Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafaly ny Manao Mpianatra

Mahafaly ny Manao Mpianatra

Mahafaly ny Manao Mpianatra

“Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona.”—MATIO 28:19.

1-3. a) Inona no tsapan’ny mpitory maro rehefa mampianatra Baiboly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

HOY ny anabavy iray, miara-manompo amin’ny antoko-mpitory miteny hindi, any Etazonia: ‘Niara-nianatra Baiboly tamin’ny fianakaviana iray avy any Pakistan aho, nandritra ny telo volana latsaka. Lasa mpinamana izahay. Nitomany aho rehefa nandre fa hody any Pakistan izy ireo. Tsy ranomason’alahelo fotsiny ilay izy, fa ranomasom-pifaliana koa. Nalahelo aho fa tsy hahita azy ireo intsony, nefa faly koa fa afaka nampianatra azy ireo momba an’i Jehovah.’

2 Efa mba faly toy izany ve ianao, noho ianao afaka nampianatra Baiboly? Tena faly i Jesosy sy ny Kristianina voalohany, rehefa nanao mpianatra. Nanao tatitra nahafaly, ohatra, ireo mpianatra 70 nampiofanin’i Jesosy, rehefa niverina avy nanompo. “Faly be i Jesosy sady feno fanahy masina”, rehefa nandre izany. (Lioka 10:17-21) Maro koa ankehitriny no tena faly, satria manao mpianatra. Tamin’ny 2007, dia nitarika fampianarana Baiboly enina tapitrisa sy sasany teo ho eo isam-bolana, ireo mpitory be zotom-po sy falifaly!

3 Mbola tsy nitarika fampianarana Baiboly mihitsy anefa ny mpitory sasany. Ny hafa indray mety ho efa ela no tsy nanana mpianatra. Inona avy no zava-tsarotra mety ho hitantsika rehefa miezaka hampianatra Baiboly isika? Ahoana no hiatrehantsika azy ireny? Inona no soa azontsika raha mankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona”?—Matio 28:19.

Zava-tsarotra mety ho hitantsika

4, 5. a) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona, any amin’ny tany sasany? b) Inona no zava-tsarotra atrehin’ny mpitory any amin’ny tany hafa?

4 Tia mandray boky sy gazety ny olona any amin’ny tany sasany, ary manaiky hianatra Baiboly. Hoy ny mpivady iray any Aostralia, izay efa nanompo tany Zambia: “Tena ahitam-bokatra ny fitoriana any Zambia. Mahafinaritra be ny mitory eny an-dalana! Manatona anay ny olona, ary ny sasany aza mangataka ny gazety mahaliana azy.” Nitarika fampianarana Baiboly 200 000 mahery ny mpitory any Zambia, vao tsy ela izay. Maherin’ny iray isaky ny mpitory izany, amin’ny antsalany.

5 Sarotra amin’ny mpitory any amin’ny tany hafa anefa ny mametraka boky aman-gazety, sy mampianatra Baiboly tsy tapaka. Nahoana? Matetika no tsy tratra an-trano ny olona. Ny hafa indray tsy liana amin’ny fivavahana. Mety ho notezain’ny fianakaviana tsy mpivavaka izy ireo, na naharikoriko azy ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahan-diso. Olona maro no toy ny ondry nampahorina sady naparitak’ireo mpiandry ondry sandoka. (Matio 9:36) Ara-dalàna àry raha tsy te hiresaka momba ny Baiboly izy ireo.

6. Inona no mety hametra ny zava-bitan’ny mpitory sasany?

6 Misy zava-tsarotra hafa koa mahatonga ny mpitory sasany tsy ho faly intsony, na dia Kristianina tsy mivadika aza izy. Nazoto nanao mpianatra angamba izy taloha, nefa tsy dia afaka manao izany intsony, noho ny aretina na ny fahanterana. Mety ho isika koa indraindray no mametra ny zavatra tokony ho vitantsika. Mihevi-tena ho tsy mahay mampianatra ve, ohatra, isika? Nieritreritra toy izany koa i Mosesy, rehefa nirahin’i Jehovah hiresaka tamin’i Farao. Hoy izy: “Tena miala tsiny aminao aho Jehovah ô, fa tsy mahay mandaha-teny aho, efa hatramin’izay ka hatramin’izao.” (Eks. 4:10) Tsy afa-misaraka ny fiheveran-tena ho tsy mahay sy ny tahotra ny tsy hahomby. Mihevitra isika fa tsy mahay mampianatra, ka manjary matahotra sao tsy ho lasa mpianatr’i Jesosy ny olona iray. Mba tsy hitrangan’izany àry dia mety hanapa-kevitra ny tsy hampianatra isika. Ahoana no hiatrehantsika an’izany rehetra izany?

Omano ny fonao

7. Inona no nandrisika an’i Jesosy hanompo?

7 Ny fo aloha no tokony homanina. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Nitady izay hahasoa ny hafa i Jesosy, ka izany no nandrisika azy hanompo. “Nangoraka izy”, ohatra, rehefa nahita an’ireo Jiosy tafasaraka tamin’Andriamanitra. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra ... Iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.”—Matio 9:36-38.

8. a) Inona no tsara hoeritreretintsika? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’ny mpianatra Baiboly iray?

8 Rehefa manao mpianatra isika, dia tsara ny mieritreritra fa nandany fotoana tamintsika ilay olona nampianatra antsika Baiboly, ary nandray soa tamin’izany isika. Eritrereto koa ireo olona ho hitantsika eny amin’ny fanompoana, sy ny soa horaisiny rehefa mihaino ny hafatra entintsika izy. Izao no nosoratan’ny vehivavy iray ho an’ny biraon’ny sampana ao amin’ny tany misy azy: “Tena isaorako ireo Vavolombelona mampianatra ahy atỳ an-tranoko. Fantatro fa kivy izy ireo indraindray, satria be fanontaniana aho, ary voatery mijanona ela kokoa izy ireo. Manam-paharetana amiko anefa izy ireo, ary vonona hizara izay nianarany. Misaotra an’i Jehovah sy Jesosy aho fa nihaona tamin’izy ireo.”

9. Inona no nifantohan’i Jesosy, ary ahoana no anahafantsika azy?

9 Tsy ny rehetra no nanaiky ny fanampian’i Jesosy. (Matio 23:37) Nanaraka azy ihany ny sasany, fa tsy nanaiky ny fampianarany tatỳ aoriana, ka “tsy niara-nandeha taminy intsony.” (Jaona 6:66) Tsy nihevitra anefa i Jesosy hoe tsy nisy dikany ny hafatra nentiny, na dia tsy nihaino aza ny sasany. Tsy namokatra ny ankamaroan’ny voa nafafiny, nefa ny vokatra tsara azony no nifantohany. Hitany fa efa masaka hojinjaina ny vokatra, ary tena faly izy nanampy tamin’ilay fijinjana. (Vakio ny Jaona 4:35, 36.) Tsy ireo faritra tsy misy voly no tokony hifantohana rehefa mijery saha, fa ny voly efa maniry. Tokony hifantoka amin’ny vokatra mety ho azontsika ao amin’ny faritanintsika àry isika. Andeha hojerentsika ny fomba hananana toe-tsaina tsara toy izany foana.

Ataovy tanjona ny hahazo vokatra

10, 11. Inona no azonao atao raha te ho faly foana ianao?

10 Mamafy ny mpamboly, satria manantena hahazo vokatra. Mitory koa isika satria te hanomboka fampianarana Baiboly. Ahoana anefa raha mitory foana ianao, nefa zara raha mahita olona ao an-trano, na tsy ao foana ny olona rehefa miverina mitsidika ianao? Mety hahakivy izany. Tsy tokony hitory isan-trano intsony àry ve ianao? Tsy izany mihitsy! Mbola maro mantsy hatramin’izao ny olona lasa nianatra Baiboly noho ny fitoriana isan-trano.

11 Ho faly foana ianao, raha mampiasa fomba fitory samihafa, mba hahatratrarana olona. Efa mba nitory teny an-dalana na tany amin’ny toeram-piasana ve ianao? Afaka mitory an-telefaonina ve ianao, na maka ny nomeraon’ny telefaonin’ireo olona efa nitorianao taloha, mba hiantsoana azy? Raha mikiry sy mahay mampifanaraka ny fomba fitorinao amin’ny zava-misy ianao, dia ho faly hahita olona manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Rehefa tsy miraika ny olona

12. Inona no azo atao raha maro no tsy miraika ao amin’ny faritanintsika?

12 Ahoana raha maro no tsy miraika amin’ny fivavahana ao amin’ny faritaninao? Azonao atomboka amin’ny zavatra mahaliana azy ny resaka. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto: ‘Tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho. Tamin’izay tsy manan-dalàna, dia tonga toy izay tsy manan-dalàna aho, na dia manana ny lalàn’Andriamanitra aza.’ Nahoana i Paoly no nanao izany? Hoy izy: “Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.” (1 Kor. 9:20-22) Afaka manao toa azy isika, ka mitady foto-kevitra mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritanintsika. Maro, ohatra, ireo tsy mpivavaka te hanatsara ny fiainam-pianakaviany. Mety ho tiany hisy heviny koa ny fiainany. Azontsika atao manintona azy àry ve ny hafatra momba ilay Fanjakana?

13, 14. Ahoana no ampitomboantsika ny fifaliantsika amin’ny fanaovana mpianatra?

13 Mihamaro ny mpitory nampitombo ny fifaliany tamin’ny fanaovana mpianatra, na dia any amin’ny faritra be olona tsy miraika aza. Inona no nataony? Nianatra teny vahiny izy ireo. Nisy mpivady efa 60 taona mahery nahita fa nisy sinoa an’arivony tao amin’ny faritaniny. Mpianatra niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo. Hoy ilay rahalahy: ‘Nampirisihina àry izahay hianatra teny sinoa. Voatery nandany fotoana isan’andro izahay nianarana ilay fiteny. Afaka nitarika fampianarana Baiboly maro tamin’ireo Sinoa tao amin’ny faritaninay anefa izahay.’

14 Mety tsy ho afaka hianatra teny vahiny ianao. Azonao ampiasaina anefa ilay bokikely hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra. Azonao atao koa ny manafatra boky sy gazety amin’ny fitenin’ilay olona. Marina fa mitaky fotoana sy ezaka ny miresaka amin’olona tsy mitovy fiteny sy kolontsaina aminao. Tadidio anefa ilay toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Izay malala-tanana ka mamafy be dia hijinja be.’—2 Kor. 9:6.

Mandray anjara ny fiangonana

15, 16. a) Nahoana no mandray anjara amin’ny fanaovana mpianatra koa ny fiangonana? b) Inona no anjara asan’ny zokiolona?

15 Tsy miankina amin’ny ezaky ny olona iray ny fanaovana mpianatra. Mandray anjara amin’izany kosa ny fiangonana. Nahoana? Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Marina izany satria rehefa tonga mivory ny mpianatra Baiboly, dia matetika izy ireo no gaga mahita ny fitiavana manjaka eo anivontsika. Hoy ny olona iray mianatra Baiboly: “Tena tiako ny mivory. Mandray tsara ahy daholo ny olona!” Nilaza i Jesosy fa mety henjehin’ny fianakaviany ireo lasa mpanara-dia azy. (Vakio ny Matio 10:35-37.) Nomeny toky anefa izy ireo fa hahazo “rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka” maro be, eo anivon’ny fiangonana.—Marka 10:30.

16 Ireo zokiolona indrindra no anisan’ny mampandroso ny mpianatra Baiboly. Amin’ny fomba ahoana? Tsy afaka mitarika fampianarana ny sasany aminy, nefa mampahery ny rehetra ny valin-teniny any am-pivoriana. Vao mainka mampiavaka ny fiangonana izy ireo, satria efa nandeha ‘tao amin’ny lalan’ny fahamarinana’ hatry ny ela. Mahasarika an’ireo tso-po ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra izany.—Ohab. 16:31.

Reseo ny tahotra

17. Inona no azo atao raha mihevi-tena ho tsy mahay isika?

17 Mihevi-tena ho tsy mahay mampianatra ve ianao? Tadidio fa nanampy an’i Mosesy i Jehovah, ka nanome azy ny fanahy masina. Nomeny ho namany koa i Arona. (Eks. 4:10-17) Nampanantena i Jesosy fa hanampy antsika amin’ny asa fitoriana ny fanahin’Andriamanitra. (Asa. 1:8) Naniraka an’ireo mpitory handeha tsiroaroa koa izy. (Lioka 10:1) Raha sarotra aminao àry ny mitarika fampianarana Baiboly, dia angataho ny fanahin’Andriamanitra mba hahazoanao fahendrena. Miaraha koa amin’ny mpitory za-draharaha, izay hahatonga anao hatoky tena sy hahazo traikefa. Manatanjaka finoana ny mahafantatra fa i Jehovah dia nifidy olon-tsotra, izany hoe “ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao”, mba hanatanteraka an’io asa miavaka io.—1 Kor. 1:26-29.

18. Inona no tokony hatao raha matahotra ny tsy hahomby isika?

18 Inona no tokony hatao raha matahotra ny tsy hahomby isika? Tadidio fa tsy miankina amin’olon-tokana ny manao mpianatra. Tsy toy ny manao sakafo mantsy izany, ka hoe miankina amin’ilay mpahandro no maha tsara an’ilay sakafo na tsia. Antokony telo kosa, fara fahakeliny, no mifarimbona amin’ny fanaovana mpianatra. I Jehovah no manao ny asa lehibe indrindra, satria taominy hanatona azy ilay olona. (Jaona 6:44) Isika sy ny mpiara-manompo amintsika kosa, miezaka mampiasa ny fahaizantsika mampianatra, mba hanampiana an’ilay mpianatra handroso. (Vakio ny 2 Timoty 2:15.) Farany, ilay mpianatra mihitsy no mila mampihatra izay ianarany. (Matio 7:24-27) Mety ho diso fanantenana isika raha tsy mianatra intsony ny olona iray. Manantena azy hanao safidy tsara mantsy isika. “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka” amin’ny safidiny anefa ny tsirairay.—Rom. 14:12.

Inona avy no soa raisintsika?

19-21. a) Inona avy no soa raisintsika rehefa mitarika fampianarana Baiboly? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny mpitory rehetra?

19 Manampy antsika hikatsaka aloha foana an’ilay Fanjakana ny fanaovana mpianatra. Izy io koa no handentika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana? Hoy i Barak, mpisava lalana: ‘Voatery mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, rehefa mampianatra Baiboly. Tsy maintsy resy lahatra tsara isika, vao afaka mampianatra tsara ny hafa.’

20 Tsy misy dikany amin’Andriamanitra ve ny fanompoanao, raha tsy mitarika fampianarana Baiboly ianao? Tsy izany mihitsy! Tena ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataontsika hanompoana azy. “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” mantsy ny mpitory rehetra. Vao mainka mahafaly antsika anefa ny mampianatra Baiboly, satria hitantsika ny fomba ampitomboan’Andriamanitra ny voa nafafintsika. (1 Kor. 3:6, 9) Hoy i Amy, mpisava lalana: “Tena maniry hisaotra an’i Jehovah ianao, rehefa mandroso ilay mpianatra Baiboly. Nampiasa anao mantsy izy mba hanolotra fanomezana sarobidy ho an’ilay olona, dia ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fiainana mandrakizay.”

21 Tokony hanao araka izay fara herintsika àry isika mba hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly. Hanampy antsika hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany, ary hanamafy ny fanantenantsika hiditra ao amin’ny tontolo vaovao. Afaka hamonjy an’izay mihaino antsika koa isika, noho ny fanampian’i Jehovah. (Vakio ny 1 Timoty 4:16.) Tena hahafaly izany!

Tadidinao Ve?

• Inona no mety hisakana ny mpitory tsy hitarika fampianarana Baiboly?

• Inona no azo atao raha maro no tsy miraika ao amin’ny faritanintsika?

• Inona avy no soa raisintsika rehefa mitarika fampianarana Baiboly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Mampiasa fomba fitory samihafa ve ianao mba hahitana olona tso-po?