amena”? Midika hoe “ho izany tokoa anie”, na “marina tokoa”, ilay teny hebreo nadika hoe “amena.” Midika hoe “tsy mivadika” na “mendri-pitokisana” ny fototeny hebreo niavian’izy io. Io teny io ihany no ampiasaina mba hilazana fa mendri-pitokisana i Jehovah. (Deot. 7:9; Isaia 49:7) Inona àry no mampiavaka an’i Jesosy, ka iantsoana azy hoe “ny Amena”? Mariho izay lazain’ny 2 Korintianina 1:19, 20: ‘Tsy hoe Eny sady Tsia i Kristy Jesosy Zanak’Andriamanitra, izay notorinay teo aminareo. Fa tonga Eny ny Eny, raha ny amin’i Kristy. Ary na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany. Noho izany, dia amin’ny alalany koa ny “Amena” lazaina amin’Andriamanitra, mba hanomezana voninahitra azy.’

9 Tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra noho i Jesosy. Izany no iantsoana azy hoe “ny Amena.” Nanao izay sitrak’i Jehovah foana izy teto an-tany, anisan’izany ny nanomezany ny ainy ho sorona. Nanjary azo antoka àry fa ho tanteraka ny fampanantenana rehetra nataon’i Jehovah. Noporofoin’i Jesosy tamin’ny tsy fivadihany koa fa diso ny fiampangan’i Satana. Nilaza mantsy i Satana ao amin’ny bokin’i Joba, fa hivadika ny mpanompon’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny fitsapana, na ny tsy fisiana, na ny fijaliana. (Joba 1:6-12; 2:2-7) Amin’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra, dia i Jesosy ihany no afaka nanome porofo nampiaiky indrindra fa diso io fiampangana io. Izy koa no nanome ny porofo tsy azo lavina indrindra fa manana zo ho mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah.

10. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy, ilay antsoina hoe “ny Amena”?

10 Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy, ilay antsoina hoe “ny Amena”? Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah isika, ary hanohana ny zony hitondra. Raha manao izany isika dia mankatò an’ilay fampirisihana ao amin’ny Ohabolana 27:11 hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”

“Ilay mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao”

11, 12. Nahoana i Jesosy no Mpanelanelana miavaka?

11 Vakio ny 1 Timoty 2:5, 6. “Mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona” i Jesosy. Izy “ilay mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao.” (Heb. 9:15; 12:24) Antsoina hoe mpanelanelana koa anefa i Mosesy, satria mpanelanelana amin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Gal. 3:19) Inona anefa no mampiavaka an’i Jesosy?

12 Voambolana fampiasa tao amin’ny lalàna grika ilay teny nadika hoe “mpanelanelana.” Nampiharina tamin’i Jesosy io teny io, mba hampisehoana fa neken’Andriamanitra ho Mpanelanelana amin’ilay fifanekena vaovao izy. Noho io anjara asany io, dia nanjary nisy ny firenena vaovao iray, izay antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Ireo Kristianina voahosotry ny fanahy io firenena io, ary ho ‘mpisorona sady mpanjaka’ any an-danitra izy ireo. (1 Pet. 2:9; Eks. 19:6) Tsy nahafahana nanorina firenena toy izany ny fifaneken’ny Lalàna, izay nanana an’i Mosesy ho mpanelanelana.

13. Inona no andraikitr’i Jesosy amin’ny maha Mpanelanelana azy?

13 Inona no andraikitr’i Jesosy amin’ny maha Mpanelanelana azy? Mandray soa avy amin’ny vidin’ny rany ireo olona ao anatin’ny fifanekena vaovao. Noho izany dia ambaran’i Jehovah ho marina izy ireo. (Rom. 3:24; Heb. 9:15) Rehefa tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao izy ireo, dia afaka ny ho mpanjaka sady mpisorona any an-danitra. Manampy azy ireo hadio hatrany eo imason’Andriamanitra i Jesosy, amin’ny maha Mpanelanelana azy.—Heb. 2:16.

14. Nahoana ny Kristianina rehetra no tokony hankasitraka ny anjara asan’i Jesosy amin’ny maha Mpanelanelana azy?

14 Ahoana ny amin’ireo olona tsy ao anatin’ilay fifanekena vaovao, fa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany? Mandray soa avy amin’ilay fifanekena izy ireo, na dia tsy ao anatin’izy io aza. Mahazo famelan-keloka izy ireo ary ambara fa marina, ka lasa naman’Andriamanitra. (Jak. 2:23; 1 Jaona 2:1, 2) Na manantena ho any an-danitra isika na hiaina mandrakizay eto an-tany, dia tokony hankasitraka ny anjara asan’i Jesosy amin’ny maha Mpanelanelana azy.

“Mpisoronabe”

15. Nahoana no miavaka ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy, raha oharina amin’ny an’ireo mpisoronabe fahiny?

15 Maro ny lehilahy nanao ny asan’ny mpisoronabe fahiny. Miavaka anefa ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy. Nahoana? Hoy i Paoly: “Tsy mila manao tahaka an’ireny mpisoronabe ireny izy, ka manolotra sorona isan’andro, voalohany noho ny otan’ny tenany, ary avy eo noho ny otan’ny vahoaka. Fa efa nataony indray mandeha monja izany rehefa nanolotra ny tenany izy. Lehilahy manana fahalemena no tendren’ny Lalàna ho mpisoronabe, fa Zanaka natao lavorary mandrakizay kosa no tendren’ny tenin’ny fianianana mafy, izay tonga taorian’ny Lalàna.”—Heb. 7:27, 28. *

16. Nahoana no tena miavaka ny soron’i Jesosy?

16 Lehilahy lavorary i Jesosy, tsy nisy hafa tamin’i Adama tamin’izy mbola tsy nanota. (1 Kor. 15:45) I Jesosy irery àry no olona afaka nanome aina lavorary ho sorona, sady tsy nila namerimberina izany. Natao isan’andro ny sorona, teo ambany Lalàn’i Mosesy. Tandindon’ny zavatra ataon’i Jesosy atỳ aoriana ireny sorona sy asan’ny mpisorona ireny. (Heb. 8:5; 10:1) Miavaka noho ny Mpisoronabe hafa àry i Jesosy, satria nahavita zavatra lehibe lavitra, ary hitana an’io andraikiny io mandrakizay.

17. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy, ary ahoana no ampisehoantsika izany?

17 Mila ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy isika, mba haneken’Andriamanitra antsika ho olo-marina. Manana Mpisoronabe tena tsara fanahy isika! Hoy mantsy i Paoly: “Tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” (Heb. 4:15) Raha mankasitraka izany isika, dia ‘tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony, fa ho an’ilay efa maty ho antsika.’—2 Kor. 5:14, 15; Lioka 9:23.

Ilay “Taranaka” nambara mialoha

18. Inona no faminaniana nambara taorian’ny nanotan’i Adama, ary inona no nolazaina momba an’io faminaniana io tatỳ aoriana?

18 Toa tsy nisy nantenaina intsony ny olombelona taorian’ilay fikomiana tao Edena. Tsy afaka nifandray tsara tamin’Andriamanitra intsony izy ireo, namoy ny fiainana mandrakizay, ny fahasambarana, ary ny Paradisa. Tamin’izay indrindra anefa i Jehovah no nilaza fa hisy Mpanafaka iray. Nantsoina hoe ‘taranaka’ izy io. (Gen. 3:15) Io taranaka tsy fantatra anarana io no foto-kevitry ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly. Nolazaina fa ho taranak’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Davida Mpanjaka izy io.—Gen. 21:12; 22:16-18; 28:14; 2 Sam. 7:12-16.

19, 20. a) Iza ilay Taranaka nampanantenaina? b) Nahoana no lazaina fa tsy i Jesosy irery no anisan’ilay taranaka nambara mialoha?

19 Iza io Taranaka nampanantenaina io? Hitantsika ao amin’ny Galatianina 3:16 ny valiny. (Vakio.) Nilaza toy izao tamin’ireo Kristianina voahosotra koa anefa ny apostoly Paoly, ao amin’io toko io ihany: “Raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.” (Gal. 3:29) Nahoana no lazaina fa misy olon-kafa ankoatra an’i Kristy anisan’ilay Taranaka nampanantenaina?

20 An-tapitrisany no milaza ho taranak’i Abrahama, ary ny sasany aza mihambo ho mpaminany. Mirehareha mihitsy ny fivavahana sasany hoe taranak’i Abrahama ny mpaminaniny. Taranaka nampanantenaina avokoa ve anefa izy ireny? Tsia. Nahazo herin’ny fanahy masina i Paoly, ka nanazava fa tsy izay rehetra taranak’i Abrahama dia ho Taranaka nampanantenaina avokoa. Avy amin’i Isaka ihany no hipoiran’ilay taranaka hitahiana ny olombelona, fa tsy avy amin’ny zanakalahin’i Abrahama hafa. (Heb. 11:18) Fantatra, tatỳ aoriana, fa olona iray ihany, dia i Jesosy Kristy no voalohany amin’ilay taranaka nambara mialoha. Hita ao amin’ny Baiboly ny anaran’ireo razambeny hatrany amin’i Abrahama. * Nisy olon-kafa lasa taranaka faharoa an’i Abrahama tatỳ aoriana, noho izy ireo “an’i Kristy.” Miavaka tokoa ny anjara asan’i Jesosy tamin’ny fanatanterahana an’io faminaniana io.

21. Inona no nampiaiky volana anao tamin’ny fomba nanatanterahan’i Jesosy ny anjara asany miavaka eo amin’ny fikasan’i Jehovah?

21 Nandinika ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’i Jehovah isika teo. Inona no nianarantsika avy amin’izany? Tena miavaka tokoa ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, hatramin’ny namoronana azy. Nanetry tena foana anefa izy, ka tsy nitady voninahitra ho an’ny tenany fa nanatanteraka hatrany ny sitrapon’ny Rainy. (Jaona 5:41; 8:50) Tena ohatra tsara ho antsika izy! Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy, ka ‘hanao ny zava-drehetra ho voninahitr’Andriamanitra.’—1 Kor. 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy mpanoritra anarana voafaritra ny sasany amin’ireo anarana ireo, amin’ny teny grika. Midika izany, hoy ny manam-pahaizana iray, fa “miavaka izy, raha oharina amin’ireo manana anaram-boninahitra toy ny azy.”

^ feh. 15 Milaza ny manam-pahaizana iray fa misy heviny lehibe ilay teny nadika hoe “indray mandeha monja”, ao amin’ny Baiboly. “Midika izy io fa miavaka, tsy manan-tsahala, ary indray mandeha tsy miverina ny fahafatesan’i Kristy.”

^ feh. 20 Nino ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa vahoaka nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, satria taranak’i Abrahama. Na izany aza, dia mbola niandry ny fahatongavan’ny Mesia, na Kristy, izy ireo.—Jaona 1:25; 7:41, 42; 8:39-41.

Tadidinao Ve?

• Inona no nianaranao momba ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy avy amin’ireo anaram-boninahitra iantsoana azy? (Jereo ny efajoro.)

• Ahoana no azonao anahafana an’ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Anaram-boninahitra Sasany Manasongadina ny Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy

Ilay Zanaka Lahitokana. (Jaona 1:3) I Jesosy irery no zavaboary noforonin’ny Rainy mivantana.

Ny Teny. (Jaona 1:14) Mampiasa ny Zanany ho Mpitondra Teny i Jehovah. Irahiny hampita fanazavana sy toromarika ho an’ny zavaboary hafa io Zanany io.

Ny Amena. (Apok. 3:14) Nanao izay sitrak’i Jehovah foana i Jesosy teto an-tany, anisan’izany ny nanomezany ny ainy ho sorona. Nanjary azo antoka àry fa ho tanteraka ny fampanantenana rehetra nataon’i Jehovah.

Ilay Mpanelanelana Amin’ny Fifanekena Vaovao. (1 Tim. 2:5, 6) Noho io anjara asan’i Jesosy io, dia nanjary nisy ny firenena vaovao iray, antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra.” Ho ‘mpisorona sady mpanjaka’ any an-danitra ireo Kristianina anisan’io firenena io.—Gal. 6:16; 1 Pet. 2:9.

Mpisoronabe. (Heb. 7:27, 28) I Jesosy irery no olona afaka nanome aina lavorary ho sorona, sady tsy nila namerimberina izany. Afaka manadio ny otantsika sy manafaka antsika amin’ny fahafatesana izy.

Ilay Taranaka Nampanantenaina. (Gen. 3:15) Olona iray ihany, dia i Jesosy Kristy no voalohany amin’ilay taranaka nambara mialoha. Nisy olon-kafa lasa taranaka faharoa an’i Abrahama tatỳ aoriana, noho izy ireo “an’i Kristy.”—Gal. 3:29.