Ny Soratra Tranainy sy ny Baiboly
Ny Soratra Tranainy sy ny Baiboly
NASAFOTOFOTO ny fitenin’olombelona, tao Babela. Nisy endri-tsoratra maro niforona àry taorian’izay. Soratra miendri-pantsika no nampiasain’ny olona tany Mezopotamia, toy ny Somerianina sy ny Babylonianina. Zavatra telozoro mitovy bika amin’ny fantsika no natao teo amin’ny tanimanga mando mba hamela marika, ka nahatonga ny hoe “soratra miendri-pantsika.”
Nahita soratra miendri-pantsika tany ambanin’ny tany ny mpikaroka. Miresaka olona sy tantara ao amin’ny Soratra Masina izy ireny. Inona no fantatsika momba an’io endri-tsoratra tranainy io? Nahoana ireny soratra ireny no manamarina ny Baiboly?
Firaketana an-tsoratra naharitra
Mihevitra ny manam-pahaizana fa kisarisary no endri-tsoratra nampiasaina tany Mezopotamia, tamin’ny voalohany. Sarina lohan’omby, ohatra, no nilazana ny omby. Nihamaro anefa ny zavatra nilaina natao an-tsoratra, ka izany no nampisy ny soratra miendri-pantsika. Hoy ny boky iray momba ny Baiboly: “Marika no nampiasaina hilazana teny. Nisy marika ho an’ny vaninteny koa anefa, ka marika maromaro no nampiasaina hilazana an’ireo vaninteny ho an’ny teny iray.” Nanana marika 200 teo ho eo ny soratra miendri-pantsika tamin’ny farany, ka “tena azo nilazana hevitra, eny fa na dia ny voambolana sy ny fitsipi-pitenenana be pitsiny aza.”
Efa nivoatra be ny soratra miendri-pantsika tamin’ny andron’i Abrahama, tamin’ny taona 2000 T.K. tany ho any. Nandritra ireo 2 000 taona nanaraka, dia fiteny 15 no nampiasa azy io koa. Saika tamin’ny takelaka tanimanga daholo ny soratra miendri-pantsika hita hatramin’izao. Tato anatin’ny 150 taona farany, dia maro be ny takelaka tanimanga hita tany Ora, Ourouk, Babylona, Nimroud, Nippour, Assour, Ninive, Mari, Ebla, Ougarit, ary Amarna. Hoy ny gazetiboky iray momba ny fikarohana ny any ambanin’ny tany: “Tombanan’ny manam-pahaizana fa iray ka hatramin’ny roa tapitrisa ny takelaka misy soratra miendri-pantsika efa hita, ary 25 000 eo ho eo no hita isan-taona.”
Asa be ho an’ny manam-pahaizana eran-tany ny mandika ireny soratra ireny ho amin’ny fiteny hafa. Tombanana fa “vao ny ampahafolon’ireo takelaka misy soratra miendri-pantsika ankehitriny, no efa nisy namaky indray mandeha.”
Nisy natao tamin’ny fiteny roa na telo ireny soratra miendri-pantsika ireny, ka izany no nahafantarana ny dikany. Hitan’ny manam-pahaizana fa nitovy ny zavatra noraketin’izy ireny, saingy tamin’ny fiteny samy hafa fotsiny. Izao no nanampy azy ireo hahatakatra ny dikany: Miverimberina ny anarana sy ny anaram-boninahitra ary ny tetirazan’ireo mpitondra, ary toy izany koa ny fandokafan-tena nataony.
Teo anelanelan’ny 1850 sy 1859, dia efa hain’ny manam-pahaizana ny namaky ny fiteny akadianina, na asyrianina babylonianina, tamin’ny soratra miendri-pantsika. Fiteny niraisan’ny mponina taloha tany Moyen-Orient izy io. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: “Raha vao azo ny dikan’ny fiteny akadianina, dia fantatra ny hevitry ny soratra miendri-pantsika, ary izany no niaingana mba hahazoana ny dikan’ny soratra miendri-pantsika tamin’ny fiteny hafa.” Inona no ifandraisan’ireny soratra ireny amin’ny Baiboly?
Porofo mifanaraka amin’ny Baiboly
Milaza ny Baiboly fa mpanjaka kananita no nitondra an’i Jerosalema, mandra-pahazoan’i Davida azy, tamin’ny 1070 T.K. tany ho any. (Josoa 10:1; 2 Sam. 5:4-9) Nampisalasala ny manam-pahaizana sasany anefa izany. Nisy vehivavy iray nahita takelaka tanimanga anefa tany Amarna any Ejipta, tamin’ny 1887. Takelaka 380 teo ho eo no hita tao tamin’ny farany. Firaketana ara-panjakana teo amin’ny mpitondra tao Ejipta (Aménophis III sy Akhenaton) sy ny fanjakana kananita izy ireo. Avy amin’i ‘Abdi-Heba, mpitondra an’i Jerosalema, ny taratasy enina.
Hoy ilay gazetiboky hoe Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy): ‘Milaza mazava ireo takelaka hita tao Amarna fa tanàna i Jerosalema fa tsy tanin’olona. I ‘Abdi-Heba no governora tao, ary nasiany miaramila ejipsianina 50 lahy tao. Midika izany fa fanjakana kely ilay havoana nisy an’i Jerosalema.’ Hoy ilay gazetiboky, tatỳ aoriana: “Matoky izahay fa nisy tanàna nanana ny naha izy azy tao tamin’izany, araka ny voalazan’ireo taratasy tao Amarna.”
Anarana avy amin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina
Nanoratra ny tantarany ny Asyrianina, ary ny Babylonianina koa tatỳ aoriana. Takelaka tanimanga na zavatra miendrika varingarina na iraizotongotra no nanoratany azy, na teny amin’ny tsangambato. Rehefa azon’ny manam-pahaizana àry ny dikan’ny soratra miendri-pantsika akadianina, dia hitany fa niresaka olona ao amin’ny Baiboly ireny soratra ireny.
Hoy ilay boky hoe Ny Baiboly ao Amin’ny Tranombakoka Anglisy: ‘Nandaha-teny tao amin’ny Fikambanan’ny Arkeology Momba ny Baiboly ny Pr. Samuel Birch tamin’ny 1870, ka hita fa hainy ny namantatra an’ireo [soratra miendri-pantsika manondro ny anaran’ny] mpanjaka hebreo toa an-dry Omry, Ahaba, Jeho, Azaria, Menahema, Peka, Hosea, Hezekia, Manase, ary koa ny mpanjaka asyrianina toa an-dry Tiglato-pilesera III, Sargona, Sankeriba, Esara-hadona, Assourbanipal, ary ry Beni-hadada sy Hazaela ary Rezina syrianina.’
Mampitaha ny tantaran’ny Israely sy Joda ao amin’ny Baiboly sy izay voalazan’ny soratra miendri-pantsika ilay boky hoe Ny Baiboly sy ny Famaritana Daty amin’ny Karbonina 14 (anglisy). Inona no hitany? ‘Mifanaraka tsara ny firaketana an-tsoratry ny firenen-kafa sy ireo bokin’ny Mpanjaka ao amin’ny Baiboly, raha ny anarana sy ny fotoana nahaveloman’ny mpanjaka 15 na 16 teo amin’ny Joda sy ny Israely no resahina. Tsy nisy diso mihitsy na dia ny momba ny mpanjaka iray aza, ary tsy miresaka anarana tsy hitantsika ao amin’ny [bokin’ny] Mpanjaka, ny firaketana an-tsoratry ny firenen-kafa.’
Hita tamin’ny 1879 ny Varingarin’i Kyrosy, izay soratra miendri-pantsika malaza. Voalaza ao fa politikan’i Kyrosy ny namerina ny babo tany an-tanindrazany, taorian’ny nahazoany an’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Anisan’ny nandray soa tamin’izany ny Jiosy. (Ezra 1:1-4) Manam-pahaizana maro tamin’ny taonjato faha-19 no nisalasala raha marina ilay didy voalaza ao amin’ny Baiboly. Manaporofo ny fahamarinan’ny Baiboly ny soratra miendri-pantsika nanomboka tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Persa, anisan’ireny ny Varingarin’i Kyrosy.
Zavatra 700 misy soratra miendri-pantsika no hita tany Nippour, any akaikin’i Babylona, tamin’ny 1883. Anaran’olona 2 500 no voalaza ao, ary Jiosy ny 70 eo ho eo. Toa “olona nifanao fifanekena, na solontena, na vavolombelona, na mpamory hetra, na tandapa” izy ireo, hoy i Edwin Yamauchi, mpahay tantara. Voaporofo àry fa mbola nisy Jiosy nanao izany asa izany tany akaikin’i Babylona, tamin’io fotoana io. Zava-dehibe izany, satria mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly, izay milaza fa hisy “sisa” amin’ny Israelita hiverina any Jodia rehefa hafahana avy any Asyria sy Babylona. Jiosy maro koa anefa no tsy hiverina.—Isaia 10:21, 22.
Samy nampiasaina ny soratra miendri-pantsika sy ny litera, nandritra ny arivo taona voalohany T.K. Tsy nampiasain’ny Asyrianina sy ny Babylonianina intsony anefa tamin’ny farany ny soratra miendri-pantsika, fa naleony litera.
Takelaka ana hetsiny any amin’ny tranombakoka no mbola mila dinihina. Izay efa voadikan’ny manam-pahaizana dia manaporofo mazava fa marina ny Baiboly. Iza moa no mahalala izay porofo mbola ho hita avy amin’ireo soratra mbola tsy voadinika?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Photograph taken by courtesy of the British Museum