Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andao Hanara-dia Ahy”

“Andao Hanara-dia Ahy”

“Andao Hanara-dia Ahy”

“Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy.”—LIOKA 9:23.

1, 2. a) Fanasana hanao inona no natolotr’i Jesosy? b) Ahoana no nandraisanao an’ilay fanasana?

EFA hifarana ny fanompoan’i Jesosy tamin’izay. Nitory tany Pere tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana izy, izany hoe tany avaratratsinanan’i Jodia. Nanatona azy ny tovolahy iray, ary nanontany izay tsy maintsy ataony mba handovany fiainana mandrakizay. Nofantarin’i Jesosy aloha raha nankatò tsara ny Lalàn’i Mosesy ilay tovolahy. Nilaza an’ity fanasana manokana ity izy avy eo: “Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.” (Marka 10:21) Eritrereto ange izany e! Fanasana hanara-dia an’i Jesosy, izay Zanaka lahitokan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra!

2 Nolavin’io tovolahy io ilay fanasana. Nanaiky an’ilay izy anefa ny hafa. Nilazan’i Jesosy toy izao, ohatra, i Filipo, tany aloha kokoa: “Andao hanara-dia ahy.” (Jaona 1:43) Neken’i Filipo izany, ary lasa apostoly izy tatỳ aoriana. Naverin’i Jesosy tamin’i Matio ilay fanasana, ary nanaiky koa izy. (Matio 9:9; 10:2-4) Izay rehetra tia fahitsiana no notoloran’i Jesosy ilay fanasana hoe: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Lioka 9:23) Afaka manara-dia an’i Jesosy àry izay rehetra te hanao izany. Maniry hanao izany ve ianao? Efa nanaiky an’ilay fanasan’i Jesosy ny ankamaroantsika, ary mampita izany amin’ny hafa.

3. Inona no hanampy antsika tsy ho “voatarika hiala”?

3 Mampalahelo fa tsy liana amin’ny fahamarinana intsony ny sasany. Nanjary tsy nazoto intsony izy ireo, ary “voatarika hiala” tsy hanara-dia an’i Jesosy. (Heb. 2:1) Inona no hanampy antsika tsy ho voan’izany? Tsara ny manontany tena hoe: ‘Inona no tena antony nanarahako ny dian’i Jesosy? Inona no dikan’ny hoe manara-dia azy?’ Ho tapa-kevitra kokoa isika ny handeha foana amin’ilay lalana tsara nofidintsika, raha mitadidy ny valin’ireo fanontaniana ireo. Hanampy antsika koa izany mba handrisika ny hafa hanara-dia an’i Jesosy.

Antony hanarahana an’i Jesosy

4, 5. Nahoana i Jesosy no mahafeno fepetra hitarika antsika?

4 Hoy i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.” (Jer. 10:23) Marina ny tenin’i Jeremia, rehefa jerena ny zava-nitranga. Vao mainka miharihary fa tsy mahomby ny fitondran’olombelona tsy lavorary. Nekentsika ilay fanasan’i Jesosy hanara-dia azy, satria nianarantsika fa izy no mahafeno fepetra ho Mpitarika antsika, ary tsy misy olombelona mahavita manahaka azy amin’izany. Ireto misy fepetra fenon’i Jesosy:

5 Voalohany, i Jehovah mihitsy no nifidy azy ho Mesia Mpitarika. Iza, ankoatra ny Mpamorona, no tena mahafantatra izay tokony hotendrena ho Mpitarika antsika? Faharoa, manana toetra mahafinaritra sy azontsika tahafina i Jesosy. (Vakio ny Isaia 11:2, 3.) Modely tonga lafatra izy. (1 Pet. 2:21) Fahatelo, nasehony fa tena miahy ny mpanara-dia azy izy, rehefa nafoiny ho azy ireo ny ainy. (Vakio ny Jaona 10:14, 15.) Mpiandry be fiahiana izy, ka mitari-dalana antsika mba hahasambatra antsika dieny izao sy ho mandrakizay. (Jaona 10:10, 11; Apok. 7:16, 17) Nandray fanapahan-kevitra tsara àry isika, rehefa nifidy ny hanara-dia azy. Inona avy anefa no tafiditra amin’izany?

6. Inona no tafiditra amin’ny hoe manara-dia an’i Jesosy?

6 Tsy hoe milaza tena ho Kristianina fotsiny ny atao hoe manara-dia an’i Kristy. Olona roa arivo tapitrisa eo ho eo ankehitriny no mihambo ho Kristianina. Hita amin’ny zavatra ataony anefa fa “mpandika lalàna” izy ireo. (Vakio ny Matio 7:21-23.) Resahintsika amin’ny olona manaiky ny fanasan’i Jesosy hanara-dia azy, fa ny tena Kristianina dia mampifanaraka isan’andro ny fiainany manontolo amin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny modely nomeny. Handinika zavatra sasany fantatsika momba an’i Jesosy isika, mba hanazavana ny dikan’izany.

Tahafo ny fahendreny

7, 8. a) Inona no atao hoe fahendrena, ary nahoana i Jesosy no nanam-pahendrena be? b) Ahoana no nanehoany fahendrena? Ahoana no anahafantsika azy?

7 Naneho toetra miavaka maro i Jesosy, fa ny efatra no hodinihintsika: ny fahendreny, ny fanetren-tenany, ny zotom-pony, ary ny fitiavany. Hojerentsika aloha ny fahendreny, izany hoe ny fahaizany mampiasa ny fahalalana sy ny fahaiza-misaina. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsara afina ao [amin’i Jesosy] mantsy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.” (Kol. 2:3) Taiza no nahazoan’i Jesosy izany fahendrena izany? Hoy izy: “Araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jaona 8:28) Avy amin’i Jehovah ny fahendreny, ka tsy mahagaga raha nahay nanapa-kevitra izy.

8 Hita tamin’ny fomba fiaina nofidin’i Jesosy, ohatra, fa nahay nanapa-kevitra izy. Naleony nanana fiainana tsotra, ka tanjona tokana no nifantohany, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Hendry izy, ka nanokana ny fotoanany sy ny heriny mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Manahaka azy isika, rehefa miezaka hanana ‘maso tsotra.’ Amin’izay isika dia tsy hovesaran-javatra tsy ilaina, izay mandreraka sy mahatonga antsika ho varimbariana. (Matio 6:22) Kristianina maro no nanatsotra ny fiainany, mba hahafahany hanompo bebe kokoa. Nisy aza afaka nirotsaka ho mpisava lalana. Raha anisan’izy ireo ianao, dia tena mendri-piderana ny safidy nataonao. Tena sambatra sy afa-po izay ‘mikatsaka aloha foana ny fanjakan’Andriamanitra.’—Matio 6:33.

Aoka ianao hanetry tena toa azy

9, 10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanetry tena izy?

9 Ny fanetren-tenan’i Jesosy no toetrany hodinihintsika manaraka. Matetika no lasa manambony tena ny olona tsy lavorary, rehefa omena fahefana. Tsy mba toy izany i Jesosy! Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah izy, nefa tsy niavonavona mihitsy. Asaina hanahaka azy isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nafoiny kosa ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona.” (Fil. 2:5-7) Inona no tafiditra tamin’izany?

10 Nanana tombontsoa be voninahitra i Jesosy, satria nitoetra teo anatrehan’ny Rainy any an-danitra izy. Nanaiky ‘hamoy ny zava-drehetra’ anefa izy. Nafindra tao an-kibon’ny virjiny jiosy iray izy, ary nitombo tao nandritra ny sivy volana. Zaza menavava sy marefo izy rehefa teraka, ary notezaina teo anivon’ny fianakavian’ny mpandrafitra nahantra. Nihalehibe tao an-tranon’i Josefa izy, ka zazakely nianatra namindra aloha, vao lasa ankizilahikely, ary avy eo tovolahy. Tsy nanota mihitsy izy, nefa nankatò foana an’ireo ray aman-dreniny, izay mpanota sy tsy lavorary. (Lioka 2:51, 52) Fanetren-tena lehibe tokoa izany!

11. Ahoana no anahafantsika ny fanetren-tenan’i Jesosy?

11 Manetry tena toa an’i Jesosy isika, raha manaiky an-tsitrapo hanao izay rehetra asaina ataontsika eo amin’ny fanompoana, na dia toa mampietry aza izany. Eritrereto, ohatra, ny fanirahana antsika hitory ny vaovao tsara. Toa mampietry izany, indrindra rehefa tsy miraika ny olona, na maneso, na manohitra. Raha manohy foana an’io asa io anefa isika, dia afaka manampy ny olona hanaiky ilay fanasan’i Jesosy hanara-dia azy. Mety hahavonjy aina isika amin’izany. (Vakio ny 2 Timoty 4:1-5.) Eo koa ny fikojakojana Efitrano Fanjakana, anisan’izany ny asa heverina ho ambany, toy ny manary fako, mamafa trano, ary manadio kabine. Tadidio anefa fa foiben’ny fivavahana marina ny Efitrano Fanjakana, ary anisan’ny fanompoana masina ny fikojakojana azy. Manetry tena sy manara-dia an’i Kristy isika, raha mamita an-tsitrapo ny asa toy izany.

Aoka ianao ho be zotom-po toa azy

12, 13. a) Ahoana no nanehoan’i Jesosy ny zotom-pony, ary inona no nandrisika azy? b) Inona no handrisika antsika ho be zotom-po amin’ny fanompoana?

12 Diniho ny zotom-pon’i Jesosy teo amin’ny fanompoana. Nanao zavatra maro izy tetỳ an-tany. Azo inoana fa niara-niasa tamin’i Josefa rainy izy, ary nanao ny asan’ny mpandrafitra. Nanao fahagagana maro izy nandritra ny fanompoany. Nanasitrana marary, ohatra, izy ary nanangana ny maty. Ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fampianarana an’ireo vonon-kihaino anefa no tena nimasoany. (Matio 4:23) Io koa no asa tokony hataontsika, satria mpanara-dia azy isika. Ahoana no anahafantsika azy? Tokony hitovy amin’ny an’i Jesosy ny antony anaovantsika an’io asa io.

13 Ny fitiavany an’Andriamanitra no antony lehibe indrindra nandrisika an’i Jesosy hitory sy hampianatra. Tiany koa ireo fahamarinana nampianariny. Sarobidy sy tsy voavidim-bola izy ireny taminy. Nazoto niresaka azy ireny izy. Tokony hihevitra toy izany koa isika, satria mpampianatra. Eritrereto ange ireo fahamarinana sarobidy nianarantsika tao amin’ny Tenin’Andriamanitra e! Anisan’izany ny adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra sy ny fomba handaminana izany. Azontsika tsara koa izay lazain’ny Soratra Masina momba ny maty sy ireo fitahiana ho azon’ny olona ao amin’ny tontolo vaovao. Sarobidy foana ireny fahamarinana ireny, na efa ela isika na vao haingana no nahafantatra azy. Marina koa izany, na fahamarinana vaovao izy ireny na efa ela. (Vakio ny Matio 13:52.) Raha mafana fo isika rehefa mitory, dia ho hitan’ny hafa ny fitiavantsika ny zavatra nampianarin’i Jehovah, ka hanjary ho tia azy ireny koa izy ireo.

14. Ahoana no anahafantsika ny fomba fampianatr’i Jesosy?

14 Mariho koa ny fomba fampianatr’i Jesosy. Nisarika ny sain’ny mpihaino tamin’ny Soratra Masina foana izy. Rehefa hiresaka hevi-dehibe izy, dia matetika no nilaza hoe: “Voasoratra hoe.” (Matio 4:4; 21:13) Namerina andinin-teny avy tao amin’ny boky 19 amin’ny Soratra Hebreo izy. Izay voalazan’ilay andininy mihitsy no nolazainy, na ny hevitra tao anatiny. Toa an’i Jesosy, dia miantehitra foana amin’ny Baiboly isika, ary miezaka mamaky azy io amin’ny olona, rehefa eny amin’ny fanompoana. Hitan’ireo olona tso-po amin’izay, fa ny hevitr’Andriamanitra no lazaintsika, fa tsy ny antsika. Tena faly isika rehefa manaiky hamaky andinin-teny ny olona itoriantsika, ary manaiky hanazavana ny dikan’ilay izy sy ny soa entin’ny Tenin’Andriamanitra. Faly be isika, rehefa manaiky an’ilay fanasana hanara-dia an’i Jesosy ireny olona ireny.

Manehoa fitiavana toa azy

15. Inona no toetra miavaka nasehon’i Jesosy, ary inona no vokany rehefa misaintsaina izany isika?

15 Ny fitiavan’i Jesosy ny olona no toetrany mampihetsi-po indrindra hodinihintsika farany. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay.” (2 Kor. 5:14) Manohina ny fontsika ny misaintsaina ny fitiavan’i Jesosy ny olombelona sy ny fitiavany antsika tsirairay. Handrisika antsika hanahaka azy izany.

16, 17. Inona avy no nataon’i Jesosy mba hanehoany ny fitiavany?

16 Ahoana no nanehoan’i Jesosy fitiavana? Ny namoizany ny ainy ho antsika no fomba lehibe indrindra nanehoany izany. (Jaona 15:13) Nasehony tamin’ny fomba hafa koa anefa io toetra io, nandritra ny fanompoany. Takany tsara, ohatra, ny fihetseham-pon’ireo nijaly. Tena nanohina ny fony ny alahelon’i Maria sy ireo olona nitomany noho i Lazarosy maty. Nadiva hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy, nefa mbola nalahelo mafy ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’—Jaona 11:32-35.

17 Tany am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy, dia nisy boka tonga teo aminy ka niangavy azy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Ahoana no nataon’i Jesosy? “Nangoraka azy izy”, hoy ny Baiboly. Nanao zavatra miavaka izy avy eo. “Nanatsotra ny tanany [izy] sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: ‘Sitrako tokoa. Madiova ianao.’ Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana, ka nanjary nadio izy.” Naloto ny boka, araka ny Lalàn’i Mosesy. Azon’i Jesosy natao tsara àry ny tsy nikasika an’io lehilahy io rehefa nanasitrana azy. Tian’i Jesosy ho tsapan’ilay boka anefa fa nisy olona nikasika azy indray. Mety ho efa aman-taonany mantsy no tsy nisy nanao izany. Tsara fanahy sy mangoraka tokoa i Jesosy!—Marka 1:40-42.

18. Ahoana no hanehoantsika fa mahay ‘miara-miory’ isika?

18 Asaina maneho fitiavana koa isika mpanara-dia an’i Kristy, ka hahay ‘hiara-miory’ amin’ny olona. (1 Pet. 3:8) Mety tsy ho mora ny hahatakatra izay tsapan’ny mpiray finoana manana aretina mitaiza na kivy lava, indrindra raha mbola tsy nijaly toy izany isika. Niara-niory tamin’ny marary anefa i Jesosy, na dia mbola tsy narary mihitsy aza. Inona àry no hanampy antsika hanana an’io toetra io? Mila manam-paharetana sy mihaino tsara isika, rehefa mamboraka ny ao am-pony ny olona mijaly. Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Ahoana raha izaho no eo amin’ny toerany?’ Ho haintsika kokoa ny “hanao teny mampahery ny kivy”, raha miezaka hihevitra bebe kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa isika. (1 Tes. 5:14) Amin’izany no hanarahantsika ny dian’i Jesosy.

19. Inona avy no vokatry ny modelin’i Jesosy eo amintsika?

19 Tena nahafinaritra ny nandinika ny tenin’i Jesosy sy ny zavatra nataony! Vao mainka isika te hanahaka azy sy te hanampy ny hafa hanao toy izany, rehefa mianatra bebe kokoa momba azy. Aoka àry isika ho faly hanara-dia an’ilay Mesia Mpanjaka, dieny izao sy ho mandrakizay!

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no anehoantsika fahendrena, toy ny nataon’i Jesosy?

• Ahoana no anehoantsika fanetren-tena?

• Inona no hanampy antsika ho be zotom-po eo amin’ny fanompoana?

• Tia ny olona i Jesosy. Ahoana no anahafantsika azy?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 5]

BOKY MANAMPY ANTSIKA HANAHAKA AN’I KRISTY

Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2007, ilay boky 192 pejy hoe “Andao Hanara-dia Ahy.” Izy io dia natao hanampiana ny Kristianina handinika akaiky momba an’i Jesosy, indrindra fa ny toetrany sy ny zavatra nataony. Aorian’ny toko roa fampidirana, dia resahin’ny fizarana voalohany, amin’ny ambangovangony, ireo toetra miavaka ananan’i Jesosy. Anisan’izany ny fanetren-tenany, ny herim-pony, ny fahendreny, ny fankatoavany, ary ny fiaretany.

Misy fizarana maromaro avy eo, miresaka ny fampianarany sy ny fitoriany ny vaovao tsara ary ny fomba sasany nampisehoany ny fitiavany lehibe. Natao hanampiana ny Kristianina hanahaka an’i Jesosy ny fanazavana rehetra ao amin’ilay boky.

Mino izahay fa handrisika antsika rehetra handini-tena io boky io, ka hieritreritra hoe: ‘Tena manara-dia an’i Jesosy ve aho? Inona no azoko atao mba hanahafana azy tsara kokoa?’ Hampian’izy io ho lasa mpanara-dia an’i Kristy koa ireo ‘manana toe-po tsara hahazoana fiainana mandrakizay.’—Asa. 13:48.

[Sary, pejy 4]

Nanaiky ho etỳ an-tany mba hateraka ho olombelona i Jesosy. Inona no toetra nilainy?

[Sary, pejy 6]

Inona no handrisika antsika ho be zotom-po amin’ny fanompoana?