Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany eo Amin’ny Vavaka Ataonao ve ny Tenin’i Jesosy?

Misy Vokany eo Amin’ny Vavaka Ataonao ve ny Tenin’i Jesosy?

Misy Vokany eo Amin’ny Vavaka Ataonao ve ny Tenin’i Jesosy?

“Rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany.”—MAT. 7:28.

1, 2. Nahoana no nampitolagaga ny vahoaka ny fomba fampianatr’i Jesosy?

MBOLA tsy nisy olona niteny toa an’i Jesosy Kristy. Nitolagaga mihitsy ny vahoaka noho ny fomba fampianany tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra! Tokony hanaiky sy hampihatra ny teniny àry isika.—Vakio ny Matio 7:28, 29.

2 Tsy toy ny an’ireo mpanora-dalàna ny fampianaran’ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah. Avy tamin’ny fampianaran’olombelona mantsy ny tenin’izy ireo. Ny an’i Kristy kosa avy amin’Andriamanitra, hany ka nampianatra “toy ny manana fahefana” izy. (Jaona 12:50) Hojerentsika izao ny tenin’i Jesosy momba ny vavaka sy izay azontsika ianarana avy amin’izany.

Aza mivavaka tahaka ny mpihatsaravelatsihy

3. Fintino izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:5.

3 Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahana marina ny vavaka, ary tokony hatao tsy tapaka. Tsy maintsy atao mifanaraka amin’izay nolazain’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra anefa izany. Hoy izy: “Rehefa mivavaka ... ianareo, dia aza manao toy ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.”Mat. 6:5.

4-6. a) Nahoana no tian’ny Fariseo ny “mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe” rehefa mivavaka? b) Nahoana no lazaina fa “efa azony ny valisoany rehetra”?

4 Nihevi-tena ho marina ny Fariseo ary niseho ho mpivavaka be. Tsy tokony hanahaka ny “mpihatsaravelatsihy” toy ireny ny mpianatr’i Jesosy rehefa mivavaka. (Mat. 23:13-32) Tia mivavaka “mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe” izy ireny. Nahoana? “Mba ho hitan’ny olona.” Fanaon’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny miara-mivavaka mandritra ny fotoan’ny fanatitra dorana (amin’ny sivy maraina sy amin’ny telo tolakandro eo ho eo). Maro tamin’ny mponin’i Jerosalema, ohatra, no nivavaka niaraka tamin’ny besinimaro tao amin’ny tempoly tamin’ireo ora ireo. Ny Jiosy tia fivavahana nipetraka tany ivelan’i Jerosalema kosa nivavaka indroa isan’andro, ary ‘nitsangana tao amin’ny synagoga.’—Ampitahao amin’ny Lioka 18:11, 13.

5 Mety hivavaka eny amin’izay toerana misy azy ny ankamaroan’ny olona amin’ireo fotoana fivavahana ireo, satria tsy voatery ho eny akaikin’ny tempoly na synagoga izy ireo. Ataon’ny sasany àry izay hahatonga azy ho “eny an-joron-dalambe” amin’ireo ora ireo. Te ho “hitan’ny olona” mandalo eny amin’ireny sampanan-dalana ireny mantsy izy ireo. Te ho deraina ny olona toy izany, ka mody “manao vavaka lava be ho fisehosehoana fotsiny.” (Lioka 20:47) Tsy tokony hanahaka izany toe-tsaina izany isika.

6 Nilaza i Jesosy fa ‘efa nahazo ny valisoany rehetra’ ireny mpihatsaravelatsihy ireny. Naniry mafy ho voamariky ny olona sy hoderaina izy ireny, ary izany tokoa no nitranga. Izay ihany anefa no valisoany satria tsy hamaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. Hovalian’Andriamanitra kosa ny vavaky ny tena mpanara-dia an’i Kristy, araka ny tenin’i Jesosy manaraka.

7. Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe ‘mivavaha ao amin’ny efitranonao’?

7 “Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.” (Mat. 6:6) Tsy midika akory izany hoe tsy mety raha misy olona misolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka. Manoro hevitra kosa i Jesosy eo hoe tsy tokony hisarika ny sain’ny besinimaro ho amin’ny tenany ilay misolo tena, ary tsy hitady dera avy amin’ny hafa. Tokony hitadidy izany isika raha voatendry hanao vavaka ho an’ny besinimaro. Tsy izay ihany anefa no toromarika nomen’i Jesosy.

8 Inona no tsy tokony hatao rehefa mivavaka, araka ny Matio 6:7?

8 “Rehefa mivavaka ... ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.” (Mat. 6:7) Nolazain’i Jesosy teo fa tsy mety ny mamerimberina vavaka tsianjery. Tsy te hilaza akory izy hoe tsy mety ny mamerimberina fitalahoana sy fisaorana avy amin’ny fo rehefa mivavaka. Na i Jesosy aza mantsy namerina “izay nolazainy teo aloha”, rehefa nivavaka tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ny alina talohan’ny nahafatesany.—Mar. 14:32-39.

9, 10. Nahoana no tsy mety ny mamerimberina be ny zavatra lazaintsika rehefa mivavaka?

9 Tsy tokony hanahaka ny “olona eo amin’izao tontolo izao” isika rehefa mivavaka. “Mamerimberina” fehezanteny efa nianarana tsianjery sy feno teny tsy ilaina izy ireo. Tsy nisy vokany ny niantsoan’ny mpivavaka tamin’i Bala ny anarany “hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, hoe: ‘Ry Bala ô, valio izahay!’ ” (1 Mpanj. 18:26) Olona an-tapitrisany ankehitriny no mamerimberina vavaka tsianjery, ary mieritreritra fa ‘hohenoina.’ Asehon’i Jesosy antsika anefa fa tsy misy dikany amin’i Jehovah ny ‘fampiasana teny maro’ amin’ny vavaka tsianjery sy lavareny. Hoy ihany i Jesosy:

10 “Koa aza manahaka azy ianareo, fa fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” (Mat. 6:8) Lasa nitovy tamin’ny hafa firenena ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana jiosy rehefa nanao vavaka lavareny. Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahana marina ny vavaka avy amin’ny fo, ka tafiditra amin’izany ny fiderana sy fisaorana ary fangatahana. (Fil. 4:6) Tsy mety anefa ny ieritreretana hoe mora manadino i Jehovah, ka mila averimberina be ny zavatra lazaintsika. Tokony hitadidy isika rehefa mivavaka, fa ‘mahafantatra izay ilaintsika ilay Raintsika, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza isika.’

11. Inona no tokony hotadidintsika raha asaina mivavaka ho an’ny besinimaro isika?

11 Ireo tenin’i Jesosy ireo dia mampahatsiahy antsika, fa tsy zava-dehibe amin’i Jehovah ny fiteny mipoapoaka sy ny teny maro tsy ilaina. Tokony ho takatsika koa fa tsy natao hampiaiky volana ny mpihaino ny vavaka ho an’ny besinimaro, na hahatonga azy ireo hieritreritra hoe rahoviana ihany vao hanao “Amena.” Nasehon’ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay toriteny koa, fa tsy natao hanomezana torohevitra na hanaovana fampandrenesana ny vavaka.

Mampianatra antsika hivavaka i Jesosy

12. Inona no dikan’ilay fangatahana hoe “hohamasinina anie ny anaranao”?

12 Nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesosy, rehefa avy nampitandrina ny amin’ny fomba fivavaka tsy mety. (Vakio ny Matio 6:9-13.) Tsy natao hianarana tsianjery sy haverimberina foana io vavaka io. Modely kosa izy io. Andriamanitra no noresahin’i Jesosy voalohany tao amin’ilay vavaka. Hoy izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Mat. 6:9) Mety ny hiantsoana an’i Jehovah hoe ‘Raintsika’ satria izy no Mpamorona antsika, ary monina “any an-danitra” lavitra ny tany izy. (Deot. 32:6; 2 Tant. 6:21; Asa. 17:24, 28) Ny hoe “Rainay” dia tokony hampahatsiahy antsika, fa mifandray akaiky amin’Andriamanitra koa ireo mpiray finoana amintsika. Rehefa mivavaka isika hoe “hohamasinina anie ny anaranao”, dia mangataka an’i Jehovah mba hanadio ny anarany amin’ny fanalam-baraka rehetra natao taminy nanomboka tamin’ny fikomiana tany Edena. Hanala ny faharatsiana eto an-tany i Jehovah ho valin’io vavaka io, ka hanamasina ny tenany.—Ezek. 36:23.

13. a) Inona no angatahintsika amin’ilay hoe “ho tonga anie ny fanjakanao”? b) Inona no anisan’ny sitrapon’Andriamanitra hatao etỳ an-tany?

13 “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 6:10) Tokony hotadidintsika rehefa manao an’io fangatahana io, fa ilay “fanjakana” dia ny Fanjakan’ny Mesia tarihin’i Kristy sy ireo ‘olona masina’ natsangana tamin’ny maty. (Dan. 7:13, 14, 18; Isaia 9:6, 7) Angatahintsika “ho tonga” izy io, izany hoe handringana an’izay rehetra manohitra ny fahefan’Andriamanitra eto an-tany. Ho tanteraka tsy ho ela izany, ary ho lasa paradisa ny tany aorian’izay, ka hanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana ary ny filaminana. (Sal. 72:1-15; Dan. 2:44; 2 Pet. 3:13) Efa atao any an-danitra ny sitrapon’i Jehovah ankehitriny. Rehefa mangataka ny hanaovana izany etỳ an-tany isika, dia mivavaka mba hotanterahiny etỳ koa ny fikasany. Anisan’izany ny fandringanany ny mpanohitra azy, toy izay efa nataony fahiny ihany.—Vakio ny Salamo 83:1, 2, 13-18.

14. Nahoana no mety ny mangataka ny ‘hanina sahaza antsika anio’?

14 “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.” (Mat. 6:11; Lioka 11:3) Mangataka amin’Andriamanitra hanome antsika izay sakafo sahaza antsika “anio” isika, amin’io vavaka io. Asehontsika amin’izany fa mino isika hoe afaka manome izay ilaintsika isan’andro i Jehovah. Tsy fangatahana sakafo mihoatra noho izay ilaina akory io. Tsaroantsika angamba fa nasain’Andriamanitra nanangona mana “izay laniny isan’andro” ny Israelita tsirairay.—Eks. 16:4.

15. Inona no tokony hataontsika mba hamelan’i Jehovah ny helotsika?

15 Miresaka zavatra iray tokony hataontsika ny fangatahana manaraka. Hoy i Jesosy: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Mat. 6:12) Tsy afaka manantena an’i Jehovah hamela ny helotsika isika, raha tsy efa ‘namela’ ny helok’izay nanota tamintsika. (Vakio ny Matio 6:14, 15.) Tokony hamela tanteraka ny heloky ny hafa isika.—Efes. 4:32; Kol. 3:13.

16. Inona no tena dikan’ilay hoe “aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy” sy ilay hoe “manafaha anay amin’ilay ratsy”?

16 “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Mat. 6:13) Inona no tena dikan’ireo fangatahana ireo? Azo antoka aloha fa tsy maka fanahy antsika hanota mihitsy i Jehovah. (Vakio ny Jakoba 1:13.) I Satana na “ilay ratsy” no tena “Mpaka fanahy.” (Mat. 4:3) Milaza ny Baiboly indraindray fa Andriamanitra no manao ny zavatra iray, nefa raha ny marina dia avelany hitranga fotsiny ilay izy. (Rota 1:20, 21; Mpito. 11:5) Rehefa mivavaka àry isika hoe “aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”, dia mangataka amin’i Jehovah mba tsy hamela antsika ho resin’ny fakam-panahy. Farany, ilay hoe “manafaha anay amin’ilay ratsy” dia fangatahana amin’i Jehovah mba tsy hamela an’i Satana hampivadika antsika. Ary afaka matoky isika fa ‘tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’ Andriamanitra.—Vakio ny 1 Korintianina 10:13.

‘Mangataha foana, mitadiava foana, dondòny foana’

17, 18. Inona no dikan’ny hoe ‘mangataha foana, mitadiava foana, dondòny foana’?

17 Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Paoly hoe: “Mahareta amin’ny vavaka.” (Rom. 12:12) Nandidy koa i Jesosy hoe: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo. Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.” (Mat. 7:7, 8) Mety ny ‘mangataka foana’, raha mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fangatahantsika. Hoy mantsy ny apostoly Jaona: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14.

18 Asehon’ilay torohevitr’i Jesosy hoe ‘mangataha foana’ sy hoe ‘mitadiava foana’, fa tokony hivavaka amin’ny fo manontolo isika, ary tsy hitsahatra mandra-pahazoana valiny. Tena ilaintsika koa ny ‘mandondòna foana’ mba hidirana ao amin’ilay Fanjakana sy hahazoana ireo fitahiana sy tombontsoa ary valisoa entin’izy io. Afaka matoky ve anefa isika fa hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra? Eny, raha tsy mivadika aminy isika. Hoy mantsy i Kristy: “Izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.” Maro tamin’ny zavatra niainan’ny mpanompon’i Jehovah no manaporofo fa “Mpihaino vavaka” tokoa Andriamanitra.—Sal. 65:2.

19, 20. Inona no mampitovy an’i Jehovah amin’ny ray be fitiavana, rehefa jerena ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:9-11?

19 Noharin’i Jesosy tamin’ny ray be fitiavana manome zava-tsoa ho an-janany Andriamanitra. Eritrereto hoe teo ianao rehefa nanao ilay Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesosy, ary nahare azy niteny hoe: “Iza ... moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Ary raha angatahany trondro no hanome azy bibilava? Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.”Mat. 7:9-11.

20 Tia zanaka ny ray na dia azo lazaina hoe “ratsy fanahy” aza, noho izy nandova ota. Tsy hamitaka an-janany mihitsy izy, fa hiezaka mafy hanome azy “zava-tsoa.” Toy izany koa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Manome “zava-tsoa” ho antsika izy, anisan’izany ny fanahy masina. (Lioka 11:13) Mandrisika antsika izy io hanompo an’i Jehovah araka izay takiny. Avy aminy mantsy ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jak. 1:17.

Mandraisa soa hatrany avy amin’ny tenin’i Jesosy

21, 22. Inona no mampiavaka an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ary inona no tsapanao momba ireo fampianaran’i Jesosy tao?

21 Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra tokoa no lahateny niavaka indrindra teto an-tany. Miavaka izy io satria mazava tsara sady mampianatra antsika momba an’Andriamanitra. Hita tamin’ireo lahatsoratra mifampitohy nodinihintsika, fa handray soa maro isika raha mampihatra ireo torohevitra tao amin’io toriteny io. Hihatsara ny fiainantsika dieny izao, ary afaka manantena hoavy sambatra isika.

22 Vitsivitsy monja tamin’ireo fampianarana sarobidy nomen’i Jesosy tao amin’ilay toriteny, no hitantsika tamin’ireo lahatsoratra ireo. Tsy mahagaga àry raha “nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany.” (Mat. 7:28) Azo inoana fa ho talanjona toy izany koa isika, raha mameno ny saintsika sy ny fontsika amin’ireo fampianaran’i Jesosy ireo, sy ny fampianarany sarobidy hafa.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no nolazain’i Jesosy momba ny vavaka atao amim-pihatsarambelatsihy?

• Nahoana isika no tsy tokony hamerimberina vavaka atao tsianjery?

• Inona avy no angatahina ao amin’ilay vavaka modely?

• Inona no dikan’ny hoe ‘mangataka foana sy mitady foana ary mandondòna foana’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nomelohin’i Jesosy ireo mpihatsaravelatsihy izay nivavaka mba ho hita sy ho ren’ny olona fotsiny

[Sary, pejy 17]

Nahoana no mety ny mivavaka mba hahazoana ny sakafo ilaina isan’andro?