Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ilay Mpanompo Ankasitrahan’i Jehovah?

Iza Ilay Mpanompo Ankasitrahan’i Jehovah?

Iza Ilay Mpanompo Ankasitrahan’i Jehovah?

‘Io ny mpanompoko izay sitrako!’—ISAIA 42:1.

1. Efa akaiky ny Fahatsiarovana ka ampirisihina hanao inona ny vahoakan’i Jehovah? Nahoana?

EFA akaiky izao ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Ampirisihina hanaraka an’ity tenin’ny apostoly Paoly ity àry isika vahoakan’Andriamanitra: ‘Banjino tsara ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.’ Hoy koa izy: “Diniho tsara tokoa ilay niaritra izany teny fanoheran’ny mpanota izany mba tsy ho kivy ianareo na ho reraka.” (Heb. 12:2, 3) Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Kristy. Mila mandinika tsara ny modely nomeny ny Kristianina voahosotra sy ny ondry hafa. Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy izy ireo amin’izay, ary ‘tsy ho kivy na ho reraka.’—Ampitahao amin’ny Galatianina 6:9.

2. Inona no resahin’ny faminanian’i Isaia momba ny Zanak’Andriamanitra?

2 Nasain’i Jehovah nanoratra faminaniana maromaro momba ny Zanany i Isaia. Hanampy antsika izy ireny mba ‘hibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika’, dia i Kristy Jesosy. * Resahina ao ny toetrany, ny fijaliany, ary ny nanandratana azy ho Mpanjaka sy Mpanavotra antsika. Hazava kokoa amintsika amin’izay ny antony hankalazantsika ny Fahatsiarovana. Hatao ny alakamisy 9 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io.

Fantatra hoe iza ilay Mpanompo

3, 4. a) Iza indraindray no tiana holazaina amin’ny hoe ‘mpanompo’, ao amin’ny bokin’i Isaia? b) Iza kosa ilay Mpanompo ao amin’ny Isaia toko faha-42, 49, 50, 52 ary 53?

3 Hita imbetsaka ao amin’ny bokin’i Isaia ilay teny hoe ‘mpanompo.’ Ilay mpaminany ihany indraindray no tiana holazaina amin’io. (Isaia 20:3; 44:26) Ampiharina amin’ny Israelita koa izy io. (Isaia 41:8, 9; 44:1, 2, 21) Iza kosa ilay Mpanompo resahina ao amin’ny Isaia toko faha-42, 49, 50, 52 ary 53? Voalaza mazava tsara ao amin’ny Soratra Grika Kristianina hoe iza izy io. Resahin’ny Asan’ny Apostoly, ohatra, fa namaky ny iray amin’ireo faminaniana ireo ilay tandapa etiopianina. Nasain’ny anjely nanatona azy i Filipo mpitory ny filazantsara. Ny Isaia 53:7, 8 no novakin’ilay tandapa. Hoy izy avy eo tamin’i Filipo: “Mba lazao amiko re: Iza no lazain’ilay mpaminany amin’izany? Ny tenany ihany ve sa olon-kafa?” Nanazava avy hatrany i Filipo fa ny Mesia, na i Jesosy io.—Asa. 8:26-35.

4 Nilatsahan’ny fanahy masina ilay olo-marina atao hoe Simeona, tamin’i Jesosy mbola “zaza”, ka nilaza fa i Jesosy ilay “hazavana izay hanala ny zavatra manarona ny firenena”, voalazan’ny Isaia 42:6 sy 49:6. (Lioka 2:25-32) Nalam-baraka i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany, araka ny efa voalazan’ny Isaia 50:6-9. (Matio 26:67; Lioka 22:63) Nilaza mazava tsara koa ny apostoly Petera taorian’ny Pentekosta taona 33, fa i Jesosy ilay Mpanompon’i Jehovah. (Isaia 52:13; 53:11; vakio ny Asan’ny Apostoly 3:13, 26.) Inona no ianarantsika avy amin’ireo faminaniana momba ny Mesia ireo?

Nampianarin’i Jehovah ilay Mpanompony

5. Ahoana no nampianaran’i Jehovah an’ilay Mpanompo?

5 Resahin’i Isaia fa nifandray akaiky i Jehovah sy ilay Mpanompo, talohan’ny nahatongavan’izy io tetỳ an-tany. (Vakio ny Isaia 50:4-9.) Ilay Mpanompo mihitsy no nilaza fa nampianatra azy foana i Jehovah. Hoy izy: “Fohaziny ny sofiko mba handre toy ny sofin’ny olona efa nampianarina.” (Isaia 50:4) Nihaino an’i Jehovah Rainy foana izy, ary niana-javatra taminy. Nankatò azy koa izy. Ny Mpamorona izao rehetra izao mihitsy àry no nampianatra azy. Tena voninahitra lehibe izany!

6. Inona no porofo fa nankatò tanteraka ny Rainy ilay Mpanompo?

6 “Jehovah Tompo Fara Tampony” no iantsoan’ilay Mpanompo ny Rainy. Ekeny àry fa i Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao. Nankatò tanteraka ny Rainy izy. Manaporofo izany ilay teniny hoe: “Nanokatra ny sofiko i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary izaho kosa tsy mba nikomy na nivily lalana.” (Isaia 50:5) ‘Mpiasa tena mahay teo anilan’i’ Jehovah izy, rehefa noforonina izao rehetra izao sy ny olombelona, ary ‘falifaly foana teo anatrehany. Nahafaly azy ny tany lonaka teo amin’ny tany noforonina. Ary tena tiany izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.’—Ohab. 8:22-31.

7. Inona no porofo fa natoky ilay Mpanompo hoe hanampy azy foana ny Rainy rehefa ao anatin’ny fitsapana izy?

7 Vonona hiatrika fanenjehana mafy àry ilay Mpanompo, rehefa tonga tetỳ an-tany. Ampy tsara mantsy ny fampianarana azony, ary tena tiany ny olombelona. Nahafinaritra azy foana ny nanao ny sitrapon’ny Rainy, na dia faran’izay mafy aza ny nahazo azy. (Sal. 40:8; Matio 26:42; Jaona 6:38) Niaritra fitsapana maro izy, nefa natoky foana hoe nankasitraka azy ny Rainy ka hanampy azy. Hoy àry izy araka ny faminanian’i Isaia: ‘Akaiky ahy Ilay manambara ahy fa marina. Iza no afaka hiady amiko? Hanampy ahy tokoa i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ (Isaia 50:8, 9) Tena nampian’i Jehovah tokoa io Mpanompony tsy mivadika io, nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Izany no ho hitantsika ao amin’ny faminaniana manaraka.

Ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany

8. Inona no porofo fa i Jesosy ilay ‘voafidin’i’ Jehovah ao amin’ny Isaia 42:1?

8 Natao batisa i Jesosy, tamin’ny taona 29. Hoy ny Baiboly momba izay nitranga: ‘Nidina nankeo amboniny ny fanahy masina, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” ’ (Lioka 3:21, 22) Nampahafantarin’i Jehovah àry hoe iza ilay ‘voafidiny’, hita ao amin’ny Isaia. (Vakio ny Isaia 42:1-7.) Tena tanteraka tamin’i Jesosy io faminaniana io, nandritra ny fanompoany. Naverin’i Matio ao amin’ny Filazantsarany ny Isaia 42:1-4, ary nolazainy fa nihatra tamin’i Jesosy.—Matio 12:15-21.

9, 10. a) Nanatanteraka ny Isaia 42:3 i Jesosy, nandritra ny fanompoany. Hazavao. b) Inona no nataony mba ‘hampiharihariana ny rariny’? Rahoviana izy no ‘hanao ny rariny etỳ ambonin’ny tany’?

9 Nanao tsinontsinona ny sarambabem-bahoaka ny mpitondra fivavahana jiosy. (Jaona 7:47-49) Nampahorin’izy ireo ny vahoaka, ka toy ny “bararata folaka” sy “lahin-jiro” efa ho faty. Nangoraka an’ireo nahantra sy nampahorina kosa i Jesosy. (Matio 9:35, 36) Tsara fanahy tamin’izy ireo izy ka nanasa azy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” (Matio 11:28) ‘Nampiharihary ny rariny’ koa i Jesosy. Nampianatra ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy mantsy izy. (Isaia 42:3) Nohazavainy koa fa ilaina ny mahay mandanjalanja sy mangoraka, rehefa mampihatra ny Lalàn’Andriamanitra. (Matio 23:23) Ary nitory tamin’ny manankarena sy mahantra izy, fa tsy nanavakavaka.—Matio 11:5; Lioka 18:18-23.

10 Nilaza koa i Isaia fa ‘hanao ny rariny etỳ ambonin’ny tany’ ilay ‘voafidin’i’ Jehovah. (Isaia 42:4) Hanao izany tsy ho ela izy. Efa Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia mantsy izy izao. Handrava ny fanjakana rehetra i Jesosy, ary izy irery no hanjaka avy eo. Hanorina tontolo vaovao “hitoeran’ny fahamarinana” izy.—2 Pet. 3:13; Dan. 2:44.

“Fahazavana” sy “antoka”

11. Nahoana i Jesosy no “fahazavan’ny hafa firenena” tamin’ny taonjato voalohany? Nahoana izy no mbola toy izany ankehitriny?

11 Noporofoin’i Jesosy fa izy tokoa ilay “fahazavan’ny hafa firenena” voalazan’ny Isaia 42:6. Nitondra fahazavana ara-panahy mantsy izy, na nitory ny vaovao tsara, nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Marina aloha fa ny Jiosy no tena nitoriany. (Matio 15:24; Asa. 3:26) Hoy anefa izy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” (Jaona 8:12) Nitondra fahazavana ara-panahy ho an’ny hafa firenena koa àry izy. Tsy izay ihany anefa, fa nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona rehetra izy. (Matio 20:28) Nirahin’i Jesosy ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” ny mpianany, rehefa natsangana tamin’ny maty izy. (Asa. 1:8) Naverin’i Paoly sy Barnabasy ilay hoe “fahazavan’ny hafa firenena”, ary nolazainy fa tanteraka tamin’izy ireo izy io. Nirahina hitory tany amin’ny hafa firenena mantsy izy ireo. (Asa. 13:46-48; ampitahao amin’ny Isaia 49:6.) Mbola mitohy io asa io, satria mitory ny vaovao tsara ny sisa voahosotra sy ny ondry hafa, ary manampy ny olona hino an’i Jesosy, ilay “fahazavan’ny hafa firenena.”

12. Inona no nataon’i Jehovah mba hahatonga an’ilay Mpanompony ho “antoka ho an’ny olona”?

12 Hoy koa i Jehovah tamin’ilay Mpanompo voafidiny: “Hiaro anao aho, ka ianao no hataoko antoka ho an’ny olona.” (Isaia 42:6) Niezaka mafy foana hamono an’i Jesosy i Satana, mba tsy hahavitany ny fanompoany. Narovan’i Jehovah anefa izy, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondro hahafatesany. (Matio 2:13; Jaona 7:30) Natsangany i Jesosy avy eo, ka nataony “antoka” ho an’ny olona. Te hanome toky mantsy izy fa ho “fahazavan’ny hafa firenena” foana ilay Mpanompony tsy mivadika, ka hanafaka an’ireo ao anatin’ny haizina ara-panahy.—Vakio ny Isaia 49:8, 9. *

13. Inona no nataon’i Jesosy mba hanafahana ‘ireo nitoetra tao amin’ny haizina’, ary inona no mbola ataony ankehitriny?

13 ‘Nampahiratra ny maso jamba’ àry ilay Mpanompo voafidin’i Jehovah. ‘Namoaka ny voafonja hiala tao amin’ny lakaly figadrana’ koa izy, ary nanafaka ‘ireo nitoetra tao amin’ny haizina.’ (Isaia 42:7) Izany no nataon’i Jesosy nandritra ny fanompoany. Naharihariny fa ratsy ny fanaon’ny fivavahan-diso, ary nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy. (Matio 15:3; Lioka 8:1) Nanafaka ny Jiosy sasany tamin’ny fivavahan-diso àry izy. Lasa mpianany izy ireo tatỳ aoriana. (Jaona 8:31, 32) Mbola manao an’izany izy ankehitriny. Olona hafa firenena an-tapitrisany no ampiany ho afaka ao amin’ny haizina ara-panahy. Ny mpianany no irahiny mba ‘handeha hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ Nampanantena izy fa homba azy ireo “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:19, 20) Manara-maso ny asa fitoriana eran-tany i Kristy Jesosy, avy any an-danitra.

Nasandratr’i Jehovah ilay ‘mpanompo’

14, 15. Nahoana no nasandratr’i Jehovah ilay Mpanompony? Ahoana no nanaovany izany?

14 Hoy koa i Jehovah ao amin’ny faminaniana hafa, momba ilay Mesia Mpanompony: “Ho malina ny mpanompoko rehefa manao zavatra. Hahazo toerana ambony izy, ary hasandratra ka homena voninahitra lehibe.” (Isaia 52:13) Nasandratr’i Jehovah ny Zanany satria nanaiky tanteraka ny zony hitondra, ary tsy nivadika mihitsy na dia niharam-pitsapana faran’izay mafy aza.

15 Hoy ny apostoly Petera momba an’i Jesosy: “Eo ankavanan’Andriamanitra izy, satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely sy ny fahefana ary ny fanjakana.” (1 Pet. 3:22) Hoy koa ny apostoly Paoly: ‘Nanetry tena izy ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’—Fil. 2:8-11.

16. Ahoana no ‘nanomezana voninahitra lehibe’ an’i Jesosy tamin’ny 1914? Inona no zava-bitany nanomboka teo?

16 Vao mainka nasandratr’i Jehovah i Jesosy, tamin’ny 1914. ‘Nomena voninahitra lehibe’ izy, ka notendren’i Jehovah ho Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia. (Sal. 2:6; Dan. 7:13, 14) ‘Nanjaka teo anivon’ny fahavalony’ àry i Kristy, nanomboka teo. (Sal. 110:2) Natsipiny mafy tetỳ an-tany aloha i Satana sy ny demoniany. (Apok. 12:7-12) Nanao toa an’i Kyrosy i Kristy avy eo, ka nanafaka ireo rahalahiny voahosotra avy tao amin’i “Babylona Lehibe.” (Apok. 18:2; Isaia 44:28) Mitarika ny asa fitoriana eran-tany izy, ka efa voangona ny “sisa” amin’ireo rahalahiny voahosotra na ny “ondry vitsy.” Tsy vitan’izay fa nahazo namana tsy mivadika izy ireo, satria efa an-tapitrisany koa ny “ondry hafa” voangona.—Apok. 12:17; Jaona 10:16; Lioka 12:32.

17. Inona avy no nianarantsika tao amin’ireo faminanian’i Isaia momba ilay ‘mpanompo’?

17 Azo inoana fa lasa nankasitraka kokoa an’i Kristy Jesosy Mpanjaka sy Mpanavotra antsika ianao, rehefa avy nianatra an’ireo faminaniana lehibe ao amin’ny Isaia ireo. Nankatò ny Rainy izy tetỳ an-tany. Hita avy amin’izany fa ampy tsara ny fampianarana azony tany an-danitra. Noporofoiny nandritra ny fanompoany, fa “fahazavan’ny hafa firenena” izy. Mbola manara-maso an’ireo mampita fahazavana ara-panahy izy hatramin’izao. Hahita faminaniana hafa momba ilay Mesia Mpanompo isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Voalaza ao fa hijaly sy hanome ny ainy ho an’ny olombelona izy. Tokony ‘handinika tsara’ azy io isika, satria efa akaiky ny Fahatsiarovana.—Heb. 12:2, 3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ireto no andinin-teny misy an’ireo faminaniana ireo: Isaia 42:1-7; 49:1-12; 50:4-9; sy 52:13–53:12.

Famerenana

• Iza ilay ‘mpanompo’ ao amin’ny faminanian’i Isaia, ary ahoana no ahalalantsika izany?

• Ahoana no nampianaran’i Jehovah an’ilay Mpanompo?

• Nahoana i Jesosy no “fahazavan’ny hafa firenena”?

• Ahoana no nanandratana an’ilay Mpanompo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nolazain’i Filipo mazava tsara fa i Jesosy ilay ‘mpanompo’ noresahin’i Isaia

[Sary, pejy 23]

Nangoraka an’ireo nahantra sy nampahorina i Jesosy, ilay Mpanompo voafidin’i Jehovah

[Sary, pejy 24]

Nomen’ny Rainy voninahitra i Jesosy, ka notendreny ho Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia