Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Ahoana no ahaizana miteny tsara ny “fiteny madio”, izany hoe ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany? (Zef. 3:9)

Toy ny mianatra fiteny vahiny ihany izany. Ilaina ny mihaino tsara, manahaka an’ireo mahay tsara an’ilay fiteny, mitadidy andinin-teny sasany sy ny filaharan’ireo boky ao amin’ny Baiboly, mamerimberina ny zavatra nianarana, mamaky amin’ny feo avo, mianatra ny fitsipi-pitenenana na ny firafitry ny fahamarinana, mandroso foana, manokana fotoana ianarana, ary “miteny” ny fiteny madio foana.—15/8, pejy 21-25.

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mahalala an’Andriamanitra?

“Jehovah no anarany”, ary tiany ho fantatsika izany. (Eks. 15:3) “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” izy. (2 Kor. 13:11) “Andriamanitry ny fahalalana” izy sady “Andriamanitra mpamonjy.” (1 Sam. 2:3; Sal. 25:5) Hanatona an’izay mahalala izany izy.—1/9, pejy 4-7.

• Nahoana no azo ampiharina amin’ny fanambadiana ny hoe “tady randran-telo”?

Fanoharana ny hoe “tady randran-telo.” (Mpito. 4:12) Raha ampiharina amin’ny fanambadiana izy io, dia ny lehilahy sy ny vadiny no toy ny kofehy roa, izay mifamatotra amin’ny kofehy iray hafa, dia Andriamanitra. Manampy azy mivady hiatrika olana sy ho sambatra ny hery azony avy amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra.—15/9, pejy 16.

• Inona ilay “fametrahan-tanana” resahina ao amin’ny Hebreo 6:2?

Tsy fanendrena anti-panahy izy io, fa azo inoana kosa hoe fametrahan-tanana mba hampitana fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina. (Asa. 8:14-17; 19:6)—15/9, pejy 32.

Inona avy no ilain’ny ankizy, ka tokony ho fantatry ny ray mahay mitaiza?

Anisan’izany 1) ny fitiavany, 2) ny ohatra tsara omeny, 3) rivo-piainana mahafinaritra, 4) fampianarana momba an’Andriamanitra, 5) fananarana sy famaizana, 6) fiarovana.—1/10, pejy 18-21.

• Ahoana no azonao anomezam-boninahitra ny hafa, raha manana andraikitra ianao?

Raha misy, ohatra, zavatra tsy tian’ny anti-panahy hatao, dia tsy tokony hampanaoviny olon-kafa izany. Rehefa manome toromarika izy, na mangataka ny hafa hanao zavatra, dia tokony holazainy ny antony.—15/10, pejy 22.

• Inona no hanampy ny mpivady mba hitana ny voadim-panambadiany?

Misy fanampiana roa ireto: 1) Aza atao tsirambina mihitsy ny fifandraisanareo. 2) Aza mijangajanga na dia ao am-po aza. Na mikorontana ny tokantranonareo na milamina tsara, dia asehoy amin’ny vadinao foana fa te hitana ny voady nifanaovanareo ianao, mba hahasambatra ny tokantranonareo.—1/11, pejy 18-21.

• Nampiasa tehina lava nifaingoka ny mpiandry ondry teo amin’ny Israely. Inona no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’izany?

Nampiasa tehina lava mifaingoka ny mpiandry ondry, mba hitarihana ny ondry. Rehefa niditra tao am-bala ny ondry na nivoaka avy tao, dia tsy maintsy ‘nandalo teo ambany tehina’ mba ho azo isaina. (Lev. 27:32) Mila mahafantatra ny ondry tsirairay eo ambany fiandraiketany ny mpiandry kristianina, sady mahalala izay mitranga aminy.—15/11, pejy 9.

• Ahoana no ampisehoan’ny renim-pianakaviana fa zava-dehibe aminy ny fahadiovana?

Mety ho voaloto mora foana ny sakafo, ka misasa tanana izy alohan’ny hikarakarany izany, ary saronany tsara ny sakafo. Ataony madio foana ny trano mba tsy hisy voalavo sy totozy ary bibikely. Ataony madio koa ny lamba sy ny fitafian’ny mpianakaviny. Mandro matetika koa izy. Mifanaraka amin’ny Baiboly izany.—1/12, pejy 9-11.