Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Notrobarana Noho ny Helotsika’ Ilay Mpanompo

‘Notrobarana Noho ny Helotsika’ Ilay Mpanompo

‘Notrobarana Noho ny Helotsika’ Ilay Mpanompo

‘Notrobarana noho ny helotsika izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoantsika. Ny ratrany no nahazoantsika fanasitranana.’—ISAIA 53:5.

1. Inona avy no antony ankalazantsika ny Fahatsiarovana, ary inona no faminaniana hanampy antsika hitadidy izany?

NATAO hahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ilay fotoan-dehibe amin’ny 9 Aprily. Natao hanampiana antsika hitadidy koa izy io fa nisy vokany tsara ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Voaporofo, ohatra, fa manana zo hitondra i Jehovah. Nohamasinina koa ny anarany, ary tanteraka ny fikasany, anisan’izany ny famonjena antsika. Ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 53:3-12 angamba no tena mahalaza tsara ny sorona nataon’i Kristy sy ny vokatr’izy io. Resahina ao ny fijaliana nanjo an’io Mpanompo io. Voalaza tsara ao koa ny nahafatesany sy ny fitahiana hoentin’izany ho an’ireo rahalahiny voahosotra sy ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

2. Manaporofo inona ny faminanian’i Isaia, ary inona no ho vokatr’izy io eo amintsika?

2 Nasain’i Jehovah nanoratra i Isaia fa tsy hivadika mihitsy ilay Mpanompo voafidiny, na dia hiharam-pitsapana faran’izay mafy aza. Fitonjato taona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany i Isaia no naminany. Porofo izany fa natoky tanteraka i Jehovah hoe tsy hivadika mihitsy ilay Zanany. Andeha hojerentsika ilay faminaniana. Hahatonga antsika hankasitraka an’i Jehovah sy Jesosy izy io, ary hanatanjaka ny finoantsika.

‘Natao tsinontsinona sy nohamavoina’

3. Nahoana ny Jiosy no tokony ho nandray tsara an’i Jesosy? Inona anefa no nataon’izy ireo?

3 Vakio ny Isaia 53:3. Faly nanompo teo anilan’i Jehovah ilay Zanany lahitokana. Nirahina ho etỳ an-tany anefa izy mba hanao sorona ny ainy, hamonjena ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy maintsy ho mafy taminy izany! (Fil. 2:5-8) Natao hamelana tanteraka ny fahotantsika ny soron’i Jesosy. Tsy nahavita izany mantsy ny sorona biby notakin’ny Lalàn’i Mosesy. (Heb. 10:1-4) Tokony ho nandray tsara sy nanaja azy àry ny olona, na dia ny Jiosy fotsiny ihany aza. Efa niandry ny Mesia nampanantenaina mantsy izy ireo. (Jaona 6:14) ‘Nataon’izy ireo tsinontsinona sy nohamavoiny’ anefa i Kristy. Hoy ny apostoly Jaona: “Tonga tany amin’ny taniny izy, nefa tsy nandray azy ny olona tany aminy.” (Jaona 1:11) Hoy koa ny apostoly Petera: “Andriamanitry ny razantsika, dia nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony, fa ianareo kosa nanolotra azy ka nanda azy teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra ny hanafaka azy. Eny, nolavinareo ilay masina sy marina.”—Asa. 3:13, 14.

4. Nahoana i Jesosy no nahafantatra tsara ny atao hoe aretina?

4 Nilaza koa i Isaia fa “nahafantatra tsara ny atao hoe aretina” i Jesosy. Reraka izy indraindray, nefa tsy voalaza mihitsy hoe efa narary. (Jaona 4:6) Nahafantatra tsara ny atao hoe aretina anefa izy, satria nahita olona narary rehefa nitory. Nangoraka azy ireny izy, ary maro no nositraniny. (Marka 1:32-34) Nanatanteraka an’ity faminaniana ity izy: “Ny aretinay tokoa no nentiny, ary ny fanaintainanay no nozakainy.”—Isaia 53:4a; Matio 8:16, 17.

Toy ny hoe ‘nokapohin’Andriamanitra’

5. Nahoana i Jesosy no maty, araka ny hevitry ny Jiosy maro? Nahoana izany no vao mainka nampijaly azy?

5 Vakio ny Isaia 53:4b. Maro ny Jiosy tsy nahazo hoe nahoana i Jesosy no nijaly sy maty. Nihevitra izy ireo fa nanasazy azy Andriamanitra. (Matio 27:38-44) Nolazaina fa nanevateva an’Andriamanitra mantsy izy. (Marka 14:61-64; Jaona 10:33) Sady tsy nanota anefa izy no tsy nanevateva an’Andriamanitra. Azo inoana àry fa vao mainka nampijaly an’io Mpanompo io ny nieritreritra hoe noho izy nampangaina ho nanevateva ny Rainy no antony hahafatesany. Tena tiany mantsy ny Rainy. Na izany aza, dia nanaiky hanao ny sitrapon’i Jehovah izy.—Matio 26:39.

6, 7. Inona no dikan’ny hoe ‘nanorotoro’ an’ilay Mpanompony tsy nivadika i Jehovah, ary nahoana izany no ‘sitrany’?

6 Misy zavatra mahagaga resahin’i Isaia. Tsy milaza fotsiny izy hoe noheverin’ny olona fa ‘nokapohin’Andriamanitra’ i Kristy. Lazainy mihitsy kosa fa ‘sitrak’i Jehovah ny hanorotoro’ azy. (Isaia 53:10) Niteny i Jehovah taloha kokoa hoe: ‘Io ny mpanompoko, ilay voafidiko izay sitrako!’ (Isaia 42:1) Nahoana indray anefa i Isaia no milaza fa ‘sitrak’i Jehovah ny hanorotoro’ azy? Inona no tiany holazaina?

7 Tadidio fa nilaza i Satana hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah. Tsy misy zavaboary hahavita tsy hivadika amin’Andriamanitra mantsy, hono, na anjely na olona. (Joba 1:9-11; 2:3-5) Tsy nivadika mandra-pahafatiny anefa i Jesosy, ka tena nampiharihary fa tsy marina ny fiampangan’i Satana. Mba hanaporofoana izany, dia ‘nanorotoro’ an’i Kristy i Jehovah, izany hoe namela azy hovonoin’ny fahavalony. Marina fa nalahelo izy nahita an’ilay Mpanompo voafidiny novonoina. ‘Sitrany’ na tena nahafaly azy anefa ny nahita azy io tsy nivadika mihitsy. (Ohab. 27:11) Tena faly koa izy satria hitondra soa ho an’ny mpanota mibebaka ny nahafatesan’ny Zanany.—Lioka 15:7.

‘Notrobarana noho ny helotsika’

8, 9. a) Inona no dikan’ny hoe ‘notrobarana noho ny helotsika’ i Jesosy? b) Inona no tenin’i Petera manamafy izany?

8 Vakio ny Isaia 53:6. Toy ny ondry very ny olombelona. Nitady vahaolana hatraiza hatraiza izy ireo, mba hanafoanana ny aretina sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. (1 Pet. 2:25) Tsy nisy tamin’ny taranak’i Adama nahavita izany, satria tsy lavorary avokoa. (Sal. 49:7) Tena tia antsika anefa i Jehovah, ka ‘nampitondrainy’ an’ilay Zanany malalany, na ilay Mpanompo voafidiny ny ‘fahadisoantsika rehetra.’ Nanaiky ‘hotrobarana noho ny helotsika’ sy ‘hotorotoroina noho ny fahadisoantsika’ àry i Kristy, izany hoe nitondra ny fahotantsika teo amin’ny tsato-kazo, ary maty ho antsika.

9 Hoy ny apostoly Petera: ‘Ho amin’izany lalana izany no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany. Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo, mba ho afaka amin’ny ota isika ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika.’ Namerina ny faminanian’i Isaia i Petera avy eo, ka niteny hoe: “Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.” (1 Pet. 2:21, 24; Isaia 53:5) Afaka mihavana indray amin’Andriamanitra àry ny mpanota. Hoy ihany i Petera: ‘Maty indray mandeha monja noho ny ota i Kristy, izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.’—1 Pet. 3:18.

“Nentina toy ny ondry hovonoina”

10. a) Inona no nolazain’i Jaona Mpanao Batisa momba an’i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no Zanak’ondry manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao?

10 Vakio ny Isaia 53:7, 8. Hoy i Jaona Mpanao Batisa, rehefa nanatona azy i Jesosy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) Ity tenin’i Isaia ity angamba no tao an-tsainy: “Nentina toy ny ondry hovonoina izy.” (Isaia 53:7) Hoy koa i Isaia: ‘Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana izy.’ (Isaia 53:12) Ankoatra izany, dia hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny 11 tsy nivadika, rehefa avy nanome azy ireo kaopy nisy divay izy, tamin’ilay alina nanaovany ny Fahatsiarovana voalohany: “Ity no rako, dia ‘ny ran’ny fifanekena’ izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.”—Matio 26:28.

11, 12. a) Inona no nampitovy an’i Isaka sy Kristy? b) Inona no tokony hotadidintsika momba an’ilay Abrahama Lehibe, rehefa mankalaza ny Fahatsiarovana?

11 Nanaiky hatao sorona i Jesosy, satria izay no tian’i Jehovah hataony. Nitovy tamin’izany no nataon’i Isaka. (Gen. 22:1, 2, 9-13; Heb. 10:5-10) Marina fa nanaiky an-tsitrapo hatao sorona i Isaka, nefa i Abrahama no tena nanolotra azy ho sorona, raha ny marina. (Heb. 11:17) Toy izany koa fa avy amin’i Jehovah ny soron’i Jesosy, na dia i Jesosy aza no nanaiky hatao sorona. Tena tia antsika àry Andriamanitra matoa nanome ny Zanany ho sorona.

12 I Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Hoy ny apostoly Paoly: ‘Andriamanitra naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ (Rom. 5:8) Marina fa manome voninahitra an’i Kristy isika, rehefa mahatsiaro ny nahafatesany. Tokony hotadidintsika anefa fa avy amin’i Jehovah, ilay Abrahama Lehibe, ny sorona nataony. I Jehovah àry no tena tokony homem-boninahitra, rehefa mankalaza ny Fahatsiarovana.

‘Manampy olona maro ho tonga olo-marina’ ilay Mpanompo

13, 14. Inona no nataon’ilay Mpanompon’i Jehovah mba hanampiana “olona maro ho tonga olo-marina”?

13 Vakio ny Isaia 53:11, 12. Hoy i Jehovah momba ilay Mpanompo voafidiny: ‘Hanampy olona maro ho tonga olo-marina ilay olo-marina mpanompoko.’ Ahoana izany? Manampy antsika hahita ny valiny ny faran’ny andininy faha-12. Voalaza eo fa “mpanelanelana eo amin’ireo mpandika lalàna” ilay Mpanompo. “Mpandika lalàna” ny taranak’i Adama rehetra, izany hoe mpanota. Maty daholo àry izy ireo, satria “fahafatesana no tambin’ny ota.” (Rom. 5:12; 6:23) Mila mihavana indray amin’i Jehovah ny olona. Resahin’ny Isaia toko faha-53, fa ‘nanelanelana’ na nampihavana antsika tamin’Andriamanitra i Jesosy. Izao no voalaza ao: ‘Nihatra taminy ilay sazy nahazoantsika fihavanana, ary ny ratrany no nahazoantsika fanasitranana.’—Isaia 53:5.

14 Nanampy “olona maro ho tonga olo-marina” i Kristy, rehefa nitondra ny fahotantsika sy maty ho antsika. Hoy i Paoly momba azy: “Sitrak’Andriamanitra hitoetra ao aminy ny fahafenoana rehetra, ary sitrak’Andriamanitra koa ny hampiasa azy mba hampihavanina aminy indray ny zavatra hafa rehetra, na ny etỳ an-tany, na ny any an-danitra, eny, hampihavanina aminy amin’ny alalan’ny ra nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.”—Kol. 1:19, 20.

15. a) Iza ireo ‘zavatra any an-danitra’? b) Iza ihany no mahazo mihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana, ary nahoana?

15 Ny ‘zavatra any an-danitra’ dia ny Kristianina voahosotra, izay “nahazo fiantsoana ho any an-danitra”, mba hiara-manjaka amin’i Kristy. Lasa mihavana indray amin’i Jehovah izy ireo, satria mino ny ran’ny Zanany. Ambara “ho marina ho amin’ny fiainana” izy ireo noho izany. (Heb. 3:1; Rom. 5:1, 18) Raisin’i Jehovah ho zanany ara-panahy àry ny voahosotra. Manaporofo amin’izy ireo ny fanahy masina fa “mpiara-mandova amin’i Kristy” izy ireo, ka voantso ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. (Rom. 8:15-17; Apok. 5:9, 10) Lasa anisan’ny Israely ara-panahy na “Israelin’Andriamanitra” izy ireo, ary tafiditra ao amin’ilay “fifanekena vaovao.” (Jer. 31:31-34; Gal. 6:16) Ny voahosotra ihany no tafiditra ao amin’io fifanekena io, ka izy ireo ihany no mahazo mihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana. Hoy i Jesosy momba ilay divay: “Ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.”—Lioka 22:20.

16. Iza ireo ‘zavatra etỳ an-tany’, ary nahoana izy ireo no tonga olo-marina eo anatrehan’i Jehovah?

16 Ny ‘zavatra etỳ an-tany’ kosa dia ny ondry hafan’i Kristy. Manantena ny hiaina mandrakizay etỳ an-tany izy ireo. Manampy azy ireo ho tonga olo-marina eo anatrehan’i Jehovah koa ilay Mpanompo voafidiny. Ambaran’i Jehovah ho marina izy ireo, satria mino ny sorom-panavotan’i Kristy, ary ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ Tsy lasa zanany ara-panahy anefa izy ireo, fa lasa namany. Mampanantena izy fa hanampy azy ireo ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 10, 14; Jak. 2:23) Tsy tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao ny ondry hafa, ka tsy ho any an-danitra. Tsy mihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana àry izy ireo, fa manatrika amim-panajana fotsiny.

Isaorana i Jehovah sy ilay Mpanompo ankasitrahany!

17. Nahoana no nanampy antsika hanomana ny saintsika ho amin’ny Fahatsiarovana ny faminanian’i Isaia momba ilay Mpanompo?

17 Tena nanomana ny saintsika ho amin’ny Fahatsiarovana ny fandinihana an’ireo faminanian’i Isaia momba ilay Mpanompo. Afaka ‘nibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika’ isika. (Heb. 12:2) Nianarantsika fa tsy mba nikomy ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy toa an’i Satana izy, fa faly nampianarin’i Jehovah. Nekeny fa i Jehovah no Tompo Fara Tampony. Hitantsika koa fa nangoraka ny olona nitoriany izy, ka maro no nositraniny sy nampiany hihavana indray tamin’i Jehovah. Nasehony tamin’izany izay hataony, rehefa hanjaka ao amin’ny tontolo vaovao izy. ‘Hanao ny rariny etỳ ambonin’ny tany’ izy amin’izay. (Isaia 42:4) Noporofoiny koa fa tena “fahazavan’ny hafa firenena” izy, satria nazoto nitory ilay Fanjakana. Mampahatsiahy antsika izany fa tokony hazoto hitory eran-tany koa isika.—Isaia 42:6.

18. Nahoana ny faminanian’i Isaia no manampy antsika hankasitraka amin’ny fo manontolo an’i Jehovah sy ilay Mpanompony tsy mivadika?

18 Tsapantsika kokoa izao fa tena mafy tamin’i Jehovah ny nandefa ny Zanany malalany tetỳ an-tany, mba hijaly sy ho faty ho antsika. Tsy nahafaly azy ny nahita ny Zanany nijaly. Faly kosa izy satria tsy nivadika mihitsy izy io. Tokony ho faly toa azy koa isika, satria fantatsika izao fa maro ny zavatra nataon’i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah sy hampiharihariana fa mpandainga i Satana. Voaporofo mantsy fa tena manana zo hitondra i Jehovah. Nitondra ny fahotantsika koa i Kristy, ary maty ho antsika. Tonga olo-marina eo anatrehan’i Jehovah ny ondry vitsy sy ny ondry hafa noho izany. Enga anie isika hankasitraka amin’ny fo manontolo an’i Jehovah sy ilay Mpanompony tsy mivadika, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana.

Famerenana

• Inona no dikan’ny hoe “sitrak’i” Jehovah ny “hanorotoro” ny Zanany?

• Inona no dikan’ny hoe ‘notrobarana noho ny helotsika’ i Jesosy?

• Inona no nataon’ilay Mpanompo mba ‘hanampiana olona maro ho tonga olo-marina’?

• Nanampy anao hanomana ny fo sy ny sainao ho amin’ny Fahatsiarovana ve ny faminanian’i Isaia momba ilay Mpanompo? Hazavao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

‘Natao tsinontsinona izy, ary nohamavointsika’

[Sary, pejy 28]

“Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana” izy

[Sary, pejy 29]

Manatrika amim-panajana fotsiny ny “ondry hafa” mandritra ny Fahatsiarovana