Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasambatra ny Fanarahana ny Tenin’i Jesosy

Mahasambatra ny Fanarahana ny Tenin’i Jesosy

Mahasambatra ny Fanarahana ny Tenin’i Jesosy

‘Niakatra teo an-tendrombohitra [i Jesosy]. Nanatona azy ny mpianany, ary nanomboka nampianatra azy ireo izy.’—MAT. 5:1, 2.

1, 2. a) Lazalazao ny zava-nitranga taloha kelin’ny nanaovan’i Jesosy an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. b) Inona no nolazain’i Jesosy teo am-panombohan’ilay toriteniny?

TAONA 31 tamin’izay. Naaton’i Jesosy kelikely ny fitoriany tany Galilia, satria hankalaza ny Paska any Jerosalema izy. (Jaona 5:1) Rehefa tafaverina tany Galilia izy, dia nivavaka nandritra ny alina talohan’ny nifidianany ny apostoly 12. Nivory teo aminy ny vahoaka ny ampitson’iny, ary nositraniny izay narary. Nipetraka teo amin’ny tehezan-tendrombohitra iray izy avy eo, ary nampianatra ny mpianany sy izay rehetra tonga teo.—Mat. 4:23–5:2; Lioka 6:12-19.

2 Antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra io lahateniny io. Nilaza izy teo am-panombohana, fa ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra no mahasambatra. (Vakio ny Matio 5:1-12.) Ny hoe sambatra dia midika hoe ‘miadan-tsaina, milamin-tsaina, ary finaritra.’ Nanasongadina lafin-javatra sivy mahasambatra ny Kristianina i Jesosy, ary mbola mahasoa antsika foana izany. Andeha hodinihintsika tsirairay izy ireo.

Ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”

3. Inona no dikan’ny hoe mahatsapa fa mila an’Andriamanitra?

3 “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:3) Ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”, dia miaiky fa mila ny tari-dalany sy ny famindram-pony.

4, 5. a) Nahoana no sambatra ireo mahatsapa fa mila an’Andriamanitra? b) Ahoana no ahazoantsika ny tari-dalana ilaintsika?

4 Sambatra ireo mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, satria “azy ny fanjakan’ny lanitra.” Nanjary afaka ny hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ireo mpianany voalohany, satria nanaiky azy ho Mesia. (Lioka 22:28-30) Na hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra no fanantenantsika, na hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany eo ambany fitondran’ilay Fanjakana, dia afaka ny ho sambatra isika, raha tena mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.

5 Tsy ny rehetra no mahatsapa hoe mila ny tari-dalan’Andriamanitra. Maro mantsy no tsy manam-pinoana sy tsy manaja zava-masina. (2 Tes. 3:1, 2; Heb. 12:16) Hahazo ny tari-dalana ilaintsika isika raha mazoto mianatra Baiboly sy manao mpianatra, ary mivory tsy tapaka.—Mat. 28:19, 20; Heb. 10:23-25.

“Sambatra” ny ory

6. Iza ireo antsoina hoe “ory”, ary nahoana izy ireo no “sambatra”?

6 “Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina.” (Mat. 5:4) Karazan’olona iray ihany ireo “ory” sy ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Tsy olona be taraina noho ny toe-piainana misy azy akory ireo ory resahina eto, fa olona malahelo noho izy mpanota sy noho ny zava-misy vokatry ny tsy fahalavorarian’olombelona. Nahoana no “sambatra” ny olona toy izany? Satria mino an’Andriamanitra sy Kristy izy ireo, ary mampionona azy ny fifandraisany tsara amin’i Jehovah.—Jaona 3:36.

7. Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika manoloana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’i Satana?

7 Ory ve isika noho ny faharatsiana manjaka eo amin’ny tontolon’i Satana? Ahoana marina no fahitantsika ny zavatra atolotr’ity tontolo ity? Hoy ny apostoly Jaona: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray.” (1 Jaona 2:16) Ahoana anefa raha tsapantsika fa misy vokany eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah “ny fanahin’izao tontolo izao”, na ny toe-tsaina manjaka eo amin’ny olona lavitra an’Andriamanitra? Tena ilaina ny mivavaka mafy sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary mangataka ny fanampian’ny anti-panahy. Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha manao izany, ka ‘hahazo fampiononana’, na inona na inona mampahory antsika.—1 Kor. 2:12; Sal. 119:52; Jak. 5:14, 15.

Sambatra “ny malemy fanahy”

8, 9. Inona no dikan’ny hoe malemy fanahy, ary nahoana no sambatra ny olona toy izany?

8 “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Mat. 5:5) Tsy hoe kanosa na mody tsara fanahy ny olona ‘malemy fanahy’ na mandefitra. (1 Tim. 6:11) Raha malemy fanahy isika, dia handefitra ka hanao ny sitrapon’i Jehovah sy hanaiky ny tari-dalany. Ho hita eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpiray finoana sy ny olon-kafa koa raha malemy fanahy isika. Mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly izany.—Vakio ny Romanina 12:17-19.

9 Nahoana no sambatra ny malemy fanahy? Satria “handova ny tany” izy ireny, hoy i Jesosy. Malemy fanahy i Jesosy, ary izy no lehibe indrindra amin’ny Mpandova ny tany. (Sal. 2:8; Mat. 11:29; Heb. 2:8, 9) Handova ny tany miaraka aminy koa anefa ireo malemy fanahy “mpiara-mandova” ilay Fanjakana aminy. (Rom. 8:16, 17) Hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny mpandefitra maro hafa, eo ambany fitondran’io Fanjakana io.—Sal. 37:10, 11.

10. Raha tsy malemy fanahy isika, inona no mety ho vokatr’izany amin’ny fanompoantsika eo anivon’ny fiangonana sy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?

10 Tokony halemy fanahy toa an’i Jesosy isika. Ahoana anefa raha malaza ho masiaka na mpila ady isika? Mety hanalavitra antsika ny olona. Tsy mahafeno fepetra hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny rahalahy manana toetra toy izany. (1 Tim. 3:1, 3) Nampirisihin’i Paoly i Titosy mba hampahatsiahy hatrany an’ireo Kristianina tao Kreta “tsy ho tia ady, fa hahay handanjalanja sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.” (Tit. 3:1, 2) Tena mahasambatra ny hafa ny miaraka amin’ny olona malemy fanahy!

Ireo noana “ny fahamarinana”

11-13. a) Inona no dikan’ny hoe noana sy mangetaheta ny fahamarinana? b) Ahoana no anomezana “fahafaham-po” an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana?

11 “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no homena fahafaham-po.” (Mat. 5:6) Ny tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “fahamarinana” dia hoe manao ny marina foana, ka manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny. Nilaza ny mpanao salamo fa “te handre foana” ny didim-pitsarana marin’Andriamanitra izy. (Sal. 119:20) Tena tia ny fahamarinana ve isika, ka toy ny hoe noana sy mangetaheta azy io?

12 Nilaza i Jesosy fa sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, satria “homena fahafaham-po” izy ireo. Tanteraka izany taorian’ny Pentekosta taona 33. Tamin’izay mantsy no nanomboka ‘nanome porofo mampiaiky an’izao tontolo izao ny amin’ny fahamarinana’ ny fanahy masin’i Jehovah. (Jaona 16:8) Nomen’Andriamanitra fanahy masina ny lehilahy maromaro mba hanoratra ny Soratra Grika Kristianina, izay tena mahasoa mba “hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Tim. 3:16) Ny fanahy masina koa no manampy antsika “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana” na fahamarinana. (Efes. 4:24) Tsy mampahery ve ny mahafantatra, fa lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona mibebaka sy mangataka famelan-keloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy?—Vakio ny Romanina 3:23, 24.

13 Ho afa-po tanteraka ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, izay manantena ny hiaina eto an-tany, rehefa hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo anjakan’ny fahamarinana. Eo am-piandrasana izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Hoy i Jesosy: ‘Katsaho foana aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.’ (Mat. 6:33) Ho be atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika raha manao izany, ka tena ho sambatra.—1 Kor. 15:58.

Nahoana no sambatra “ny mamindra fo”?

14, 15. Ahoana no ampisehoantsika fa mamindra fo isika, ary nahoana no sambatra “ny mamindra fo”?

14 “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Mat. 5:7) Mangoraka ny hafa ny olona “mamindra fo.” Nanasitrana marary maro i Jesosy satria nangoraka azy ireo. (Mat. 14:14) Mamindra fo ny olona iray rehefa mamela ny heloky ny olona nanisy ratsy azy, toa an’i Jehovah izay mamindra fo amin’ireo mibebaka. (Eks. 34:6, 7; Sal. 103:10) Mamindra fo koa isika rehefa tsara fanahy amin’ny mahantra, ka mampiseho izany amin’ny teny sy ny atao. Manamaivana ny fahorian’izy ireo izany. Fomba tsara anehoana famindram-po ny firesahana ny fahamarinana amin’ny hafa. Nangoraka ny vahoaka i Jesosy ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.”—Mar. 6:34.

15 Marina tokoa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” Mazàna mantsy no tsara fanahy amintsika ny olona, rehefa mamindra fo aminy isika. Raha mamindra fo amin’ny hafa koa isika, dia mety hamindra fo amintsika Andriamanitra rehefa mitsara antsika. (Jak. 2:13) Ireo mamindra fo ihany no hahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay.—Mat. 6:15.

Nahoana no sambatra “ny madio am-po”?

16. Inona no dikan’ny hoe “madio am-po” sy ny hoe ‘mahita an’Andriamanitra’?

16 “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Mat. 5:8) Madio am-po isika raha madio ny zavatra tiantsika sy ny faniriantsika ary ny antony manosika antsika. Hampiseho “fitiavana avy amin’ny fo madio” koa isika. (1 Tim. 1:5) “Hahita an’Andriamanitra” isika, raha madio am-po. Tsy hoe hahita azy mivantana akory isika, satria “tsy misy olona afaka mahita [an’Andriamanitra] ka mbola ho velona ihany.” (Eks. 33:20) Nanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra anefa i Jesosy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” Fomba iray ahitana an’Andriamanitra àry ny fandinihana ny toetran’i Jesosy, satria nanahaka tanteraka ny Rainy izy. (Jaona 14:7-9) Afaka ‘mahita an’Andriamanitra’ koa isika mpivavaka aminy eto an-tany, rehefa mandinika ny zavatra ataony ho antsika. (Joba 42:5) Hahita an’Andriamanitra amin’ny fomba feno ireo Kristianina voahosotra, rehefa hatsangana ho zavaboary ara-panahy any an-danitra ka hahita azy mivantana.—1 Jaona 3:2.

17. Hanao ahoana isika raha madio am-po?

17 Madio fitondran-tena sy miezaka ny tsy hisy loto eo imason’Andriamanitra ny olona madio am-po, ka tsy mampifantoka ny sainy amin-javatra heverin’i Jehovah ho maloto. (1 Tant. 28:9; Isaia 52:11) Hadio ny zavatra lazaintsika sy ataontsika raha madio am-po isika. Tsy hisy fihatsarambelatsihy koa ny fanompoantsika an’i Jehovah.

Lasa zanak’Andriamanitra “ny mpampihavana”

18, 19. Inona no ataon’ny “mpampihavana”?

18 “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’ ” (Mat. 5:9) Fantatra amin’izay ataony sy tsy ataony “ny mpampihavana.” Tsy “mamaly ratsy ny ratsy” izy, fa ‘manao soa hatrany amin’ny olona rehetra.’—1 Tes. 5:15.

19 Tsy maintsy manao izay hisian’ny fihavanana isika, raha te ho mpampihavana. Tsy manao zavatra “mampisaraka ny tena mpinamana” ny mpampihavana. (Ohab. 16:28) ‘Manao izay hihavanana amin’ny olon-drehetra’ kosa izy.—Heb. 12:14.

20. Iza ankehitriny no “zanak’Andriamanitra”, ary iza koa no ho lasa zanany amin’ny hoavy?

20 Sambatra ny mpampihavana satria “hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’ ” Lasa “zanak’Andriamanitra” ireo Kristianina voahosotra tsy mivadika, satria atsangany ho zanany. Efa mifandray akaiky amin’i Jehovah toy ny zanany izy ireo ankehitriny, noho izy ireo mino an’i Kristy sy manompo amin’ny fo manontolo an’ilay “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.” (2 Kor. 13:11; Jaona 1:12) Ahoana kosa ny amin’ireo “ondry hafa” tia fihavanana? Ho “Ray Mandrakizay” ho azy ireo i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Ho lasa zanak’Andriamanitra amin’ny fomba feno koa anefa izy ireo amin’ny faran’ny arivo taona, ary na i Jesosy aza hanaiky an’i Jehovah amin’izay.—Jaona 10:16; Isaia 9:6; Rom. 8:21; 1 Kor. 15:27, 28.

21. Hanao ahoana ny fihetsitsika raha “araka ny fanahy ny fomba fiainantsika”?

21 Ho hitan’ny hafa hoe tia fihavanana isika, raha “araka ny fanahy ny fomba fiainantsika.” Tsy “hampisy fifaninanana” na hifampila ady isika. (Gal. 5:22-26) Hiezaka kosa isika ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’—Rom. 12:18.

Sambatra na dia enjehina aza!

22-24. a) Nahoana no sambatra ireo enjehina noho ny fahamarinana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka?

22 “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:10) Hoy koa i Jesosy rehefa niresaka ny lafin-javatra fahasivy mahasambatra: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.”Mat. 5:11, 12.

23 Ampoizin’ny Kristianina hoe hotevatevaina sy henjehina ary hamoronana lainga “noho ny fahamarinana” izy ireo, toy ny mpaminanin’Andriamanitra fahiny ihany. Raha tsy mivadika sy miaritra anefa isika, dia ho afa-po satria mampifaly an’i Jehovah sy manome voninahitra azy. (1 Pet. 2:19-21) Na eo aza ny fijaliana, dia tsy hampihena ny fifaliantsika eo am-panompoana an’i Jehovah izany, na ankehitriny na amin’ny hoavy. Tsy hampihena ny fahasambaran’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra izany, sady tsy hampihena ny fifalian’ireo hiaina mandrakizay eto an-tany. Porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fanaovany soa ary ny fahalalahan-tanany ireo fitahiana ireo.

24 Maro ny lesona mbola azo ianarana avy amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Handinika ny fomba hampiharana izany isika ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no sambatra ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”?

• Nahoana no sambatra “ny malemy fanahy”?

• Nahoana no sambatra ny Kristianina na dia enjehina aza?

• Inona amin’ireo lafin-javatra mahasambatra nolazain’i Jesosy no tena nanohina ny fonao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Mbola mahasoa antsika ankehitriny ireo lafin-javatra sivy mahasambatra nolazain’i Jesosy

[Sary, pejy 8]

Fomba tsara anehoana famindram-po ny firesahana ny fahamarinana amin’ny hafa