Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nasaina ‘nihinana ny matavy’ ny Jiosy, ao amin’ny Nehemia 8:10. Mandrara tsy ‘hihinana tavin-kena’ ny Lalàna ao amin’ny Levitikosy 3:17. Tsy mifanohitra ve izany?

Tsy mitovy ny teny hebreo nadika hoe “matavy” ao amin’ny Nehemia 8:10 sy ilay nadika hoe “tavin-kena” ao amin’ny Levitikosy 3:17. Ny teny hebreo hoe helev no nadika hoe “tavin-kena” ao amin’ny Levitikosy 3:17, ary ilazana ny tavy amin’ny biby sy ny olona izy io. (Lev. 3:3; Mpits. 3:22) Asehon’ny teny manodidina an’io andininy faha-17 io, fa tsy nahazo nihinana ny taviny manodidina ny tsinay sy ny voa ary ny tehezan’ireo biby hatao sorona ny Israelita, satria “an’i Jehovah ny taviny rehetra.” (Lev. 3:14-16) Ny tavin’ireo biby natao fanatitra ho an’i Jehovah àry no tsy azo nohanina.

Mashmannim kosa ny teny hebreo nadika hoe “matavy” ao amin’ny Nehemia 8:10, ary ao ihany no ahitana an’io teny io ao amin’ny Soratra Hebreo. Avy amin’ny matoanteny hoe shamen io teny io, ary midika hoe “matavy, na mihamatavy.” Toa manondro fahombiazana sy fiainana mety tsara, ny teny iray tarika amin’io matoanteny io. (Ampitahao amin’ny Isaia 25:6.) Anisan’ny teny avy amin’io matoanteny io ny hoe shemen. Ampiasaina be izy io, ary matetika no adika hoe “menaka.” Hita ao amin’ny hoe “menaka oliva” koa io teny io. (Deot. 8:8; Lev. 24:2) Tsy tavin-kena àry no dikan’ilay teny hoe mashmannim ao amin’ny Nehemia 8:10, fa toa sakafo be menaka, na hena matavy mihitsy aza.

Tsy nahazo nihinana tavin-kena ny Israelita, nefa nahazo nihinana sakafo be menaka sy matsiro. Menaka avy amin’ny zavamaniry, indrindra fa menaka oliva, no nampiasaina hanaovana sakafo sasany, toy ny mofo. (Lev. 2:7) Tsy nampiasa menaka avy amin’ny biby izy ireo. Hazavain’ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay) toy izao àry ny dikan’ilay hoe “matavy”: “Manondro zavatra matavy izy io, izany hoe tsy mahia na maimaina, fa matsiro. Anisan’izany ny sakafo mafilotra nasiana menaka avy amin’ny zavamaniry.”

Mazava ho azy fa fantatry ny Kristianina hoe anisan’ny Lalàna ilay fandrarana tsy hihinana tavin-kena. Izy ireo anefa tsy eo ambanin’ny Lalàna, anisan’izany izay notakin’ny Lalàna rehefa nanao fanatitra biby.—Rom. 3:20; 7:4, 6; 10:4; Kol. 2:16, 17.