Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitako ny Nitomboan’ny Vahoakan’i Jehovah Teto Korea

Hitako ny Nitomboan’ny Vahoakan’i Jehovah Teto Korea

Hitako ny Nitomboan’ny Vahoakan’i Jehovah Teto Korea

Notantarain’i Milton Hamilton

“Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy neken’ny fanjakana koreanina indray ny handehananareo misionera any Korea. Tsy mila misionera, hono, ry zareo. ... Halefanay any Japon àry aloha ianareo.”

TAMIN’NY faramparan’ny taona 1954 izahay sy Liz vadiko no naharay an’io taratasy io avy tany Brooklyn, any New York, Etazonia. Vao avy nahavita ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-23, izahay, ary nanompo tany Indianapolis, any Indiana, mandra-piandry ny fahazoan-dalana hankatỳ Korea.

Niara-nianatra tany amin’ny lise izahay sy Liz. Tamin’ny 1948 ny mariazinay. Tia nanompo manontolo andro izy, nefa tsy dia nazoto hiala tany Etazonia. Inona no nampiova hevitra azy?

Nisy fivoriana ho an’izay te hanao Sekolin’i Gileada, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium, any New York, ny Jolay 1953. Nanaiky hiaraka amiko hanatrika ilay fivoriana i Liz. Nampahery ilay izy, ka nangataka hanao an’ilay sekoly izahay. Gaga be izahay, satria voantso hanatrika ny kilasy nanaraka, izay nanomboka ny Febroary 1954.

Voatendry ho atỳ Korea izahay, na dia vao avy nisy ady naharitra telo taona aza teto tamin’izay, ary ny Jolay 1953 ilay izy no tapitra. Potika tanteraka ilay tany. Nalefa tany Japon aloha izahay, araka ilay taratasy etsy aloha. Tonga tany izahay ny Janoary 1955, rehefa avy nandeha sambo 20 andro. Nisy misionera enina niaraka taminay. Efa saika halefa teto Korea koa izy ireo. Nitsena anay i Lloyd Barry tamin’ny enina ora maraina, ary nitondra anay tany amin’ny tranon’ny misionera tany Yokohama. Izy no niandraikitra ny sampan’i Japon tamin’izany. Ny androtr’iny ihany izahay dia efa nandeha nitory.

Nahazo nanketo Korea ihany!

Nahazo niditra teto ihany izahay, tatỳ aoriana. Nandeha fiaramanidina nandritra ny adiny telo, avy tany Haneda, any Tokyo, izahay ny 7 Martsa 1955, ary tonga tany Yoido, eto Séoul, renivohitry ny Repoblikan’i Korea. Vavolombelona koreanina 200 mahery no tonga nitsena anay. Faly be izahay ka nitomany! Vao 1 000 monja ny Vavolombelona teto tamin’izany. Nihevitra izahay hoe mitovitovy daholo ny bika aman’endrika sy ny fihetsiky ny olona atỳ Azia, na dia samy hafa aza ny fireneny. Maro ny fotsy hoditra mieritreritra an’izany. Diso hevitra anefa izahay. Hafa mihitsy ny teny sy abidy koreanina. Hafa koa ny bika aman’endriky ny olona eto, ny akanjony, fomba fandrahoany sakafo, ary na ny tranony aza.

Tena sarotra taminay ny nianatra ny teny koreanina. Tsy nisy boky azonay nampiasaina mantsy. Nampiasa ny abidy anglisy izahay mba hanoratana ny teny koreanina. Tsy ela anefa dia hitanay fa tsy azon’ny olona ilay teny, rehefa tononinay. Tsy maintsy nianatra ny abidy koreanina àry izahay, mba hahaizana manonona tsara ny tenin-dry zareo.

Matetika no diso ny fanononanay ny teny koreanina. Nanontanian’i Liz, ohatra, ny vehivavy iray nitoriany raha nanana Baiboly. Nikentrona ilay vehivavy rehefa nahare ny teniny, ary lasa naka afokasoka. Hay sungnyang (afokasoka) no notenenin’i Liz fa tsy sungkyung (Baiboly)!

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasaina nitady trano hipetrahanay tany Pusan izahay. Tanàna misy seranan-tsambo any amin’ny faritra atsimon’i Korea izy io. Nanofa efitra kely telo ambony rihana tany àry izahay mivady sy ny anabavy roa voatendry hiaraka taminay. Tsy nisy kabine tao an-trano. Tsy nahazo rano koa ny tany ambony rihana raha tsy tamin’ny alina. Nifandimby nifoha maraina be àry izahay mba hanangon-drano. Mbola tsy maintsy nampangotrahina na nasiana fanafody koa ilay rano, vao azo nosotroina.

Nisy olana hafa koa anefa. Tsy ampy ny herinaratra, ka tsy afaka nampiasa milina fanasan-damba sy fera izahay. Tao an-dalantsara ny lakozianay, ary fatana solitany iray no nampiasaina. Nifandimby nahandro sakafo izahay, ka samy niezaka nanao izay vitany. Voan’ny hepatita izahay, telo taona taorian’ny nahatongavanay. Voan’io aretin’aty io koa ny ankamaroan’ny misionera tamin’izany. Volana maromaro izahay vao sitrana, nefa mbola tratran’ny aretina hafa indray avy eo.

Nitovy ny nanjo anay

Nisy korontana ara-politika foana teto Korea, nandritra ireo 55 taona farany. Mizara ho repoblika roa i Korea, ka misy faritra tsy azon’ny miaramila aleha manasaraka azy. Any amin’ny 55 kilaometatra avaratr’i Séoul io faritra io. Tonga nitsidika anay, tamin’ny 1971, i Frederick Franz, avy any amin’ny foibe any Brooklyn. Niaraka tany amin’ilay faritra izahay. Tsy misy toerana tsara ambina toy izany eran-tany. Ao matetika no mivory ny solontenan’ny Firenena Mikambana sy ny solontenan’ireo fanjakana roa eto Korea.

Niezaka hatrany tsy hiditra tamin’ny adin’ity tontolo ity izahay, anisan’izany ny ady teto Korea. (Jaona 17:14) Tsy nety nandeha niady ny Vavolombelona koreanina, ka 13 000 mahery no nigadra. Mahatratra 26 000 taona ny halavan’ny fotoana nigadran’izy ireo, raha atambatra. (2 Kor. 10:3, 4) Fantatr’ireo rahalahy tanora eto fa tsy maintsy hoterena handeha hiady izy. Tsy matahotra anefa izy ireo. Mampalahelo fa ampangain’ny fanjakana ho “mpanao heloka bevava” izay Vavolombelona tsy mety mandeha miady, nefa tsy “heloka bevava” no ataony, fa mankatò ny tenin’i Kristy fotsiny izy.

Efa tsy nety nandeha niady koa aho, tamin’ny 1944, nandritra ny Ady Lehibe II, ka nigadra roa taona sy tapany, tany amin’ny fonjan’i Lewisburg, any Pennsylvanie, Etazonia. Efa niainako àry ny zavatra nanjo an’ireo rahalahy tanora teto Korea, na dia mafy kokoa aza ny azy. Nampahery rahalahy maro ny nahare fa efa nijaly toa azy koa ny misionera sasany.—Isaia 2:4.

Olana hafa indray!

Nenjehin’ny fanjakana koreanina koa izahay misionera, tamin’ny 1977. Nieritreritra ry zareo hoe izahay no mampirisika ny rahalahy koreanina tsy handeha hiady. Namoaka didy àry ry zareo fa tsy mahazo miverina eto intsony izay misionera miala eto. Nihatra nanomboka tamin’ny 1977 ka hatramin’ny 1987 io didy io. Tsy ho nahazo niverina intsony izahay, raha niala teto tamin’izany. Tsy nody tany Etazonia mihitsy àry izahay, na dia vetivety fotsiny aza.

Nivezivezy tany amin’ny fanjakana izahay, mba hanazava fa mankatò ny tenin’i Kristy, ka izany no mahatonga anay tsy handeha hiady. Hitan’izy ireo àry tatỳ aoriana fa tsy azo ampitahorina izahay, ka nofoanany ilay didy. Vitsy ihany ny misionera tsy maintsy niala teto, tamin’ilay didy mbola nanan-kery. Narary, ohatra, ny sasany, ka voatery nody. Nijanona daholo kosa ny ambiny, ary faly fa nanao izany.

Ireo mpitantana ny fikambanana ara-dalàna eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah indray no nisy nanendrikendrika, tamin’ny 1985 tany ho any. Izy ireo, hono, no mampirisika ny tanora Vavolombelona tsy handeha hiady. Nalaina am-bavany tsirairay àry ny mpitantana rehetra. Nilaza ny fitsarana tamin’ny 22 Janoary 1987 fa tsy nitombina ilay fiampangana. Nanampy anay izany tatỳ aoriana, isaky ny nisy fiampangana hafa.

Tahin’Andriamanitra ny asanay

Vao mainka nenjehina ny Vavolombelona teto Korea tatỳ aoriana, noho izy ireo tsy nety nandeha niady. Lasa sarotra be àry ny nahita toerana azo nanaovana fivoriambe. Nanapa-kevitra ny Vavolombelona fa hanorina Efitrano Fivoriambe any Pusan. Io no Efitrano Fivoriambe voalohany tatỳ Azia. Notokanana ilay izy ny 5 Aprily 1976, ary 1 300 no nanatrika. Izaho no nanao ny lahateny fitokanana.

Nisy an’aliny ny miaramila amerikanina nalefa teto Korea, nanomboka tamin’ny 1950. Lasa Vavolombelona ny maro taminy, rehefa nody tany Etazonia. Matetika ry zareo no manoratra atỳ aminay. Tena faly izahay nanampy azy ireo hahalala an’i Jehovah.

Nodimandry i Liz vady malalako, ny 26 Septambra 2006. Mbola malahelo be aho hatramin’izao. Efa 51 taona mantsy izahay no niara-nanompo teto Korea. Nekeny daholo izay asa nomena azy, ary tsy nitaraina mihitsy izy. Mbola tsy niteny mihitsy izy hoe te hody any Etazonia, na dia tsy te hiala tany aza taloha!

Miasa ato amin’ny Betelan’i Korea aho izao. Vitsy ny mpiasa tato tamin’ny voalohany, nefa lasa 250 ankehitriny. Anisan’ny Komitin’ny Sampana aho, ary fito izahay no ao. Io komity io no miandraikitra ny asa eto.

Tena nahantra i Korea, tamin’izahay vao tonga teto. Anisan’ny firenena mandroso indrindra eran-tany anefa izy izao. Maherin’ny 95 000 ny Vavolombelona eto, ary efa ho ny 40 isan-jato no mpisava lalana maharitra na mpanampy. Izany no mbola itiavako manompo an’i Jehovah eto Korea, ankoatra ny antony hafa. Hitako mantsy ny nitomboan’ny vahoakany teto.

[Sary, pejy 24]

Tamin’izahay tonga teto niaraka tamin’ireo misionera hafa

[Sary, pejy 24, 25]

Nitory tany Pusan

[Sary, pejy 25]

Izahay sy ny Rahalahy Franz, tamin’ny 1971, tany amin’ilay faritra tsara ambina

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Liz, taloha kelin’ny nahafatesany

[Sary, pejy 26]

Betelan’i Korea, toerana iasako