Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ity no Lalana ka Andehano”

“Ity no Lalana ka Andehano”

“Ity no Lalana ka Andehano”

Tantaran’i Emilia Pederson

Notantarain’i Ruth Pappas

EMILIA PEDERSON no anaran’ny reniko. Teraka tamin’ny 1878 izy. Mpampianatra no asany nefa ny ho misionera no tena tanjony, izany hoe hanampy olona any an-tany hafa hanatona an’Andriamanitra. Tany Chine no tiany haleha, ary efa nanana vatabe izy mba hitondrany entana. Napetrany tao amin’ilay tranonay tany Jasper, tanàna kely any Minnesota, Etazonia, ilay vata. Maty anefa ny reniny, ka tsy tratrany intsony ilay tanjony. Tsy maintsy nikarakara ny zandriny mantsy izy. Nanambady an’i Theodore Holien izy tamin’ny 1907. Fito ny zanak’izy ireo, ary izaho no farany. Tamin’ny 2 Desambra 1925 aho no teraka.

Nanana fanontaniana momba ny Baiboly i Neny, ary niezaka nitady valiny. Nampieritreritra azy, ohatra, ilay fampianarana hoe ampijalijalina any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Nasainy nanome andinin-teny manaporofo izany ny mpitondra fivavahana iray tao amin’ny Fiangonana Loteranina. Nilaza anefa izy io hoe tsy zava-dehibe izay lazain’ny Baiboly, fa tsy maintsy ampianarina fotsiny hoe misy ny afobe.

Faly izy nahalala ny fahamarinana

Nianatra mozika tany Northfield, any Minnesota, i Emma rahavavin’i Neny, taoriana kelin’ny 1900. Nipetraka tany amin’i Milius Christianson mpampianatra azy izy. Mpianatra ny Baiboly na Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’io lehilahy io. Nilaza taminy i Emma fa misy rahavaviny tena tia namaky Baiboly. Nanoratra avy hatrany tany amin’i Neny Rtoa Christianson, ary namaly ny fanontaniany momba ny Baiboly.

Indray andro, dia nandeha lamasinina avy any Sioux Falls, any Dakota Atsimo, ny rahavavy iray atao hoe Lora Oathout, mba hitory tany Jasper. Nomeny boky ara-baiboly i Neny, ka nianatra izany. Nanomboka nitory izy tamin’ny 1915, ary nizara ireo boky nomen’i Lora.

Henon’i Neny tamin’ny 1916, fa hanatrika fivoriambe any Sioux City, any Iowa i Charles Russell. Te ho any àry izy. Efa dimy anefa ny zanany, ary vao dimy volana i Marvin, ilay kely indrindra. Nentiny daholo anefa izy ireo, ary nandeha 160 kilaometatra tamin’ny lamasinina izy. Nahare ny lahatenin’i Russell i Neny, nahita ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, ary natao batisa. Vao tafody izy, dia namoaka lahatsoratra momba ilay fivoriambe tao amin’ny Gazetin’i Jasper.

Anisan’ireo 18 000 nanatrika ilay fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 1922 koa i Neny. Nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy taorian’izay. Nampirisika anay hanaraka ity torohevitra ity koa izy: “Ity no lalana ka andehano.”—Isaia 30:21.

Nisy vokany tsara ny fitoriany

Nifindra tsy lavitra an’i Jasper izahay taoriana kelin’ny 1920. Tsy tena nazoto nianatra Baiboly toa an’i Neny i Dada. Nandeha be mantsy ny asany ary maro ny zaza novelominy. Nanohana ny fivavahana marina foana anefa izy. Nampiantrano mpitety fiangonana (na mpiandraikitra mpitety faritany) izy. Nanao lahateny tao aminay ny mpiandraikitra, ka zato mahery matetika no nanatrika. Feno hipoka ny efitra fandraisam-bahiny sy fisakafoana ary fatoriana.

Tamin’izaho fito taona teo ho eo, dia nilaza i Lettie rahavavin’i Neny, fa te hianatra Baiboly i Ed Larson mivady, mpiray tanàna aminy. Nanaiky ny fahamarinana avy hatrany ry zareo, ary nanasa mpiray tanàna hafa hiara-mianatra aminy. Martha Van Daalen no anaran’izy io, ary valo ny zanany. Lasa Mpianatra ny Baiboly koa ry Martha mianakavy. *

Niasa tao amin’i Dada i Gordon Kammerud, tovolahy iray nipetraka tsy dia lavitra anay. Nisy nilaza taminy hoe: “Tandremo fa hafahafa ny fivavahan’ny zanak’io mpampiasa antsika io.” Nianatra Baiboly ihany anefa i Gordon, ary vetivety dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Natao batisa izy telo volana tatỳ aoriana. Lasa Mpianatra ny Baiboly koa ny ray aman-dreniny. Lasa mpinamana be àry ny fianakavianay sy ry Kammerud ary ry Van Daalen.

Nampahery anay ireo fivoriambe

Tena nampahery an’i Neny ilay fivoriambe tany Cedar Point, ka nanatrika foana izy. Nandeha lavitra àry izahay taloha, mba hanatrehana azy ireny. Ilay tamin’ny 1931 tany Columbus, any Ohio no tena niavaka, satria tamin’io no nandraisana ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12) Mbola tsaroako tsara koa ilay tany Washington, tamin’ny 1935. Nisy lahateny manan-tantara tamin’io. Nohazavaina hoe iza ilay “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy. (Apok. 7:9) Maherin’ny 800 no natao batisa, ary anisany i Lilian sy Eunice rahavaviko.

Mbola nanatrika fivoriambe tany amin’ny toerana lavitra izahay taorian’izay. Tany Columbus, any Ohio (1937), tany Seattle, any Washington (1938), ary tany New York (1939). Maro izahay no niaraka, ka anisan’izany ry Van Daalen sy Kammerud mianakavy. Tsy vita indray andro ilay dia, ka natory teny an-dalana izahay. Nanambady an’i Leo Van Daalen i Eunice, tamin’ny 1940, ary lasa mpisava lalana ry zareo. Nanambady an’i Gordon Kammerud kosa i Lilian, ary lasa mpisava lalana koa ry zareo.

Niavaka koa ilay fivoriambe tany Saint Louis, any Missouri, tamin’ny 1941. Tanora an’arivony no nahazo an’ilay boky hoe Ankizy. Nanova ny fiainako iny fivoriambe iny. Lasa mpisava lalana mantsy izahay sy Marvin ary Joyce vadiny, ny 1 Septambra 1941. Vao 15 taona aho tamin’izay.

Tantsaha ny ankamaroan’ny anadahy tao an-tanànanay, ka nisy tsy afaka nanatrika fivoriambe. Tamin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra mantsy mazàna no nanaovana izany. Nasiana fivoriana àry tao an-tokotaninay mba hamintinana ny fivoriambe, ka nandray soa izay tsy afaka nanatrika. Nahafinaritra ilay izy.

Nanao Sekolin’i Gileada ary notendrena tany an-tany hafa

Ny Febroary 1943 no nisokatra ny Sekolin’i Gileada. Natao hampiofanana ny mpisava lalana mba ho misionera izy io. Enina tamin-dry Van Daalen no nanatrika io kilasy voalohany io. Ireto avy izany: Emil, Arthur, Homer, Leo, Donald zanak’olo-mpiray tam-po amin-dry zareo, ary i Eunice rahavaviko, vadin’i Leo. Sady faly izahay no nalahelo rehefa nifanao veloma, satria tsy fantatra hoe rahoviana indray no hihaona. Nalefa tany Porto Rico daholo izy enina, rehefa vita ilay sekoly. Mbola vitsy ny Vavolombelona tany tamin’izany.

Nanatrika ny kilasy fahatelo i Lilian sy Gordon ary Marvin sy Joyce, herintaona tatỳ aoriana. Nalefa tany Porto Rico koa ry zareo. Voantso hanatrika ny kilasy fahefatra aho avy eo, ny Septambra 1944, rehefa 18 taona. Nalefa tany Porto Rico koa aho, rehefa vita ilay sekoly ny Febroary 1945. Niova be ny fiainako nanomboka teo! Sarotra ny nianatra teny espaniola, nefa tsy ela ny sasany taminay dia nanana mpianatra 20 mahery. Notahin’i Jehovah ny asanay. Efa 25 000 eo ho eo mantsy izao ny Vavolombelona any Porto Rico!

Loza nisesisesy

Niteraka an’i Mark i Leo sy Eunice tamin’ny 1950, nefa nijanona tany Porto Rico ihany. Te hitsidika havana tatỳ Etazonia izy telo mianaka, rehefa roa taona i Mark, ka nandray fiaramanidina ny 11 Aprily 1952. Loza fa vao niainga kelikely ilay izy, dia nianjera tany an-dranomasina. Maty izy mivady. I Mark kely kosa natsingevan’ny rano. Olona nieren-doza no nahita azy, ka nampiditra azy tao anaty lakan’aina. Novelomina izy, ka avotra ny ainy.

Nandeha nivory i Dada sy Neny ny 7 Martsa 1957. Vaky pne ry zareo, ka nijanona teo amoron-dalana, ary nanolo an’ilay pne i Dada. Nodonin’ny fiara anefa izy, ka maty tsy tra-drano. Nisy 600 teo ho eo ny nanatrika ny lahatenim-pandevenana, satria mamy hoditra i Dada. Fitoriana vita ho azy ilay izy.

Fanendrena vaovao

Voatendry ho any Arzantina aho, taloha kelin’ny nahafatesan’i Dada. Tonga tany Mendoza àry aho ny Aogositra 1957. Eo am-pototry ny Tendrombohitra Andes no misy azy io. Voatendry ho any Arzantina koa i George Pappas, tamin’ny 1958. Vao nahavita ny kilasy faha-30 tamin’ny Sekolin’i Gileada izy. Lasa mpinamana be izahay, ary natao mariazy ny Aprily 1960. Maty i Neny tamin’ny 1961, rehefa 83 taona. Tsy niala tamin’ny fivavahana marina mihitsy izy, ary nanampy olona be dia be hanao izany koa.

Niara-niasa tamin’ny misionera maro izahay sy George nandritra ny folo taona, ary nifindrafindra toerana. Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny fito taona izahay avy eo. Nody tatỳ Etazonia izahay tamin’ny 1975 mba hikarakara fianakaviana marary. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny fiangonana miteny espaniola i George, tamin’ny 1980. Nisy 600 teo ho eo tamin’izany ny fiangonana espaniola teto Etazonia. Nitsidika ny maro tamin’ireny izahay nandritra ny 26 taona, ary hitanay ny nitomboany. Efa 3 000 mahery izao ny isany.

Mandeha amin’ilay “lalana” ny havanay

Faly i Neny satria nisy havanay nanompo manontolo andro. Lasa mpisava lalana, ohatra, i Carol zanak’i Ester rahavaviko tamin’ny 1953. Nanambady an’i Dennis Trumbore i Carol, ary mbola mpisava lalana ry zareo. Nanambady an’i Wendell Jensen kosa i Lois, rahavavin’i Carol. Nanatrika ny kilasy faha-41 tamin’ny Sekolin’i Gileada ry zareo, ary misionera nandritra ny 15 taona tany Nizeria. Natsangan’i Ruth La Londe sy Curtiss kosa i Mark, ilay namoy ray aman-dreny tamin’ny lozam-piaramanidina. Nenitoany i Ruth. Mpisava lalana an-taonany maro i Mark sy Lavonne vadiny, ary nanampy ny zanany efatra hanaraka ilay “lalana.”—Isaia 30:21.

I Orlen sisa no mpiray tam-po amiko mbola velona. Efa 95 taona eo ho eo izy izao, nefa mbola mazoto manompo. Mbola faly manompo manontolo andro koa izahay sy George.

Lova navelan’i Neny

Nandova ny latabatr’i Neny aho. Anisan’ny entana tena tsy foiny izy io satria nomen’i Dada azy tamin’ny mariaziny. Mbola ao anaty vata sarihana ny taratasiny sy ny lahatsoratra nosoratany mba hitoriana ilay Fanjakana. Nisy vokany tsara izy ireny. Efa tamin’ny taona 1900 tany ho any no nanoratany ny sasany. Mbola ao koa ny taratasy avy tamin’ireo zanany misionera. Tiako erỳ izy ireny, ka tsy leo mihitsy aho mamaky azy! Tena nampahery anay foana koa ny taratasy nalefan’i Neny ho anay. Marina fa tsy lasa misionera izy, nefa be zotom-po toy ny misionera. Nandrisika ny taranany hanao io asa io koa izany. Tsy andriko erỳ izay hahatongavan’ny paradisa. Hanao fivoriam-pianakaviana izahay rehetra amin’izay, ary ho eo koa i Dada sy Neny!—Apok. 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1983, pejy 27-30, ny tantaran’i Emil Van Daalen.

[Sary, pejy 17]

Emilia Pederson

[Sary, pejy 18]

1916: Neny, Dada (mitrotro an’i Marvin); eo aloha, havia miankavanana: Orlen, Ester, Lilian, ary Mildred

[Sary, pejy 19]

Leo sy Eunice taloha kelin’ny nahafatesany

[Sary, pejy 20]

1950: Eo aoriana, havia miankavanana: Ester, Mildred, Lilian, Eunice, ary Ruth; eo aloha: Orlen, Neny, Dada, ary Marvin

[Sary, pejy 20]

George sy Ruth Pappas, nanao ny asan’ny faritra, 2001