Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Tsy Tokony Hivadika?

Nahoana Ianao no Tsy Tokony Hivadika?

Nahoana Ianao no Tsy Tokony Hivadika?

‘Jehovah ô, tsarao aho araka ny tsy fivadihako aminao.’—SAL. 7:8.

1, 2. Inona no fisehoan-javatra mateti-pitranga, izay mety hahatonga ny Kristianina hivadika amin’Andriamanitra?

ALAO sary an-tsaina ireto fisehoan-javatra telo ireto: Mila ady amin’ny ankizilahy iray ny mpiara-mianatra aminy, amin’izay angamba izy hanompa na hiady. Hanampatra ny hatezerany ve izy, sa hifehy tena ka hiala eo? Manao fikarohana ao amin’ny Internet ny raim-pianakaviana iray, ary izy irery no ao an-trano. Misy soratra manondro toerana ahitana sary vetaveta eo amin’ilay ordinatera. Hijery an’ilay sary ve izy? Miresadresaka miaraka amin’ny anabavy vitsivitsy ny anabavy iray. Mivadika ho fifosana anabavy iray eo anivon’ny fiangonana ilay resaka. Handray anjara amin’izany ve izy, sa hanova an’ilay resaka?

2 Samy hafa ireo fisehoan-javatra ireo, nefa misy itovizany. Samy miezaka ny tsy hivadika ireo Kristianina ireo. Ataonao an-tsaina foana ve ny hoe tsy tokony hivadika amin’i Jehovah ianao, rehefa misy zavatra ataonao na tianao ho azo, na tanjona tianao hotratrarina? Isan’andro ny olona dia mieritreritra momba ny fitafiany, ny taovolony, ny fahasalamany, ny fahasarotan’ny fiainana, ny fifandraisany amin’ny namany na ny olon-tiany. Mety hifantoka be amin’ireo isika. Inona anefa no zava-dehibe amin’i Jehovah, rehefa mandinika ny fontsika izy? (Sal. 139:23, 24) Ny tsy fivadihantsika.

3. Inona no safidy nomen’i Jehovah antsika, ary inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Maro ny fanomezana nomen’i Jehovah antsika. Izy mantsy no Loharanon’ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Nomeny vatana, saina, fahasalamana, ary fahaizana isan-karazany isika. (1 Kor. 4:7) Tsy manery antsika tsy hivadika aminy anefa izy. Isika kosa no avelany hisafidy. (Deot. 30:19) Andeha àry hofantarintsika ny dikan’ny hoe tsy mivadika, sy ireo antony telo mampiseho fa tena ilaina io toetra io.

Ny atao hoe tsy mivadika

4. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe tsy mivadika? Inona no ianarantsika avy amin’ny lalàn’i Jehovah momba ny biby atao fanatitra?

4 Tsy tena azon’ny olona maro ny atao hoe tsy mivadika. Misy ny mihevitra fa manao ny marina no dikan’izany. Tena ilaina ny manao ny marina, nefa tsy izay fotsiny no atao hoe tsy mivadika. Manana fitondran-tena tsy misy hokianina no dikan’izy io, ao amin’ny Baiboly. Midika hoe tsy misy hokianina, feno, na tsy misy tsiny, ireo teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika.” Hita ao amin’ny lalàn’i Jehovah momba ny fanatitra ny iray amin’izany. Voalaza fa biby tsy misy tsiny ihany no eken’i Jehovah hatao fanatitra. (Vakio ny Levitikosy 22:19, 20.) Tezitra izy rehefa nisy nanolotra biby kilemaina, na marary, na jamba.—Mal. 1:6-8.

5, 6. a) Milazà ohatra mampiseho fa mitady zavatra tsy misy tsininy, na feno, isika. b) Midika hoe lavorary ve ny hoe tsy mivadika, raha olombelona no resahina? Hazavao amin’ny ohatra.

5 Mitady zavatra tsy misy tsiny, na feno, ny olona. Indro misy ohatra: Misy boky nokarohin’ny mpampianatra iray efa hatramin’ny ela, ary hitany ihany. Tsy ampy pejy maromaro tena ilaina anefa ilay izy. Diso fanantenana izy, ka naveriny tany amin’ny nangalany azy ilay boky. Misy indray renim-pianakaviana mividy voankazo eny an-tsena. Voankazo manao ahoana no hofidiny? Mazava ho azy fa izay tsy misy tsininy, na tsy misy simba. Toy izany koa fa mitady olona tsy misy tsiny Andriamanitra.

6 Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Tsy maintsy lavorary ve ny olona vao afaka ny tsy hivadika?’ Nanimba antsika ny ota sy ny tsy fahalavorariana, ka mety hihevitra ny tenantsika ho toy ny boky tsy feno na voankazo misy simba isika. Mieritreritra toy izany ve ianao indraindray? Tadidio anefa fa tsy mitaky fahalavorariana amintsika i Jehovah. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy. * (Sal. 103:14; Jak. 3:2) Na izany aza, dia mitaky ny tsy hivadihantsika aminy izy. Misy maha samy hafa azy ve ny hoe lavorary sy ny hoe tsy mivadika? Eny. Indro misy ohatra: Tia tovovavy iray ny tovolahy iray, ary mikasa hanambady azy. Diso izy raha manantena fa ho lavorary na tsy hanao fahadisoana mihitsy ilay tovovavy. Ara-drariny kosa raha mitaky ny hitiavan’ilay tovovavy azy amin’ny fo manontolo izy, ary ho azy irery ihany ny fitiavany. Toy izany koa i Jehovah. ‘Mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ izy. (Eks. 20:5) Tsy mitaky fahalavorariana amintsika izy, fa tiany isika hivavaka aminy irery ihany ary ho tia azy amin’ny fo manontolo.—2 Tant. 16:9.

7, 8. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nivadika izy? b) Inona no dikan’ny hoe tsy mivadika raha ny Soratra Masina no jerena?

7 Tsaroantsika angamba ny valin-tenin’i Jesosy, tamin’izy nanontaniana ny didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna. (Vakio ny Marka 12:28-30.) Hita teo amin’ny fomba fiainany fa nankatò an’io didy io izy. Tena tia an’i Jehovah tamin’ny sainy, ny fony, ny tenany, ary ny heriny manontolo izy. Modely tsara izy tamin’io lafiny io. Naharihariny fa mila aseho amin’ny atao ny tsy fivadihana, fa tsy amin’ny teny fotsiny, ary atao amim-pitiavana. Mila manahaka an’i Jesosy isika, raha tiantsika ny tsy hivadika mihitsy.—1 Pet. 2:21.

8 Raha ny Soratra Masina àry no jerena, ny hoe tsy mivadika dia midika hoe manompo amin’ny fo manontolo an’ilay Raintsika, dia i Jehovah irery ihany, ary mazoto manao ny sitrapony. Ny hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra no tena imasoantsika isan’andro raha tsy mivadika isika. Izay heveriny ho zava-dehibe no ho zava-dehibe amintsika koa. Ireto misy antony telo manaporofo fa tena ilaina ny tsy fivadihana.

1. Ny tsy fivadihantsika sy ny zonʼi Jehovah hitondra

9. Inona no ifandraisan’ny tsy fivadihantsika amin’ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra?

9 Mpanjaka foana i Jehovah na hivadika aminy isika na tsia. Mpanjakan’izao rehetra izao mandrakizay izy, ary ara-drariny izany. Tsy miova izany na inona na inona lazain’ny zavaboary na ataon’izy ireo. Nisy nanohitra ny zony hitondra anefa tany an-danitra sy teto an-tany. Nila nohamarinina teo anatrehan’ny zavaboary misaina rehetra àry fa manan-jo hitondra izy. Nila noporofoina fa ara-drariny sy amim-pitiavana ny fitondrany. Vavolombelon’i Jehovah isika, ka faly mampahafantatra ny olona fa manan-jo hitondra Andriamanitra. Ahoana anefa no ampisehoantsika fa manohana ny zony hitondra isika? Ahoana no ampisehoantsika fa i Jehovah no fidintsika ho mpitondra antsika? Manao izany isika rehefa tsy mivadika mihitsy.

10. Inona no fiampangana nataon’i Satana momba ny olombelona? Inona no tianao hatao manoloana izany?

10 Tena misy ifandraisany amin’ny zon’Andriamanitra hitondra ny tsy fivadihanao. Nilaza i Satana fa tsy hisy olona hanohana ny zon’Andriamanitra hitondra, ary tsy hisy hanompo azy noho ny fitiavana. Hoy i Satana tamin’i Jehovah, teo anatrehan’ny anjely maro be: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Mariho fa tsy i Joba, lehilahy marina, ihany no nampangain’i Satana, fa ny olon-drehetra mihitsy. Izany no antony iantsoan’ny Baiboly an’i Satana hoe “ilay mpiampanga ny rahalahintsika.” (Apok. 12:10) Nilaza i Satana fa hivadika amin’i Jehovah ny Kristianina rehetra, anisan’izany ianao. Nanizingizina izy fa hivadika ianao rehefa tandindomin-doza ny ainao. Ahoana no fihetseham-ponao amin’izany? Raha misy toe-javatra ahafahanao manaporofo fa mpandainga i Satana, tsy hanao izany ve ianao? Afaka manao izany ianao rehefa tsy mivadika.

11, 12. a) Milazà ohatra mampiseho fa mifandray ny tsy fivadihana sy ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro. b) Nahoana no voninahitra ny hoe tsy mivadika?

11 Tena mila asehonao amin’ny fitondran-tenanao sy ny fanapahan-kevitra raisinao isan’andro àry fa tsy mivadika ianao. Eritrereto indray ireo fisehoan-javatra telo terỳ am-piandohana. Ahoana no hampisehoan’ireo Kristianina ireo fa tsy mivadika izy? Azo inoana fa naniry mafy hanampatra ny hatezerany ilay ankizilahy, rehefa nila ady taminy ireo mpiara-mianatra. Tadidiny anefa ilay fampirisihana hoe: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Rom. 12:19) Niala teo àry izy. Nalaim-panahy hijery sary vetaveta ilay raim-pianakaviana nampiasa Internet. Tsaroany anefa ny toro lalana hita tamin’ilay tenin’i Joba hoe: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Nanda tsy hijery sary vetaveta àry izy. Noheveriny ho toy ny poizina izany. Inona kosa no nataon’ilay anabavy rehefa nivadika ho fifosana ilay resaka? Tsy nety nandray anjara tamin’izany izy, satria tadidiny ilay torohevitra hoe: “Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy.” (Rom. 15:2) Fantany fa tsy mampahery ny fosafosa. Mety hanala baraka an’ilay anabavy Kristianina fosainy izany, sady tsy hampifaly ny Rainy any an-danitra. Nifehy ny lelany àry izy, ary nanova ny resaka.

12 Toy ny hoe milaza toy izao ireo Kristianina ireo, tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny: ‘Jehovah no Mpitondra ahy, ka hiezaka hanao izay mampifaly azy aho.’ Izany koa ve no eritreretinao rehefa misy safidy ataonao na fanapahan-kevitra raisinao? Raha izany no izy, dia mankatò an’ity teny mampahery ao amin’ny Ohabolana 27:11 ity ianao: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” Voninahitra tokoa ny mampifaly ny fon’Andriamanitra! Tokony hiezaka ny tsy hivadika àry isika.

2. Ny tsy fivadihantsika no itsaranʼAndriamanitra antsika

13. Inona no tenin’i Joba sy Davida, mampiseho fa ny tsy fivadihantsika no itsaran’i Jehovah antsika?

13 Hitantsika teo fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika rehefa tsy mivadika. Ny tsy fivadihantsika àry no itsaran’Andriamanitra antsika. Nahafantatra tsara an’izany i Joba. (Vakio ny Joba 31:6.) Fantatr’i Joba fa mandanja ny olona amin’ny “mizana marina” Andriamanitra, izany hoe mampiasa ny fitsipiny lavorary mba hijerena raha mivadika izy ireo na tsia. Hoy koa i Davida: “Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah. Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsy fivadihako aminao. ... Fa mizaha toetra ny fo sy ny voa ilay Andriamanitra manao ny rariny.” (Sal. 7:8, 9) Fantatsika fa afaka mamantatra ny maha izy ny olona iray, na ny “fo sy ny voa” an’ohatra, Andriamanitra. Tokony hotadidintsika anefa izay tena jereny ao amintsika. Milaza i Davida fa mitsara antsika araka ny tsy fivadihantsika i Jehovah.

14. Nahoana isika no milaza fa afaka ny tsy hivadika, na dia tsy lavorary aza?

14 Alao sary an-tsaina hoe mandinika ny fon’ny olona an’arivony tapitrisa eto an-tany i Jehovah Andriamanitra. (1 Tant. 28:9) Maro ve no hitany hoe tsy mivadika? Tena vitsy. Matokia anefa fa afaka ny tsy hivadika ianao, na dia tsy lavorary aza. Natoky i Davida sy Joba fa hitan’Andriamanitra hoe tsy mivadika izy ireo na dia tsy lavorary aza. Afaka matoky toy izany koa isika. Tadidio fa tsy voatery hoe tsy hivadika ny olona lavorary. Telo monja ny olona lavorary teto an-tany, nefa nivadika ny roa, dia i Adama sy Eva. An-tapitrisany kosa ny olona tsy lavorary, izay tsy nivadika mihitsy. Afaka ny ho toa azy ireo ianao.

3. Tena ilaina mba hananana fanantenana

15. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa tena ilaina ny tsy fivadihana raha tiantsika ny hiaina mandrakizay?

15 Hitantsika teo fa ny tsy fivadihantsika no itsaran’i Jehovah antsika. Tena miankina amin’izany àry ny hoavintsika. Nino izany i Davida. (Vakio ny Salamo 41:12.) Nanantena izy fa hankasitraka sy hiahy azy mandrakizay Andriamanitra. Nanantena ny hiaina mandrakizay, toa an’ireo tena Kristianina ankehitriny, i Davida, ka ho afaka hanompo an’i Jehovah Andriamanitra foana sy hifandray akaiky kokoa aminy. Fantany fa nila niezaka ny tsy hivadika hatrany izy, raha tiany ny hahatanterahan’izany. Mitari-dalana sy mampianatra, mitahy, ary manohana antsika koa i Jehovah, rehefa tsy mivadika isika.

16, 17. a) Nahoana ianao no tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy? b) Inona avy no fanontaniana hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Tena ilaina ny fanantenana mba hahasambatra antsika dieny izao. Mahatonga antsika hanana fifaliana, izay manampy antsika hiatrika fotoan-tsarotra, izany. Miaro ny saintsika koa ny fanantenana. Tadidio fa oharin’ny Baiboly amin’ny fiarovan-doha ny fanantenana. (1 Tes. 5:8) Miaro ny lohan’ny miaramila any an’ady ny fiarovan-doha. Toy izany koa fa ny fanantenana dia miaro ny saintsika amin’ireo eritreritra mahakivy, aelin’i Satana eto amin’ity tontolo efa ho rava ity. Tsy misy dikany ny fiainantsika raha tsy manana fanantenana isika. Mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika hoe tena tsy mivadika tokoa ve isika, mba ho azo antoka ny fanantenantsika. Tadidio fa ny tsy fivadihanao no mampiseho fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra ianao, ary izany no miantoka ny hoavinao. Aza mivadika mihitsy àry!

17 Koa satria tena ilaina ny tsy fivadihana, dia misy fanontaniana hafa mila dinihina. Ahoana no hahatonga antsika ho olona tsy mivadika? Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy? Inona no azon’ny olona iray atao, raha efa nivadika tamin’i Jehovah izy? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” (Matio 5:43-48) Fahalavorariana amin’ny lafiny sasany ihany anefa no tiany holazaina amin’izany. Afaka mankatò an’ilay didy ho tia ny olona rehetra isika, ary hampifaly an’Andriamanitra izany. I Jehovah kosa no lavorary tanteraka. Midika hoe lavorary tanteraka ny teny hoe “tsy mivadika” rehefa ampiharina aminy.—Sal. 18:30.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe tsy mivadika?

• Inona no ifandraisan’ny tsy fivadihana sy ilay adihevitra momba ny zo hitondra?

• Nahoana no miantoka ny hoavintsika ny tsy fivadihana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Maro ny toe-javatra mety hahatonga antsika hivadika isan’andro