Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana II

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana II

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana II

INONA no miandry an’ireo olona mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra? Ary ireo tsy mivavaka aminy? Inona no hanjo an’i Satana sy ny demoniany? Inona no fitahiana ho azon’ny olona mankatò, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? Hita ao amin’ny Apokalypsy 13:1–22:21 ny valin’ireo sy ny fanontaniana lehibe hafa. * Resahina ao ny 9 amin’ireo fahitana 16 azon’ny apostoly Jaona tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany.

Hoy i Jaona: “Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.” (Apok. 1:3; 22:7) Hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo isika, raha mamaky ny Apokalypsy sy mampihatra izay ianarantsika ao. Hitombo koa ny finoantsika azy sy Jesosy Kristy Zanany, ary hanantena hoavy tena tsara isika. *Heb. 4:12.

NARARAKA NY TAO ANATIN’NY VILIA FITON’NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA

(Apok. 13:1–16:21)

Hoy ny Apokalypsy 11:18: ‘Tezitra ireo firenena. Ary tonga ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fotoana voatondro handringanana izay manimba ny tany.’ Hita ao amin’ny fahitana fahavalo fa tezitra Andriamanitra noho ny zavatra nataon’ilay ‘bibidia nanana tandroka folo sy loha fito.’—Apok. 13:1.

Nahita “ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona” i Jaona tao amin’ny fahitana fahasivy, ary “nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy” niaraka taminy. “Novidina avy teo amin’ny olombelona” izy ireo. (Apok. 14:1, 4) Nisy fanambarana nataon’ny anjely avy eo. Nahita “anjely fito nanana ny loza fito” i Jaona tao amin’ny fahitana manaraka. I Jehovah mihitsy no nibaiko an’ireo anjely ireo mba handraraka ‘ny ao anatin’ny vilia fiton’ny fahatezerany’, eo amin’ny tontolon’i Satana manontolo. Fanambarana sy fampitandremana momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra no ao anatin’ireo vilia. (Apok. 15:1; 16:1) Hita ao amin’ireo fahitana roa ireo ny zava-nitranga rehefa notsofina ny trompetra fahafito. Nampihatra ny loza fahatelo ny Fanjakan’Andriamanitra.—Apok. 11:14, 15.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

13:8—Inona ilay “horonam-bokin’ny Zanak’ondry”? Horonam-boky an’ohatra izy io. Ny anaran’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy ihany no hita ao, anisan’izany ny an’ireo Kristianina voahosotra mbola eto an-tany.

13:11-13—Inona no dikan’ny hoe niteny toy ny dragona ilay bibidia nanana tandroka roa, ary nandatsaka afo avy any an-danitra? Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no bibidia nanana tandroka roa. Miteny toy ny dragona izy io, izany hoe mandrahona sy mampiasa herisetra mba hanerena ny olona hanaiky ny fitondrany. Inona kosa no dikan’ny hoe mandatsaka afo avy any an-danitra izy io? Mihambo ho mpaminany izy, satria milaza ho naharesy ny herin’ny ratsy tamin’ireo ady lehibe roa tamin’ny taonjato faha-20. Lazainy fa izy koa no naharesy ny Kominisma.

16:17—Inona ilay “rivotra” nandrarahana ny tao anatin’ny vilia fahafito? Izy io dia ny fomba fisainan’i Satana, na ilay “toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” Mifoka an’io rivotra mahafaty io ny olona rehetra ao amin’ny tontolon’i Satana.—Efes. 2:2.

Lesona ho antsika:

13:1-4, 18. Nisy “bibidia” niakatra “avy tao amin’ny ranomasina.” Ny fitondram-panjakan’olombelona izy io, ary vahoaka mihotakotaka kosa ilay ranomasina. (Isaia 17:12, 13; Dan. 7:2-8, 17) I Satana no nampisy an’io bibidia io sy nanome hery azy. Manana anarana hoe 666 izy io. Midika ho tsy fahalavorariana lehibe ny isa enina miverina intelo. Manaraka an’ilay bibidia ny ankamaroan’ny olona sady mitolagaga aminy. Tsy hanao izany kosa isika, satria fantatsika hoe iza ilay bibidia.—Jaona 12:31; 15:19.

13:16, 17. Mety ho sarotra amintsika ny manao ny zavatra fanaontsika isan’andro, toy ny ‘mividy na mivarotra.’ Tsy tokony havelantsika hifehy ny fiainantsika anefa ilay bibidia. Manaiky hasiany ‘marika eo amin’ny tanana na eo amin’ny handrina’ isika, raha mamela azy hibaiko antsika amin’izay ataontsika, sy hanimba ny toe-tsaintsika.

14:6, 7. Hita amin’ny fanambarana nataon’ilay anjely fa tena ilaintsika maika ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tokony hampiantsika ny olona mianatra Baiboly mba hatahotra an’i Jehovah sy hanome voninahitra azy.

14:14-20. Inona no hitranga rehefa tapitra ‘ny fijinjana ny vokatry ny tany’, izany hoe rehefa voangona ny olona hovonjena? Hisy anjely haka ny “voaloboky ny tany”, ka ‘hanipy mafy izany ao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.’ Ny rafi-pitondrana ratsy noforonin’i Satana io voaloboka io. Ny ‘sampahom-boaloboka’ kosa dia ny voka-dratsy naterak’izany. Samy hofoanana mandrakizay ireo. Tsy tokony hanaiky hofehezin’ny fitondran’i Satana àry isika.

16:13-16. Fampianaran’ny demonia ilay atao hoe ‘fanambarana maloto avy amin’ny fanahy.’ Aelin’izy ireo io fampianarana io mba tsy hiova hevitra ireo mpanjakan’ny tany, fa hanohitra an’i Jehovah, rehefa hararaka ny ao anatin’ny vilia fiton’ny fahatezerany.—Mat. 24:42, 44.

16:21. Vao mainka tsy ho zakan’ny olona ny didim-pitsaran’i Jehovah, rehefa tena akaiky ny fotoana hanafoanany ny tontolon’i Satana. Ho toy ny havandra vaventy amin’izy ireo mantsy izany. Mbola hanevateva an’Andriamanitra foana anefa ny ankamaroany.

HANDRESY ILAY MPANJAKA

(Apok. 17:1–22:21)

Anisan’ny tontolon’i Satana i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra, ary maharikoriko izy io. Toy ny ‘mpivaro-tena lehibe mitaingina bibidia mena midorehitra’ izy, ao amin’ny fahitana faha-11. Ny “tandroka folo” eo amin’ilay bibidia no handringana azy tanteraka. (Apok. 17:1, 3, 5, 16) Ampitovina amin’ny “tanàna lehibe” ilay mpivaro-tena ao amin’ny fahitana manaraka. Resahina ao fa ho rava izy io. Asaina mivoaka haingana avy ao aminy àry ny vahoakan’Andriamanitra. Maro no halahelo rehefa ho rava ilay tanàna. Ho faly anefa ny any an-danitra satria tonga ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” (Apok. 18:4, 9, 10, 15-19; 19:7) Misy “soavaly fotsy” kosa resahina ao amin’ny fahitana faha-13. Hiady amin’ireo firenena ilay mitaingina azy io. Ho rava amin’izay ny tontolon’i Satana.—Apok. 19:11-16.

Inona no hanjo an’ilay “menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana”? Rahoviana izy no ‘hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo’? Resahina ao amin’ny fahitana faha-14 izany. (Apok. 20:2, 10) Aseho ao amin’ny fahitana roa farany kosa ny fitahiana sasany ho azontsika mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Inona no ‘zavatra naharihary’ tamin’i Jaona taorian’izay? Nahita ‘reniranon’ny ranon’aina nikoriana teo afovoan’ny lalambe’ izy, ary nandre fanasana miavaka ho ‘an’izay mangetaheta.’—Apok. 1:1; 22:1, 2, 17.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

17:16; 18:9, 10—Nahoana ny “mpanjakan’ny tany” no halahelo an’i Babylona Lehibe, nefa izy ireo ihany no nandrava azy? Fitiavan-tena fotsiny ny azy ireo. Rehefa rava i Babylona Lehibe vao ho takatr’izy ireo fa tena nilainy izy io. Nataon’i Babylona Lehibe mantsy izay hiheveran’ny olona fa tsy ratsy ny fampahoriana ataon’ny mpitondra. Nampiany izy ireo, rehefa nitady tanora halefa hiady. Izy koa no nanao izay tsy hikomian’ny vahoaka.

19:12—Manana anarana hafa i Jesosy ary izy ihany no mahalala azy io. Inona no dikan’izany? Toa ny toerana sy andraikitra manokana tanany io anarana io. Anisan’izany ireo andraikiny mandritra ny andron’ny Tompo, resahin’ny Isaia 9:6. Tsy misy mahalala ilay anarana afa-tsy i Jesosy, izany hoe izy irery no manana ireo andraikitra ireo, ka izy ihany no mahalala ny tsipiriany momba izany. Hozarainy amin’ny vadiny anefa ny andraikiny sasany. ‘Hosoratany eo amin’izy ireo ilay anarany vaovao.’—Apok. 3:12.

19:14—Iza no hiara-manafika amin’i Jesosy amin’ny Hara-magedona? ‘Ny tafika any an-danitra.’ Anisan’izany ny anjely sy ny voahosotra efa nahazo ny valisoany any an-danitra.—Mat. 25:31, 32; Apok. 2:26, 27.

20:11-15—Ny anaran’iza no voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana”? Ny anaran’ireo hahazo ny fiainana mandrakizay. Anisan’izany ny Kristianina voahosotra sy ny vahoaka be ary ireo olona “marina” hatsangana amin’ny maty. (Asa. 24:15; Apok. 2:10; 7:9) Hatsangana koa ny “tsy marina”, saingy tsy ho ao ny anarany raha toa izy ka tsy mankatò ‘izay voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’ hafa hovelarina mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Mbola azo fafana anefa izay anarana voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana. Tsy tokony hivadika mandra-pahafatiny ny voahosotra mba tsy ho voafafa ny anarany. (Apok. 3:5) Tokony ho tafavoaka soa aman-tsara amin’ilay fitsapana amin’ny faran’ny arivo taona kosa ireo hiaina eto an-tany.—Apok. 20:7, 8.

Lesona ho antsika:

17:3, 5, 7, 16. Azontsika ny “zava-miafina momba an-dravehivavy sy ilay bibidia [mena midorehitra] mitondra azy”, satria manana ny “fahendrena avy any ambony” isika. (Jak. 3:17) Ny Fikambanam-pirenena io bibidia io, ary nandimby azy ny Firenena Mikambana. Moa ve izany fahalalana izany tsy mandrisika antsika hazoto hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanambara ny andro fitsarany?

21:1-6. Tena afaka matoky isika fa ho tanteraka ireo fitahiana ireo rehefa hitondra ilay Fanjakana. Nahoana? Satria izao no voalaza momba azy ireo: “Efa tanteraka izany!”

22:1, 17. Ny “reniranon’ny ranon’aina” dia ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Efa afaka mahazo amin’io rano io isika izao. Enga anie isika ho faly “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina”, ary hazoto hizara azy io amin’ny hafa!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava ny andininy tsirairay ao amin’ny Apokalypsy, ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!

[Sary, pejy 5]

Hahazo fitahiana miavaka ny olona mankatò rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana!