Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy ny “Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’Andriamanitra”

Asehoy ny “Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’Andriamanitra”

Asehoy ny “Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’Andriamanitra”

“Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—ROM. 12:10.

1. Inona no toky omen’ny Tenin’Andriamanitra antsika?

IMBETSAKA ny Tenin’Andriamanitra no manome toky fa hanampy antsika i Jehovah, rehefa kivy na malahelo isika. Mariho ireto teny mampahery ireto: “Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.” “Manasitrana an’ireo torotoro fo izy, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.” (Sal. 145:14; 147:3) Hoy ilay Raintsika any an-danitra: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—Isaia 41:13.

2. Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony?

2 Ahoana no ‘hitantanan’i’ Jehovah antsika, nefa izy any an-danitra tsy hita maso? Ahoana no ‘hampitrakany’ antsika, rehefa “mitanondrika” noho ny alahelo isika? Maro ny fomba anaovany izany. Omeny “hery fanampiny” amin’ny alalan’ny fanahiny masina, ohatra, ny olony. (2 Kor. 4:7; Jaona 14:16, 17) Mankahery ny mpanompony koa ny hafatra ao amin’ny Teniny. (Heb. 4:12) Mbola misy fomba hafa ampaherezan’i Jehovah antsika ve? Mamaly izany ny bokin’ny Petera Voalohany.

‘Niseho tamin’ny fomba maro samihafa ny hatsaram-panahin’Andriamanitra’

3. a) Inona no nolazain’i Petera momba ny fitsapana? b) Inona no resahina ao amin’ny faramparan’ny taratasy voalohany nosoratan’i Petera?

3 Nanoratra ho an’ireo voahosotry ny fanahy ny apostoly Petera, ary nilaza fa manana antony hifaliana izy ireo. Be dia be mantsy ny valisoa ho azon’izy ireo, “na dia tsy maintsy ampalahelovina vetivety amin’ny fitsapana maro samihafa aza [izy] ankehitriny.” (1 Pet. 1:1-6) Mariho ilay hoe “maro samihafa.” Midika izany fa maro karazana ny fitsapana. Tsy navelan’i Petera hitaintaina anefa ireo rahalahiny, raha ho afaka hiatrika an’izany zava-tsarotra isan-karazany izany na tsia. Nilaza kosa izy fa tsy maintsy hampian’i Jehovah isika mba hiaritra ny fitsapana tsirairay, na inona izany na inona. Hitantsika izany fanomezan-toky izany ao amin’ny faramparan’ny taratasin’i Petera, izay miresaka momba ny “faran’ny zava-drehetra.”—1 Pet. 4:7.

4. Nahoana no mampahery antsika ny 1 Petera 4:10?

4 Hoy i Petera: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Pet. 4:10) Naverin’i Petera indray ilay hoe “maro samihafa.” Te hilaza izy hoe: ‘Miseho amin’ny endriny maro ny fitsapana, saingy miseho amin’ny endriny maro koa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ Mampahery izany, satria na inona na inona fitsapana mihatra amintsika, dia hisy hifanentana amin’izany foana ny fomba isehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Hita amin’ireo tenin’i Petera ireo anefa fa asehon’i Jehovah amintsika, amin’ny alalan’ny mpiara-manompo, izany hatsaram-panahiny izany.

Aoka isika ‘hifanompo’

5. a) Inona no tokony hataon’ny Kristianina tsirairay? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

5 Hoy i Petera tamin’ireo rehetra anisan’ny fiangonana: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.” Hoy koa izy: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy.” (1 Pet. 4:8, 10) Tokony hampahery ny mpiara-manompo aminy àry ny tsirairay. Misy fananana sarobidin’i Jehovah nankinina tamintsika, ka anjarantsika ny mizara azy amin’ny hafa. Inona ireo fananana sarobidy ireo? Nilaza i Petera fa “nomena” izy ireo. Inona avy ireo fanomezana ireo? Ary ahoana no ampiasantsika azy ireo mba “hifanompoana”?

6. Inona no fanomezana sasany nankinina tamin’ny Kristianina?

6 Hoy ny Baiboly: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Porofon’ny hatsaram-panahin’i Jehovah tokoa ireo fanomezana rehetra nankininy tamin’ny olony. Fanomezana miavaka ny fanahy masina. Ampian’io hery io isika, mba hanana toetra tsara, toy ny fitiavana sy hatsaran-toetra ary fahalemem-panahy. Ireo toetra ireo indray kosa no handrisika antsika hifandray am-po amin’ny mpiray finoana, sy ho vonona hanampy azy ireo. Anisan’ny fanomezana tsara noraisintsika tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa ny tena fahendrena sy ny fahalalana. (1 Kor. 2:10-16; Gal. 5:22, 23) Azo lazaina ho fanomezana koa ny hery sy fahaizana ary talenta rehetra ananantsika, ka tokony hampiasaintsika hiderana sy hanomezam-boninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra. Nomen’Andriamanitra andraikitra isika, mba haneho ny toetra tsarantsika sy hampiasa ny fahaizantsika ho fomba anehoan’Andriamanitra ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa amin’ireo mpiray finoana amintsika.

Ahoana no ampiasana ny fanomezana mba “hifanompoana”?

7. a) Midika ho inona ilay hoe “arakaraka”? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika, ary nahoana?

7 Hoy koa i Petera momba ny fanomezana noraisintsika: “Ampiasao ... izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy.” Ilay hoe “arakaraka” dia midika fa mety tsy hitovy ny toetra sy ny fahaizan’ny tsirairay. Tsy ny karazany fotsiny no tsy mitovy, fa ny habetsahany koa. Na ahoana na ahoana, dia nampirisihina ny tsirairay mba ‘hampiasa izay rehetra nomena [azy] mba hifanompoana.’ Baiko koa ilay hoe “ampiasao.Tokony hieritreritra àry isika hoe: ‘Tena ampiasaiko ampaherezana ny mpiray finoana ve ny fanomezana nankinina tamiko?’ (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:9, 10.) ‘Sa ho amin’ny tombontsoako fotsiny, izany hoe mba hahazoako harena na toerana ambony, no tena ampiasako ny fahaizana azoko avy tamin’i Jehovah?’ (1 Kor. 4:7) Hampifaly an’i Jehovah isika, raha ampiasaintsika mba “hifanompoana” izay rehetra nomena antsika.—Ohab. 19:17; vakio ny Hebreo 13:16.

8, 9. a) Inona no fomba sasany anampian’ny Kristianina maneran-tany ny mpiray finoana aminy? b) Ahoana no ifanampian’ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonanao?

8 Miresaka fomba maromaro nifanompoan’ny Kristianina voalohany ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny Romanina 15:25, 26; 2 Timoty 1:16-18.) Faly koa ny Kristianina ankehitriny mampiasa izay nomena azy, mba hahasoa ny mpiray finoana aminy. Hojerentsika ny fomba sasany anaovana izany.

9 Rahalahy maro no mandany ora be dia be isam-bolana, mba hanomanana anjara amin’ny fivoriana. Mandrisika ny rehetra hiaritra ny tenim-pahendrena ataon’izy ireo, rehefa lazainy any am-pivoriana ny fanazavana sarobidy hitany nandritra ny fianarany Baiboly. (1 Tim. 5:17) Rahalahy sy anabavy maro koa no fantatra ho tsara fanahy sy mangoraka. (Rom. 12:15) Mamangy tsy tapaka ny kivy ny sasany, ary miara-mivavaka aminy. (1 Tes. 5:14) Misy koa manoratra teny fampaherezana voahevitra tsara sy avy amin’ny fo ho an’ny mpiara-manompo miatrika fitsapana. Ny hafa kosa manampy ny osa sy ny kilemaina hanatrika fivoriana. Vavolombelona an’arivony no manampy ny tra-boina, ka manangana indray ny tranon’ireo mpiray finoana aminy. Izany firaiketam-po sy fanampian’ny rahalahy sy anabavy be fitiavana izany, dia samy porofon’ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra”, izay ‘miseho amin’ny fomba maro samihafa.’—Vakio ny 1 Petera 4:11.

Iza amin’ireo no tena ilaina?

10. a) Inona ireo lafiny roa tamin’ny fanompoan’i Paoly an’Andriamanitra? b) Ahoana no anahafantsika azy?

10 Marina fa notolorana fanomezana ny mpanompon’Andriamanitra, mba hanampiany ny mpiray finoana aminy. Nanankinana zavatra hafa koa anefa izy, dia ny hafatra tokony hampitainy amin’ny olona. Nahatakatra ireo lafiny roa amin’ny fanompoany an’i Jehovah ireo ny apostoly Paoly. Nanoratra ho an’ireo anisan’ny fiangonan’i Efesosy izy, ary niresaka momba ‘ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra’, izay nomena azy mba hahasoa azy ireo. (Efes. 3:2) Hoy koa anefa izy: “Efa hitan’Andriamanitra fa mendrika hanankinana ny vaovao tsara izahay.” (1 Tes. 2:4) Toa an’i Paoly, dia takatsika fa nankinina tamintsika ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara izy. Miezaka manahaka azy àry isika raha mazoto mitory foana. (Asa. 20:20, 21; 1 Kor. 11:1) Fantatsika mantsy fa mamonjy aina ny asa fitoriana. Miezaka manahaka an’i Paoly amin’ny lafiny hafa koa anefa isika, ka mitady fomba ‘hampitana fanomezana ara-panahy’ amin’ny mpiray finoana.—Vakio ny Romanina 1:11, 12; 10:13-15.

11. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fampaherezana an’ireo rahalahy?

11 Iza amin’ireo lafiny roa ireo no tena ilaina? Ity misy fanontaniana mitovy amin’izany: Iza amin’ny elatra roan’ny vorona no tena ilainy? Mazava ny valiny. Mila ny elany roa izy mba hanidinany tsara. Mila manao ireo lafiny roa amin’ny fanompoantsika koa àry isika, mba hanarahana izay takina amintsika. Toa an’i Petera sy Paoly, dia tsy heverintsika ho zavatra roa tsy mifandray ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fampaherezana ny mpiara-manompo. Mifameno kosa izy ireo. Nahoana?

12. Mampiasa antsika hanao inona i Jehovah?

12 Mampiasa izay fahaiza-mampianatra mety hananantsika isika mpitory, satria te hanohina ny fon’ny olona amin’ny alalan’ny hafatra mampahery momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany no anampiantsika azy ireo ho lasa mpianatr’i Kristy. Ampiasaintsika koa anefa izay fahaizana sy fanomezana hafa ananantsika, mba hampaherezana ny mpiray finoana amintsika, amin’ny alalan’ny teny mampahery sy ny fanampiana azy ireo. Fomba isehoan’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra mantsy izany. (Ohab. 3:27; 12:25) Amin’izany no anampiantsika azy ireo mba ho mpianatr’i Kristy foana. Voninahitra lehibe ho antsika ny ampiasain’i Jehovah, rehefa mitory amin’ny olon-drehetra isika sady ‘mifanompo’ amin’ny mpiray finoana amintsika.—Gal. 6:10.

“Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina”

13. Inona no hitranga raha tsy ‘mifanompo’ isika?

13 Hoy i Paoly tamin’ireo mpiray finoana taminy: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Ho lasa mpanompo miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra isika, ary hanao izany amin’ny fo manontolo, raha miraiki-po amin’ireo rahalahy. Takatsika fa ho rava ny firaisan-tsaintsika, raha mahavita misakana antsika tsy ‘hifanompo’ i Satana. (Kol. 3:14) Rehefa tsy miray saina anefa isika, dia lasa tsy mazoto mitory. Tsy afa-manidina intsony ny vorona, raha maratra ny elany iray. Fantatr’i Satana tsara àry fa afaka misakana antsika tsy hamita ny asa nanirahana antsika izy, raha mahavita mampitsahatra lafiny iray monja amin’ny fanompoantsika.

14. Iza avy no mandray soa rehefa ‘mifanompo’ isika? Manomeza ohatra.

14 Rehefa misy ‘mifanompo’ dia samy mandray soa, na ireo nanehoana ny hatsaram-panahin’Andriamanitra, na ireo nampiasaina mba haneho izany. (Ohab. 11:25) Ohatra amin’izany i Ryan 29 taona, sy Roni 25 taona, mpivady any Illinois, Etazonia. Ren’izy ireo fa an-jatony ny tranon’ny Vavolombelona simban’ny Rivo-doza Katrina. Noho ny fitiavan-drahalahy, dia nialany ny asany sy ny tranony. Nividy tranofiara efa nampiasaina izy, dia nanamboatra izany, ary nandeha 1 400 kilaometatra nankany Louisiane. Nipetraka tany herintaona mahery izy ireo, ka nanokana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany mba hanampiana ireo rahalahiny. Hoy i Ryan: “Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra aho rehefa nanampy ny tra-boina. Hitako ny fomba ikarakaran’i Jehovah ny olony. Niara-niasa tamin’ireo rahalahy be taona kokoa aho, ka lasa nahalala zavatra betsaka momba ny fikarakarana ireo rahalahy sy anabavy. Nianarako koa fa misy asa maro azontsika tanora atao, eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.” Hoy kosa i Roni: “Faly aho fa afaka nanampy olon-kafa. Mbola tsy nahatsiaro ho sambatra toy izany aho. Fantatro fa mbola handray soa avy amin’iny fanompoana tena nahafinaritra iny aho, amin’ny ho avy!”

15. Nahoana isika no tokony hiezaka foana ho mpanompo miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra?

15 Mandray fitahiana àry ny rehetra, rehefa arahina ny didin’Andriamanitra hitory ny vaovao tsara sy hampahery ny mpiara-manompo. Vonona hanompo kokoa an’i Jehovah ireo olona ampiantsika, ary ho faly isika satria manome. (Asa. 20:35) Mifankatia kokoa ny fiangonana satria mifampiahy ny olona eo anivony. Izany fifankatiavantsika izany koa no amantarana fa tena Kristianina isika. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ary ny tena zava-dehibe, dia hoe mahazo voninahitra i Jehovah Raintsika be fitiavana, rehefa tanterahin’ny mpanompony eto an-tany ny faniriany hampahery ny hafa. Tokony hampiasa ‘izay nomena antsika mba hifanompoana’ àry isika, satria “mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra”! Hanao izany foana ve ianao?—Vakio ny Hebreo 6:10.

Tadidinao Ve?

• Ahoana avy no ampaherezan’i Jehovah ny mpanompony?

• Inona no nankinina tamintsika?

• Inona avy no azo atao mba hanompoana ny mpiray finoana?

• Inona no handrisika antsika hiezaka foana hampiasa ‘izay nomena antsika’, mba ‘hifanompoana’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Anompoanao ny hafa ve izay “nomena” anao, sa ampifalianao ny tenanao?

[Sary, pejy 15]

Mitory ny vaovao tsara isika sady mampahery ny Kristianina hafa

[Sary, pejy 16]

Mendri-koderaina ireo manampy ny tra-boina satria mahafoy tena