Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tianao Foana ve no Tsy Maintsy Atao?

Izay Tianao Foana ve no Tsy Maintsy Atao?

Izay Tianao Foana ve no Tsy Maintsy Atao?

MISY ankizy roa miara-milalao. Nosintonin’ny anankiray teny an-tanan’ilay namany ny kilalao tiany, ary nikiakiaka izy hoe: “An’ahy ity!” Mbola kely ny olombelona tsy lavorary dia efa tia tena. (Gen. 8:21; Rom. 3:23) Mampirisika ny olona ho tia tena koa ity tontolo ity. Mila miady mafy àry isika, mba tsy ho tia tena. Raha tsy izany mantsy, dia hanafintohina ny hafa isika sady hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.—Rom. 7:21-23.

Mampirisika antsika hieritreritra ny vokatry ny ataontsika eo amin’ny hafa ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa. Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery.” Hoy koa izy: “Aza manao izay hahatafintohina [ny hafa].” (1 Kor. 10:23, 32) Rehefa misy zavatra anananao zo àry, dia eritrereto hoe: ‘Vonona hampandefitra izay tiako ve aho, raha mety hiteraka olana eo anivon’ny fiangonana ilay izy? Vonona hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ve aho, na dia sarotra aza izany?’

Rehefa mifidy asa

Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa zony ny mifidy izay asa tiany, ary tsy misy vokany eo amin’ny hafa izany, na misy ihany fa kely. Diniho anefa ny tantaran’ny mpandraharaha iray, ao amin’ny tanàna kely iray any Amerika Atsimo. Nalaza ho mpiloka sy mpimamo izy. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ary nampihatra izay nianarany, ka nanova ny fiainany. (2 Kor. 7:1) Naniry ho lasa mpitory izy, nefa niteny taminy tamin-katsaram-panahy ny anti-panahy iray, mba handinika ny asany. Tao amin’ilay tanàna mantsy dia izy no tena mpamatsy alkaola avy amin’ny fary. Ampiasaina amin-javatra maro izy io. Nanafangaro azy io tamin-java-pisotro hafa anefa ny olona tao amin’ilay faritra, mba hanamboarana toaka.

Takatr’io lehilahy io fa ho afa-baraka ny fiangonana ary ho simba ny fifandraisany amin’Andriamanitra, raha mitory izy nefa mbola mivarotra alkaola. Tsy nivarotra izany intsony àry izy, na dia mbola namelona zaza dimy aza. Mivarotra taratasy izy, mba hamelomany ny ankohonany. Vita batisa izao izy mivady sy ny zanany roa, ary sahy mitory ny vaovao tsara amin-jotom-po.

Rehefa mifidy namana

Afaka miaraka amin’ny olona tsy mitovy finoana amintsika ve isika, raha izany no tiantsika, sa misy toro lalan’ny Baiboly tokony harahintsika? Te ho any amin’ny fety niaraka tamin’ny tovolahy tsy Kristianina ny anabavy iray. Efa nampitandremana izy, saingy noheveriny fa zony ny nandeha tany. Nisy nanome zava-pisotro nisy fanafody mampatory izy, raha vao tonga kelikely tany. Rehefa nifoha izy, dia hitany fa efa avy nanolana azy ilay tovolahy lazaina fa namany.—Ampitahao amin’ny Genesisy 34:2.

Tsy voatery ho ratsy fiafara toy izany foana ny fiarahana amin’olona tsy mitovy finoana amintsika. Hoy anefa ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ohab. 13:20) Tena hidiran-doza àry isika raha miaraka amin’ny naman-dratsy! Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” Misy fiantraikany eo amintsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny olona iarahantsika.—1 Kor. 15:33; Jak. 4:4.

Rehefa mifidy fitafiana sy taovolo

Miova isaky ny vanin-taona ny lamaody. Tsy miova kosa ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitafiana sy taovolo. Nampirisika ny vehivavy kristianina i Paoly “mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena.” (1 Tim. 2:9) Mihatra amin’ny lehilahy koa izany. Tsy nilaza anefa i Paoly hoe tokony hanao akanjo ratsy ny Kristianina, na hoe tokony hitovy daholo ny zavatra tiany. Inona no atao hoe “maotina”? Hoy ny rakibolana iray: ‘Tsy jejojejo, fa mitandrina mba tsy hanafintohina ny hafa amin’ny fiteny sy fitondran-tena ary fitafy.’

Mila mieritreritra isika hoe: ‘Tena afaka milaza ve aho fa maotina, raha manizingizina fa zoko ny manao akanjo misarika ny olona hijerijery ahy? Mahatonga ny olona hiahiahy momba ahy sy ny fitondran-tenako ve ny fomba fiakanjoko?’ Tsy hanao “izay hahatafintohina olona mihitsy” isika, raha ‘mihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenantsika ihany.’—2 Kor. 6:3; Fil. 2:4.

Amin’ny raharaha ara-bola

Nisy olana lehibe teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, satria nisy tsy rariny sy fanambakana tao. Hoy àry i Paoly: “Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny? Tsy aleo ve manaiky hambakaina?” (1 Kor. 6:1-7) Nasain’i Paoly nandefitra ny Kristianina, fa tsy hitory ny rahalahiny any amin’ny fitsarana. Nampihatra an’izany ny rahalahy iray any Etazonia. Tsy nifanaraka momba ny vola tokony ho naloa taminy, izy sy ilay rahalahy mpampiasa azy. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo, ka nifampiresaka imbetsaka, nefa tsy nahita vahaolana. Nentin’izy ireo teo amin’ny anti-panahy solontenan’ny “fiangonana” àry ilay olana.—Mat. 18:15-17.

Mbola tsy voavaha ihany anefa ilay izy. Nivavaka mafy àry ilay rahalahy, ary nanapa-kevitra fa hafoiny ny ankamaroan’ilay vola. Nahoana? Hoy izy: “Lasa tsy faly intsony aho noho iny olana iny. Nandany ny fotoana tokony ho nanompoako an’Andriamanitra koa ilay izy.” Faly indray izy rehefa avy nandray ilay fanapahan-kevitra, ary tsapany fa nitahy ny fanompoany i Jehovah.

Amin-javatra madinika

Mahazo fitahiana koa isika, rehefa tsy manizingizina izay tiantsika amin-javatra madinika. Nisy mpivady mpisava lalana tonga aloha kokoa, ny andro voalohany tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nahazo toerana tsara àry izy ireo. Rehefa nanomboka ny fandaharana, dia nisy fianakaviana maro anaka niditra. Hitan’ilay mpivady mpisava lalana fa nitady toerana nety taminy ilay fianakaviana, ka nomen’izy ireo ny toerany. Afaka niara-nipetraka daholo àry izy mianakavy. Naharay taratasy fisaorana avy tamin’izy ireo ilay mpivady, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Voalaza tao fa tena kivy izy ireo rehefa tonga tara tany amin’ny fivoriambe. Faly be anefa izy ireo avy eo, satria tsara fanahy taminy ilay mpivady mpisava lalana.

Tokony ho vonona hampandefitra izay tiantsika isika, mba hahasoa ny hafa. Hihavana tsara foana amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana sy amin’ny mpiara-monina isika, rehefa maneho fitiavana, fa “tsy mitady izay hahasoa ny [tenantsika].” (1 Kor. 13:5) Ny tena zava-dehibe dia hoe hifandray tsara amin’i Jehovah foana isika.

[Sary, pejy 20]

Vonona hampandefitra izay tianao ve ianao eo amin’ny resaka lamaody?

[Sary, pejy 21]

Vonona hanome ny toeranao ho an’ny rahalahinao ve ianao?