Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tapa-kevitra Hitory Amin’ny Fomba Feno

Tapa-kevitra Hitory Amin’ny Fomba Feno

Tapa-kevitra Hitory Amin’ny Fomba Feno

‘Nandidy anay hitory amin’ny olona izy, ka hitory amin’ny fomba feno.’—ASA. 10:42, f.a.p.

1. Inona ilay asa nampanaovina ny apostoly?

NAMORY ny havana aman-tsakaizany i Kornelio, manamboninahitra italianina, izay lehilahy natahotra an’Andriamanitra. Nanomboka teo, dia niova be ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Nilaza tamin’ireo tafavory teo ny apostoly Petera hoe nodidiana ‘hitory amin’ny olona [ny apostoly], ka hanazava tsara’ momba an’i Jesosy. Namokatra be io fitorian’i Petera io. Nahazo ny fanahin’Andriamanitra sy natao batisa ireo hafa firenena tsy voafora, ka nanantena hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Nitory tamin’ny fomba feno i Petera, ary nisy vokany tsara izany!—Asa. 10:22, 34-48.

2. Ahoana no ahalalantsika fa tsy ny apostoly 12 ihany no nasaina nitory?

2 Tamin’ny taona 36 izany. Roa taona teo ho eo talohan’io, dia niova ny lehilahy iray nanohitra mafy ny Kristianina. Teny an-dalana ho any Damaskosy mantsy i Saoly avy any Tarsosy no nisehoan’i Jesosy, ka nilazany hoe: “Midira ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.” Nanome toky an’i Ananiasy i Jesosy hoe hitory “any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely” i Saoly. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:3-6, 13-20.) Hoy àry i Ananiasy tamin’i Saoly: “Andriamanitry ny razantsika efa nifidy anao ... satria ho vavolombelony amin’ny olona rehetra ianao.” (Asa. 22:12-16) Nirahina hitory i Saoly, ilay natao hoe Paoly tatỳ aoriana. Noraisiny ho zava-dehibe ve io asa io?

Nitory tamin’ny fomba feno izy

3. a) Hifantoka amin’ny inona isika? b) Nanao ahoana ny anti-panahin’i Efesosy rehefa naharay ny hafatr’i Paoly? Nahoana izy ireo no ohatra tsara?

3 Mahaliana ny mandalina an’izay nataon’i Paoly tatỳ aoriana. Aleo anefa aloha isika hifantoka amin’ilay lahateniny tamin’ny taona 56 tany ho any, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-20. Efa hifarana ny dia misionera fahatelo nataony, tamin’izay. Tonga tao Mileto, seranan-tsambo any amin’ny Ranomasina Égée, i Paoly. Nampiantso an’ireo anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy izy. Any amin’ny 50 kilaometatra i Efesosy, ary lavitra ny lalana satria miolakolaka. Nientanentana erỳ ny anti-panahin’i Efesosy rehefa naharay ny hafatr’i Paoly. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 10:28.) Tsy maintsy niomana ho amin’ilay dia ho any Mileto anefa izy ireo. Tsy maintsy naka andro tsy hiasana na nanidy ny fivarotany angamba ny sasany. Kristianina maro koa ankehitriny no manao toy izany mba tsy hisy ho banga mihitsy, na tapak’andro aza, ny fanatrehany fivoriamben’ny vondrom-paritra.

4. Inona no nataon’i Paoly tamin’izy tany Efesosy?

4 Araka ny hevitrao, inona no nataon’i Paoly tao Mileto, nandritra ny telo na efatra andro niandrasana an’ireo anti-panahy? Inona kosa no ho nataonao? (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:16, 17.) Manampy hamaly izany ny tenin’i Paoly tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy. Nolazainy tamin’izy ireo ny fanaony hatramin’izay, anisan’izany ny tany Efesosy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:18-21.) Tsy nisalasala izy niteny hoe: ‘Fantatrareo tsara ny fanaoko hatramin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritr’i Azia. [Nitory tamin’ny fomba feno, f.a.p.] aho.’ Tapa-kevitra hanao ilay asa nampanaovin’i Jesosy izy. Ahoana no nanaovany izany tany Efesosy? Nitory tamin’ny Jiosy izy, tany amin’izay nisy Jiosy maro. Milaza i Lioka fa “nandaha-teny sy nandresy lahatra” tao amin’ny synagoga i Paoly, tany Efesosy, tamin’ny 52-55 tany ho any. ‘Nanamafy ny fony sady tsy nino’ anefa ny Jiosy ka nankany amin’ny hafa i Paoly. Toeran-kafa tao an-tanàna no nandehanany, nefa nitory foana izy. Nitory tamin’ny Jiosy sy ny Grika tao amin’io tanàn-dehibe io àry izy.—Asa. 19:1, 8, 9.

5, 6. Nahoana isika no mahazo antoka fa tsy mpino no nitorian’i Paoly isan-trano?

5 Nisy Kristianina nahafeno fepetra ho anti-panahy rehefa nandeha ny fotoana, ary ireo no niresahan’i Paoly tao Mileto. Nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo ny fomba nampiasainy. Hoy izy: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.” Misy milaza ankehitriny fa mpiandry mitsidika ny mpino no noresahin’i Paoly teo. Tsy izany anefa! Fitoriana amin’ny tsy mpino no tena ampiasana ny hoe ‘mampianatra ampahibemaso sy isan-trano.’ Manaporofo izany ny nilazan’i Paoly, avy eo, fa nitory “tamin’ny Jiosy sy ny Grika [izy], momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.” Mazava àry fa tsy mpino nila nibebaka sy nila nino an’i Jesosy, no nitorian’i Paoly.—Asa. 20:20, 21.

6 Namakafaka ny Soratra Grika Kristianina ny manam-pahaizana iray. Hoy izy momba ny Asan’ny Apostoly 20:20: “Nijanona telo taona tao Efesosy i Paoly. Notsidihiny ny trano rehetra, na, fara fahakeliny, nitory tamin’ny olona rehetra izy (andininy 26). Miorina amin’ny Soratra Masina àry ny fitoriana isan-trano sy any amin’izay ivorian’ny olona.” Na nitsidika ny trano rehetra tokoa i Paoly na tsia, dia tsy tiany hohadinoin’ireo anti-panahin’i Efesosy ny fitoriany sy ny vokatr’izany. Hoy i Lioka: “Nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia, na Jiosy na Grika.” (Asa. 19:10) Nandre “daholo” àry ny eran’i Azia. Ahoana anefa no nahavitana izany? Inona no ifandraisan’izany amin’ny fanompoantsika?

7. Nahoana ny fitorian’i Paoly no nisy vokany tamin’olon-kafa tsy nitoriany nivantana?

7 Maro no nandre an’i Paoly tamin’izy nitory tany amin’ny toerana be olona sy isan-trano. Heverinao ve fa nijanona tao Efesosy izay nandre ny fitoriany, ka tsy nisy nankany an-toeran-kafa mba hiasa, na ho any amin’ny havany, na hiala amin’ny tabataban’ny tanàn-dehibe? Tsy izany mihitsy! Maro ankehitriny no mankany an-toeran-kafa noho ireo antony ireo. Anisan’izany angamba ianao. Nankany Efesosy koa ny olona, tamin’izany, mba ho any amin’ny havana aman-tsakaiza, na noho ny raharaham-barotra. Mety ho nihaona tamin’i Paoly, na nandre ny fitoriany, izy ireny tany. Inona no nataon’izy ireny rehefa nody? Ireo nandray ny fahamarinana dia nitory. Ny sasany kosa tsy tonga mpino, nefa azo inoana fa niresaka an’izay reny tany Efesosy. Nandre ny fahamarinana àry ny havana sy ny mpiara-monina ary ny mpividy entana, ka nety ho nisy tonga mpino. (Ampitahao amin’ny Marka 5:14.) Inona no mety ho vokatry ny fitorianao, raha izany no jerena?

8. Ahoana no mety ho nandrenesan’ny olona eran’i Azia ny fahamarinana?

8 Izao no nosoratan’i Paoly momba ilay fotoana nijanonany tany Efesosy: ‘Nisy varavarana lehibe nosokafana ho ahy.’ (1 Kor. 16:8, 9) Inona io varavarana io, ary ahoana no nanokafana azy io ho an’i Paoly? Nanohy ny fanompoany tany Efesosy i Paoly, ka niely ny vaovao tsara. Eritrereto i Kolosia sy Laodikia ary Hierapolia, tanàna telo any afovoan-tany. Mbola tsy tany mihitsy i Paoly, nefa nandre ny vaovao tsara ny olona tany. Avy any, ohatra, i Epafra. (Kol. 2:1; 4:12, 13) Nandre ny fitorian’i Paoly tany Efesosy ve izy ka lasa Kristianina? Tsy milaza izany ny Baiboly. Mety ho nisolo tena an’i Paoly anefa i Epafra rehefa nitory ny fahamarinana tao amin’ny faritra niaviany. (Kol. 1:7) Mety ho efa tonga tany Filadelfia sy Sardisy ary Tyatira koa ny fitoriana, tamin’ireo taona nitorian’i Paoly tany Efesosy.

9. a) Inona no tena nirin’i Paoly? b) Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2009?

9 Ara-dalàna àry raha nanaiky an’ireto tenin’i Paoly ireto ny anti-panahin’i Efesosy: ‘Tsy heveriko ho zava-dehibe ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ Hita eo ny andinin-teny ho an’ny taona 2009, manao hoe: ‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’ Mampahery sy mandrisika antsika izy io.—Asa. 20:24.

Mitory amin’ny fomba feno isika

10. Ahoana no ahalalantsika fa tokony hitory amin’ny fomba feno koa isika?

10 Tsy ny apostoly ihany no nasaina ‘nitory tamin’ny olona’ ka hanao izany amin’ny fomba feno. Izao no baikon’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, tamin’izy niresaka tamin’ireo mpianatra tafavory tany Galilia, izay niisa 500 angamba: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Ho an’ny tena Kristianina rehetra koa io baiko io ankehitriny, satria hoy i Jesosy: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Matio 28:19, 20.

11. Inona ilay asa lehibe ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah?

11 Mankatò foana an’io baiko io ireo Kristianina be zotom-po, ka miezaka ‘mitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’ Ilay noresahin’i Paoly tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy no fomba lehibe iray hanaovana izany, dia ny fitoriana isan-trano. Hoy i David Stewart, ao amin’ny boky iray tamin’ny 2007, izay miresaka momba ny asa misionera mahomby: ‘Izay tena atao eny am-pitoriana mihitsy no ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mazoto mitory ny mpikambana ao aminy. Tena mahomby izany, raha oharina amin’ny fampirisihana am-bava fotsiny avy eny ambony polipitra. Ankafizin’ny ankamaroan’izy ireo ny miresaka ny finoany amin’ny hafa.’ Inona no vokatr’izany? ‘Tamin’ny 1999’, hoy i Stewart, ‘dia tsy nisy afa-tsy 2 ka hatramin’ny 4 isan-jaton’ny olona nanontaniako no nilaza fa niresahan’ny misionera mormon, tao amin’ny renivohitry ny firenena roa any Eoropa Atsinanana. Maherin’ny 70 isan-jato kosa no nilaza fa efa niresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary efa imbetsaka aza ny ankamaroany.’

12. a) Nahoana isika no mitsidika imbetsaka an’ireo trano ao amin’ny faritanintsika? b) Mitantarà olona tsy nandray, nefa niova tatỳ aoriana.

12 Mety ho toy izany koa ny ao amin’ny faritra misy anao, ary anisan’ireo nitory tao angamba ianao. Miresaka amin’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy ianao, isan-trano. Tsy nihaino angamba ny sasany na dia efa imbetsaka aza ianao no tany aminy. Ny hafa indray mety ho nihaino kely, rehefa namakianao andinin-teny na nomenao fanazavana ara-baiboly. Afaka nitory tsara tamin’ny sasany kosa ianao, ary nandray tsara izy ireny. Mety hitranga izany rehetra izany rehefa ‘mitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara’ isika. Fantatrao angamba fa maro be ny olona tsy dia liana, na imbetsaka aza isika no tany aminy, nefa niova izy tatỳ aoriana. Ny zava-nitranga taminy na izay nanjo ny havany angamba no nanokatra ny sainy sy ny fony, ka rahalahy sy anabavy izy ireny izao. Aza kivy àry, na dia maro aza no tsy mandray. Tsy antenaintsika hanaiky ny fahamarinana ny rehetra. Antenain’i Jehovah hazoto hitory foana kosa isika.

Vokatra mety tsy ho fantatsika

13. Nahoana no mety hisy vokany tsy fantatsika ny fitoriantsika?

13 I Paoly mihitsy no nanampy ny olona sasany ho Kristianina. Nisy vokany tamin’olon-kafa koa anefa ny fanompoany. Toy izany koa ny fanompoantsika. Miezaka mitory isan-trano foana isika, ka mitory amin’olona maro araka izay azo atao. Itoriantsika ny vaovao tsara ny mpiara-monina, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary havana. Fantatsika daholo ve ny vokatr’izany? Misy vokany tsara avy hatrany izany, eo amin’ny olona sasany. Indraindray kosa, dia tsy nitsiry tao am-pon’ny sasany ny voan’ny fahamarinana nandritra ny fotoana kelikely, nefa nitsiry ihany, tatỳ aoriana. Na tsy izany aza anefa, dia mety hiresaka amin’ny hafa momba izay nolazaintsika na inoantsika na ataontsika, ilay olona niresahantsika. Mety tsy ho tsapany akory fa izy no mampitsiry an’ireny voa ireny, any an-toeran-kafa.

14, 15. Inona avy no vokatry ny fitoriana nataon’ny rahalahy iray?

14 Diniho, ohatra, ny amin’i Ryan sy Mandi, mpivady any Floride, any Etazonia. Nitory tsy ara-potoana tamin’ny rangahy iray mpiara-miasa aminy i Ryan. Hindoa ilay rangahy, ary nanaitra azy ny fomba fitafin’i Ryan sy ny firesany. Anisan’ny noresahin’i Ryan ny fitsanganana amin’ny maty sy izay manjo ny maty. Indray takarivan’ny volana Janoary, dia nanontanian’ilay rangahy i Jodi vadiny hoe inona no fantany momba Vavolombelon’i Jehovah. Katolika i Jodi, ary nilaza fa ny “fitoriana isan-trano” ihany no ahafantarany ny Vavolombelona. Nokarohin’i Jodi tao amin’ny Internet àry ny teny hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, ka hitany ny www.watchtower.org, izay misy fanazavana marina momba antsika. Nandritra ny volana maromaro, dia betsaka ny zavatra novakin’i Jodi tao, anisan’izany ny Baiboly sy ny lahatsoratra hafa mahaliana.

15 Tatỳ aoriana, dia nihaona i Mandi sy Jodi, satria mpitsabo mpanampy izy roa vavy. Faly erỳ i Mandi namaly ireo fanontanian’i Jodi. Tatỳ aoriana, hoy i Jodi, dia noresahin’izy ireo daholo “nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny Hara-magedona.” Nanaiky hianatra Baiboly i Jodi. Tsy ela izy dia nanomboka nivory. Lasa mpitory tsy vita batisa izy ny volana Oktobra, ary natao batisa izy ny Febroary. Izao no nosoratany: “Sambatra sy afa-po aho izao fa mahalala ny fahamarinana.”

16. Inona no azo tsoahana avy amin’ny tantaran’ilay rahalahy any Floride?

16 Tsy noeritreretin’i Ryan hoe hahatonga olon-kafa ho ao amin’ny fahamarinana ny fitoriany tamin’ny olona iray. Marina aloha fa fantany teto ny vokatry ny fitoriany rehefa tapa-kevitra ‘hitory amin’ny fomba feno’ izy. Na isan-trano ianao no mitory, na any am-piasana, na any am-pianarana, na tsy ara-potoana, dia mety hahalalan’ny hafa ny fahamarinana ny fitorianao, na tsy fantatrao aza. Tsy ary ho fantatr’i Paoly daholo ny vokatry ny fitoriany tany amin’ny “faritr’i Azia.” Mety tsy ho fantatrao koa ny vokatra tsara rehetra nateraky ny fitorianao. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 23:11; 28:23.) Mitoria foana anefa fa zava-dehibe izany!

17. Tapa-kevitra hanao inona ianao, mandritra ny taona 2009?

17 Mandritra ny taona 2009, dia enga anie ka ho zava-dehibe amintsika rehetra ilay asa nanirahana antsika, dia ny fitoriana isan-trano sy amin’ny fomba hafa. Hitovy fihetseham-po amin’i Paoly isika amin’izay, ka hilaza hoe: ‘Tsy heveriko ho zava-dehibe ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’

Ahoana no Havalinao?

• Nitory tamin’ny fomba feno ny apostoly Petera sy Paoly ary ny hafa. Ahoana no nanaovany izany?

• Nahoana no mety ho be lavitra noho izay fantatsika ny vokatry ny fitoriantsika?

• Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2009, ary nahoana no heverinao fa tena mety izany?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 19]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2009: ‘Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’ —Asan’ny Apostoly 20:24.

[Sary, pejy 17]

Fantatr’ireo anti-panahin’i Efesosy fa efa fanaon’i Paoly ny nitory isan-trano

[Sary, pejy 18]

Hisy vokany amin’iza avy ny fitorianao?